Home > Conseil des Ministres

Alarobia 12 Jolay 2023 – Lapam-panjakana Iavoloha 

Notanterahina androany ny Filan-kevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

I- FAMPITANA AM-BAVA

MINISITERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana fitaovam-pitsaboana sy fanafody, fanomezana avy amin’ny UNICEF (Supply Division Oceanvej 10-12 Nordhavn, Copenhague, Danemark). Hatolotra ny Birao Nasionaly misahana ny fitantanana ny ambana sy ny loza (BNGRC) ireo fanomezana ireo, hatokana ho fanampiana taorian’ny rivo-doza Freddy araka ny drafi-pirenena nentina niatrehana ny vokatry ny rivo-doza (plan national de réponse) ary koa ho an’ny tsy fanjariana ara-tsakafo any amin’ny faritra atsimo sy atsimo atsinanan’i Madagasikara. Ny vehivavy sy ny ankizy no ho laharam-pahamehana amin’ny fisitrahana ireo fanampiana ireo.

MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA, NY VAROTRA ARY NY FANJIFANA

Ho fanatanterahana ny veliranon’ny Filohan’ny Repoblika mikasika ny fampiroboroboana ara-indostria an’i Madagasikara, sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo ka nametrahana ny fandaharanasan’ny Filoham-pirenena « One District, One factory » na hoe Distrika iray, orinasa iray, dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hampiasana ny ampahany amin’ny tetibolan’ny Minisitera amin’ity taona 2023 ity, mba hividianana fitaovana teknika sy fampitaovana ara-indostria mikasika ny fananganana orinasa fitotoam-bary, sy orinasa mpanao savony. Amparafaravola sy Marovoay no hisitraka ny fananganana ireo orinasa fitotoam-bary, ary Antananarivo sy ny manodidina kosa no hananganana ireo orinasa mpanao savony.

MINISITERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana fitaovana ilaina amin’ny fampianarana (kits pédagogiques) tafiditra ao anatin’ny tetikasa fanohanana ny fanabeazana fototra (PAEB) mba ho fanatsarana ny fahombiazan’ny ankizy mpianatra any an-tsekoly.

MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fitaovana ara-pitsaboana tahaka ny vata fampagatsiahana ampiasaina amin’ny Laboratoara fitiliana rà, fitaovam-panadiovana, ary fitaovam-pandanjana avy amin’ny UNICEF.Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fitaovana fitaterana vaksiny izay fanomezana avy amin’ny UNICEF ka hatolotra hampiasain’ny Minisiteran’ny fahasalamana amin’ny fanatanterahana ny politikan’ny fanaovana vaksiny manerana an’i Madagasikara.Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fahafahan’ny Minisiteran’ny fahasalamana mampiasa ny ampahany amin’ny tetibolany hamatsiana akora ara-pahasalamana (intrants de santé) sy vata fampangatsiahana hitehirizana fanafody an’ireo hopitalim-panjakana samihafa manerana ny Nosy. Ny foibe fividianana fanafody SALAMA no miantsoroka ny fitsinjarana ireo akora ara-pahasalamana ireo.

MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezana tetibola fanampiny ho an’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, hividianana fitaovana teknika, informatika ary fitaovana fampiasa ao anaty birao mba hahafahany miroso amin’ny fampitaovana ireo fotodrafitrasa vita fanamboarana kanefa mbola tsy afaka misokatra, tahaka ny Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina Tolagnaro, Toliara, Ambositra, Manakara ary Ambovombe, ny Akademiam-pirenena misahana ny Zavakanto sy ny Kolontsaina (ANAC), ny HAVORIA (Mozean’ny hainoamanjery sy « auditorium » lehibe) eto Antananarivo sy ny sisa. Aorian’ny fahazoana ny fampitaovana dia azo irosoana ny fitokanana ireo fotodrafitrasa samihafa ireo.MINISITERAN’NY ASA VAVENTYHo fanatanterahana ny fanapahan-kevitry ny Filan-kevitry ny Minisitra manokana natao tamin’ny herinandro lasa, dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampiasana dingana maika (procédure d’urgence) amin’ny tsenan’asam-panjakana, mikasika ny fanamboarana ny lalana eto Antananarivo. Izany dia mifanaraka amin’ny voalazan’ny didy aman-dalàna manan-kery, ny didim-panjakana lf : 2022-800 tamin’ny 01 Jona 2022 ao amin’ny andininy faha-5, izay milaza fa fanapahan-kevitry ny Filohan’ny Repoblika na ny Governemanta no manasokajy ny maha-maika ny asa. Ireto ireo ampahan-dalana voakasik’izany dingana maika izany :

1. Fihaonan-dalana Antaninandro- Andravoahangy fivavahana

2. Ampahan-dalana BOA Ampandrana – Bel’air Antsakaviro – Ankorahotra – rond-point Ambanidia (Paositra Malagasy)

3. Fihaonan-dalana Mahazoarivo – Ambohimiandra – Mandrosez a- Rond-point Alasora

4. Ampahan-dalana Ankadimbahoaka – Androndra – fihaonan-dalana Mahazoarivo – fihaonan-dalana Mandroseza- Ambohimiandra- Rond-point Ambanidia

