{"id":1533,"date":"2024-12-04T09:54:10","date_gmt":"2024-12-04T06:54:10","guid":{"rendered":"http:\/\/mid.gov.mg\/?p=1533"},"modified":"2024-12-04T09:54:10","modified_gmt":"2024-12-04T06:54:10","slug":"sadc-mandray-anjara-aminny-fivorianireo-ministra-misahana-ny-fitantanana-ny-tandindon-doza-sy-ny-loza-any-zimbabwe-i-madagasikara","status":"publish","type":"post","link":"http:\/\/mid.gov.mg\/?p=1533","title":{"rendered":"SADC :MANDRAY ANJARA AMIN&rsquo;NY FIVORIAN\u2019IREO MINISTRA MISAHANA NY FITANTANANA NY TANDINDON-DOZA SY NY LOZA ANY ZIMBABWE I MADAGASIKARA"},"content":{"rendered":"\n<p>Tahaka ny fanao isan-taona <a><\/a>dia notanterahana ny 27 novambra 2024 tany Victoria Falls, Zimbabwe, ny fivorian\u2019ireo Ministra misahana ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza avy amin\u2019ireo firenena 16 mandrafitra ny vondrona SADC. Mandray anjara mavitrika amin&rsquo;ity fivoriana ity i Madagasikara amin&rsquo;ny alalan&rsquo;ny delegasiona tarihin&rsquo;Andriamatoa RAZAFIARISON Jean Jugus, Sekretera Jeneralin\u2019ny Ministeran\u2019ny Atitany izay sady misolo tena ny Ministry ny Atitany malagadsy.<\/p>\n\n\n\n<p>Manana tanjona goavana tokoa izy ity satria fihaonana nataon\u2019ireo Ministra hakana fanapahan-kevitra momba ireto lohahevitra manaraka ireto:<\/p>\n\n\n\n<p>ny fivoaran\u2019ny firenena tsirairay manoloana ny fanapahan-kevitra izay noraisina nandritry ny fihaonana an-tampon\u2019ireo Filoham-pirenena sy ny Filan-kevitry ny Ministry ny SADC tamin\u2019ny volana aogositra 2024<\/p>\n\n\n\n<p>ireo loza nitranga tamin\u2019ity taona 2024 ity sy ireo fiantraikany<\/p>\n\n\n\n<p>ny fanatanterahana ireo tetik\u2019asa sy sahan\u2019asa momba ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza eo anivon\u2019ny SADC sy isaky ny firenena tsirairay izay mikambana eo anivon\u2019ity vondrona ity<\/p>\n\n\n\n<p>ny fahampiana ara-tsakafo sy ny fanjarian-tsakafo ary ny velon-tena ho an\u2019ny taona 2024-2025<\/p>\n\n\n\n<p>ny fampidirana ny ady amin\u2019ny kolikoly sy ny fahaiza-mitantana ao anatin\u2019ny fiomanana hiatrika loza sy ny famaliana ny hamehana amin\u2019ny valan\u2019aretina<\/p>\n\n\n\n<p>ny fifindramonina an-tery, ny fanalefahana ny faharefoana ary ny faharetana manoloana ny fiovan\u2019ny toetrandro eto anivon\u2019ny SADC<\/p>\n\n\n\n<p>Nialoha ity fivorian\u2019ireo Ministra ity dia nisy ny fivorian\u2019ireo mpiasam-panjakana ambony eto anivon\u2019ny SADC, misahana ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza izay natao nandritry ny roa andro. Natao izany fivoriana izany mba hamolavolana ny fanapahan-kevitra hotapahin\u2019ireo Ministra. Nandray anjara mavitrika tamin\u2019izany ny Birao Nasionaly misahana ny fitanantanana ny tantidin-doza sy ny loza izay notarihin-dRamatoa RAZAFIMANANTSOA Mirana Miarimanana, Tale Jeneraly Lefitry ny BNGRC. Ny andro farany dia natokana ho fihaonana an-databatra boribory niarahana tamin\u2019ireo mpiara-miombon\u2019antoka ho fiatrehana ireo voka-dratsin\u2019ny El Ni\u00f1o sy ho fiomanana amin\u2019ny fahatongavan\u2019ny La Ni\u00f1a.