Home > Conseil des Ministres

TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA ALAROBIA 24 AVRILY 2024 – LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia 24 avrily 2024 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, NTSAY Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

I- FAMPITANA AM-BAVA

MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

Manoloana ny fiaraha-miasa maharitra izay misy eo amin’i Madagasikara sy ny Repoblika entim-bahoaka an’i Sina dia nanome safidy malalaka an’i Madagasikara izy ireo mikasika ny trano izay misy ny masoivohon’i Madagasikara any an-toerana.

Anisan’ireo firenena nosinganin’ny firenena sinoa hahazo toerana hananganana masoivoho ao amin’ny faritra ara-diplomatika faha-efatra (4ème quartier diplomatique) hatsangana ao Beijing i Madagasikara ka afaka mividy tany sy manorina trano ao, na koa manofa amin’ny firenena sinoa.

Azon’i Madagasikara atao koa nefa ny misafidy hijanona eo amin’ny toerana efa misy ny Masoivohon’i Madagasikara amin’izao fotoana izao ao amin’ny faritra ara-diplaomatika ao Sanlitun ao amin’ny Distrikan’i Chaoyang. Noho izany, nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fitazonana ny toerana misy ny Masoivohon’i Madagasikara amin’izao fotoana izao.

Nankatoavin’ny ny Filan-kevitry ny Minisitra ny tatitry ny dian’ireo iraky ny Fanjakana Malagasy tany Rabat, Maroc ny faha 13 hatramin’ny faha 20 avrily 2024 lasa teo ho fanomanana ny fametrahana ny Masoivohon’i Madagasikara any an-toerana. Toarian’ny fihaonan’ny delegasiona malagasy, izay nahitana solon-tena avy amin’ny Fiadidiana ny Repoblika sy ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny, tamin’ny Tale Jeneralin’ny « Agence Marocaine de la Coopération internationale (AMCI), dia nanambara ity farany fa ny Fanjakana Marokana dia vonona ny hamatsy vola ny fametrahana ity Masoivohon’i Madagasikara ao Rabat ity. Tafiditra ao anatin’izany famatsiam-bola izany ny hofan’ny trano sy ny fampandehanana izany masoivoho izany ary ny fampitaovana azy. Ny dingana manaraka andrasana amin’ny Fanjakana Malagasy araka izany dia fandefasana naoty milaza ny toerana nosafidiana hametrahana ilay Masoivoho sy ny fanendrena ny Ambasadaoron’i Madagasikara any an-toerana.

Nanararoatra ny dia, nanao jery todika ireo fiaraha-miasa misy eo amin’ny firenena roa tonta ihany koa ireto iraky ny Fanjakana Malagasy ireto nandritra ny dian’izy ireo tany Maroc. Fantatra araka izany fa miomana hanao fitsidihana ofisialy eto Madagasikara ny mpanjakan’i Maroc ary mandritra izany fitsidihana izany no hanaovan-tsonia ireo fifanaraham-piaraha-miasa amin’ny firenena roa tonta.

MINISITERAN’NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY + MINISITERAN’NY ATITANY + MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hamindrana ny tany TN° 1113-I, mirefy 50A-25Ca ao amin’ny Fokontany Moramanga Ambony, Kaominina Ambony Ambonivohitry Moramanga, Faritra Alaotra Mangoro, ho an’ny Minisiteran’ny Foloalindahy. Io tany io, izay nananganana ny trano handraisana an-tanana ireo beantitra sy ireo mpiady tia Tanindrazana tamin’ny 1947 dia misy ampahany misoratra amin’ny Minisitera ny Atitany sy amin’ny Minisiteran’ny Asa vaventy. Koa mba hampanara-dalàna ny taratasin-tany no ilana izao famindrana izao. Araka ny toromarika nomen’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika dia hisy fitsaboana sy fitsirihana ara-pahasalamana maimaim-poana matetika ao ho an’ny beantitra.

MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanaovana lavanty misy fepetra ireo fiara tsy nahazoana famotsorana haba mipetraka ao amin’ny seranantsambon’i Toamasina.

Miisa 300 eo ireo fiara miangona ao an-toerana izay manohitohina ny fivezivezena eo anivon’izany seranantsambo izany. Ny ankamaroany dia fiara eo an-kavanana ny familiana na nipetraka tao an-taonany maro. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandravana sy fanapahana ireo fiara ireo ao amin’ny seranantsambon’i Toamasina ihany, ary ny hanaovana izany lavanty misy fepetra.

Mba hialana amin’ny mety hanambarana indray ireo kojakoja noravana ireo (pièces détachées) dia ho tapaha ny « chassis » misy laharana hamantarana azy, esorina ny takelaky ny nanamboatra ny fiara (plaques constructeurs). Ny nahazo ny lavanty no mandray an-tanana ny saran’ny fandravana sy fanapahana izay atao eo ambany fanaraha-mason’ny sampan-draharahan’ny fandintseranana sy ireo sampan-draharaha teknika voakasika ary koa ny DGSR. Misy lalàna mazava mifehy ary komity manokana mikarakara io lavanty io, anatin’izany indrindra ny fampahafantarana amin’ny daholobe amin’ny alalan’ny haino vaky jery isan-tsokajiny mba tsy hisian’ny kitrano-antrano fa afaka handray anjara malalaka izay te-hanao izany.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisana an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana ireo fitaovana ilaina amin’ny aterineto sy radio ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM), fanomezan’ny norveziana izay mitentina 8646,10 Euro. Marihina fa fanafoanana no nangatahan’izy ireo fa kosa fandraisan’ny Fanjakana an-tanana no azo atao.

MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haba amin’ny fanafarana milina fitrohana fako ho an’ny tetikasa fanitarana ny Périmètre Bas Mangoky (PEPBM). Tsara ny mampatsiahy fa ny fanitarana ny faritr’i Bas Mangoky dia anisan’ny tetikasa goavana hoentin’ny fitondram-panjakana hanampy betsaka ireo tantsaha amin’ny famokarana vary ary hitondra an’i Madagasikara amin’ny lalana makany amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Anisan’ny vaindohan-draharaha araka izany ny fahatongavan’io milina io ao Toamasina ankehitriny.

MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanombohan’ny hetsika « grand rattrapage des enfants zéro dose et sous vaccinés ».

Miisa 1,2 tapitrisa ankehitriny ny zaza 12 hatramin’ny 59 volana no tsy nanao vaksiny mihitsy na « zéro dose » eto Madagasikara. Anisan’ny fanamby napetraky ny Paikady nasionaly momba ny fanaovam-baksiny 2023-2027 na “Stratégie Nationale de Vaccination 2023-2027” ny hanaovana vaksiny ny 80% ireo zaza ireo hatramin’ny taona 2025. Ity hetsika ity moa dia efa nahazo fanohanan’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola indrindra fa ny GAVI izay handray an-tanana ny famatsiana ireo vaksiny.

Ity hetsika ity moa dia mifanindran-dalana amin’ny tarigetra napetraky ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika, Ramatoa Mialy RAJOELINA, izay reny mpiahy ny fanaovam-baksiny eto Madagasikara, ny hanaovana ny taona 2024 ho taonan’ny fanaovam-baksiny. Hatomboka amin’ny fomba ofisialy ao Antanimenabe ny hetsika « Grand Rattrapage » ny 26 avrily 2024 miaraka amin’ny fanamarihana ny faha dimampolo taonan’ny Herinandro Afrikana ho an’ny fanaovam-baksiny (Semaine Africaine de la Vaccination – SAV). Hiantomboka amin’io fotoana io ihany koa ny fandalovan’ny « Activité de Vaccination Intensive Intégrée » ho an’ity taona ity, izay haharitra dimy andro manerana ireo distrika ara-pahasalamana 114.

MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana Levonorgestrel, ho an’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka avy amin’ny UNFPA, ao anatin’ny fanatanterahana ny programam-panjakana mikasika ny fandrindram-piterahana.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana fiara vonjy aina na ambulances miisa 20 azo avy amin’ny famatsiam-bolan’ny BADEA izay nafaran’ny « l’Unité de Coordination des Projets »

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana fiara tsy mataho-dalana ho an’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka, nafaran’ny Unité de Coordination des Projets

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana fiara vaventy miisa roa ho an’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka nafaran’ny « Unité de Coordination des Projets ».

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana ireo «Fridge TAG» avy amin’ny l’UNICEF, hampiasain’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka amin’ny fitaterana sy fitahirizana ny vaksiny.

MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny famerenana ny fifamezivezena eo amin’ny lalam-pirenena faha-enina sy faha-dimy taorian’ny fandalovan’ny rivodoza GAMANE farany teo izay nanimba fotodrafitrasam-pifandraisana maro.

EO AMIN’NY LALAM-PIRENENA FAHA ENINA (RN6)

– EO IFASY I, IFASY Il ary MAHAVAVY:

Misy fivilian-dalana na “déviation » napetraka eo anelanelan’ny PK 537+109 hatramin’ny PK 537+327 izay hisokatra vantany vao vita.

Hisy “passages à gué” izay hatao ho fiviliana maharitra eo IFASY Il sy MAHAVAVY (PK 568+000, OA 47Bis) ao anatin’ny roa volana sy tapany.

Efa nanomboka ny asa fanamboarana izay ny orinasa Colas no miandraikitra azy. Nangataka kosa ny orinasa ny mba hanohanan’ny Governemanta ny famatsiana solika eo Ankify amin’ny alalan’ny Logistique Pétrolière – LPSA.

Mba hamerenana vonjy maika ny fifamezivezena nefa dia hametrahana ireo Bacs eo IFASY II sy MAHAVAVY

– Eo IFASY Il sy MAHAVAVY

Lalana miisa telo amin’ireo sivy tapaka no efa azo hivezivezena ankehitriny, indrindra eo amin’ny:

PK 541 + 630, OH 184 ; sy PK 541 +751,OA 41; ary PK 544 + 650, OH 193. Ny enina ambony dia efa an-dalam-panamboarana.

Efa niverina azo ampiasan’ny fiara rehetra kosa eo anelanelan’Ambondromamy PK 00 hatrany IFASY PK 37+109 sy eo anelanelan’Ambilobe sy Antsiranana.

EO AMIN’NY LALAM-PIRENENA FAHA-DIMY (RN5A)

– Eo Ambilobe sy Vohémar

Ankoatra ny fihotsahan’ny tany sy ny fahavakisan’ny arabe dia nisy fahatapahana telo lehibe no voamarika dia ny :

– PK 99+000, ny tetezan’i Manankolana izay nametrahana pont modulaire ary efa niasa tamin’ny 10 avrily 2024.

– PK 79+900, tetezana Befarafara, izay nasiana fanampenana teo amin’ny antsasaky ny lalana

– Teo amin’ny PK 67+700, tetezan’i Tenanimadiro izay nametrahana pont modulaire amin’ny ilany Ambilobe sy fanotofana tany amin’ny ilany fivoahana Vohemar.

Nanaiky ny hanarina tanteraka ireo simba amin’iny ampahany Ambilobe Vohemar ny orinasa CRBC araka ny toromarika efa nomen’Andriamatoa Praiminisitra nandritra ny fivoriana natao tany Ambilobe.

– Eo Vohemar sy Sambava

Sakana lehibe telo (3) voamarika teo amin’ity ampahan-dalana ity, indrindra amin’ny:

– PK 173+000 – Tetezan’i Manambery: efa miroso ankehitriny ny dingana hitaterana milina lehibe. Mandra-piandry izany dia noferana ho 5 taonina ny lanjan’ireo fiara mahazo mandalo amin’ity tetezana ity. Tsy afaka ny hijanona amin’izay famerana izay nefa fa efa eo am-pitadiavana mpiara-miasa ny fitaovana (grue) ahafahana mibata ny tetezana voakisaka ny Minisitera. Tena mampanano sarotra ny fitaterana solika tokoa mantsy izao famerana izao.

– PK 172+800, ao amin’ny fokontany Manambery izay nametrahana fivilian-dalana vonjy maika

– PK 207+500- Tetezana Ampasimbelo: asa fiarovana sy fanotofana natao teo amin’ny fidirana amin’ny Tetezana.

Efa vita ny 14 avrily teo ireo asa fanamafisan-dalana eo amin’ireo lalana ireo mba hahafahan’ny fivilian-dalana sy ny tetezana mahazaka ireo fiara rehetra na fiara vaventy aza.

Nankatoavin’ny ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola ny asa fanajariana ny Boulevard Ratsimilaho eo anelanelan’ny PK 0+000 hatramin’ny PK 1+600 ao amin’ny kaominina Ambonivohitry Toamasina. Marihina fa tsenam-baro-panjakana nisokatra ary tokony nifarana tamin’ny taona 2021 izy ity fa nikatso ny asa ary izao indray ny Minisitera vao hamerina hanohy ny asa taorian’ny Filan-kevitry ny Minisitra natao farany teo tany Toamasina.

Nisy araka izany ny fifanarahana (négociation) natao tamin’ny orinasal SMATP mba tsy hampitomboana ny tetibola izay efa nifanekena tamin’ny taona 2021 na dia efa misy fahasimbana ary ny asa izay efa natomboka fa tsy vita.

MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA ARY NY FIDIOVANA

Nankatoavin’ny ny Filan-kevitry ny Minisitra hanaovana asa fampidirana rano maika ao amin’ny kaominina ambanivohitra Alasora, Distrikan’Antananarivo Avaradrano, Faritra Analamanga. Tsy maharaka intsony ny filàn’ny mponina ny famatsian-drano ao amin’ity kaominina ity noho ny fahanteran’ny fantson-dranon’ny JIRAMA sy ny fahaverezan’ny rano. Apetraka ao an-toerana araka izany ny fampidirana rano fisotro madio (AEP). Hisy ihany koa ny tetikasa izay hahafahana mamatsy rano mponina miisa hatramin’ny 61 300 sy hanondraka tanimbary 320 Ha izay ho tanterahin’ny minisitera. Noho ny hamehana dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ihany koa ny hanaovana tolo-bidy misokatra ao anatin’ny 15 andro.

Manoloana ny olana mikasika ny rano izay sedrain’ny vahoaka ankehitriny – indrindra amin’ny tanàna sasany eto an-drenivohitra dia nasaina manokana hanatrika ny Filan-kevitry ny Minisitra ny Teknisianina eo anivon’ny Banky iraisam-pirenena, izay mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara eo amin’ny tetikasa mikasika ny rano.

Nanamarika Andriamatoa Filohan’ny Repoblika fa tsy maintsy ahitana vahaolana vonjimaika aingana ary vahaolana maharitra indrindra ny toe-draharaha.

Araka izany dia mila mametraka mazava tsara ny politikan’ny rano manerana an’i Madagasikara ny Minisitera.

Ny mikasika ny eto Antananarivo Renivohitra dia miankina tanteraka amin’ny famokarana eo Mandroseza ankehitriny ary tsy maintsy hampiana izany satria tena hita fa tsy maharaka. Etsy an-daniny koa nefa ny orinasa JIRAMA dia mbola ahitana fahasimbana (panne) matetika.

Ny teknisianina manokan’ny Banky iraisam-pirenena mikasika ny rano dia nanazava ireo “études” izay efa natao mikasika ny rano (eaux de surface et eaux souterainnes) ka misy asa afaka atomboka dieny izao tahaka ny fanamboarana ireo « surpresseurs » mba hisian’ny « pompes de secours », na koa ny fampitomboana ny fahafahana manangon-drano eny Faralaza sy Vontovorona. Ny fantsona fanaparitahana ny rano ihany koa dia mila fanamboarana sy fanaraha-maso akaiky. Farany, misy “station de captage” vaovao izay tsy maintsy ho aorina ao anatin’ny tetikasa PAEP izay iarahana miasa amin’ny Banky iraisam-pirenena.

Hitohy ny fifanakalozana eo amin’ny minisitera sy ny teknisianina isan-tsokajiny ary hanatanteraka fivoriana manokana mikasika ny rano amin’ny herinandro ahafahana mandray izay fanapahan-kevitra tokony raisina.

MINISITERAN’NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA

Nankatoavin’ny ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisana ny Africa Cup Fiba basket-ball 3×3 eto Antananarivo, ny 29 novambra hatramin’ny 1 desambra 2024 ao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanekena ara-bola ho fanarenana ireo tambin-karaman’ny BAREA A.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezan-dalana manokana hanitsiana ny famindram-bola mifanaraka amin’ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara amin’ireo fifaninana sy lalao iraisam-pirenena sy ny fandraisana an-tanana ireo hetsika laharam-pahamehana ho an’ny tanora. Anisan’izany ny Tsenaben’ny Tanora, fanofanana ireo mpanentana sy mpampiofana ao amin’ireo « ecoles sportives » mba hahafahana mampiasa ireo fotodrafitrasa ara-panatanjahantena manara-penitra sy ho fanomanana ireo taniketsan’ny fanatanjahantena ao Betafo, Morondava, Mahajanga I sy Toamasina I. Eo ihany koa ny fanamafisana ny traikefan’ireo tanora tantsaha mpitarika 850 eo amin’ny lafiny fandraharahana sy ara teknika. Izany no atao mba hanehoana fa tena vonona hatrany hanampy ny atleta sy ny tanora ny fitondram-panjakana ka tokony arahina maso tsara ireny tetikasa sy fanampiana isan-tsokajiny ireny mba tena hipaka tokoa any amin’izy ireo.

MINISITERA DELEGE MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny tatitry ny fidinana ifotony nataon’ny Minisitra Delege miadidy ny Zandarimariam-pirenena tao amin’ny Distrikan’Anjozorobe sy Ankazobe niaraka tamin’ny Praiministra izay lehiben’ny OMC nasionaly. Namafisina ny tetikasa HARATO 2, nisy ny fanamafisana ihany koa ny andrimasom-pokonolona.

II – FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

MINISITERAN’NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAKOTONDRASOA Annie Franckline, ho Governora mpisolo toerana Faritra Ihorombe.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa BEMAHEFA Gervais, ho Governora mpisolo toerana Faritra Atsinanana.

MINISITERAN’NY ATITANY

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-529 tamin’ny 27 marsa 2019 ary manendry an-dRamatoa RASITEFANOELINA Haingotiana, ho « Directeur d’Appui au Système d’Etat Civil »

MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-559 tamin’ny 20 avrily 2022 ary manendry ny Commissaire Principal de Police RABENANDRASANA Jean Marcel, ho « Directeur de la Police Economique »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-599 tamin’ny 27 avrily 2022 ary manendry ny Commissaire Principal de Police BEN HOUSSEN Evariste, ho « Directeur de la Programmation, du Suivi et de l’Evaluation ».
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-088 tamin’ny 01 febroary 2023 ary manendry ny Commissaire Divisionnaire de Police RAKOTOMALALA Simon, ho « Directeur des Enquêtes Internes »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1367 tamin’ny 11 oktobra 2022 ary manendry ny Commissaire Divisionnaire de Police TOMBO Jacky, ho Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka Fitovinany.

MINISITERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-338 tamin’ny 07 marsa 2019 ary manendry an-dRamatoa RAKOTONDRAMANANA Sylvia, ho « Secrétaire Général de la Commission Nationale Malgache pour l’UNESCO ».
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1436 tamin’ny 04 novambra 2020 an’Andriamatoa RAKOTONIAINA Roger, ho Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena mpisolo toerana Alaotra Mangoro.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-478 tamin’ny 28 avrily 2021 ary manendry an-dRamatoa RAKOTOSOA Solo Mandimbihery, ho “Directeur par intérim de l’Unité d’Evaluation des Acquis Scolaires” (UEAS).
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-1113 tamin’ny 08 septambra 2023 ary manendry an’Andriamatoa FIANGOA Manapoke Judith, ho Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena mpisolo toerana Menabe.

MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa ZAFINDRAVOLONY Gasparin Martial, ho Talem-paritry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetrandro Vatovavy

MINISITERAN’NY ASA, NY FAMPANANAN’ASA SY NY ASAM-PANJAKANA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1177 tamin’ny 06 jona 2019 ary manendry an-dRamatoa RAKOTOVAO Vonjinirina Todisoa, « Directeur du Travail et de la Promotion des Droits Fondamentaux »

MINISITERA DELEGE MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-303 tamin’ny 07 marsa 2019 ary manendry ny Général de Brigade MIANDRISOA Olivier, ho « Directeur Administratif et Financier de la Direction Générale de la Sécurité Routière »

III – FANAFOANANA

MINISITERAN’NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1867 tamin’ny 25 septambra 2019 nanendry ny Governora Faritra Itasy.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana manendry ny Governora Faritra Vatovavy.

MINISITERAN’NY ATITANY

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2018-902 tamin’ny 01 aogositra 2018 nanendry ny « Directeur Général des Réformes Administratives »

MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1191 tamin’ny 06 jona 2019 nanendry ny « Directeur de l’Accréditation et de l’Assurance Qualité »

MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-0847 tamin’ny 24 avrily 2019 nanendry ny Talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka Sava.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-0846 tamin’ny 24 avrily 2019 nanendry ny Talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka Menabe

IV – SAMIHAFA

Taorian’ny fitsidihana izay notanterahan’ny Filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra ary ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta tany amin’ny Faritra Atsianana sy Analanjirofo lasa teo, dia niditra an-tsehatra avy hatrany ireo minisitera voakasika.

Momba ny fanadiovana ny lakandranon’ny Pangalana dia hita fa misy ireo orinasa izay manary ireo loto azo avy amin’ny akoranafo (pollution d’hydrocarbures) amin’iny lakandrano iny. Eo ihany koa ireo loto izay arian’ny mponina manodidina ka manentsina ny lakandrano sy manakana ny fivoahan’ny rano. Nisy avy hatrany moa ny fidinana ifotony izay nataon’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy Fandrosoana Lovain-jafy tany an-toerana taorian’ny fitsidihana nataon’ny Filohan’ny Repoblika ka ho raisina ny fepetra mikasika izany.

Nitsidika ireo toby fandajana (station de pesage) ihany koa ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy ary hita fa tsy miasa mihitsy izy ireny. Noraisina araka izany ny fepetra fa ny toby fandanjana ao Maevatanana dia hafindra any Toamasina ary ny eo Ambohimalaza kosa dia halefa any Maevatana. Herinandro eo no fe-potoana hanaovana ny famindrana rehetra ka ho hentitra ny fanaraha-maso azy ireo. Hita tokoa mantsy fa ny tsy fanarahana ny fetran’ny lanjan’ireo fiara fitaterana no anisan’ny tena mahasimba ireo lalam-pirenena ireo.

Natao ny faha-24 Avril 2024

Ny Fitaleavan’ny Serasera

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika

TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA ALAROBIA FAHA 17 AVRILY 2024, GRANDE RÉSIDENCE TANAMAKOA TOAMASINA

Androany, Alarobia faha 17 Avrily 2024, notanterahina teto amin’ny Grande Résidence, Tanamakoa Toamasina ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Andry RAJOELINA, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara. Nanatrika ny Filan-kevitra Andriamatoa NTSAY Christian, Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra sasan-tsasany izay manana asa maika aty Toamasina.

Ny Filan-kevitry ny minisitra voalohany natao ivelan’Antananarivo izay tanterahina eto Toamasina, dia mikatsaka ny fijerevana ifotony ireo olana sedrain’ny vahoaka ary mitrandraka vahaolana ao anatin’ny Faritra iray. Hijery antsipiriany araka izany ireo zavatra mampikaikaika ny vahoaka, ireo zavatra tokony ho vitaina, fa indrindra ireo fampandrosoana tokony hapetraka eto Toamasina ny Governemanta.

Ny olana voalohany izay fantatra fa mampikaikaika ny vahoaka ka nanomezan’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika toromarika mazava dia ny mahakasika ny fanadiovana ny tanàna indrindra eo amin’ny lafiny fandehanan-drano. Eo ihany koa nefa ny famatsiana herinaratra sy ny fanamboarana ny lalana eto an-tanàna. Hodinihina manokana ihany koa ny mikasika ny fitantanana ny fotodrafitrasa MIAMI mba ho matihanina tanteraka eo amin’ny fikolokoloana ny toerana.

Vahaolana maharitra, mipaka tanteraka any amin’ny vahoaka, azo tsapain-tanana ary maika no tsy maintsy apetraka.

Drafitra maty paika manaraka fe-potoana mazava no takiana amin’ireo minisitra isan-tsokajiny hoy ny Filohan’ny Repoblika.

Nasaina tonga manatrika izao Filan-kevitry ny Minisitra izao ny solontenam-panjakana miadidy ny tanàna sy ireo solontenan’ny andrim-panjakana ety an-toerana.

Foto-drafitrasa maro no hotokanana sy ho tsidihin’ny Governemanta tarihin’ny Filohan’ny Repoblika mandritra izao fidinana ifotony aty amin’ny Faritra Atsinanana sy Analanjirofo izao.

Nampahafantatra ihany ko any Filohan’ny Repoblika fa hitety ny renivohi-paritany ny fanaovana Filan-kevitry ny Minisitra toy izao mba hahafahana manakaiky vahoaka sy mijery ny fampandrosoana tokony hatao ifotony. Ny fandaharam-potoana manaraka dia hianavaratra ho any Antsiranana sy Mahajanga, izay vao hihanatsimo any Toliara sy Fianarantsoa.

I- FAMPITANA AM-BAVA

MINISITERAN’NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanetsehana ireo vola tamberina na “ristournes” sy fanomezana fahefana ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana ny fitantanana ireo tetikasa amin’ny alalan’ny Fonds de développement local.

Tamin’ny fe-potoam-piasany voalohany dia efa nanome toromarika ny Filohan’ny Repoblika amin’ny fametrahana vahaolana matotra amin’ny fomba fampiasana ny vola tamberina avy amin’ny tetikasa Ambatovy. Tsy nampiasaina tany amin’ny tetikasa tena isitrahan’ny vahoaka ny tamberim-bola azo, hany ka tsy nisy fiantraikany nivantana tany amin’ny fampandrosoana ireo Kaominina mpisitraka mihitsy. Naato araka izany aloha ny fampiasana ilay tamberim-bola, mandram-pahita izay vahaolana mahomby izay. Hatsangana ny komity hanao ny tombana sy ny fandinihana ireo tetikasa arakaraka izay heverina fa laharam-pahamehana amin’ny fampandrosoana ny Kaominina sy mifanaraka amin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana. Hisy ihany koa ny tombana amin’ny fandaniam-bola (mercuriale des prix) mba tsy hisy ny fandaniam-bola midangana mihoatra ny tokony ho izy ary tsy maintsy mipàka mivantana amin’ny mponina any amin’ireo Kaominina mpisitraka ny fampiasam-bola rehetra izay hatao.

Ny mahakasika an’i Toamasina manokana, olana telo no ilana vahaolana farany izay haingana :

– Ny fanajariana ny lalana eto an-tampon-tanàna izay mampikaikaika ny vahoaka indrindra rehefa misy rotsak’orana. Araka ny fanazavana nomen’ny tomponandraiki-panjakana eto an-toerana dia ireto no mila anaovana asa maika indrindra :

  • Ny lalana Jovenna – Aeroport Ambalamanasy – sampanana Fiangonana Md Paoly Mangarivotra carrefour eglise izay mirefy 4km
  • Ny lalana Andromadio – biraon’ny prefektiora mirefy 1km 800
  • Ny lalana Chateau d’eau Ambolomadinika – Verrerie Morarano
  • Ny lalana miala eo amin’ny château d’eau hatramin’ny rond point Jovenna Manangareza
  • Ny rond point Jovena Manangareza – Galana raffinerie hatrany amin’ny seranantsambo

Eo ihany koa ny fiakaran’ny rano rehefa misy rotsak’orana noho ireo lakan-drano tsentsina noho ny fako. Mila fanavaozana ihany koa ireo fanarian-drano izay tsy maharaka ny fitomboan’ny mponina.

Mila fanavaozana ihany koa ny Bazarikely izay tena mampiavaka an’i Toamasina nefa potika tanteraka izany ankehitriny.

MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy ivelany ho an’ny fividianana “tablettes” miisa 62 enti-manatanteraka ny fanadiadiana “MICS-7 Madagascar” izay azon’ny INSTAT avy amin’ny UNICEF hoentina hanatanterahana fanadihadiana mikasika ny “pauvreté infantile”.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanafoanana ireo hetra sy haban-tseranana ho an’ireo fitaovana fanomezana ho an’ny Eklesia Episkopaly Malagasy.

MINISITERAN’NY ATITANY

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fananganana « abris communautaire à usage multiples » ao amin’ny kaominina an-drenivohitr’i Toamasina. Velaran-tany mirefy 2000m² eo Mangarano eo akaikin’ny kianja Barikadimy no hananganana izany.

Io toerana io dia natao handraisana ireo tra-boina rehefa sendra ny loza voa-janahary ary rehefa andavanandro kosa dia hovatsiana fitaovana “pliable” mora aorona afaka ampiasaina hanaovana fampiofanana tanora maro amin’ny alalan’ny programan’asan’ny fitondram-panjakana ho fampitomboana traikefa ny Malagasy.

Hisy ihany koa kidoro fatoriana hapetraka ao anatin’ny foto-drafitrasa mba ahafahan’ny toerana mandray ireny zaikabe ireny raha misy ilana izany.

Ho toerana afaka ampiasaina mandavan-taona, hanampy amin’ny fanalana fahasahirana ny vahoaka ny tanjon’izao foto-drafitrasa izao.

MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy ivelany ho an’ny fividianana ireo milina fanontana sy ny kojakoja ilaina amin’ny fanamboarana “passeports électroniques” Malagasy.

MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany ho an’ireo fitaovana mifandraika amin’ny Tsenan’ny famatsiana sy fanaterana ireo toby famokarana angovo azo avy amin’ny masoandro izay manana tanjaka 50 Megawatts ho an’ny “hybridation” ireo tobim-paritry ny JIRAMA antsoina hoe Tetikasa “Parcs solaires” izay mahakasika ny fandefasana faha-13 ka hatramin’ny faha-17.

Nanome toromarika ny Filohan’ny Repoblika fa mikasika manokana ny tetikasa MIAMI dia ahaleo tena tanteraka ara-angovo ny foto-drafitrasa satria dia asiana toby mpamokatra herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro ahafahana mampandeha ny jiro, ny jets d’eau sy izay rehetra mety ilana herinaratra eo amin’ny toerana.

Noresahina manokana ihany ko any olan’ny famatsiana herinaratra teto Toamasina nandritra izay herinandro vitsy lasa izay ka hentitra ny Filohan’ny Repoblika fa tsy maintsy mitady ny fomba rehetra mba hampaharitra ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpamatsy solika ny orinasa JIRAMA ary hanelanelana ho amin’izany ny fitondram-panjakana. Tsy maintsy hatao ihany ko any fanavaozana ny “reseau de distribution d’életricité” eto Toamasina izay efa ela dia ela tokoa.

MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ireo asa fanamboarana ireo lalana ao anatin’ny tetikasa “Projet de Développement Durable du secteur Routier” (PDDR) eto Madagasiakara. Tanjon’ity tetikasa ity ny fitondrana fikojakojana mahomby mba hampaharitra ny ireo asa fanamboarana atao amin’ireo lalam-pirenena lehibe izay mampitohy ireo renivohi-paritany amin’Antananarivo renivohitr’i Madagasikara.

Raha ny mikasika ny lalam-pirenena faharoa manokana dia efa tafiditra ao anatin’ny famatsiana andiany voalohany: Moramanga – Toamasina mirefy 82km ; ary andiany faharoa: Moramanga – Antananarivo.

Tafiditra anatin’ny tetikasa ihany koa ny ampahany 200km amin’ny RN4, 56km ao amin’ny RN5 mampitohy an’i Foulpointe sy Toamasina, ny RN7 Antananarivo – Antsirabe – Ambositra – Ambohimahasoa – Sakaraha. Ary tsy diso anjara ihany koa ny RN3A, ny RNS5A ary ny RN34. Tokony mitady ny fomba rehetra ampadehanana aingana ny fanatanterahana ny asa indrindra eo amin’ny lafiny fikirakirana taratasy.

Ny fanamboarana ny lalana nefa dia zava-poana ihany raha tsy mazava ny fenitra fikojakojana sy fanaraha-maso ny fampiasana ny lalam-pirenena.

Araka izany dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanamboarana hampandeha indray ireo toby fandajana ireo fiara vaventy (na station de pesage) maika indrindra ety amin’ny RN2.

Nisy didi hitsivolana noraisin’ny Minisiteran’ny asa vaventy izay tsy maintsy ovaina ankehitriny izay manome alalana fiara milana hatramin’ny 44T mandeha eny amin’ny lalam-pirenena izay hita fa tsy tokony hizaka lanja ambonin’ny 28T. Mihoatra noho izay, hita fa nisy tsy fikarakarana izay tena heverina ho miendrika fanimbana teny amin’ireo station de pesaga manerana ny Nosy. Ho hentitra ny fanaraha-maso izany hoy Andriamatoa Filohan’ny Repoblika satria goavana ny asa tanterahina eny amin’ireny lalam-pirenena ireny ka mahonena raha tombotsoan’olom-bitsy no manapotika ny lalan-drà mampifandray ny fiainan’ny vahoaka maro an’isa. Ny sehatra tsy miankina rahateo, raha nihaona tamin’ny Filohan’ny Repoblika tamin’ny herinandro dia naneho fahavononana amin’ny fiaraha-miasa ho fikojakojana ny fananam-bahoaka.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny firosoan’ny asa fanamboarana ny boulevard Ratsimilaho (ampahany mampitohy ny seranam-piaramanidina sy ny RN5).

Efa an-dalam-panatanterahana ny asa ankehitriny izay ny orinasa SMATP sy COLAS no miandraikitra azy. Nampitomboana ny habehan’ny lalana mba hanome endrika ny tanànan’i Toamasina ny fahavitany ary alohan’ny fetim-pirenena amin’ny volana jona ho avy izao dia tsy maintsy vita ny ampahany voalohany amin’io boulevard io. Ireo tompon’andraiki-panjakana eto an-toerana dia mankasitraka tokoa ny fampitana izany asa izany.

MINISITERAN’NY ASA VAVENTY + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola an-tanana ny famotsorana haba (dédouanement) ireo fitaovana sy kojakoja ary ny famindrana tsy maharitra ireo milina mifandraika amin’ny fanatanterahana ireo asa fanamboarana ny lalana migodana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina (Phase I).

Nanome baiko sahady ny Filohan’ny Repoblika ny anarahana maso tsara ny fanatanterahana ny asa eo amin’ny Autoroute mba tsy hisy fahatarana ny fanatanterahana izany fa handeha arak any fifanarahana natao hatramin’ny voalohany. Manainga ny tompon’andraikitra ho hentitra hatrany ny Filoha.

MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy ivelany ho an’ireo fonosona miisa 05 misy ireo kojakojan’ny “dataloggers” ho an’ny Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava mamaritra iero famatsiam-bola mikasika ny asa atao eo amin’ny fampananan-drano sy fanadiovana eo anivon’ny tanànan’ny Toamasina avy amin’ny AFD / PADEV 2, PIC 3, JICA sy ny Vondrona Eoropeana.