5. Ampahan-dalana zaridaina Antanimena- Ankadifotsy- Ambatomitsangana-tetezana Behoririka – trois métis Antaninandro

6. Ampahan-dalana Anosy- Andavamamba- CENAM – Jovena Ampasika

7. Ampahan-dalana mampitohy ny Magro Behoririka (Fohin/ Notre Dame) – fihaonan-dalana Antanimena

8. Ampahan-dalana rond-point Ambanidia- Ankazotokana- SCORE- Tunelle Ambanidia

9. Ampahan-dalana CNELA- sampanan-dalana Tsiadana

10. Ampahan-dalana Ankatso- Antanimora- Mausolée- Ampasampito

11. Ampahan-dalana rond-point Raokady- Jovenna double Amoronakona- Rond point Ambohimanambola sy Lalamby By Pass- Gastro Ambohijanaka

12. Ampahan-dalana Ankasina – 67Ha

13. Ampahan-dalana 67 ha Sud (arrêt 30) – Jovenna – INSCAE – poste 67 Ha – pont Andranomanalina

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra koa ny hampiasana ny dingana maika (procédure d’urgence) amin’ny fanohizana ny fanamboarana ny ampahan-dalana ao anatin’ny lalam-pirenena faha-2, mbola araka ny fanapahan-kevitry ny Filan-kevitry ny Minisitra manokana natao tamin’ny herinandro ihany. Raha tsiahivina dia ny ampahan-dalana PK 11+000 ka hatrany amin’ny PK 78+100, ny lalana mandalo ny tampon-tanànan’i Moramanga, ary ny PK 218+000 ka hatrany amin’ny PK 250+000 eo anelanelan’Antsampanana ka hatrany Brickaville no ho voakasik’io fanamboarana io, ary hiampy koa ny ampahan-dalana eo anelanelan’ny PK 78+000 sy PK 110+000, lalana mandalo an’Andasibe, ary ny eo anelanelan’ny PK 250+000 ka hatramin’ny PK 345+000. Izany dia mifanaraka amin’ny voalazan’ny didy aman-dalàna manan-kery, ny didim-panjakana lf : 2022-800 tamin’ny 01 Jona 2022 ao amin’ny andininy faha-5, izay milaza fa fanapahan-kevitry ny Filohan’ny Repoblika na ny Governemanta no manasokajy ny maha-maika ny asa.

MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO + MINISITERAN’NY ANGOVO SY AKORAN’AFO

Ho famitàna ny tetikasan’ny Filoham-pirenena « train urbain », izay natao hanamaivanana ny olan’ny fitaterana eto Antananarivo sy ny manodidina, dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampiasana ny tetibola efa voatokana ho amin’izany, eo anivon’ny Minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola. Fampidirana herinaratra amin’ireo gara lehibe miisa 4 sy toeram-piantsonana kelikely miisa 4 eo anelanelan’i Soarano sy Amoronakona, no tena hiompanan’ny asa tsy maintsy irosoana izao. Raha vantany vao tonga eto Antananarivo ireo lamasinina efa miantsona ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, dia ho afaka hanomboka hiasa ity zotran-dalamby eto an-drenivohitra ity, hirosoana tsy ho ela koa araka izany ny fitokanana azy

MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezan-dalana ny Minisiteran’ny Angovo sy Akoron’afo handraisany didim-pitondrana ho fanavaozana ny mpikambana ao amin’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Ofisy Malagasin’ny Akoran’afo (OMH). Efa tapitra tamin’ny volana Aprily 2023 lasa teo ny fe-potoam-piasan’ny Filan-kevi-pitantanana teo aloha, ka mba ahafahan’ny OMH miodina ara-dalàna dia ilaina ny fanendrena ny mpikambana vaovao.

MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA ARY NY FIDIOVANA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezan-dalana ny Minisiteran’ny Rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana ho afaka hampihena ho 15 andro ny fe-potoana hanaovana tolo-bidy misokatra amin’ny tsenan’asam-panjakana hanaovana ny asa ampahany voalohany ho famatsiana rano fisotro madio ny tanànan’i Maroantsetra. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra koa ny fikitihana ny tetibola anatin’ny Minisitera mba hisy ampahany hatokana amin’ny fanatanterahana ireo asa ireo.

SEKRETARIAM-PANJAKANA MISAHANA NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fitaovana ampahany faha-14 ka hatramin’ny faha-24, hananganana ny andrimby lehibe (pylônes) eo anelanelan’Anosy sy Soarano, amin’ny zotra volom-boasary Anosy-Ambatobe, ao anatin’ny tetikasa teleferika (TPC).