<\/p>\n\n\n\n<p>Marihina moa fa ny PNUD no nanohana ara-bola ka nahafahan&rsquo;ireo delegasiona malagasy niatrika ireo fivoriana roa sosona ireo\u00a0\u00bb.<\/p>\n\n\n\n<figure class=\"is-layout-flex wp-block-gallery-1 wp-block-gallery has-nested-images columns-default is-cropped\">\n<figure class=\"wp-block-image size-large\"><img decoding=\"async\" loading=\"lazy\" width=\"1600\" height=\"1200\" data-id=\"1534\"  src=\"http:\/\/mid.gov.mg\/wp-content\/uploads\/2024\/12\/BNGRC-ZIMBABWE-01.jpg\" alt=\"\" class=\"wp-image-1534\" \/><\/figure>\n<\/figure>\n\n\n\n<figure class=\"is-layout-flex wp-block-gallery-3 wp-block-gallery has-nested-images columns-default is-cropped\">\n<figure class=\"wp-block-image size-large\"><img decoding=\"async\" loading=\"lazy\" width=\"1280\" height=\"960\" data-id=\"1535\"  src=\"http:\/\/mid.gov.mg\/wp-content\/uploads\/2024\/12\/BNGRC-ZIMBABWE-03.jpg\" alt=\"\" class=\"wp-image-1535\" \/><\/figure>\n<\/figure>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Tahaka ny fanao isan-taona dia notanterahana ny 27 novambra 2024 tany Victoria Falls, Zimbabwe, ny fivorian\u2019ireo Ministra misahana ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza avy amin\u2019ireo firenena 16 mandrafitra ny vondrona SADC. Mandray anjara mavitrika amin&rsquo;ity fivoriana ity i Madagasikara amin&rsquo;ny alalan&rsquo;ny delegasiona tarihin&rsquo;Andriamatoa RAZAFIARISON Jean Jugus, Sekretera Jeneralin\u2019ny Ministeran\u2019ny Atitany izay sady misolo [&hellip;]<\/p>\n","protected":false},"author":3,"featured_media":1536,"comment_status":"closed","ping_status":"closed","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":[],"categories":[14],"tags":[],"_links":{"self":[{"href":"http:\/\/mid.gov.mg\/index.php?rest_route=\/wp\/v2\/posts\/1533"}],"collection":[{"href":"http:\/\/mid.gov.mg\/index.php?rest_route=\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"http:\/\/mid.gov.mg\/index.php?rest_route=\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"http:\/\/mid.gov.mg\/index.php?rest_route=\/wp\/v2\/users\/3"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"http:\/\/mid.gov.mg\/index.php?rest_route=%2Fwp%2Fv2%2Fcomments&post=1533"}],"version-history":[{"count":1,"href":"http:\/\/mid.gov.mg\/index.php?rest_route=\/wp\/v2\/posts\/1533\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":1537,"href":"http:\/\/mid.gov.mg\/index.php?rest_route=\/wp\/v2\/posts\/1533\/revisions\/1537"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"http:\/\/mid.gov.mg\/index.php?rest_route=\/wp\/v2\/media\/1536"}],"wp:attachment":[{"href":"http:\/\/mid.gov.mg\/index.php?rest_route=%2Fwp%2Fv2%2Fmedia&parent=1533"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"http:\/\/mid.gov.mg\/index.php?rest_route=%2Fwp%2Fv2%2Fcategories&post=1533"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"http:\/\/mid.gov.mg\/index.php?rest_route=%2Fwp%2Fv2%2Ftags&post=1533"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}