Izany dia mikasika ny fananganana “chateau d’eau” sy “unite de traitement d’eau potable », famatsian-drano ny tanàna mbola manana fahasahiranana ary fampiakarana ny fahefana mamokatra ao Ivoloina ahatratra hatramin’ny 15.000m3. Mitentina 72 tapitrisa dolara ny famatsiana an’ireo tetikasa rehetra ireo ary mbola misy drafitrasa iarahana amin’ny Banky Iraisam-pirenena ihany koa hanampy izany. Ny tanjona dia ny hampivoatra tanteraka ny famatsian-drano sy hanampy ny fanadiovana eo Toamasina mba tena hipaka tanteraka any amin’ny isan-tokatrano ny vokatry ny asa rehetra izay tanterahin’ny fitondram-panjakana.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny asa fanadiovana ny lakandron’ny Pangalana.

Mahonena ny mahita ny tanana dibo-drano rehefa sendra rotsak’orana elaela. Hita nefa rehefa natao ny fanadihadiana fa feno fako manorina sy manentsina ny lakandranon’ny Pangalana izay ivaran’ny rano avy ao an-tanàna.

Misy ihany koa ireo manao fanorenana trano tsy ara-dalàna izay manentsina izany.

Mila beazina ny vahoaka amin’ny fitandrovana ny fahadiovana ary tompon’andraikitra voalohany amin’izany ny mpitantana ny tanàna. Efa an-dalam-panatanterahana ny fanajariana ny tanàna amin’ny alalan’ny tetikasa PADEV fa ilaina ihany koa ny fandraisana andraikitry ny olom-pirenena tsirairay. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny fanadiovana ny lakan-dranon’ny Pangalana amin’ny alalan’ny asa HIMO amin’ny ampahany mirefy 20km izay hampiarahana ihany koa amin’ny fampiasana ireo millina lehibe hanaovana “dragage”. Hijery manokana izany asa izany ny Filohan’ny repoblika sy ny Governemanta mandritra ity fitsidihana ifotony ity.

II – FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA

SEKRETERAM-PANJAKANA MISAHANA NY TANÀNA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Efa tomombona ara-dalàna ny foto-drafitrasa ao MIAMI ka ho firosoana amin’ny fanokafana tanteraka ny toerana dia nolanin’ny Filankevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manome alalana ny Fitondram-panjakana hamorona ny orinasa « Société d’exploitation, de gestion et de maintenance MIAMI S.A »

Io orinasa io dia hifarimbonan’ny Fanjakana Malagasy sy ny Fiadidina ny Tananan’i Toamasina ary ny orinasa SPAT ary tsy maintsy hanolotra drafi-pitantanana matotra tsara ahafahan’ny orinasal miodina ara-dalana. Hisokatra ho an’ireo mpanofa matihanina amin’ny sehatra maro ny ao MIAMI, na eo amin’ny fanaovana sakafo, na varotra sy fampirantiana isan-karazany. Ny fandaniana ao amin’ny orinasa mikasika ny fikarakarana ny zaridaina, ny fandokoana, ny jiro sy rano sns dia tsy maintsy ho sahanin’ny « Société d’exploitation, de gestion et de maintenance MIAMI S.A » tanteraka.

III – FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

MINISITERAN’NY FOLOALINDAHY

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-735 tamin’ny 14 jona 2023 ary manendry ny Général de Brigade ANDRIANTAOLO Tsilavonjatovo Honoré, ho Kaomandin’ny « Zone de Défense et de Sécurité Tsiribihina »(Ouest) Morondava eo anivon’ny Etamazaorin’ireoTafika
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-025 tamin’ny 12 janoary 2022 ary manendry ny Général de Brigade AUGUSTE Bruno, ho « Inspecteur auprès de l’Inspection Générale des Armées. »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-607 tamin’ny 24 may 2023 ary manendry ny Général de Brigade RAKOTOARISOA Herinjanahary, ho « Directeur du Bureau Planification des Opérations de l’Etat-Major »

MINISITERAN’NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-989 tamin’ny 6 jolay 2022 ary manendry an-dRamatoa RAZAFITSALAMA Seheno Miora, ho “Directeur des Ressources Humaines”.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RANDRIAMILANTO Florent, ho « Directeur des Concours Financiers de l’Etat »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAKOTOMALALA Tiavina, ho « Directeur des Systèmes d’Information »

MINISITERAN’NY TOEKARENA SY FITANTANAM-BOLA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-461 tamin’ny 26 avrily 2023 ary manendry an’Andriamatoa RAZAFIMANDIMBY Patrick Naivoharinjaka, ho « Directeur de la Formation et de la Coordination des Réformes »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RIVOMANANTSOA John Georgio, ho « Directeur de la Comptabilité Nationale et de la Modélisation auprès de l’Institut Nationale de la Statistique »

MINISITERAN’NY ATITANY

Noho ny fiovan’anaran’ny Minisitera dia tsy maintsy nisy tompon’andraiki-panjakana nandalo fanendrena indray, nisy kosa ireo fanendrena vaovao

  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAHERIARISATA Fenotojosoa Tsiriandrianary Salama, ho Préfet an’i Tsiroanomandidy.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAMANANKIRAHINA Faly Hery, ho Prefet an’i Miarinarivo – renomination.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa BENANDRASANA Cyrille, ho Préfet an’i Toamasina. – nouvelle nomination.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAHANTAMALALA Béatrice Hortense, ho Préfet an’i Manakara.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAZAFINDRALAMBO Eddie Mandimby, ho Lehiben’ny Distrikan’i Fenoarivo Be. – renomination
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAKOTONDRAMANANA Hubert, Lehiben’ny Distrikan’i Mandoto.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RANDRIAMANANKEVITRA Huberto Dellaris, ho Lehiben’ny Distrikan’i Antsiranana II
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAMANAMAHAFAHAY Malaza, ho Lehiben’ny Distrikan’Ambanja.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAMANANA Barthélemy Samuel, ho Lehiben’ny Distrikan’i Bealanana.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAKOTONIRINA Bruno, ho Lehiben’ny Distrikan’Ambato Boeny.- renomination
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa PRUVOT Victorien Odilon, ho Lehiben’ny Distrikan’i Befandriana Avaratra. – renomination
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAMAROZATOVO Christian Jimson Edouard Lehiben’ny Distrikan’i Mitsinjo. – nouvelle nomination
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa ANDRIANANTENAINA Onja Harivony Davy Clarck, ho Lehiben’ny Distrikan’i Kandreho. – renomination
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAKOTOMANANKIAFARANA Tsimihonoraibe Joël, ho Lehiben’ny Distrikan’i Tsihombe. – nouvelle nomination
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RABENANDRASANA Nicolas, ho Lehiben’ny Distrikan’i Mahabo. – nouvelle nomination
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RANDRIAMANGA Falinirina Manoela, ho Lehiben’ny Distrikan’i Belo sur Tsiribihina. – nouvelle nomination
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa MAMPITOMBO Zafisoamiaraka Ellyan, ho Lehiben’ny Distrikan’Ampanihy Andrefana. – nouvelle nomination
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RATIARISON Rostand Patrick, ho Lehiben’ny Distrikan’i Manandriana. – nouvelle nomination
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa TOMBOZARA Alida, ho Lehiben’ny Distrikan’i Vangaindrano. – nouvelle nomination
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAJAONARISON Andrianotahina Samuel, ho Lehiben’ny Distrikan’i Vohibato. – nouvelle nomination
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa ANDRIAMAHAVOTRA Antoine Marie Zacharie, ho Lehiben’ny Distrikan’i Vondrozo. – nouvelle nomination
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa TESAKA Désiré Philippe, ho Lehiben’ny Distrikan’i Midongy Atsimo. – nouvelle nomination
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa BELAHY Théophile, ho Lehiben’ny Distrikan’i Vohipeno. – renomination
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa SOLONDRAZANA Jacquino, ho Lehiben’ny Distrikan’Antanambao Manampotsy. )- nouvelle nomination

MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA

Noho ny fiovan’ny rafi-pitantanana eo anivon’ny Minisitera dia tsy maintsy naverina notendrena ho mari-pototra ireto tomponandraiki-panjakana manaraka ireto:.

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-447 tamin’ny 30 marsa 2022 ary manendry ny Commissaire Divisionnaire de Police RANJATOARISOA Andriamiadana Mamitiana, ho « Directeur des Services des Renseignements ».
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-596 tamin’ny 27 avrily 2022 ary manendry ny Commissaire Principal de Police ANDRIAMASY Ainarivonjy Olivier, ho « Directeur de la Lutte contre la Corruption et de la Discipline ».
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-763 tamin’ny 16 jolay 2020 ary manendry ny Commissaire Divisionnaire de Police RASOAMIARAMANANA Gilberte, ho Tale misahana ny raharaha ara-bola.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-598 tamin’ny 27 avrily 2022 ary manendry ny Commissaire Divisionnaire de Police RATSIMBA Andrianina Brice, ho « Directeur de l’Ecole Nationale Supérieure de Police »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1288 tamin’ny 07 septambra 2022 ary manendry ny Commissaire Principal de Police RABEARIVONY Maurice Joël, ho Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka Diana
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1289 tamin’ny 07 septambra 2022 ary manendry ny Commissaire Principal de Police GERVERIN Raelison, ho Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka Sava.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1590 tamin’ny 30 novambra 2022 ary manendry ny Commissaire de Police de Première Classe RAKOTOVAO Jean Christian, ho Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka Atsinanana.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1118 tamin’ny 09 septambra 2020 ary manendry ny Commissaire Principal de Police MORATAMBY Roger, ho Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka Sofia.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-837 tamin’ny 29 jolay 2020 ary manendry ny Contrôleur Général de Police ANDRIAMANANTSOA Zakatiana Pierre Donatien, ho Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka Anosy.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-360 tamin’ny 05 avrily 2023 ary manendry ny Commissaire de Police RALAHINIRINA Patrick Chrétien, ho Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka Androy.

MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1405 tamin’ny 05 oktobra 2022 ary manendry an-dRamatoa JAORIZIKY Patricia, ho Talem-paritry ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra Itasy.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RASOLOFONJATOVO Hasina Hobitiana, ho « Directeur des Affaires Juridiques »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-361 tamin’ny 05 avrily 2023 ary manendry an’Andriamatoa RAZAFITSITAIRANA Jean Harlain, ho Talem-paritry ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra Anosy.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1413 tamin’ny 05 oktobra 2022 ary manendry an’Andriamatoa RAJAOMANODIARIVELO Fredis Reynaldinoh, ho Talem-paritry ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra Sofia.

MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY FIOMPIANA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2015-1482 tamin’ny 14 desambra 2015 ary manendry an-dRamatoa RANDRIARIMANGA Niry Freddie, ho Tale Jeneralin’ny « Fonds de Développement Agricole » (FDA)
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1184 tamin’ny 27 oktobra 2021 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTONDRANAIVO Tolojanahary Lovaniaina, ho « Directeur d’Appui à la Production Végétale » (DAPV)
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAKOTOZANANY Miandrisoa Tokiniaina, ho « Directeur de la Planification et du Suivi Evaluation (DPSE) »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RARIVOARIMANANA Anjaratiana Malala, ho « Directeur de l’Unité d’Appui à la Conception et la Coordination des Projets » (UACCP)
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAMAROZATOVO Ninah, ho « Directeur de l’Unité de Partenariat et de l’Agrégation Agricole »(UPAA)
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAKOTOMAINTY Haintsoa Nirina, ho « Directeur de l’Unité de Supervision et de Coordination des actions sur l’Agriculture Biologique » (USCAB)

MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2008-797 tamin’ny 31 jolay 2008 ary manendry an-dRamatoa RAZAFINDRAKOTO Fanoina Ny Riana, ho Tale Jeneralin’ny « Centre National de Recherche Appliquée au Développement Rural » – CENRADERU/FOFIFA

IV – FANAFOANANA

MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-172 tamin’ny 22 febroary 2023 nanendry ny Tale Jeneralin’ny de l’Institut National de la Statistique

MINISITERAN’NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana nanendry ny Goverinoran’ny Faritra Bongolava, ny Goverinoran’ny Faritra Ihorombe ary ny Goverinoran’ny Faritra Atsinanana

Natao ny faha-17 Avril 2024

Ny Fitaleavan’ny Serasera

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika

TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA ALAROBIA FAHA-11 AVRILY 2024, LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

Androany, Alakamisy faha-11 Avrily 2024, notanterahina teto amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Andry RAJOELINA, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara ary natrehin’Andriamatoa NTSAY Christian, Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

I- FAMPITANA AM-BAVA

MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Ho fanatrarana ny tanjona apetraky ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana eo amin’ny fanatsarana sy fanafainganana ny asam-panjakana (na Bonne Gouvernance) dia nankatoavin’ny ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ireo fanatsarana natao mahakasika ny fitantanam-bolan’ireo tetikasa nahazo famatsiam-bola avy any ivelany.

Araka ny dinika efa natao teny anivon’ny filan-kevitry ny governemanta sy ny fivoriana isan-tokony niarahana tamin’ireo mpamatsy vola avy any ivelany dia nisy fanatsarana ny fitantanana eo amin’ny famoaham-bola mikasika ireo tetikasa vatsin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena.

Anatin’izany no nametrahana fa ny fifanarahana ara-pamatsiana na “accord de financement” no fenitra voalohany tokony arahina mikasika ny famoaham-bola eo amin’ireny tetikasam-panjakana ireny. Araka izany dia nomena lanja ny andraikitra lehibe izay sahanin’ny Minisitera tompon’andraikitra eo amin’ny tetikasa sy ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola. Hatao mangarahara tanteraka eny anivon’ny banky ny famoaham-bola rehetra ary misy fetra andro mazava (5 andro) anaovan’ny “Direction de la Dette Publique” ny fangatahana famoaham-bola na “décaissement”.

Entanina ny fametrahana “Manuel de Procédures » mazava tsara isaky ny tetikasa sy amin’ireo agences d’exécution. Hisy ihany koa « Comité de Pilotage sy Comité d’orientation et de suivi » ifarimbonan’ny Minisitera tompon’andraikitra sy ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola hanara-maso ny fanatanterahana ny tetikasa. Tsy maintsy hanao tatitra mazava amin’io comité de pilotage io ny « agences d’exécution » rehetra. Ka raha misy fandaniam-bola tsy nahazo fankatoavana dia ho tompon’andraikitra feno amin’izany izy ireo.

MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny Fanjakana malagasy an-tanana ny fandoavana ny anjarany amin’ireo vaksiny « antigènes » izay hiaraha-miasa amin’ny GAVI sy ny UNICEF, izay tafiditra ao anatin’ny fandanian’ny Minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola. Izany dia mikasika ny vaksiny ampiasaina amin’ity taona 2024 ity ka vaksiny 8 no voakasik’izany.

MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA + MINISITERAN’NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN’NY ATITANY + MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hametrahana didy hitsivolana mahakasika ny fandaminana ankapoben’ny fanangonana sy fivarotana ny akotry sy ny vary eto Madagasikara. Anisan’ny asa laharam-pahamehan’ny Governemanta ny fanadiovana sy fandrindrana ity sehatra ity, mba hahamarin-toerana ny vidim-bary etsy ankilany, sy mba hiantohana ny fifaninanana madio sy ara-drariny eto amin’ny tsena anatiny. Ity didy hitsivolana ity dia hamaritra ireo fepetra mifehy ny asan’ireo mpanangona akotry sy vary eto an-toerana, hamaritra ihany koa ny faritra hitsinjarana sy hivezivezen’ny vokatra ary koa natao hitazomana ny mangarahara eo amin’ny fifampiraharahana ara-barotra mifandraika amin’izany. Hatsangana ihany koa ny komity mpanara-maso ny vary eny amin’ireo Faritra mpamokatra izany.

MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

Ho fiomanana amin’ireo loza voajanahary mateti-pahazo iny Faritra iny, dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hamindrana ny ampahany mirefy 20 ara amin’ny tany mitondra ny anarana “Hopitaly Emokala”, titre n°2651-AG, any Manakara, ho an’ny CPGU/Primatiora ho fananganana ny « Abri Communautaire à usage multiple (ACUM).

MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany momba ireo entana miisa sivy (09) misy ireo fampitaovana ho an’ny hopitaly fanomezana avy amin’ny UNICEF

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany momba ireo entana miisa fito (07) misy ireo « micronutriment » na fanampin-tsakafo ho an’ny zaza tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo, fanomezana avy amin’ny UNICEF.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany miisa 19 misy ireo kojakojam-pahasalamana (consommables médicaux) Tarpaulin – Glucose – Cefixime, fanomezana avy amin’ny UNICEF: fanafody antibiotiques fitsaboana.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana fiarakodia miisa telo (03) fanomezana avy amin’ny UNICEF.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana motos miisa 18 nafaran’ny Unité de Coordination des Projets (UCP/PPSB).

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana motos miisa 202 nafaran’ny Unité de Coordination des Projets entina hanamafisana ny rafi-pahasalamana ho an’ireo distrika rehetra manerana an’i Madagasikara

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana fiarakodia iray (1) nafaran’ny Unité de Coordination des Projets.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana fiarakodia miisa 22 nafaran’ny Unité de Coordination des Projets.

MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO + MINISITERAN’NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanatanterahana ny « Forum de la Mobilité pour le Grand Antananarivo » ny 24 hatramin’ny 25 avrily 2024.

Ity fihaonambe ity dia sehatra natao hifanakalozan-kevitra, hifampizaràna fahaiza-manao ary hanomezam-bahaolana mahomby entina hampiroboroboana ny politikan’ny fivezivezena an-drenivohitra. Io ihany koa no fotoana iray hampivondronana ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny fitaterana, ireo tompon’andraiki-panjakana avy eto an-toerana sy iraisam-pirenena, ireo mpamatsy vola, ireo vondron’orinasa sy ny maro hafa; mba hamaritana miaraka ny tondrozotran’ireo asa hiatrehana ireo fanamby rehetra mifandray amin’ny fivezivezena mifanindran-dalana amin’ny fandrindrana ny tanan-dehibe sy ny fitaterana.