Natao ny 12 Jolay 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana RAKOTONDRAZAFY

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO

Filan-kevitry ny Governemanta omaly talata 11 jolay 2023 momba ny fifidianana Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara

Anisan’ny laha-dinika nandritra ny Filan-kevitry ny Governemanta omaly Talata faha 11 Jolay 2023, ny fandinihana sy fandaniana volavolana Didim-panjakana samihafa mifehy ny fifidianana Filohan’ny Repoblika, izay hatao eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’I Madagasikara, amin’ny faran’ity taona 2023 ity.
Didim-panjakana miisa dimy (05) no natolotry ny Minisiteran’ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana, araka ny tolo-kevitry ny Vaomiera Mahaleo tena misahana ny Fifidianana na CENI, ka nolaniana omaly :


1) DIDIM-PANJAKANA MANAIKA NY MPIFIDY HANATANTERAKA NY ADIDINY HIFIDY, AMIN’NY FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA (DECRET PORTANT CONVOCATION DES ELECTEURS POUR L’ELECTION PRESIDENTIELLE)
– Tapaka fa ny Alakamisy 09 Novambra 2023 manomboka amin’ny 06 ora maraina ka hatramin’ny 05 ora tolakandro no hanaovana ny fiodinana voalohany amin’ny Fifidianana Filoham-pirenena, manerana ny tanin’ny Repoblikan’I Madagasikara.
– Ny Alarobia 20 Desambra 2023 amin’ny 06 ora maraina ka hatramin’ny 05 ora tolakandro kosa ny fiodinana faharoa, manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara, raha toa ka tsy misy ny lany amin’ny fiodinana voalohany.
– Andro tsy fiasana nefa andraisan-karama ny datin’ny 09 Novambra 2023, sy ny 20 desambra 2023 raha misy ny fiodinana faharoa.
– Kara-pifidianana vaovao tanteraka no hampiasaina amin’ny fifidiana filoham-pirenena araka ny voalazan’ny andininy faha-45 sy ny manaraka amin’ny lalàna fehizoro lf: 2018-008 tamin’ny 11 Mey 2018.


2) DIDIM-PANJAKANA MAMARITRA NY ENDRIKA SY NY TOETOETRAN’NY KARATRY NY MPIFIDY (DECRET FIXANT LE MODELE ET LES CARACTERISTIQUES DE LA CARTE D’ELECTEUR)
– Teny malagasy ranoray no hanoratana ny karatry ny mpifidy, 10 sm x 8,2sm no refiny.
– Io karatra io no manamarina ny fisoratan’ny mpifidy ao anatin’ny lisi-pifidianana ary hampiasaina amin’ny fandraisan’ny mpifidy anjara amin’ny fifidianana.
– Ny filohan’ny ratsa-mangaikan’ny CENI eny anivon’ny Distrika no manasonia ny karatry ny mpifidy, ny CENI sy ny ratsa-mangaika manerana ny Nosy kosa no hisahana ny fitsinjarana azy ho tonga any amin’ny mpifidy tsirairay.


3) DIDIM-PANJAKANA MIKASIKA NY FOMBA FIKARAKARANA NY FIFIDIANANA (DECRET FIXANT LES MODALITES D’ORGANISATION DE L’ELECTION PRESIDENTIELLE)
– Ny Alarobia 23 Aogositra amin’ny 09 ora maraina, ka hatramin’ny Alarobia 06 septambra 2023 amin’ny 06 ora hariva no hisokatra ny fahafahana mametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana, eo anivon’ny mpiraki-draharahan’ny HCC.
– Ny Sabotsy 09 Septambra 2023 fara-fahatarany no mamaritra sy mamoaka ny lisitra tena izy sy ofisialin’ny kandida milatsaka hofidiana amin’ny fifidianana Filoham-pirenena ny HCC, ary mampahafantatra avy hatrany ny CENI izany lisitra izany, miaraka amin’ny sary famantarana (spécimen) an’ireo kandida tsirairay avy.
– Ny Talata 10 Oktobra 2023 amin’ny 6 ora maraina ka hatramin’ny Alarobia 08 Novambra 2023 amin’ny 00 ora no hatao ny fampielezan-kevitra amin’ny fiodinana voalohany amin’ny fifidianana Filoham-pirenena.
– Ny Talata 05 desambra 2023 amin’ny 06 ora maraina, ka hatramin’ny Talata 19 desambra 2023 amin’ny 00 ora no hatao ny fampielezan-kevitra amin’ny fiodinana faharoa raha tsy maintsy hisy izany.
– Bileta tokana (bulletin unique) no hampiasaina amin’ny fifidianana filoham-pirenena, mifanaraka amin’ny filaharan’ny kandida araka ny voafaritry ny fisarihana no laharan’izy ireo ao anatin’izany bileta tokana izany.


