ACTUALITES

FIDINANA IFOTONY NATAON’NY MINISTRY NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA HOLDER RAMAHOLIMASY, TANY MANANJARY, RENIVOHITRY NY FARITRA VATOVAVY NY ZOMA 10 SEPTAMBRA 2021


Date de publication : 15-09-2021

Fidinana ifotony nataon’ny Ministry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana Holder Ramaholimasy, tany Mananjary, renivohitry ny Faritra Vatovavy ny zoma 10 septambra 2021.
Nanao dinik’asa niaraka tamin’ireo Olom-boafidy isan-tsokajiny teo anivon’ny faritra sy ireo tompon’andraikim-panjakana eny ifotony, ary ireo Oloben’ny Faritra, mba hanomanana ny fampandehanana ny raharaham-panjakana sy ny asa fampandrosoana eo amin’ny Faritra vaovao ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram - pahefana. Nomarihany tamin’izany fa efa andalam-pananganana ihany koa ny Prefecktora vaovao ho an’ny Faritra Vatovavy. Ny sabotsy 11 septambra 2021 kosa dia nisy ny dinik’asa natao tao Manakara, renivohitry ny Faritra Fitovignany, niarahana tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tokony mahakasika ny raharaham - pampandrosoana ifotony sy ny fampanjariana ny Fitsinjaram-pahefana.