Hatao eo ambany fiahian’Andriamatoa Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara izany hetsika izany.

MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanitsiana ny tetibolan’ny minisitera sy ireo tetikasa PIP, mba hampiharana ireo fepetra noraisina manoloana ny fikorontanan’ny famatsiana rano eto amin’ny tanànan’Antananarivo sy ny manodidina azy, ary ho an’ny faritra hafa manana olana amin’ny rano.

Misy foana ary mitarika fikorontanana lalina eo amin’ny famatsiana ny olana ara-pitantanana misy ao amin’ny orinasa JIRAMA satria ho fiadiana amin’ny kolikoly isan’ambaratonga dia tsy azo atao intsony ny mamoaka vola mivantana tsy manaraka fepetra mazava. Noho izany dia hametraka fitaovana fikojakojana ilaina matetika ny eo anivon’ny minisitera ho fitsinjovana izay olana maika mety hitranga. Ao anatin’izany ireo fantson-drano isan-karazany (accessoires hydrauliques), ireo fitaovana mandeha amin’ny herinaratra ary ireo fitaovana hahafahana manao ireo kojakoja vonjy maika mba hahafahana mamaly haingana ny filana maika sy hisorohana ny fahatapahan’ny famatsian-drano.

Noho ny hamehana dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ihany koa ny hampihenana tolo-bidy ho 15 andro mba hahafahan’ny minisitera mandray andraikitra haingana sy mahomby manoloana izao toe-javatra maika izao.

Nanao fanamarihana ihany koa ny minisitra fa vahaolana maharitra sy mitondra fanovana tanteraka no efa eo am-pandinihina ka haroso eto amin’ny Filan-kevitry ny Minisitra manaraka hisorohana ny fahatapahan-drano izay tena mampahory ny vahoaka. Karazana teknolojia tsy mbola fahita sy fanavaozana izay efa misy ary fanafainganana ny tetikasa efa manomboka toy ny PAEP, sy ny Tana Water Free no tsy maintsy haroso aingana indrindra.

MINISITERAN’NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny saran’ny fitahirizana ireo sambo haingam-pandeha eo anivon’ny SMMC ka hanao fifanarahana araka izany amin’ny SMMC ny Fitondram-panjakana. Ireo sambo ireo dia fanomezana avy amin’ny Governemanta Japoney ho fanamafisana ny fanaraha-maso ireo asa jono isan-karazany sy entina miady amin’ny jono tsy ara-dalàna tsy nanaovana fampahafantarana sady tsy voafehin’ny lalàna (pêche illicite, non déclarée et non règlementée).

SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA

Noho ny filan’ny fanatanterahana ny tetikasam-panjakana dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny asa fanotofana eo amin’ny sakany mirefy 5 m eo ho eo amin’ny tany mitondra anarana hoe “CASA AVENIR II” TN° 73 350A sy “MALAGA AVENIR” TN° 71 222A, eo amin’ny halavirana 180m miala amin’ny tany voakasiky ny didim-panjakana manambara izany ho an’ny tombontsoan’ny daholobe, sy eo amin’ny tany tsy miankina mirefy 420 m mahery an’ny orinasa TCM, ho an’ny asan’ny làlam-panorenana ny pylone 35 any Ivandry sy fikojakojana ny fitaterana an-tariby. Fanotofana tany 1200m³ amina velaran-tany 3445m² no asa atao amin’izany.

Araka ny tolo-kevitry ny APIPA dia hisy ny fametrahana buse mirefy 1000mm mialohan’ireo asa ireo mba hisorohana ny fiakaran’ny rano amin’ny faritra manodidina ny asa.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana ireo fitaovana sy kojakoja ilaina amin’ny tetikasa fitaterana an-tariby zotra volomboasary Antananarivo mampitohy an’i Soarano sy Ambatobe (fandefasana laharana faha 22, 24, 30, 31, 32, 33, 34, 35 ary 37) sy ireo vondrona mpihary herinaratra ary ny « Admission Temporaire Spéciale  » ho an’ireo fitaovana fanaovana « déroulage ».

Nankatoavina ihany koa fa eo amin’ny faritra aorinan’ny Coliseum no hametrahana ireo conteneurs ireo mandritra ny fanatanterahana ny asa mba tsy hamoahana “couts de stockage” sy hiteraka fahatarana eo amin’ny fanatanterahana ny asa. Tsy hanelingelina ny fampiasana ny Coliseum nefa izany

II – FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA

MINISITERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA

Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana ho entina andrindrana ny fitantanana ny Institut National de Formation Pédagogique. Efa nandalo famakiana in-2 ary efa nisy fanitsiana teo anivon’ny Governemanta ity fanovana ity.

Marihina fa ny INFP dia “organisme rattaché” efa nisy an-taonany maro teo anivon’ny Minisitera, tsy maintsy irosoana nefa izao fanovana izao mba hifanojo tanteraka amin’ny fepetra takian’ny maha-EPA azy sy ho fanamorana ny asa izay tanterahina ny eo anivon’ny INFP. Anisan’izany ohatra ny famerenana indray ny fanofanana ireo “inspecteurs de l’education nationale” amin’ izao ary anisan’ny fanovana atao dia ny fanarahana ny fampiofanana azy ireo

III – FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

MINISITERAN’NY FOLOALINDAHY

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1136 tamin’ny 03 aogositra 2022 ary manendry ny Colonel RAKOTONANDRASANA Ambinintsoa, ho « Directeur du Bureau des Ressources Humaines de l’Etat-Major des Armées ».
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-453 tamin’ny 26 avrily 2023 ary manendry ny Colonel RAMAROSANDRATANA Junior Fils, ho « Directeur du Bureau Finance et Budget de l’Etat-Major des Armées ».
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry ny Colonel RABENJAMINA Thierry, ho « Directeur du Bureau de Pilotage des Restructurations de l’Etat-Major des Armées ».
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-742 tamin’ny 17 avrily 2019 ary manendry an-dRamatoa RAZAFINDRAGOSY Domoinalalaina Adrianna, ho « Directeur des Affaires Juridiques » eo anivon’ny Ministeran’ny Foloalindahy
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-023 tamin’ny 12 janoary 2022 ary manendry ny Général de Brigade RASOLONIAINA Henintsoa Gabriel, ho « Directeur des Affaires Militaires au Secrétariat Permanent à la Défense et à la Sécurité Nationale du Haut Conseil de la Défense Nationale. »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-532 tamin’ny 27 may 2020 ary manendry ny Colonel RANDRIAMANANTSOA Jean de Dieu, ho « Directeur du Bureau Soutien et Logistique de l’Etat-Major des Armées. »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1362 tamin’ny 28 septambra 2022 ary manendry ny Capitaine de Vaisseau ANDRIANIRINA HERY Léonide, ho « Sous-Chef d’Etat-Major Administration de l’Etat-Major de la Marine Nationale ».
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-380 tamin’ny 04 avrily 2020 ary manendry ny Général de brigade SAMSE ASSIMO Andriamialy, ho « Sous-Chef d’Etat-Major Administration de l’Etat-Major de l’Armée de Terre ».
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-903 tamin’ny 15 jona 2022 ary manendry ny Colonel MARINJARA Alain Carlo, ho « Sous-Chef d’Etat-Major Administration de l’Etat-Major de l’Armée de l’Air. »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-1410 tamin’ny 18 oktobra 2023 ary manendry ny Colonel RAZAFINDRAKOTO Andrianjaka Tefinirina Lucien, ho « Major Général de l’Armée de l’Air de l’Etat-Major de l’Armée de l’Air. »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-377 tamin’ny 04 avrily 2020 ary manendry ny Colonel ANDRIAMAHANDRY Rija Serge, ho « Sous-Chef d’Etat-Major Emploi de l’Etat-Major de l’Armée de l’Air. »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-806 tamin’ny 01 jona 2022 ary manendry ny Général de Division RASOLOMAMPIONONA Marcel Soldat, ho « Inspecteur Général Adjoint auprès de l’Inspection Générale des Armées. »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-808 tamin’ny 01 jona 2022 ary manendry ny Général de Brigade MONTROUGE John Fitzgerald, ho « Inspecteur auprès de l’Inspection Générale des Armées. »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-354 tamin’ny 05 avrily 2023 ary manendry ny Général de Brigade Aérienne JAONASY Autrick, Directeur de la Défense du Ministère des Forces Armées.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-210 tamin’ny 27 febroary 2019 ary manendry ny Général de Brigade RAKOTONDRAMANANA Jimmy Clark, ho « Directeur des Reformes du Ministère des Forces Armées. »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-503 tamin’ny 27 marsa 2019 ary manendry ny Général de Division MANANTSOA Yves, ho « Directeur Central du Service de Santé Militaire »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-218 tamin’ny 09 marsa 2023 ary manendry ny Général de Division RAOILISON Robert, ho « Directeur du Service National et de la Gestion des Réserves du Ministère des Forces Armées. »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1320 tamin’ny 24 novambra 2021 ary manendry ny Général de Brigade RAHARIJAONA Faly Michel, ho « Directeur de l’Office National Malagasy des Anciens Combattants et Victimes de Guerre ».
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-1479 tamin’ny 08 novambra 2023 ary manendry ny Général de Brigade RAKOTOMANANA Jean Patrick, ho « Commandant de Zone de Défense et de Sécurité Ikopa (Centre) » Antananarivo.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-213 tamin’ny 24 febroary 2021 ary manendry ny Colonel JAOTIANA Ferdinand, ho « Commandant de Zone de Défense et de Sécurité Ankarana (Nord) » Antsiranana.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-219 tamin’ny 24 febroary 2021 ary manendry ny Général de Brigade NASINTO Herilala Jean Christian, ho « Commandant de Zone de Défense et de Sécurité Pangalana (Est) » Toamasina.

MINISITERAN’NY FITSARANA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAMANANA Onitiana Amintsoa, ho Talen’ny Serasera.

MINISITERAN’NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RATIARISON Candice Marlène Tantely, ho « Directeur des Affaires Juridiques et Contentieux »

MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RANAIVOJAONA Ralambosoa Jean Roussel, ho « Chef de Commission Régionale des Marchés Itasy »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-2215 tamin’ny 11 desambra 2019 ary manendry an-dRamatoa RAHARIDIMBY Anjaratiavina Nandah, ho « Chef de Commission Régionale des Marchés Vakinakaratra. »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-2216 tamin’ny 11 desambra 2019 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTONDRINA Eric Herman, ho « Chef de Commission Régionale des Marchés Vatovavy « 
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAHANITRANIRINA Anita Sylvie Pascale, ho « Chef de Commission Régionale des Marchés Fitovinany »

MINISITERAN’NY ATITANY

Marihina fa noho ny fiovan-drafitra teo anivon’ny Governemanta ka nampisaraka ny Minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana dia maro ireo tompon’andraiki-panjakana izay tsy maintsy mandalo fanendrena indray ahafahany manohy ny asany toy ny andavanandro. Nisy kosa ireo vao notendrena ka handray ny andraikiny avy hatrany.

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1414 tamin’ny 15 desambra 2021 ary manendry an’Andriamatoa RAFIDISON Fidèle, ho Prefet an’i Morondava.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-2033 tamin’ny 30 oktobra 2019 ary manendry an’Andriamatoa RANDRIAMITSIRY José, ho Lehiben’ny Distrikan’Antananarivo VI
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-428 tamin’ny 19 avrily 2023 ary manendry an’Andriamatoa BELAMY Mamitiana Ramamonjiarisoa Claude, ho Lehiben’ny Distrikan’Andranamasina.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-900 tamin’ny 12 aogositra 2020 ary manendry an’Andriamatoa RAZAFINDRALAMBO Rojo Harimanana, ho Lehiben’ny Distrikan’Arivonimamo.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-531 tamin’ny 27 marsa 2019 ary manendry an’Andriamatoa HERITIANA Charles Olivier, ho Lehiben’ny Distrikan’Antalaha.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-908 tamin’ny 15 jona 2022 ary manendry an-dRamatoa ZARA Amélie, ho Lehiben’ny Distrikan’Ambatofinandrahana.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-651 tamin’ny 31 may 2023 ary manendry an’Andriamatoa ANDRIAMIHITSAKISA Thimotée Roger, ho Préfet an’Ambovombe.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-150 tamin’ny 20 febroary 2019 ary manendry an’Andriamatoa RAJAONARISON Sitrakiniavo Njaratiana Herizo, ho Lehiben’ny Distrikan’i Manjakandriana.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-052 tamin’ny 18 janoary 2023 ary manendry an’Andriamatoa RAFENOLAZA Jean Jacques, ho Lehiben’ny Distrikan’i Lalangina.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1360 tamin’ny 21 oktobra 2020 ary manendry an’Andriamatoa ANDRIAMBOAVONJY Randriatahina Oniniaina, ho Lehiben’ny Distrikan’Ikalamavony.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-990 tamin’ny 06 jolay 2022 ary manendry an’Andriamatoa RASOLOFOMANANA Barijohn Johny Patrick, ho Préfet de Police Sainte Marie.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-300 tamin’ny 09 marsa 2022 ary manendry an-dRamatoa RAMBOASOLO Haingo Monia, ho Lehiben’ny Distrikan’Antananarivo I
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-1105 tamin’ny 08 septambra 2023 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTONDRAMANANA Solofotahina Lalaina, ho Préfet an’i Maintirano.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2015-1428 tamin’ny 24 octobre 2015 ary manendry an’Andriamatoa RAMIANDRISOA Mahefandrainibe Haritiana, ho Lehiben’ny Distrikan’Antananarivo Avaradrano.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-521 tamin’ny 10 mai 2023 ary manendry an’Andriamatoa ANDRIANARIVONY Nomenjanahary Bruno, ho Lehiben’ny Distrikan’i Marolambo.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1979 tamin’ny 16 oktobra 2019 ary manendry an’Andriamatoa PIERRE Djaosera, ho Lehiben’ny Distrikan’i Vavatenina.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-047 tamin’ny 13 janoary 2021 ary manendry an’Andriamatoa TSIRY Nohary Andrianina Harimanana Lalaina, ho Lehiben’ny Distrikan’Amparafaravola.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-903 tamin’ny 12 aogositra 2020 ary manendry an’Andriamatoa IBRAMIDJEE Bruno, ho Lehiben’ny Distrikan’i Manja.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-674 tamin’ny 11 may 2022 ary manendry an-dRamatoa ALMINE Isaia, ho Lehiben’ny Distrikan’i Beloha Androy.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-303 tamin’ny 09 marsa 2022 ary manendry an’Andriamatoa BEZOKINY Iris Jacky, ho Lehiben’ny Distrikan’i Besalampy.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1739 tamin’ny 23 desambra 2020 ary manendry an’Andriamatoa SOLONANTENAINA Therass Jacquard, ho Lehiben’ny Distrikan’Amboasary Atsimo.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa NDRENIHAVANA Harimanga Vololona Annick Pasca, ho Sekretera Jeneralin’ny Prefektioran’i Sambava.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-378 tamin’ny 05 avrily 2023 ary manendry an’Andriamatoa FANOMEZANTSOA Jean Baptiste, ho Prefet an’Ihosy.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RADANIELINA Andriamihaja Jaona, ho Lehiben’ny Distrikan’Ankazobe.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1365 tamin’ny 28 septambra 2022 ary manendry an-dRamatoa RAMIALISOA Néné Eulalie, ho Lehiben’ny Distrikan’i Soalala.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1448 tamin’ny 05 oktobra 2022 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTONDRATSIMBA Masiaritovo Antoni, ho Lehiben’ny Distrikan’Antananarivo IV.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-041 tamin’ny 12 janoary 2022 ary manendry an’Andriamatoa RANOROSON Soloniaina Laurent, ho Lehiben’ny Distrikan’i Vatomandry.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1220 tamin’ny 17 aogositra 2022 ary manendry an’Andriamatoa RANDRIANARISON Ralijaona Dimbiniaina, ho Lehiben’ny Distrikan’i Mahajanga II
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-219 tamin’ny 26 febroary 2020 ary manendry an’Andriamatoa MANDEHATSARA Georget, ho Préfet an’i Taolagnaro.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-942 tamin’ny 22 jona 2022 ary manendry an’Andriamatoa RANDRIAMIARAMANANA Lalasoa, ho Lehiben’ny Distrikan’i Vohemar.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2016-977 tamin’ny 20 jolay 2016 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTOVAO Andriamihaja Henri Robert Nantenaina, ho Lehiben’ny Distrikan’i Brickaville.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2014-1520 tamin’ny 25 septambra 2014 ary manendry an’Andriamatoa RANDRIANDAZA Derason Vincent, ho Lehiben’ny Distrikan’i Befotaka Atsimo.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-040 tamin’ny 21 janoary 2022 ary manendry an’Andriamatoa ANDRIANARIMANGA Solofoarimanana, ho Lehiben’ny Distrikan’i Ambohimahasoa.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-676 tamin’ny 20 marsa 2024 ary manendry an’Andriamatoa RAZAFINDRAPOLY Oméga Tovontsoanananahary, ho Lehiben’ny Distrikan’Antananarivo III.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-676 tamin’ny 20 marsa 2024 ary manendry an’Andriamatoa RAMASY Solondady Pierrot, ho Lehiben’ny Distrikan’i Mampikony.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-219 tamin’ny 26 febroary 2020 ary manendry an’Andriamatoa HERMAN Reminantenaina, ho Préfet an’i Farafangana.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-667 tamin’ny 20 marsa 2024 ary manendry an’Andriamatoa TILAHIZANDRY Niaina Angelo, ho Préfet an’i Nosy-Be.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-382 tamin’ny 20 marsa 2019 ary manendry an-dRamatoa RAJAOBELINA Marie Lucie, ho Lehiben’ny Distrikan’Ambalavao.

MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1119 tamin’ny 20 oktobra 2021 ary manendry an’Andriamatoa RAHERINJATOVO Mamy Nirina, ho « Directeur Administratif et Financier »

MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY FIOMPIANA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1095 tamin’ny 13 oktobra 2021 ary manendry an-dRamatoa RAZAIARIZAKA Soanambinina Espérée, ho « Directeur Administratif et Financier ».
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1183 tamin’ny 27 oktobra 2021 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTOMALALA Everaldo Dos Santos, ho « Directeur des Ressources Humaines »

MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa ANDRIAMANIRAKA Jaona Harilala, ho Tale Jeneralin’ny Fikarohana ara-tsiansa.

MINISITERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1569 tamin’ny 25 novambra 2020 ary manendry an’Andriamatoa TSIRINIAINA Cinna, ho Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena Amoron’i Mania.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa ANDRIANILANONAJERY Nomenjanahary Aimé Désiré, ho « Directeur des Enseignements Obligatoires »

MINISITERAN’NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FAMPIOFANANA ARAK’ASA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa ANDRIANARISAONA Herilalatiana, ho « Coordonnateur de la Cellule d’Engagement Civique et Environnementale »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-371 tamin’ny 31 marsa 2021 ary manendry an’Andriamatoa PANOHANY Benjamin, ho Talem-paritry ny fampianarana teknika sy fampiofanana arak’asa Alaotra Mangoro.

MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAVELONANTENAINA Solondraibe Armand Odylon, ho Talem-paritry fahasalamam-bahoaka Anosy.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1372 tamin’ny 28 septambra 2022 ary manendry an-dRamatoa RAKOTONDRAZANANY Harolalaina, ho « Directeur de Lutte contre les Maladies Non Transmissibles ».
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-188 tamin’ny 17 febroary 2021 ary manendry an’Andriamatoa RAMILIJAONA Andriatiana Julio, ho Talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka Boeny.

MINISITERAN’NY MPONINA SY NY FIRAISAN-KINA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAFALY Harinjato Désiré Richard, ho « Directeur du Contrôle Interne et de la Lutte contre la Corruption. »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa DALILAH KOUBESSY, ho Talem-paritry ny mponina sy ny firaisan-kina Sava.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa ANDRIAMAMPIANINA Marie Harimbonana, ho Talem-paritry ny mponina sy ny firaisan-kina Diana.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RASOANIRINA Hantamalala Alexis Françisca, ho Talem-paritry ny mponina sy ny Firaisan-kina Fitovinany.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa FANJARISOA Annie Doriane, ho Talem-paritry ny mponina sy ny firaisan-kina Betsiboka.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RASOANIRINA RAKETAMANGA Ignace Olga, ho Talem-paritry ny mponina sy ny firaisan-kina Boeny.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa ERNEST Johanesa, ho Talem-paritry ny mponina sy ny firaisan-kina Menabe
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa JOSOA RAHASARIVELO Achelle Huberte, ho Talem-paritry ny mponina sy ny firaisan-kina Amoron’i Mania.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1483 tamin’ny 26 oktobra 2022 ary manendry an’Andriamatoa ANDRIAMAROSOLO Rivo Harifetra, ho Talem-paritry ny mponina sy ny firaisan-kina Vakinankaratra.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-537 tamin’ny 13 avrily 2022 ary manendry an’Andriamatoa ABDALLAH Mohamed Narcisse, ho Talem-paritry ny mponina sy ny firaisan-kina Sofia.

MINISITERAN’NY FIZAHANTANY SY NY ASA TANANA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1061 tamin’ny 06 oktobra 2021 ary manendry an-dRamatoa RABARIJOHN Olinirina Velonandrianina, ho Directeur des Ressources Humaines.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-213 tamin’ny 10 febroary 2022 ary manendry an’Andriamatoa ANDRIANJAFY Hervé, ho Talem-paritry ny fizahantany sy ny asa tanana Matsiatra Ambony.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1131 tamin’ny 20 oktobra 2021 ary manendry an-dRamatoa VOAHANGINIRINA Leoninie Marcelline ho Talem-paritry ny fizahantany sy ny asa tanana Vatovavy.

MINISITERAN’NY NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-689 tamin’ny 07 jona 2023 ary manendry an-dRamatoa RANDRIANIRINA Enintsoa, ho « Directeur des Projets ».
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-875 tamin’ny 08 jona 2022 ary manendry an’Andriamatoa RANDRIANARIVELO Tsiry, ho Tale Iraisam-paritry ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra Antananarivo.

MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-218 tamin’ny 10 febroary 2022 ary manendry an-dRamatoa SANTATRINIAINA Ravaka Léa, ho « Directeur du Bureau des Enquêtes Accidents et Incident de l’Aviation Civile – Bureau de Réclamation de l’Aviation Civile ».
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa DECOPERTINO Anthonissen, ho Talem-paritry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetrandro Atsimo Atsinanana.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa BENOMENY Andriamiadana Honoré Emmanuel, ho Talem-paritry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetrandro Fitovinany

MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-265 tamin’ny 15 marsa 2023 ary manendry an-dRamatoa RABEZANDRY Lantosoa Haingo, ho « Directeur de la Promotion de l’Hygiène ».
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RASOAMANJAKA Sidonic, ho Talem-paritry ny rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana Sofia.

MINISITERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-470 tamin’ny 26 avrily 2023 ary manendry an’Andriamatoa RANIRINARIVAO Rindraniaina Sergio Ken, ho Talem-paritry ny harena ankibon’ny tany Vakinankaratra.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1575 tamin’ny 14 aogositra 2019 ary manendry an’Andriamatoa RANDRIAMANIRAKA Clément Richard, ho Talem-paritry ny harena ankibon’ny tany Atsinanana

MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-091 tamin’ny 01 febroary 2023 ary manendry an’dRamatoa RANDRIANINDRINA Ravaka Lantoarinjaka, ho Talen’ny Radiom-pirenena malagasy (RNM) eo anivon’ny « Office de la Radio et de la Télévision publique de Madagascar » (ORTM).
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-694 tamin’ny 30 jona 2021 ary manendry an’Andriamatoa NOMENJANAHARY Jean Aimé, ho Talem-paritry ny serasera sy ny kolontsaina Amoron’i Mania.

MINISITERAN’NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAVOLOLONARIVO Domoinaniaina, ho « Directeur des Patrimoines, des Infrastructures et de la Logistique »

MINISITERAN’NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-790 tamin’ny 25 may 2022 ary manendry an-dRamatoa RATOVO Olitina, ho « Coordonnateur Général de l’Organe de Coordination des actions stratégiques de la Diplomatie Verte et des Organismes Rattachés »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-854 tamin’ny 29 jolay 2020 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTOMANANA Rila Albani, ho « Directeur de la gestion des Pollutions, des Déchets et de l’Intégration de la Dimension Environnementale »

IV – FANAFOANANA

MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY FIOMPIANA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-862 tamin’ny 24 avrily 2019 nanendry ny Talem-paritry ny fambolena sy fiompiana Analanjirofo.

MINISITERAN’NY ANGOVO SY AKORAN’AFO

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1302 tamin’ny 07 oktobra 2020 nanendry ny Tale Iraisam-paritry ny angovo sy ny akoran’afo Toamasina
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-523 tamin’ny 10 mai 2023 nanendry ny « Directeur des Finances, Logistique et Patrimoine »

V – SAMIHAFA

Teo am-pamaranana dia nanome toromarika Andriamatoa Filohan’ny repoblika fa any Toamasina no hanaovana ny Filan-kevitry ny Minisitra amin’ny herinandro ho avy izao ka hanatrika izany ireo minisitra isan-tsokajiny manatanteraka asa any an-toerana. Ny alarobia hatao ny Filan-kevitry ny Minisitra ary ny alakamisy kosa dia hanao fitsidihana ifotony ny fandrosoan’ny asa any an-toerana ny Filoha sy ny Praiminisitra ary ny Governemanta. Hitohy any Fenoarivo Atsinanana sy Soanierana Ivongo ny dia ny zoma sy asabotsy. Miomana araka izany ny mpikambana rehetra ao amin’ny Governemanta sy ireo tompon’andraiki-panjakana any an-toerana.

Natao ny faha-11 Avril 2024

Ny Fitaleavan’ny Serasera

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika

TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA ALAROBIA FAHA-03 AVRILY 2024, LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia faha-03 Avrily 2024 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Andry RAJOELINA, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara ary natrehin’Andriamatoa NTSAY Christian, Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

Taty amin’ny fiantombohan’ny Filan-kevitry ny Minisitra dia nodinihina manokana ny mikasika ny fandalovan’ny rivo-doza GAMANE tamin’ny faritra maro tany avaratry ny Nosy ary samy nanao ny tatitra tandrify azy ny minisitra. Raha ny tatitra farany navoakan’ny BNGRC dia efa mahatratra 89.465 ny isan’ireo traboina. Maro be ireo fotodrafitrasam-panjakana simba, toy ny lalana, ny tetezana, ny sekoly sy ny tranom-panjakana isan-karazany. An-jatona hektara maro koa ny tanimbary tototry ny rano. Feno araka izany ny fepetra hanambarana ny fahavoazam-pirenena (sinistre national) ka nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra izany. Efa maro koa moa ireo firenena izay manolo-tanana hanampy an’i Madagasikara hiatrika izao voina mahazo ny mpiray tanindrazana amintsika izao.

I- FAMPITANA AM-BAVA

FIADIDIANA NY REPOBLIKA

Mitohy ny fanehoana ny tatitry ny asa vitan’ny Minisitera tsirairay avy tao anatin’ny 100 andro, amin’ny alalan’ny horonantsary. Ny Minisiteran’ny Foloalindahy, ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny ary ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa no nampahafantatra izay jeritodiky ny asa vitany. Mifarana izao ny 100 andro voalohany nitantanan’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika, Andry RAJOELINA amin’ity fe-potoam-piasany faharoa ity, ka manomboka amin’izay no handefasana ireo horonantsary ireo amin’ny haino aman-jerim-panjakana sy ireo haino aman-jery tsy miankina samihafa, mba ho tatitra ho an’ny vahoaka Malagasy tsivakivolo.

MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezan-dalana iraka manokana ho any Maroc, ao anatin’ny vinan’ny fitondram-panjakana malagasy hanokafana masoivoho malagasy any Rabat Maroc. Hijery ny toerana hatao foiben’ny masoivoho sy hanomboka ny dingana ara-panjakana sy ara-diplomatika no anton’izany dian’ny delegasiona manokana ho any Maroc izany; mba ahafahana manao ny fifanarahana eo amin’ny firenena roa tonta amin’ny fametrahana ny masoivoho malagasy (convention d’établissement). Ny 13 ka hatramin’ny 20 Avrily 2024 ho avy izao no hotanterahina io iraka manokana any Maroc io.

MINISITERAN’NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY FANAJARIANA NY TANY

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hametrahana paikady faobe hiarovana ny tanin’ny Minisitera sy ny sampan-draharaham-panjakana samihafa. Ao anatin’izany dia ny disitrikan’i Morondava no nosafidiana hanaovana andrana manokana (district pilote) izay manana drafi-pananan-tany azo antoka (Plan local d’occupation foncière-PLOF) sy anton-taratasy mazava mikasika ny drafitra fanajariana ny tany (document de planification territoriale) ary ahitana tanina minisitera maro miparitaka, na efa misy na mbola tsy misy fotodrafitrasa mitsangana. Izany dia mba ahafahana mamaritra mazava ny velaran-tanim-panjakana tokony arovana, ary hamoahana antontan-taratasy iray, izay mirakitra ny satan’ireo tanim-panjakana sy ny hampiasana azy. Tapaka araka izany fa hofantarina tsirairay izany ny tanim-panjakana ao anatin’ny disitrikan’i Morondava, hasiana faritra (bornage) vaovao indray, hasiana marika hahafantarana ny minisitera tompon’ny tany ihany koa, ary hamoahana taratasim-pananan-tany ireo izay mbola tsy manana. Ny tanjona ankapobeny dia ny mba hamerenana ny tany amin’ny Fanjakana Malagasy satria maro be ny tanim-panjakana na tanin’ny minisitera samihafa misy mibodo noho ny tsy fahavitan’ny taratasim-pananan-tany mazava. Nanome toromarika mazava Andriamatoa Filohan’ny Repoblika mba hanakanana ny fangalarana ny tanim-panjakana ary hamerenana ireo tany efa nisy nangalatra amin’ireo minisitera na sampan-draharaham-panjakana tompony.

MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN’NY ASA, NY FAMPANANAN’ASA ARY NY ASAM-PANJAKANA

Manoloana ny toromariky ny Filan-kevitry ny Minisitra tamin’ny 27 Marsa 2024 lasa teo, mikasika ny fisian’ny vola latsakemboky ny mpiasam-panjakana maro tsy voaloa eo anivon’ny CNaPS, sy ireo hetra avy amin’ny karama (IRSA) dia nisy ny fifampidinihana teo amin’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ny Minisiteran’ny Asa, ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana, ary ny CNaPS hitadiavana ny fomba mahomby indrindra hamahana ny olana.

Tranga roa no misy :

– Ho an’ireo sampan-draharaham-panjakana (EPN) tsy mahazo vola fanampiana avy amin’ny Ministera mpiahy azy:

Tapaka fa tsy maintsy hita sorabola ao anatin’ny tetibola lasitr’ireo sampan-draharaham-panjakana ireo any am-piandohan’ny taona ny fandoavana ny latsakemboka CNaPS sy IRSA, ary tsy azo ankatoavina izany tetibola lasitra izany raha vao tsy misy ireo sorabola ireo.

Tsy azon’ny “agents comptables” aloa koa ny karaman’ny mpiasa (mandatement) raha tsy aloa miaraka amin’izay ko any latsakemboka CNaPS sy ny hetra IRSA.

Ho an’ity taona ity, raha ohatra ka efa nankatoavina ny tetibolan’ireo sampan-draharaham-panjakana EPN ireo amin’ity taona 2024 ity, ka tsy mbola misy sorabola handoavana ny CNaPS sy IRSA dia tsy mahazo mandoa karama aloha ny “agents comptables” ary tsy maintsy atao avy hatrany ny fanitsiana tetibola.

– Ho an’ny sampan-draharaha (EPN, vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana na CTD, orinasa misy fampiasam-bolan’ny Fanjakana) izay misitraka vola fanampiana:

Miainga aty amin’ny Minisitera foibe, vao mandeha ny dingana ara-panjakana handefasana ny vola mankany amin’ireo sampan-draharaha ireo dia tsy maintsy sarahina ny :

  • Fandefasana vola (engagements budgétaires) mikasika ny karaman’ireo mpiasa
  • Fandefasana vola mikasika ny fandoavana latsakemboka sosialy alefa amin’ny CNaPS sy ny tahirim-bola fisotroan-dronono
  • Fandefasana vola mikasika ny fandoavana ny hetra IRSA.

Hatreto manko dia mbola mitambatra amin’ny kaontim-bola (PCOP) tokana ireo vola fanampiana na subventions andoavana karama sy ny pitsopitsony mifandraika amin’izany, ka noho izany dia mila asiana fanitsiana amin’ny alalan’ny fikitihana tetibola anatiny mba hanavahana ny sorabola handoavana ny latsakemboka sosialy sy ny hetra IRSA.

Nanome toromarika Andriamatoa Filohan’ny Repoblika mba hitohizan’ny fifanatonana amin’ny CNaPS hiantohana ny fanatanterahana ireo fanapahan-kevitra ireo.

MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA + MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA + MINISITERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezan-dalana ny orinasa Ambatovy hivarotra « Sulfate d’Ammonium (SA) » eto amin’ny tsena anatiny mihoatra ilay 10% faritan’ny lalàna 2005-022 tamin’ny 17 Oktobra 2005 ( Loi sur les Grands Investissements Miniers-LGIM) tany am-piandohana.

Tanjon’ny fitondram-panjakana ny hampiroborobo kokoa hatrany ny fambolena sy famokarana eo anivon’ny tontolo ambanivohitra. Noho izany indrindra dia misy ny filàna an’io akora io hamokarana zezika nampitain’ny Governemanta Malagasy tamin’ny orinasa Ambatovy, mba hanaparitahana azy eto amin’ny tsena anatiny ho fitsinjovana ny tantsaha malagasy izay mikaikaika amin’ny vidin’ny zezi-bazaha afarana avy any ivelany ankehitriny. Raha jerena ny andininy faha-65 ao anatin’ny LGIM dia mipetraka io fetra 10% io raha ny orinasa no manao ny fangatahana, fa raha ny Governemanta kosa no manao ny fangatahana ary noho ny antony hitandroana ny tombontsoam-bahoaka amin’ny ankapobeny, dia tsy mipetraka izay fetra 10% izay. Noho izany, mba ahafahana miroso amin’ny fananganana ny orinasa hanao ny fampifangaroana ny zezika SA eto Madagasikara ihany, izay efa notapahan’ny Filan-kevitry ny Minisitra tany aloha dia hirosoana ny fanaovana fifanarahana eo amin’ny telo tonta (protocole tripartite) dia ny Governemanta, ny orinasa Ambatovy ary ireo mpivarotra ny zezika hamaritra ny fomba hanomezana ny Fanjakana Malagasy ampahany amin’ny akora zezika SA, sy hivarotana azy eto amin’ny tsena anatiny.