4) DIDIM-PANJAKANA MAMARITRA NY SARAM-PANDRAISANA ANJARAN’NY KANDIDA (CAUTIONNEMENT) AMIN’NY FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA AMIN’NY VOLA LANIN’NY FANJAKANA AMIN’NY FIKARAKARANA NY FIFIDIANANA, SY MAMARITRA NY FOMBA FAMERENANA IZANY AMIN’NY KANDIDA (DECRET FIXANT LE MONTANT DE LA CONTRIBUTION DES CANDIDATS AUX FRAIS ENGAGES PAR L’ADMINISTRATION POUR L’ELECTION PRESIDENTIELLE AINSI QUE LEURS MODALITES DE REMBOURSEMENT ET DE REVERSEMENT)
– Araka ny voalazan’ny andininy faha-9 ao amin’ny lalàna fehizoro lf:2018-009 tamin’ny 11 Mey 2018, dia tsy maintsy mandoa fandraisana anjara amin’ny fanontana ny bileta tokana any amin’ny “caisse de dépôts et de consignations” ny kandida rehetra hilatsaka hofidiana filoham-pirenena.
– Ny Filan-kevitry ny Governemanta no mamaritra izany saram-pandraisana anjara na “cautionnement” izany araka ny tolokevitry ny CENI, hoy ihany io andininy faha-9 amin’ny lalàna fehizoro io. Nolanian’ny Filan-kevitry ny Governemanta ary fa ferana ho roanjato (200) tapitrisa Ariary ny saram-pandraisana anjaran’ny kandida tsirairay na ilay “cautionnement” amin’ny fanontana ny bileta tokana hampiasaina amin’ny fifidianana. Efa tamin’ny taona 2013 moa no nisy fanovàna farany io sarany io.
– Haverina amin’ny kandida kosa io sarany na “cautionnement” io raha mahazo 10% ny vato manan-kery izy amin’ny voka-pifidianana ofisialin’ny fiodinana voalohany araka ny avoakan’ny HCC.


5) DIDIM-PANJAKANA MAMARITRA NY ENDRIKA ITOVIZAN’IREO ANTONTAN-TARATASY TAKIANA AMIN’NY KANDIDA HILATSAKA HOFIDIANA HO FILOHAM-PIRENENA (DECRET FIXANT LES MODELES DE CERTAINES PIECES A FOURNIR PAR TOUT CANDIDAT A L’ELECTION PRESIDENTIELLE)
– Ho fampiharana ny voalazan’ny andininy faha-8 sy faha-10 ny lalàna fehizoro lf : 2018-009 tamin’ny 11 mey 2018, dia misy endrika itovizana (modèles) nofaritan’ny CENI amin’ireo antontan-taratasy takiana amin’ny kandida tsirairay, izay tsy maintsy atao roa avy isanisany. Izany hoe ireo endrika itovizana (modèles) ireo no tsy maintsy ampiasain’ny kandida tsirairay avy, ka fenoin’izy ireo sy hosoniaviny, rehefa manomana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana izy ireo.


Natao ny Talata faha 11 Jolay 2023


Ny Mpitondra tenin’ny Governemanta
Pierre Holder RAMAHOLIMASY
Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany
Lalatiana RAKOTONDRAZAFY
Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Alarobia 22 febroary 2023 – Lapam-panjakana Iavoloha

Notanterahina androany ny Filan-kevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

I- FAMPITANA AM-BAVA

MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Niatrika ny Filan-kevitry ny Minisitra voalohany ireo valo mianadahy mpikambana vaovaon’ny Governemanta vao avy notendrena, ny alatsinainy 20 febroary 2023, niaraka tamin’ireo mpikambana hafa voatazona amin’ny toerany.Nanararaotra ny fotoana ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina nisaorana ireo mpikambana teo aloha tamin’ny asa vitan’izy ireo nandritra ny fotoana izay nitantanan’izy ireo ny minisitera niandraiketany avy, sy niarahabana ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta amin’ny endriny ankehitriny fa indrindra nanomezana tsodrano ireo minisitra vaovao, mba hahaleo hahalasana ka hahavita soa aman-tsara ireo andraikitra ankinina amin’izy ireo.Nitondra fanazavana ny Filohan’ny Repoblika fa matoa nasiana ny fanovana dia mba hitondrana fanatsarana bebe kokoa sy hanafainganana ihany koa ny asa, ny tetikasa sy ny fandaharanasa izay ho tanterahina eo anivon’ny sampandraharahan’ny minisitera tsirairay avy, ho fanasoavana ny vahoaka malagasy. Lehibe dia lehibe ny ezaka sy ny fanamby andrasana amin’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta satria takiana amin’izy ireo ny fanomezana vokatra azo tsapain-tanana ao anaty ny fohy ezaka mba hanamaivanana ny fahasahiranan’ny vahoaka MalagasyNisy ny fampahatsiahivana nataon’ny Filohan’ny Repoblika mahakasika ny maha adidy masina ny asan’ny minisitra ka nilazany fa tsy ny fanendrena ho minisitra no zava-dehibe. Tsy fiafarana na « finalité » ny maha minisitra fa fanombohana ny fanatanterahana ireo adidy aman’andraikitra sy fanamby rehetra izay ankinin’ny fitondram-panjakana amin’izy ireo tsirairay avy. Notsipihan’ny Filoham-pirenena mazava tsara fa « ny fahatanterahana sy ny fahombiazan’ny iraka nampanaovina no tena zava-dehibe fa tsy ny fandehanana hanao ilay iraka fotsiny ».Mifanindran-dalana amin’ny fanovàna ireo mpikambana sasantsasany ao amin’ny governemanta, dia tsy maintsy hirosoana ihany koa ny fanovana ny fomba fiasa manomboka izao, araka ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Repoblika.- Tafiditra ao anatin’izany fomba fiasa vaovao izany ny tsy maintsy hametrahan’ny minisitra tsirairay avy tetiandro mifandraika amin’ny fanatanterahana ireo asa, tetikasa sy fandaharanasa tanterahin’ny minisiterany avy, ka mila havoitra anatin’izany ny zavatra ho tsapa sy ho hita ao anaty ny 03 volana sy 06 volana. Isaky ny minisitera, noho izany dia tsy maintsy misy ny fampahafantarana ao anaty ny fitantanana mangarahara eo anatrehan’ny vahoaka malagasy ny asa rehetra izay hatao, miaraka amin’ny fe-potoana hanatanterahana azy.- Noantitranterin’ny Filohan’ny Repoblika ihany koa ny tsy maintsy hiasana ao anaty mangarahara. Noho izany dia hisy ny fandaharana manokana amin’ny haino aman-jerim-panjakana isan-kerinandro izay handraisan’ny minisitra tsirairay avy anjara, hampahafantaran’izy ireo ny asa izay hatao sy ny paikady sy vina hapetraka hanatrarana ny tanjona.- Nandritra io fotoana io ihany koa no nampatsiahivan’ny Filoham-pirenena tamin’ireo mpikambana rehetra mandrafitra ny governemanta, ireo toromarika samihafa mifandraika : amin’ny fitondran-tena mendrika tokony hananan’izy ireo eny amin’ny fiaraha-monina sy manoloana ny vahoaka, amin’ny maha tompon’andraikitra ambony azy ireo eto amin’ny Firenena. Nomarihiny tamin’izany ny fahaizana mandanjalanja ny fomba fiteny sy ny fihetsika, fa indrindra ny fitantanana mahitsy na « intégrité ».Tafiditra ao anatin’ny vanim-potoanan’ny rivodoza isika amin’izao fotoana izao, naneho ny fiaraha-miory amin’ireo mpiray tanindrazana namoy havana sy rava fananana nandritra ny fandalovan’ny rivodoza Freddy tamin’ny faritra maromaro eto Madagasikara ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina. Nisy ny fanentanana nataony ny amin’ny tokony hanamafisana ny firaisankina, ny fifanampiana sy ny fihavanana amin’ny maha Malagasy antsika. Nomeny toromarika, noho izany, ireo minisitra voakasika ny amin’ny tsy maintsy hametrahana fomba fiasa malaky sy haingana ahafahana manarina ireo simba sy hitondrana fanampiana ho an’ireo Malagasy traboina. Ny tenany manokana dia hidina ifotony any amin’ireo faritra izay tena voa mafy tamin’ny fandalovan’iny rivodoza iny.Rehefa vita ny lahateny nataon’ny Filoham-pirenena dia nomena fotoana ireo minisitra vaovao namelabelarana ireo laharam-pahamehana sy fanamby ho tanterahin’izy ireo ato anaty ny enim-bolana

MINISITERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny minisitra ny fandraisana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny milina fanapotehana vy « McIntyre 500HD » miisa 02, izay fanomezana avy amin’ny « Fonds d’Affectation Volontaire du Traité sur le Commerce des Armes »

MINISITERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

Ao anatin’ny fanatanterahana ny tetikasa MIONJO dia nisy ny fifanarahana fampindramam-bola mitentina 200 tapitrisa dolara, izay nifanaovan’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Banky Iraisam-pirenena, ny 17 desambra 2020.Ny tanjon’io tetikasa io dia ny hanatsarana ireo fotodrafitrasa fototra sy ireo asa fivelomana any amin’ireo faritra ambanivohitra any atsimon’ny Nosy, amin’ny alalan’ny fametrahana fampandrosoana andraisan’ny rehetra anjara izay manome lanja ireo vehivavy sy ankizy, sady hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo tompon’andraikitra any an-toerana mba hampiroboroboana ny fandraisan’andraikitr’ireo mponina ho fanatsarana ny tanjona ara-toakaren’izy ireo.Ao anatin’izany dia misy ny fanomezan’ny Minisiteran’ny atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana fanampiana an’ny Sampam-pitantanana ny tetikasa MIONJO, amin’ny alalan’ny « Fonds de Développement Local » (FDL).

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra, noho izany, ny fandefasana amin’ny alalan’ny FDL, ny fanampiana andiany voalohany mitentina 1.696.500.000 Ar ho an’ireo kaominina miisa 29, hanatanterahana ny andiany voalohany amin’ny fanarenana sy fanitarana biraon’ny kaominina ; sy ny fanampiana mitentina 9.160.948.492 Ar ho an’ireo kaominina miisa 26 ho fampandrosoana ireo fotodrafitrasa ara-tsosialy sy ara-toekarena maharitra, izay mifanaraka amin’ny tetiandron’ny drafitr’asa isan-taonan’ny tetikasa MIONJO.

MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola an-tanana ireo hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana ireo fitaovana entina hanatanterahina ny “Projet d’Appui au Développement du Menabe et du Melaky (AD2M) – Phase 2” izay vatsian’ny FIDA vola.

MINISITERAN’NY MPONINA, NY FIAHIANA SOSIALY SY FAMPIVOARANA NY VEHIVAVY

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra fa ny ivon’ny fankalazana ny andro iraisampirenena ho an’ny zon’ny vehivavy, 8 martsa 2023, dia hatao eto Antananarivo, Faritra Analamanga. 

Eo ambany fitarihan’ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika, Ramatoa Mialy Rajoelina, ny lohahevitra entina hanamarihana izany manerana ireo Faritra 23 amin’ity taona ity dia “Fanabeazana ny ankizivavy, fampizakan-tena ny vehivavy, antoky ny fampandrosoana lovain-jafy”.Nosafidiana manokana io lohahevitra io mba hanentanana ireo tompon’andraiki-panjakana, ireo mpisehatra rehetra ary ny vahoaka iray manontolo mba hihetsika amin’ny fanatsarana ny fahafahan’ireo ankizy vavy malagasy misitraka fanabezana sy fanomezana ireo vehivavy malagasy fahafahana hahaleo tena.

II- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 052 tamin’ny 12 janoary 2022 manendry an’Atoa. FANOLANA REFONIRA Augustin, ho Talem-paritry ny fanajariana ny tany sy fananan-tany ao Androy

MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Atoa NDREMITSARA Jean Baptiste Tarzan, ho Tale Jeneralin’ny « Institut National de la Statistique »
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Atoa. RANDRIANOELY Herilala Augustin, ho « Directeur de la Surveillance Douanière »

MINISITERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Atoa. RABEMANANTENA Herschel Faguet, ho  » Directeur d’Appui Technique, de la Logistique et du Patrimoine »

Noraisina ny didim-panjakana, manafoana ireo fanendrena sasantsany ary manendry ireto Governora manaraka ireto :

  • Governoran’ny Faritra Diana : Atoa. RAKOTOMANGA Taciano
  • Governoran’ny Faritra Amoron’i Mania: Ramatoa FOMENDRAZA Haingo Elisette
  • Governoran’ny Faritra Ihorombe: Docteur Clarisse Eugénie RAMANANJARASOA
  • Governoran’ny Faritra Alaotra Mangoro: Docteur RAMAROSANDRATANA Guy

Natao ny 22 febroary 2023
Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta
Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina
Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO
Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,
Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe
Ny Fiadidiana ny Repoblika
Lova Hasinirina RANOROMARO

Alarobia 15 febroary 2023 – Lapam-panjakana Iavoloha

Notanterahina androany ny Filan-kevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

I- FAMPITANA AM-BAVA

MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nandritra ny fihaonan’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA tamin’ireo mpisehatra amin’ny lavanila, tamin’ny herinandro lasa teo dia nisy ireo mpandraharaha nitaraina fa nanomboka ny fisokafan’ny taom-piasana lavanila 2022- 2023 dia mbola tsapa ho mihisatra ny famerenana ny asa, indrindra ireo mpanondrana lavanila amin’ny alalan’ny sambo. Manahy ny tsy fahafahana manaja ilay 90 andro, fe-potoana ara-dalàna hamerenana ny vola avy any ivelany (rapatriement de devises) ireo mpandraharaha.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra, araka izany, ny fanomezana fe-potoana fanampiny ho azy ireo, ka hitarina ho 120 andro ny fetra fahafahana mamerina ny vola avy any ivelany, manomboka amin’ny andro hiaingan’ny entana. Natokana ho an’reo mpandraharaha manondrana lavanila amin’ny sambo ihany anefa izany fanalavana fe-potoana izany.

MINISITERAN’NY ATI-TANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA + MINISITERAN’NY FITSARANA + MINISITERAN’NY ASA, NY FAMPANANANA ASA, NY ASAM-PANJAKANA ARY NY LALANA SOSIALY

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny minisitra ny fandraisana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fitaovana informatika hatolotra ny minisiteran’ny ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana, ny minisiteran’ny fitsarana ary ny minisiteran’ny asa, ny fampanana asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy.

Fitaovana avy amin’ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampandrosoana (PNUD), tafiditra ao anatin’ny tetikasa RINDRA izay natao hanamafisana ny Fanjakana tsara tantana eto Madagasikara.

MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA, NY VAROTRA ARY NY FANJIFANA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ny fiara tsy mataho-dalana TOYOTA LAND CRUISER PICK-UP DOUBLE CABINE, miisa 4 izay hampiasaina ao anatin’ny tetikasa fampandrosoana ny faritra fanodinana sakafo ho vokatra indostrialy any Atsimo Andrefana (PTASO).