MINISITERAN’NY ATITANY

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hananganana « Service Opérationnel d’Activité » (SOA) vaovao ho an’ny disitrika vaovao Antanimora Atsimo any amin’ny faritra Androy. Izany dia mba ahafahana mampiasa tetibola PIP (Projets d’Investissement Public) eo anivon’ny Minisitera hananganana ny trano ho birao fiasan’ny lehiben’ny disitrika any Antanimora Atsimo.

MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fitaovana ilaina amin’ny tsenan’asam-panjakana entina hamatsiana foibe famokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro manana tanjaka 50 megawatts, ao anatin ‘ny tetikasa « projets parcs solaires » hiarahana amin’ny JIRAMA amin’ireo toerana efa nofaritana hametrahana izany. Fahatongavana entana andiany faha-9 ka hatramin’ny faha-12 indray no voakasik’ity fepetra ity.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fitaovana teknika afaran’ny orinasa JIRAMA ho an’i Mananara sy Sainte Marie. Fanampiana ara-bola avy amin’ny firenena Belge izy ity, ao anatin’ny tetikasa FINEXPO

MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisana fepetra maika hamerenana ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena RN5A sy ny RN6 taorian’ny rivodoza GAMANE.

– Tetezana Mahavavy (RN6 : PK 567+933):

Vahaolana vonjy maika : koa satria tsy ny tetezana no tapaka fa ny tany tao ambany no lasan’ny rano, dia tsy maintsy manao fanotofana haingana amin’ny alalan’ny fampiasana vato (remblayage d’accès par enrochement). Tsy maintsy mametraka fiarovana amin’ny alalan’ny vato aloha sy aorian’ny tetezana ihany koa mba hiarovana amin’ny rano mandeha ary farany dia tsy maintsy mametraka fiarovana amin’ny alalan’ny fambolena bozaka na “engazonnement”. Hanomboka amin’ny zoma 05 Avrily 2024 izao ny asa, aorian’ny fanetsehana ny famatsiam-bola noho ny hamehana avy amin’ny banky BEI.

Vahaolana maharitra : tsy maintsy hisy ny fananganana tetezana vaovao izay hifampiraharahana amin’ny BEI ihany koa ny famatsiam-bola ny asa.

– Tetezana Ifasy II (RN6 : PK 537+327):

Vahaolana vonjy maika: Goavana ny fahavoazana satria ny tetezana mihitsy no lasan’ny rano. Noho izany dia tsy maintsy fametrahana “BAC” mahazaka vesatra 15 taonina no vahaolana maika indrindra, ary hanomboka ny Alakamisy 04 Avrily 2024 ny asa.

Vahaolana maharitra: fananganana tetezana vaovao azo ifanenana (à double voie) izay hifampiraharahana amin’ny BEI koa ny famatsiam-bola ny asa.

– Tetezana Ifasy I (RN6 : PK 537+109):

Vahaolana vonjy maika: Mila fametrahana « passage à gué » manomboka ny 04 Avrily 2024 izay asa hataon’ny orinasa COLAS ary famatsiam-bola noho ny hamehana avy amin’ny BEI.

Vahaolana maharitra: fananganana tetezana vaovao azo ifanenana (à double voie) izay hifampiraharahana amin’ny BEI ko any famatsiam-bola ny asa.

– Tetezana Manankolana RNS5A (PK 99+000), tetezana Tenanimadiro (PK 67+700), tetezana Manambery (PK 537+327):

Efa nanaiky handray an-tanana ny fanamboarana ny tetezana ny orinasa CRBC ary hanao fanotofana ny tany manodidina ireo tetezana (remblayage d’accès) mampitohy an’Ambilobe sy Vohémar. Efa nanomboka ny 31 Marsa 2024 ny asa, eo amin’ny tetezana Manankolana.

Marihina moa fa nisy ezaka manokana nataon’ny Minisitera izay efa nampiverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana eo anelanelan’Ambilobe sy Antsiranana, sy Vohémar sy Sambava amin’izao fotoana izao.

II – FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

MINISITERAN’NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa Désiré RAKOTOMANDIMBY, ho Governoran’ny Faritra Amoron’i Mania
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1095 tamin’ny 27 jolay 2022 ary manendry an’Andriamatoa RAMANANTSOA Andriamahafaly Rado, ho Tale Jeneralin’ny « Autorité pour la Protection contre les Inondations de la Plaines d’Atananarivo »(A.P.I.P.A).
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAKOTONDRAZANANY Norohanta Emilda, ho « Directeur des Opérations et de l’Expropriation »

MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1536 tamin’ny 18 novambra 2020 ary manendry an’Andriamatoa RANDRIA Herbert Gilles, ho Chef de Commission Régionale des Marchés Menabe

MINISITERAN’NY ATITANY

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-674 tamin’ny 20 marsa 2024 ary manendry an’Andriamatoa AUBIN THIERRY Ratovelo, ho Prefet an’i Toliara

MINISITERAN’NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FAMPIOFANANA ARAK’ASA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-373 tamin’ny 05 avrily 2023 ary manendry an’Andriamatoa ANDRIAMBELONIAINA Zizy Alfa, ho Talem-paritry ny fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak’asa Betsiboka.

MINISITERAN’NY ASA, NY FAMPANANAN’ASA ARY NY ASAM-PANJAKANA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-429 tamin’ny 20 marsa 2019 ary manendry an-dRamatoa INGY Ange Simonia, ho « Directeur Général de la Promotion de l’Emploi ».
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1492 tamin’ny 07 aogositra 2019 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTONANAHARY Andrianavomanana Tsitohaina Stéphan, ho « Directeur des Ressources Humaines de l’Etat »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-664 tamin’ny 24 jona 2020 ary manendry an-dRamatoa ANDRIAMIHARIMANANA Clara Mireille, ho « Directeur de l’Evaluation et de la Promotion de l’Ethique et de la Déontologie »

MINISITERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2018-732 tamin’ny 12 jolay 2018 ary manendry an-dRamatoa NOMENJANAHARY Limbisoa Ernestine, ho Talem-paritry ny harena ankibon’ny tany Menabe

MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1258 tamin’ny 06 jona 2019 ary manendry an’Andriamatoa RAHARISON Mika André, Talem-paritry ny serasera sy ny kolontsaina Sofia.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1257 tamin’ny 06 jona 2019 ary manendry an’Andriamatoa BOTRATOMBO Christian, ho Talem-paritry ny serasera sy ny kolontsaina Sava
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1253 tamin’ny 06 jona 2019 ary manendry an’Andriamatoa TIGNONY Fabio, ho Talem-paritry ny serasera sy ny kolontsaina Diana.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-716 tamin’ny 10 avrily 2019 ary manendry an’Andriamatoa RANARIVELO Andrianampoina Hajaina, ho Tale Jeneralin’ny « Office de la Radio et de la Télévision publique de Madagascar » (ORTM)

MINISITERA DELEGE MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-226 tamin’ny 24 febroary 2021 ary manendry ny Général de Brigade RICKA Chan Kan, ho Talen’ny « Office chargé de la Lutte contre le Terrorisme, les Stupéfiants et la Criminalité Transnationale Organisée ».

Natao ny faha-03 Avril 2024

Ny Minisitry ny Fampianarana ara-teknika sy Fanofanana ara-kasa,

Lalatiana RAKOTONDRAZAFY, Mpitondra Tenin’ny Governemanta,

Ny Fitaleavan’ny Serasera

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika

TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA ALAROBIA FAHA-27 MARSA 2024, LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia faha-27 Marsa 2024 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Andry RAJOELINA, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara ary natrehin’Andriamatoa NTSAY Christian, Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

Mialohan’ny nandinihana ny laha-dinika efa voaomana dia nitondra resaka manokana mikasika ny voina mianjady amin’ny mpiray tanindrazana any amin’ny faritra Avaratry ny Nosy, noho ny fandalovan’ny rivodoza GAMANE ny Filan-kevitry ny Minisitra notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika, Andry RAJOELINA. Mahatsiaro sy miombom-po tanteraka manoloana izao loza voajanahary mahazo ny vahoaka any an-toerana izao ny Fitondram-panjakana, ary mankahery azy ireo ihany koa. Nanome toromarika hentitra Andriamatoa Filoha fa tsy maintsy eo anilan’ny vahoaka malagasy hatrany ny Fitondram-panjakana indrindra ao anatin’izao fahavoazana izao, napetraka ny fandaminana amin’ny fandefasana ny fanampiana vonjy aina rehetra, amin’ny alalan’ny fitaterana an’habakabaka ao anatin’ny 24 ora ho avy arakaraky ny fahafahan’ny fiaramanidina misidina noho ny toetrandro. Torak’izany koa ny tsy maintsy handehanan’ireo mpikambana ao anaty governemanta any an-toerana mifanome tanana amin’ireo tompon’andraikitra efa any. Napetraka ny lamina rehetra amin’ny fanavotana ireo mpiray tanindrazana mbola dibo-drano, sy ny famindràna azy ireny amin’ny toerana avo efa natokana handraisana ireo traboina, miaraka amin’ny Foloalindahy, ny Minisiteran’ny ati-tany ary ny Birao Nasionaly misahana ny fitantanana ny ambana sy ny loza voajanahary na ny BNGRC. Nanome toromarika manokana ihany koa Andriamatoa Filoha mba hojerena faran’izay haingana ny hahafahana mamerina ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena fahadimy (RN5) mampitohy an’Ambilobe-Vohémar, satria tapaka ny tetezana ao Daraina.

I- FAMPITANA AM-BAVA

FIADIDIANA NY REPOBLIKA

Koa satria hifarana amin’ny 04 avrily 2024 ho avy izao ny 100 andro voalohany nitondran’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika, Andry RAJOELINA, dia miroso amin’ny fampahafantarana ny vokatry ny asany tao anatin’izay fe-potoana izay ny Minisitera tsirairay avy. Natao tamin’ny alalan’ny horonan-tsary moa ny fampahafantarana, ka nandritra ny Filan-kevitry ny Minisitra androany dia anjaran’ny Minisiteran’ny Fitsarana, ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ary ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka no niroso tamin’ny fanehoana ny jery todika ny asa vitany. Marihana fa halefa ho hitan’ny vahoaka malagasy amin’ny alalan’ny haino aman-jerim-panjakana tsirairay avy ireo horonan-tsary mirakitra ny zava-bita isaky ny Minisitera ho fanamarihana ny fahavitan’izay 100 andro voalohany izay.

MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny fanaovana ny taratasy fangatahana famatsiam-bola (requête de financement) halefa any amin’ny Banky Arabo ho an’ny Fampandrosoana Ara-toekarena aty Afrika (BADEA) mikasika ny tetikasa fitantanana ny ambana ara-pambolena mba hisian’ny fampandrosoana sy ny fahafaha-miatrika eto Madagasikara (Gestion des Risques Agricoles pour la Croissance Inclusive et la Résilience – GRACIR).

Madagasikara dia anisan’ny mizaka ny voka-dratsin’ny fiovaovan’ny toetrandro, ka mila manana Tetikasa haharitra 8 taona, ary hisy fizarany ara-teknika telo, dia ny fanamafisana ny famokarana masomboly sy ny fahafaha-mamokatra amin’ny ankapobeny, ny fanamafisana ny fampiasam-bola eo amin’ny sehatry ny fambolena, ary ny fametrahana tontolo manome vahana ny fitantanana mahomby ny ambana sy ny fanohanana izay sehatra izay ny GRACIR. Tafiditra ao anatin’izany ny fametrahana ny tahirina masomboly sy hanam-pamokarana, izany hoe raha sendra misy ny loza manambana na mihatra amin’ny fambolena dia mba efa manana tahiry ahafahany miatrika izany ny sehatry ny fambolena. Eo amin’ny manodidina ny 70 ka hatramin’ny 100 tapitrisa dolara amerikana ny famatsiam-bola mety ho azo, ary hahakasika tokantrano miisa 300.000 afaka hisitraka azy, any amin’ny Faritra Atsimo sy ny Atsimo-Atsinanan’i Madagasikara ary Amoron’i Mania.

MINISITERAN’NY MPONINA SY NY FIRAISANKINA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny fanaovana ny tetikasa haratonaina « filets de sécurité et de résilience-FSR » hiarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola toy ny Banky Iraisam-pirenena. Raha tsiahivina dia efa ao anatin’ny dingana famaranana azy ny tetikasa haratonaina « Filets sociaux de sécurité- FSS » nanomboka ny taona 2016, tao anatin’izany ny « Vatsin’ankohonana » sy ny « Fiavota », ny haratonaina ambonivohitra « Mijoro » sy « Milofo », ny « Asa Vonjy Voina » sy « Tosika Fameno », izay nahafahan’ny tokantrano miisa 580.000 nisitraka tamina disitrika niisa 82. Mba hanamafisana ny fiarovana ara-tsosialy ny hanohanana ireo tokantrano tena marefo no hanaovana ity tetikasa vaovao FSR ity, izay tohin’ny tetikasa FSS teo aloha. Tokantrano marefo vaovao 281.000 no hisitraka ny tetikasa, izay amin’ny volana Avrily ho avy izao dia efa hanomboka ny fizarana ny vola hanohanana ireo tokantrano marefo ireo, hiparitaka amin’ny faritra 23.

Ireto avy no ho fandaharanasa telo samihafa ho hita ao anatin’ny tetikasa ankapobeny FSR:

  • Fandaharanasa voalohany izay hiandraiketan’ny Tahirim-bola ho an’ny Fampandrosoana na FID : “haratonaina sy Sandatohitra” mitentina 213,9 tapitrisa USD ka hahitana ny “asa avotra mirindra”, “vatsin’ankohonana sy fiavota”, “asa vonjy voina” ary “sandatohitra sy fampiantiana ara-pamokarana”
  • Fandaharanasa faharoa izay mbola hiandraiketan’ny FID ihany : ho fanamafisana ny fitantanana, ny fanaraha-maso ary ireo andraikitra ho fiarovana ny fiarahamonina.
  • Ary ny fandaharanasa fahatelo izay hiandraiketan’ny Minisiteran’ny Mponina sy ny Firaisankina manokana : fanamafisana ny rafim-panjakana handrindra ireo asa fiahiana ny mpiara-belona.

Mitentina 250 tapitrisa dolara amerikana ny totaliben’ny tetikasa, ary haharitra hatrany amin’ny taona 2027.

MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fitaovana andiany faha-2 ka hatramin’ny faha-8 ilaina amin’ny tsenan’asa famatsiana foibe famokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro manana tanjaka 50 Mw ao anatin’ny tetikasa « Projet Parcs Solaires ».

MINISITERAN’NY ASA VAVENTY Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanaovana fandefasana vola handraisana an-tanana ny fandaniana tsy maintsy atao dia ny karama sy ny mifandraika amin’izany (transfert des charges de service public EPA) avy amin’ny tetibolan’ny Minisitera mankany amin’ny sampan-draharaha eo ambany fiahiany dia ny « Agence Routière » ho an’ny taona 2024. Nanome toromarika manokana Andriamatoa Filohan’ny Repoblika, ny hanaovana fitsirihana manokana ny sora-bola avy amin’ity sampan-draharaha ity, mba tena hifanaraka amin’izay tokony ho izy.

MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezan-dalana hampiasana ny vola entina manampy ny fitrandrahana ny zotra FCE (Fianarantsoa-Côte Est). Izany tetibola izany dia efa voafaritra mialoha ao anatin’ny Lalàna mifehy ny tetibola 2024, izay mitentina 1.000.000.000 Ariary, ka ho ampiasaina amin’ny:

  • fandoavana ny karaman’ny mpiasan’ny FCE
  • fandoavana ny latsakemboka ho an’ireo mpiasan’ny FCE mbola tsy voaloa any amin’ny CNAPS
  • fandoavana ny fandaniana hampiodinana ny FCE
  • ary ny fanamafisana ny fiarovana ireo fitaovana sy ny zotran-dalamby FCE mihitsy

MINISITERAN’NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny fanasoniavana fifanaraham-pifankahazoana (mémorandum d’entente) hidirana amin’ny fiaraha-miasa amin’ny sehatry ny jono sy ny fiompiana trondro, eo amin’ny Governemanta Malagasy sy ny Repoblikan’i Turquie.

Tafiditra ao anatin’izany fiaraha-miasa izany ny :

  • fiaraha-miasa ara-tsiansa sy ara-teknika eo amin’ny sehatry ny jono
  • fanatanterahana tetikasa iombonana eo amin’ny fampandrosoana maharitra sy ny toekarena manga
  • fisorohana sy famonganana tanteraka ny jono tsy ara-dalàna, tsy nanaovana fanambarana na tsy voarindra araka ny lalàna ihany koa
  • fifanakalozana fahaiza-manao sy ny traikefa ary fanatanterahana fampiofanana eo amin’ny sehatry ny jono sy ny fiompiana trondro

Haharitra 4 taona ny fifanarahana.

II – FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA

MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

Ho tohin’ny fanapahan-kevitry ny Filan-kevitry ny Minisitra farany, nanome alalana ny fanakatonana ny Kaonsily jeneralin’i Madagasikara any Cape Town Afrika Atsimo, dia nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manafoana ny didimpanjakana lf: 97-1270 tamin’ny 30 oktobra 1997 nanangana izany kaonsily jeneraly izany tany Johannesbourg, ka nafindra tany Cape-Town tamin’ny volana Jolay 2005. Tsiahivina fa ny Masoivohon’i Madagasikara any Prétoria no hiandraikitra ny asa rehetra nataon’ny Kaonsily aorian’izao fanakatonana azy izao.

MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA ARY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA + MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-drijatenin-dalàna hankatoavana ny fifanarahan’ny Vondrona Afrikana (UA) mikasika ny fiarovana eo amin’ny aterineto (cybersécurité), ny ady amin’ny fandikan-dalàna atao amin’ny aterineto (cybercrimnalité) ary ny fiarovana ny torohay momba ny olona tsirairay avy, izay antsoina hoe « convention de Malabo », nolaniana tany Malabo Guinée Equatoriale nandritra ny fivoriana antampony ara-potoana andiany faha-23 ny Vondrona Afrikana.

MINISITERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandefasana ny petrabolan’ny OMNIS ao anatin’ny renivolan’ny orinasa QMM mba ho arotsaka any amin’ny Tahirimbola « Fonds Souverain Madagascar (FSM) ». Ny antony moa dia efa niova ho ny FSM no misolotena ny Fanjakana Malagasy ao anatin’ny QMM raha OMNIS izany teo aloha, ho fampiharana ny andininy faha-5 amin’ny lalàna lf : 2021-024 mikasika ny fananganana ny FSM

III – FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

MINISITERAN’NY FOLOALINDAHY

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-831 tamin’ny 18 aogositra 2021 ary manendry ny Général de division DERA Zafindravolamananarivelo Didier, ho « Sous-Chef d’Etat-Major en charge des Opérations » ny Etamazaorin’ireo Tafika.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-381 tamin’ny 04 aprily 2020 ary manendry ny Général de brigade KOTO Paul, ho “Sous-Chef d’Etat-Major Emploi de l’Etat-Major de l’Armée de Terre”.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-390 tamin’ny 04 aprily 2020 ary manendry ny Général de Brigade Aérienne SOLO Andrianantenaina Angelitto, ho « Sous-Chef d’Etat-Major en charge de la Planification de l’Etat-Major des Armées ».
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-638 tamin’ny 24 jona 2020 ary manendry ny Général de brigade RAKOTONANDRASANA René Bruno, ho « Major Général de l’Armée de Terre de l’Etat-Major de l’Armée de Terre ».
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-219 tamin’ny 09 marsa 2023 ary manendry ny Général de division RAJAONARISON Volamanana Mamiarivelo, ho Tale Jeneralin’ny « Planification Stratégique ».
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-220 tamin’ny 09 marsa 2023 ary manendry ny Médecin Général de brigade RATOVONDRAINY Willy, ho Tale Jeneralin’ny « Centre Hospitalier de Soavinandriana ».
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-567 tamin’ny 17 may 2023 ary manendry ny Médecin Colonel MIANDRISOA Rija Mikhaël, ho Tale Jeneraly Lefitry ny « Centre Hospitalier de Soavinandriana »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-935 tamin’ny 03 may 2019 ary manendry ny Général de brigade ANDRIAMASINORO Fanjanirina, ho « Directeur Administratif et Financier du Centre Hospitalier de Soavinandriana ».
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-519 tamin’ny 10 may 2023 ary manendry ny Médecin Colonel RANDRIANTSARA Iharijaona Joe, ho Tale Tekinikan’ny « Centre Hospitalier de Soavinandriana ».
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1030 tamin’ny 22 may 2019 ary manendry ny Général de division RANDRIAMIARAMANANA Hery Emma René, ho Talen’ny Ozinina Miaramila Moramanga.

MINISITERAN’NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

  • Nolaniana ny didim-panjakana ary manendry an’Andriamatoa ANDRIANARISOA Lanja, ho « Directeur des Programmes et du Suivi au sein du Fonds de Développement Local »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RABODOMALALA Miangaly Domoina Oelintsoa, ho Tale Jeneralin’ny fanajariana ny tany.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa BEVAZAHA Marie Annick, ho Governora mpisolo toerana ao Analanjirofo
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa SABIRE Jérôme, ho Governora mpisolo toerana ao Betsiboka.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAMANAKIRAHINA Jean Noël, ho Governora mpisolo toerana ao Melaky
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAMAROSANDRATANA Daniela, ho Governora mpisolo toerana ao Amoron’i Mania
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa SOLOFONIAINA RAJAOBELINA Aristide Gérard, ho Governora mpisolo toerana ao Atsimo Atsinanana.

Marihina fa ireo Governora mpisolo toerana izay voatendry anio dia natao hisahana ny fampandehanan-draharaha andavanandro eo anivon’ny Faritra fotsiny na koa hoe « affaires courantes ».

MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1624 tamin’ny 11 desambra 2019 ary manendry an’Andriamatoa RAMANANDRAIBE Vincent de Paul, ho « Chef de Commission Régionale des Marchés Atsimo Atsinanana ».
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1536 tamin’ny 18 novambra 2020 ary manendry an’Andriamatoa MARIANNE NIRINA Minosoa, ho « Chef de Commission Régionale des Marchés Melaky ».

MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1235 tamin’ny 30 septambra 2020 ary manendry ny Contrôleur Général de Police MARINJAHA Vavitafika Vololonandro, ho « Directeur des Ressources Humaines »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-595 tamin’ny 27 aprily 2022 ary manendry ny Commissaire Divisionnaire de Police RASOAMANANJARA Pierrette Marie Françoise, ho Directeur de la Recherche et de la Formation Continue
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-834 tamin’ny 29 jolay 2020 ary manendry ny Commissaire de Police RANDRIAMANOHISOA Tovohery Hajanirina, ho « Directeur des Systèmes d’Information et des Transmissions »

MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY FIOMPIANA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-304 tamin’ny 22 marsa 2023 ary manendry an’Andriamatoa RABEHARISOA Fanomezana Hajanirina, ho « Directeur du Génie Rural » (DGR)
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-096 tamin’ny 01 febroary 2023 ary manendry an-dRamatoa Mme. ARISON Marie Ligy, ho Talem-paritry ny fambolena sy ny fiompiana Vakinankaratra
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-117 tamin’ny 21 janoary 2022 ary manendry an’Andriamatoa RANAIVOSON Bleriot, ho Talem-paritry ny fambolena sy fiompiana SAVA.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1341 tamin’ny 24 novambra 2021 ary manendry an’Andriamatoa RAVOHITRA Donatien, ho Talem-paritry ny fambolena sy fiompiana Sofia.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-645 tamin’ny 04 may 2022 ary manendry an’Andriamatoa RAMORA Gio, ho Talem-paritry fambolena sy fiompiana, Anosy.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-568 tamin’ny 20 aprily 2022 ary manendry an’Andriamatoa MANANJO Roberto Helmo, ho Talem-paritry ny fambolena sy fiompiana Androy.

MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-676 tamin’ny 23 jona 2021 ary manendry an’Andriamatoa LAHADY Victor, ho « Directeur des Ressources Humaines »

MINISITERAN’NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FAMPIOFANANA ARAK’ASA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-606 tamin’ny 27 aprily 2022 ary manendry an’Andriamatoa BELALAHY Jean Yves Evariste, ho « Directeur de l’Institut National de Promotion de la Formation »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa CHRISTOPHE Tovondraza Juliot, ho Talem-paritry ny fampianarana teknika sy fampiofanana arak’asa Menabe

MINISITERAN’NY FIZAHANTANY SY NY ASA TANANA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAKOTONDRAINIBE Vonjy, ho « Directeur de la Valorisation des Produits Touristiques ».
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-726 tamin’ny 18 may 2022 ary manendry an’Andriamatoa LAHIANDRY Manampisoa, ho Talem-paritry ny fizahantany sy ny asa tanana Anosy.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-726 tamin’ny 18 may 2022 ary manendry an’Andriamatoa RAMANGALAHY Nianjason Nirina Fidiarilanto, ho Talem-paritry fizahantany sy ny asa tanana Androy.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-061 tamin’ny 12 janoary 2022 ary manendry an’dRamatoa KOTOSON Miranda Louise, ho Talem-paritry fizahantany sy ny asa tanana Analanjirofo.

MINISITERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1566 tamin’ny 23 novambra 2022 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTOARIMANANA Mamy Tiana, ho « Directeur de la Police des Mines ».

MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-185 tamin’ny 20 febroary 2019 ary manendry an-dRamatoa MANAC Jenny Salomé, ho « Directeur des Ressources Humaines »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1376 tamin’ny 21 oktobra 2020 ary manendry an’Andriamatoa MAHATOVO Tahirisoa Tsinangàny, ho « Directeur des Affaires Administratives et Financières auprès de l’Office de la Radio et Télévision publique de Madagascar » (ORTM)
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAMANITRA Andry, ho « Directeur de la Promotion du Volontariat et de l’Animation Communautaire. »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 1248 tamin’ny 6 jona 2019 ary manendry an’Andriamatoa FENOMANA Ernest, ho Talem-paritry ny serasera sy ny kolontsaina Androy
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-938 tamin’ny 02 aogositra 2023 ary manendry an-dRamatoa RAJAONARISON Niry, ho « Conservatrice » eo anivon’ny Ofisin’ny Rovan’i Madagasikara(ORMada).
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-165 tamin’ny 02 febroary 2022 ary manendry an-dRamatoa RAKOTOARIVELO Raharisoa Jeanne, ho Talem-paritry ny serasera sy ny kolontsaina Fitovinany.

MINISITERAN’NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-044 tamin’ny 11 janoary 2023 ary manendry an’Andriamatoa RABENANDRIANINA Rivosoa, ho Tale Jeneralin’ny Fandrosoana Lovain-jafy.

IV- FANAFOANANA

MINISITERAN’NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1095 tamin’ny 27 jolay 2022 nanendry ny « Directeur Général de l’Autorité pour la Protection contre les Inondations de la Plaine d’Antananarivo (A.P.I.P.A) ».
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-941 tamin’ny 22 jona 2022 nanendry ny Tale Jeneralin’ny Sampan-draharahan’ny fananan-tany.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-989 tamin’ny 6 jolay 2022 nanendry ny « Directeur des Ressources Humaines »

MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-559 tamin’ny 27 may 2020 nanendry ny Tale Jeneralin’ny Fampianarana ambony sy Fikarohana ara-tsiansa.

MINISITERAN’NY FITATERANA SY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1009 tamin’ny 06 jolay 2022 nanendry ny Talem-paritry ny fitaterana sy famantarana ny toetrandro ao Fitovinany.

Natao ny faha-27 Marsa 2024

Ny Minisitry ny Fampianarana ara-teknika sy Fanofanana ara-kasa,

Lalatiana RAKOTONDRAZAFY, Mpitondra Tenin’ny Governemanta,

Ny Fitaleavan’ny Serasera

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika

TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA ALAROBIA FAHA-20 MARSA 2024, LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia faha-20 Marsa 2024 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Andry RAJOELINA, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara ary natrehin’Andriamatoa NTSAY Christian, Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

I- FAMPITANA AM-BAVA

FIADIDIANA NY REPOBLIKA

Mitohy ny fampahafantarana ny fandaharanasa maika ao anatin’ny 100 andro, minisitera roa indray no nanao ny fanolorana izay tomban’ezak’izy ireo hatreto sy ny vina ho an’ny andro sisa tavela amin’izay 100 andro izay.

1. Minisiteran’ny Jono sy ny Toe-karena manga :

Fametrahana ny faritra manokana ho an’ny fiompiana trondro: toerana 4 no nofaritana hametrahana izany, dia eto Analamanga efa vita hatrany amin’ny 75% ny asa, ny any Boeny izay efa 45% ny asa no vita, ny any Fitovinany izay 55% ny asa no vita ary 30% kosa ho an’i Anosy. Marihana fa mpiompy trondro hatrany amin’ny 20.000 no hisitraka mivantana ity tetikasa ity.

Fizarana zana-trondro sy fitaovana fiompiana trondro avadika asa fihariana: hatreto dia efa 145.000 no fitaovana voazara, zana-trondro miisa 157.739 ihany koa ary lakana sy harato, ary kojakojam-panjonoana efa nihoatra ny 11.266 no voazara.

Fampiofanana amin’ny teknika fiompiana trondro: mpanjono, mpanodina vokatra trondro, mpiompy lomotra, drakaka ary karazana hazan-drano samihafa miisa 43.000 no kendrena hofanina ao anatin’ny 100 andro, ka raha atotaly hatreto dia efa mahatratra 18.238 ny isan’ireo mpisehatra manodidina ny fiompiana hazan-drano ireo izay efa nisitraka fampiofanana.

2. Minisiteran’ny Fizahan-tany sy ny Asa tànana

Ho an’ny fizahan-tany dia fampiroboroboana ny fampiasam-bola, fampahafantarana ny “destination Madagascar”, ary fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpisehatra sy fanatsarana ny tontolon’ny fizahan-tany no tena tanjona. Hatreto dia efa anatin’ny fifampiresahana tanteraka amina mpampiasa vola maniry hametraka fotodrafitrasa fizahan-tany eto amintsika ny minisitera ka efa misy tany miisa 15, an’ny fanjakana sy ny tsy miankina no efa hita ary azo hananganana izany. 3 kosa ireo faritra antsoina hoe “marina” efa fantatra, mpampiasa vola iraisam-pirenena miisa 5 no efa vonona amin’ny fandraharahana eto Madagasikara ka mifampiraharaha amin’ny Minisitera ankehitriny, vondrona fandraisam-bahiny lehibe avy any ivelany miisa 7 koa no efa naneho fa liana ho avy eto amintsika. Efa nankatoavina teo anivon’ny Filan-kevitry ny Governamanta ny fehezan-drijatenin-dalàna momba ny fizahan-tany (code du tourisme). Efa nahavita nandray anjara tamina hetsika iraisam-pirenena hampahafantarana ny fitsidihana an’i Madagasikara miisa 3 ny minisitera hatreto (Holiday and Spa tany Bulgarie, ITB tany Berlin ary BIT tany Milan). Eo koa nefa ny fampiroboroboana ny fizahan-tany anatiny, ka efa nisy ny fikarakarana ny “tsenaben’ny fizahan-tany” andiany faha-7 nahitana mpitsidika 7.653 ary ny “Nosy Boraha Jazz Festival” izay nahitana mpandray anjara 120. Mikasika ny fampiofanana kosa dia mpianatra eny amin’ny lycées miisa 6.000 amin’ireo 7.000 no efa nisitraka izany. Mpandraharaha amin’ny fizahan-tany miisa 5.373 no nahazo fiofanana teny anglisy sy frantsay. Farany dia toerana fandraisam-bahiny sy ara-pizahan-tany miisa 46 no nampidirana ao amin’ny sehatry ny manara-penitra.

Ny lafiny asa tanana kosa indray dia ny fanamorana ny fahafahan’ireo mpanao asa tanana mahita ny akora ampiasain’izy ireo, ny fampiroboroboana ny harena arak’olona ho fanatsarana ny sehatry ny asa tanana no tena tanjona. Ireo tandrok’omby sy rofia ary vy hanaovana asa tanana no tena atao laharam-pahamehana, hisy ny fametrahana foibe fividianana azy ireny ka efa miroso amin’ny fanaovana ny “appel à manifestation d’intérêt” ny minisitera ankehitriny ho an’izay mpandraharaha liana hanangana izany. Mikasika ny fampiroboroboana ny harena arak’olona dia kendrena ny hizarana karatra maha-matihanina ho an’ny mpanao asa tanana miisa 500 ka efa 300 izao no vita ary hampidirina anatina rindram-baiko ho fanisana azy ireo, efa vita hatrany amin’ny 80% ny fanatanterahana azy. Farany ho fampiroboroboana ny asa tanana dia namaritra seha-pihariana telo ny minisitera izay tena heverina fa manana ho avy tsara dia ny fitrandrahana ny rofia, ny lamba sy ny fitafiana ary ny firavaka. Hamafisina ny fahaiza-manaon’ny mpanao asa tanana misehatra eo amin’izy ireo, mba iantohana ny fahafaha-mifaninan’ireo seha-pihariana ireo eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.

Nanao fanamarihana Andriamatoa Filohan’ny Repoblika fa ny fametrahana ny “Village Artisanal” izay hitondra vokatra azo tsapain-tànana mivantana eny amin’ny fiainan’ny mpanao asa tànana Malagasy dia tsy maintsy atomboka mialohan’ny volana Jona 2024.

3. Minisitera Delege misahana ny Zandarimariam-Pirenena

– Fametrahana ny paikady hiadiana amin’ny tsy fandriam-pahalemana: ny ady amin’ny halatr’omby, ady amin’ny fakana an-keriny, fanafihana amin’ny lalam-pirenena, ary ny fanafihana mitam-piadiana no tena mandrafitra ny asa maika ao anatin’ny 100 andro. Hatreto dia hatrany amin’ny 78,78% ny tahan’ny famerenana amin’ny tompony ny omby nisy nangalatra, izany hoe omby miisa 1.835 no tafaverina amin’ny tompony, ary mpangalatra omby hatrany amin’ny 453 no efa voasambotra. Nihena hatrany amin’ny 56,07% kosa ny asan-dahalo isan-karazany. Nanaovana ezaka manokana ny faritra mena tahaka ny any amin’ny faritra Menabe sy ny distrikan’i Ankazobe. Raha ny volana Marsa 2024 dia efa foana tanteraka ny halatr’omby any Menabe, nosoloina rahateo ny kaomandin’ny vondrom-pileovana Menabe sy ny kaomandin’ny kaompanian’ny zandarimariam-pirenena ao Morondava. Naverina ny andrimasom-pokonolona, napetraka ny fisavana karapanondrom-pirenena ary nohamafisina ny fahafaha-miatrika ady (capacités opérationnelles) ho an’ny mpitandro filaminana. Ho an’Ankazobe dia natomboka tamin’ny 29 Janoary 2024 lasa teo ny “operation harato II”, novaina daholo koa ny tompon’andraikitra amin’ny kaompania sy borigadin’ny zandarimariam-pirenena. Nenjehina araka ny lalàna ireo mpitandro filaminana sy tompon’andraikim-panjakana na olom-boafidy niray tsikombakomba tamin’ny dahalo sy ny mpaka an-keriny, ka efa nisy 89 voasambotra ary 61 naiditra am-ponja. Nahitam-bokatra ny “operation harato II” satria tamin’ny volana Febroary lasa teo dia 2 sisa ny trangana fakana an-keriny nisy, ary foana tanteraka kosa izy tamin’ity volana Marsa ity.