Tetikasa vatsian’ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana (BAD) vola, araka ny fifanarahana nosoniavina tamin’ny 5 oktobra 2020. Efa tamin’ny 7 desambra 2022 no tonga any amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ireo fiara ireo.

MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBARATONGA AMBONY SY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

Ny 02 Janoary 2023 lasa teo no nisian’ny haitrano teny amin’ny toeram-ponenan’ny mpianatra teny Vontovorona. Mpianatra 168 no tra-pahavoazana, izay napetraka amin’ny toerana vonjimaika ankehitriny. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanaovana ho asa maika ny fanamboarana ny trano fonenan’ireo mpianatra ireo mba hanalefahana ny pitsopitsony ara-panjakana amin’ny tsenan’asa fanamboarana. Nankatoavina ihany koa ny hanomezana tetibola fanampiny ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony mba ahafahana miroso avy hatrany amin’ny asa.

MINISITERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ny fitaovam-pianarana avy amin’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana « UNICEF » izay fanomezana ho an’ny Minisiteran’ny Fanabezam-pirenena.

MINISITERAN’NY ASA VAVENTY + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY FITANTANAM-BOLA

Efa tafiditra tanteraka amin’ny asa fanamboarana ny lalambe migodana (autoroute) voalohany eto Madagasikara ny orinasa « SAMCRETE Engineers & Contractors » izay nahazo ny tsenan’asam-panjakana mikasika izany ankehitriny. Raha tsiahivina dia ny tapany voalohany amin’ity lalambe mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina, izay mirefy 80km no nanombohana azy. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampidirana eto Madagasikara ny fitaovana sy kojakoja rehetra ary ny milina hanamboarana ny lalana, amin’ny alalan’ny antsoina hoe « régime d’admission temporaire ».

Izany hoe ekena eny anivon’ny fadin-tseranana fa hampidirina ireo fitaovana samihafa ireo, izay voamarina fa tena ilaina amin’ny asa fanamboaran-dalana, fa ao anatin’ny fotoana voafetra ihany mandra-pahavitan’ny asa. Ka rehefa vita ny asa dia ekena hivoaka ny fadin-tseranana indray ny famoahana azy ireo miala eto Madagasikara. Mifanaraka amin’izay fepetra izay ny hetra sy ny haban-tseranana aloan’ny orinasa amin’ny fampidirana ireo fitaovana sy milina samihafa ireo. Izany dia manaja tanteraka ny voalazan’ny andininy 11.1 amin’ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana Malagasy, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy sy ny orinasa SAMCRETE.

MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

Ho fanatanterahana ny fanapahan-kevitry ny Filan-kevitry ny Minisitra tamin’ny 11 Janoary 2023 lasa teo dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezana sora-bola ho an’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana, ao anatin’ny tetikasa « Nouveaux Projets d’Emergence » na NPE ahafahana mametraka haingana ilay milina fampifangaroana sy famonosana ny zezika azo avy amin’ny NPK sy ny « Sulfate d’ammonium », tafiditra ao anatin’ny tetikasa PDSA.

Ny Fanjakana Malagasy dia mahatsapa ny fahasahiranan’ny tantsaha amin’io resaka zezika io, satria lasa midangana ny vidiny eto an-toerana vokatry ny fiakaram-bidin’ny zezika simika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny fiakaran’ny sara-pitaterana avy any ivelany miditra eto Madagasikara. Efa nanome toromarika mazava ny Filohan’ny Repoblika Andriamatoa Andry RAJOELINA mba hanafainganana ny fizarana ny zezika amin’ny tantsaha, ka ny vinavina dia ny volana Jona 2023 no hanomboka izany.

Tafiditra tanteraka ao anaty ny vanim-potoana mampirongatra ny valala isika eto Madagasikara ankehitriny. Nanomboka ity volana Febroary 2023 ity dia efa misy ireo andiam-balala eny antampon’Ihorombe ary efa manambana koa izy ireo any amin’ny faritra Menabe, Vakinankaratra ary Bongolava. Manoloana izany dia misy asa maika tsy maintsy atao, ka nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanalefahana ny pitsopitsony ara-panjakana amin‘ny fifanaraham-piaraha-miasa tsy maintsy ataon’ny Minisitera amin’ireo orinasa tsy miankina afaka manome tosika amin’ny fampitaovana ilaina amin’ny ady amin’ireo andiam-balala ireo. Tsy maintsy tanterahina ao anatin’ny fifanarahana lasitra na « contrat cadre » kosa anefa izany fiarahamiasa amin’ny tsy miankina izany.

Marihina fa ny Banky Iraisam-pirenena no mpiara-miombon’antoka amin’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana amin’ny ady atao, ary tombanana hatrany amin’ny 400.000 hektara ny velaran-tany ho voatondraka fanafody famonoana valala ao anatin’izany asa maika tsy maintsy atao izany.

MINISITERAN’NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana fitaovana sy kojakoja informatika ao anatin’ny tetikasa « fiaraha-miombon’antoka ho an’ny fahaiza-mitantana ny an-dranomasina sy sisin-dranomasina, sy ny fitantanana ny jono mba hisian’ny fampandrosoana manga maharitra (GCP/SFS/005SWE).

Tetikasa izay vatsian’ny « Agence Suédoise de Coopération Internationale pour le Développement » vola ary ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana momba ny Sakafo sy ny Fambolena (FAO) no mandrindra azy.

MINISITERAN’NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FANOFANA ARAK’ASA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny fitokanana ny toeram-piofanana arak’asa matihanina ho an’ny vehivavy (CFPF) ao Mananjary izay vita fanarenana tanteraka, sy ny efitrano fianarana vao natsangana sy nitarina misy efitra fianarana miisa 3 ao amin’ny foibem-piofanana arak’asa ao Tsianolondroa Fianarantsoa.

Izy ireo dia vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Asa (OIT) ary natokana ho an’ireo vehivavy marefo, indrindra ireo tra-pahavoazana tamin’ny rivodoza nifanesy tamin’ny taona 2022. Marihina fa atao eo ambany fiahian’ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika, Ramatoa Mialy RAJOELINA ny fitokanana noho ny fanomezany lanja ny fampiroboroboana ny vehivavy.

II- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

FIADIDIANA NY REPOBLIKA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 98-404 tamin’ny 29 may 1998 ary manendry an’Andriamatoa RAHARINIAINA Angelinà, ho « Directeur Inter Régional de l’Inspection Générale de l’Etat » eto Antananarivo.

MINISITERAN’NY FITSARANA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2021-069 tamin’ny 20 janoary 2021 ary manendry an’Andriamatoa ANDRIANARIVELO Tolotra Elie, ho « Directeur Administratif, Financier et de la Programmation Budgétaire » an’ny Sekolim-pirenena manofana ho Mpitsara sy Mpiraki-draharaha na ENMG.

MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR’ANDRO

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry ny Kolonely DAMASY Gervais ho Tale Jeneralin’ny « Aviation Civile de Madagascar » (ACM).

III- FANAFOANANA

MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2021- 1126 tamin’ny 20 oktobra 2021 ; laharana 2022-051 tamin’ny 12 janoary 2022 ; laharana 2022-053 tamin’ny 12 janoary 2022 ; laharana 2022-054 tamin’ny 12 janoary 2022 ; laharana 2022-058 tamin’ny 12 janoary 2022 ary laharana 2022- 211 tamin’ny 10 febroary 2022, izay nanendry ireo Talem-paritry ny Fanajariana ny tany sy ny Fananan-tany.

Natao ny 15 febroary 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO


Alarobia 08 febroary 2023

Alarobia 01 febroary 2023

Nisy ireo fampitana am-bava samihafa izay nankatoavina teo anivon’ny Filan-kevitry Minisitra natao ny 01 febroary 2023. Anisan’izany:

● Ny fitokanana ny Foibem-pibaikoana ireo hetsika vonjy aina ao anatin’ny fiatrehana ny ambana sy ny loza ara-boajanahary izay hiandraiketan’ny BNGRC

● Ny hanaovana ny antso ho an’ireo mpiara-miombon’antoka, firenena vahiny, fikambanana iraisam-pirenena sy fikambanana tsy miankina amin’ny Fanjakana ary ny fiarahamonim-pirenena mba handefa mpanara-mason’ny fifidianana na iraisam-pirenena na avy eto an-toerana ihany koa, izay hiasa mandritra ny fanomanana ny fifidianana hifanesisesy hatrehantsika eto Madagasikara manomboka amin’ny faran’ity taona 2023 ity

● Ny fanendrena ny mpikambana ao anatin’ny Filankevim-pitantanan’ny « Aviation Civile de Madagascar » (ACM).

Alarobia 18 janoary 2023

Nisy ireo fampitana am-bava samihafa izay nankatoavina teo anivon’ny Filan-kevitry Minisitra natao ny 18 janoary 2023. Anisan’izany:

● Ny handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fihaonana an-tampon’ireo Filoham-panjakana sy Lehibena Governemanta aty Afrika mikasika ny fambolena sy ny sy fanodinana vokam-pambolena izay hatao any Dakar Sénégal, ny 25 ka hatramin’ny 27 janoary 2023.

● Ny fanomezana alalana mialoha (autorisation d’engagement préalable) amin’ny asa fanamboarana rehetra amin’ireo lalam-pirenena, tsy hanaraka ny pitopitsony mahazatra takiana amin’ny maha-tsenan’asam-panjakana azy.

● Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ihany koa ny didim-panjakana mampiakatra ny tambin-karaman’ny Sefo Fokontany sy ny Lefiny, araka ny efa nampanantenain’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina nandritra ny lahateny nataony tamin’ny faran’ny taona 2022.

?Afaka tsidihina amin’ity rohy manaraka ity, ny andinindinin’izany tatitry ny Filan-kevitry ny Minisitra ny datin’ny 18 janoary 2023 izany:

https://www.presidence.gov.mg/…/conseil-des-ministres.html