– Mikasika ny ady amin’ny asan-dahalo manokana dia natao hatrany izay hanakaikezan’ny mpitandro ny filaminana ny vahoaka. Nampitomboina ny fisafoana amin’ny fidinana ifotony eny amin’ny toerana saro-dalana ary nohamafisina ny fampiharana ny asan’ireo andrimasom-pokonolona : tagnamaron’ny fandriam-pahalemana. Nahitana vokatra avy hatrany izany satria nihena ny halatr’omby ary nitombo ny isan’ny omby eny am-bala.

– Nisy ezaka manokana natao ihany koa eo amin’ny fanampiana ny vahoaka amin’ny fikirakirana ny taratasy ara-panjakana tahaka ny karpanondrom-pirenena sy ny bokin’omby. Nohamafisina ny fahaiza manao an’ireo zandary sy ny ezaka fampiharana ny fitsipika anatiny : misy fanadiovana anatiny.

Nanao fanamarihana hatrany Andriamatoa Filohan’ny Repoblika fa mila hafainganina hatrany ny “intervention” izay atao manoloana ny asan-dahalo sy ireo tranga izay mety hiseho mba hanan’ny vahoaka fahatokisana eo amin’ny fitondram-panjakana sy ny mpitandro ny filaminana. Mari-drefy ahafahana mahita ny “presence de l’Etat” ny hafainganam-piasan’ny mpitandro ny filaminana.

MINISITERAN’NY FOLOALINDAHY

Araka ny voalazan’ny didim-panjakana laharaha 2013-538 tamin’ny 16 Jolay 2013 izay manova ny andininy sasantsasany amin’ny didim-panjakana laharana 73-039 tamin’ny 23 Febroary 1973 mikasika ny fampidirana ao anatin’ny tafika an-tanety, an-dranomasina ary an’habakabaka, ny asa fanompoana miaramila ary ny sekoly miaramila dia afaka miditra ary manao fifanarahana ao anatin’ny Foloalindahy ny olom-pirenena malagasy rehetra liana amin’izany mandritra ny 2 taona. Ka ho fanatanterahana an’izany dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisana tanora 2.000 ho an’ny kilasy 2024 manomboka ny 1 aprily 2024.

Ny « engagement » dia mamela ny olom-pirenena malagasy rehetra hifamatotra amin’ny alalan’ny fifanarahana amin’ny Tafika, mandritra ny roa taona.

MINISTERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

Araka ny tapaky ny Filan-kevitry ny Minisitra tamin’ny 19 aogositra 2019 dia tokony hiroso amin’ny fanakatonana tanteraka ny Kaonsily jeneralin’i Madagasikara any Cape Town Afrika Atsimo isika, satria efa manana masoivoho ofisialy any Prétoria izay afaka tsara mahasana ny asa any amin’ity firenena afrikana ity. Izany dia mba ahafahana manokatra masiovoho na kaonsily any amin’ny firenena hafa. Efa tokony hirosoana ny fanatanterahana izany fanapahan-kevitra izany, amin’ny alalan’ny fampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ny governemanta afrikana tatsimo. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra araka izany ny hirosoana amin’ireo dingana samihafa amin’izany, dia ny famitàna ny didim-panjakana mibaiko ny fanakatonanana, ny fampahafantarana ofisialy ny fitondrana afrikana tatsimo, ny famitana iraka any an-toerana hijerena ny zava-misy mikasika ny trano sy ny fananan’ny Fanjakana Malagasy any, ny fampodiana na fivarotana ny entana, ny fanaka ary ny fiara any, ny famindrana ny antontan-taratasy rehetra kirakiraina any ho any amin’ny masoivoho any Pretoria, ny fanombanana ny mety ho sandan’ny trano mba ahafahana mivarotra azy. Aorian’ny fampahafantarana ofisialy ny fitondram-panjakana afrikana tatsimo dia hanana 6 volana ny fanjakana Malagasy hanatanterahana ny fanakatonana. Ho tohin’ity fanapahan-kevitra ity moa dia hanokatra masoivoho na sampan-draharaha ara-diplomatika Malagasy any amin’ny firenena hafa, indrindra i Turkyie sy Emirats Arabes Unis ny Fanjakana Malagasy.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny tatitry ny fandraisana anjaran’i Madagasikara tamin’ny Filan-kevitry ny Minisitr’ireo firenena mpikambana eo anivon’ny SADC ny 10 hatramin’ny 11 marsa 2024 tany Luanda, Angola.

Lohahevitr’ity Filan-kevitra ity ny hoe « Capital Humain et financier, vecteur principal de l’industrialisation durable de la région SADC ». Miisa 47 ny fanapahan-kevitra noraisina mahakasika ny fandaharan’asa sy tetikasa tanterahin’ny SADC, ny toe-bolan’ny fikambanana, ny lafiny fitantanan-draharaha sy ara-pitaovana eo anivon’ny sekretera ary koa ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena.

Raha ny mikasika an’i Madagasikara mivantana, nankatoavin’ny filan-kevitry ny minisitry ny SADC ny drafitra fandoavana mizara telo natolotr’i Madagasikara hanefana ny latsakemboky ny taona 2023-2024. Noresahana nandritra izany fivoriana izany ihany koa ny fiantraikan’ireo loza voajanahary mihatra amin’ireo firenena ao anatin’ny faritry ny SADC. Voatonona manokana moa i Madagasikara noho izy hiaran’ny rotsak’orana, haintany sy rivo-doza mifanesy. Nodinihina ihany koa ny fanohizana ny fampiharana ny « Plan indicatif régional de développement stratégique 2020-2023 » ary ny fankatoavana ny fanomezana alàlana ireo mpisehatra tsy miankina amin’ny fanjakana ho mpandray anjara feno eo anivon’ny SADC. Notendrena ihany koa ireo mpikambana eo anivon’ny komity fitantanam-bola ho an’ny telo taona manaraka manomboka ny 1 aprily 2024 izay ahitana tompon’andraiki-panjakana malagasy telo avy ao amin’ny Tahirimbolam-panjakana.

Teo ankilan’io fivoriana io dia nisy ny fihaonan’ny Ramatoa Minisitry Raharaham-bahiny malagasy tamin’Andriamatoa TETE Antonio, Minisitry ny Fifandraisana ivelany ao amin’ny Repoblikan’i Angola sady filohan’ny filan-kevitry ny minisitry ny SADC.

Niompana tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta eo amin’ny sehatra stratejika, indrindra ny fitantanana maharitra ny harena an-kibon’ny tany ny fihaonana. Naneho ny faniriany hampivelatra bebe kokoa ny fifandraisany amin’ireo Nosy afrikanina i Angola, ary fanoitra amin’izany i Madagasikara.

Nifanaraka ny Minisitra roa tonta fa hiroso amin’ny fanaovan-tsonia fifanarahana lasitra mikasika ny fiaraha-miasa ara-politika eo amin’ny firenena malagasy sy angolais mialohan’ny hisian’ny fitsidihana ofisialy mety ho ataon’ny Filohan’ny Repoblika any Angola.

MINISITERAN’NY TOEKERANA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny asa fanarenana ny tranoben’ny Tahirimbolam-panjakana ao Ambovombe Androy.

Misy fahasimbana ny tranon’ny Tahirimbolam-panjakana ao Ambovombe Androy ka ilaina ny fanamboarana sy fanarenana izany maika mba ho fiarovana ny volam-panjakana ary koa hanatsarana ny tontolo fiasan’ny mpiasa. Tombanana hitentina 343 500 000 ariary izany asa fanamboarana izany, ary mahakasika ny asa beton, ny rafitra, ny tafo, ny rihana, ny fantson-drano, ny fanadiovana, ny fandokoana, ny tariby mitondra herinaratra sns.

Nanome toromarika Andriamatoa Filohan’ny Repoblika mba hijerena ny fahafahana mikitika ny tetibola anatin’ny Minisitera (aménagement de crédits interne) ka amin’izay no hakana ny tetibola ilaina amin’ny asa fanamboarana.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanokafana ny biraom-paritry ny Banky Arabo ho an’ny fampandrosoana ara-toekarena aty Afrika (BADEA) eto Madagasikara araka ny fangatahan’ny Filohan’ny BADEA tamin’ny 16 Janoary 2024. Marihina fa ny BADEA dia mamatsy vola asa fampandrosoana maro eto Madagasikara. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ihany koa ny hanaovana dinika momba ny fiaraha-miasa hatao any Riyadh, Arabie Saoudite izay tafiditra ao anatin’ny fahadimampolo taonan’ny fifandraisan’ny BADEA-Madagasikara.

MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanomezana ny tsenan’asam-panjakana fanamboarana ny lalam-pirenena RNT12A izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa PACFC II, sy ny fanamboarana tetezana sy fotodrafitrasa hafa mifandray amin’izay, ny orinasa CRBC izay nanao tolotra ambany indrindra tamin’ny ampahan’asa « lot n°1 » sy ny « lot n°2 ». Ny zava-misy dia efa nisy ny tolo-bidy natao, kanefa rehefa nanao ny famakafakana mikasika ny fanaovana ny fampitana tsenam-barom-panjakana ny minisitera tompon’andraikitra dia nahita fa ambony lavitra noho ny tetibola nofaritan’ny fifanaraham-pampindramam-bola ny tolotra nataon’ireo orinasa hafa namaly ny tolo-bidy. Ny fifanarahana dia namaritra famatsiam-bola 147 tapitrisa USD avy amin’ny Banky Afrikana ho an’ny fampandrosoana (BAD) sy ny Fanjakana Malagasy, ny tolotra voaray kosa anefa ka nahazoana ny fankatoavan’ny mpamatsy vola dia tafakatra 165,70 tapitrisa USD. Nisy ny tolotra nataon’ny orinasa CRBC izay mitentina 146,20 tapitrisa USD fa saingy noho ny antony pitsopitsony ara-taratasy tamin’ny famaliana ny tolo-bidy dia tsy voatazona. Taorian’ny dinika nifanesisesy tamin’ny BAD, ary mba ho fiarovana ny tombontsoan’ny Fanjakana malagasy sy mba ahafahana miroso amin’ny fanatanterahana ny tetikasa, indrindra ny famoahana ny vola ilaina amin’ny asa fanamboarana, no antony nandraisan’ny Filan-kevitry ny Minisitra fanapahan-kevitra hanomezana ny tsenan’asam-panjakana ny orinasa CRBC. 

MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fitaovana fanarahamaso ny fandrefesana maripana (métrologie légale) izay fanomezana avy amin’ny COMESA (tsenam-barotra iombonan’ny Afrika afovoany sy atsimo).

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanomezan’ny Fanjakana Malagasy antoka ara-piandrianana “garantie souveraine” amin’ny fanafarana vary milanja 200.000 taonina avy any Inde. Raha tsiahivina dia ny datin’ny 30 Jona 2023 no nisy ny fifanarahana nataon’ny orinasa SPM hanafarana vary milanja 200.000 niaraka tamin’ny orinasa indiana « VI Farm Organics Limited » mitarika ny koperativa indiana “National Cooperative Exports Limited” (NCEL). Tsy azo notanterahina anefa io fifanarahana io satria nisy ny fandrarana fanondranana vary izay nodidian’ny Governemanta Indiana araka ny taratasy tamin’ny 20 Jolay 2023. Nanao fangatahana manokana tamin’ny Govermanta Indiana ny Fanjakana Malagasy mba hanesorana io fandrarana io. Araka ny taratasy tamin’ny 07 desambra 2023 dia nanome alalana ny hahafahan’i Madagasikara manafatra vary 50.000 taonina ny Governemanta Indiana. Mba hahafahan’ny SPM manao ny asa fanafarana no hanomezana an’io antoka ara-piandrianana avy amin’ny Fanjakana Malagasy io, mba ahafahana koa manohy ny famatsiana “vary mora” ho an’ny vahoaka tena sahirana.

MINISITERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA + MINISITERAN’NY TOAKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fitaovana izay fanomezana avy amin’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny ankizy (UNICEF). Ireo fitaovana ireo dia kojakojam-pianarana na “kits scolaires” ahafahana miatrika ny rivo-doza.

MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny lisitry ny fitaovana sy kojakoja izay ilain’ny Minisitera amin’ireo hopitaly manara-penitra miisa 27 sy CSB samihafa manerana ny Nosy, ka hovidiana eo anivon’ny sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana « UNOPS ». Aorian’ity fanapahan-kevitry ny Filan-kevitry ny Minisitra ity dia hisy ny fifanarahana hatao amin’ny UNOPS amin’ny vidin’entana sy arakaraka ny fisian’ireo entana voafaritra anaty lisitra ireo eo anivon’ny UNOPS.

Marihina fa ny UNOPS dia efa manana traikefa maneran-tany mikasika ny fivarotana fitaovana ilaina amin’ny fanatanterahana asam-panjakana ary efa tafiditra mazava ao anatin’ny “procédures des marchés publics” malagasy ny fomba fiaraha-miasa amin’izy ireo.

MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fitaovana ara-pitsaboana izay fanomezana avy amin’ny sampan-draharaha japoney momba ny fiarahamiasa (JICA) homena an’ireo hopitaly any amin’ny faritra (CHRR).

MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampiasan’ny Minisiteran’ny Asa vaventy ny tetibola ho amin’ny fanamboarana ny asa fikojakojana ny ampahan’ny lalana amin’ny lalana RNT 33B, mampitohy an’Andranofasika (sampanan-dalana RNP4) sy Ambato Boeny, izay vatsian’ny tahirimbolan’ny lalana (Fonds Routier). Ny teboka mainty moa dia tsy maintsy hamboarina maika, ary nanome toromarika kosa Andriamatoa Filohan’ny Repoblika ny hijerena tsara ny kalitaon’ny lalana sy ny sandan’ny asa fanamboarana.

MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR’ANDRO

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezan-dalana hamoahana ny vola fanampiana (subvention d’exploitation) ho an’ny fiaran-dalamby fitaterana olona antsoina hoe “DIATSARA” amin’ny tambajotram-pitaterana TCE (Tana-Côte Est) mampitohy an’i Moramanga – Ambila Lemaitso sy Moramanga – Toamasina.

MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR’ANDRO + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fitaovana hanamboarana ny asa fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina, ho an’ny taona 2024.

MINISITERAN’NY ASA, NY FAMPANANANA ASA ARY NY ASAM-PANJAKANA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampahafantarana ny fifanarahana eo amin’ny vondron’ny orinasa malagasy mpampiasa sy ny vovonan’ny sendikan’ny mpiasa malagasy mikasika ny fampiakarana ny karama farany ambany amin’ny fandraisana mpiasa (SME) sy ny faharetana amin’ny toeram-piasana (SMA).

Nisy fivoriana niarahan’ny vondron’ny orinasa malagasy sy ny vovonan’ny sendikan’ny mpiasa malagasy tamin’ny 15 Febroary 2024 ka nifanaraka ny roa tonta fa hampiakarina 10% ny karaman’ny mpiasa amin’ny sokajy voalohany (M1) ary arakaraka ny sokajy, manomboka eo amin’ny sokajy M2 ka hatramin’ny OP3. Araka io fifanarahana io dia lasa 262.680 ariary ny karama farany ambany ao anatin’ny sokajy M1-A1 eo amin’ny sehatra ivelan’ny fambolena (secteur non agricole) raha 238.000 ariary izy io teo aloha. Ary ho an’ny sehatry ny fambolena kosa dia ho lasa 266.500 ariary izany raha 242.200 ariary teo aloha. Hampiharina manomboka ny 1 marsa 2024 ity fampiakarana karama amin’ny sehatra tsy miankina ity. Marihana moa fa tsy maintsy ankatoavin’ny Filan-kevitra nasionalin’ny asa (CNT) ny soso-kevitra ifanarahan’ny mpampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa, araka ny voalazan’ny andininy faha-184 sy ny manaraka ao anatin’ny lalàna lf: 2003-044 tamin’ny 28 Jolay 2004 mikasika ny fehezan-dalàna mifehy ny asa Malagasy.

II – FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

GOVERNEMANTA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa ALIJIMY née RATSIRARSON Joëlle Sendrarisoa, ho Tale Jeneralin’ny Ivotoerana Malagasy momba ny Teti-pivoarana na « Institut Malgache des Techniques de Planification » (IMaTeP).

MINISITERAN’NY FOLOALINDAHY

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-021 tamin’ny 12 janoary 2022 ary manendry ny Général de Division ANDRIAMASIMANANA William Michel, ho « Directeur Général des Organismes de Défense »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-352 tamin’ny 05 aprily 2023 ary manendry ny Général de Division RAZAFITOMBO Maminirina Ely, ho « Coordinateur Général des Projets »

MINISITERAN’NY FITSARANA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 2185 tamin’ny 04 desambra 2019 ary manendry an’Andriamatoa ZAFIMIHARY Marcellin, ho Sekretera Jeneralin’ny Filan-kevitra Ambony ny Mpitsara.

MINISITERAN’NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAVAOARISOA Emma Fideline, ho Talem-paritry fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-126 tamin’ny 31 janoary 2024 ary manendry an-dRamatoa RANDRIAMANANJARA Sandrina Anjary, ho Sekretera Jeneraly.

MINISITERAN’NY ATITANY

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-038 tamin’ny 11 janoary 2023 ary manendry an’Andriamatoa ANDRIAMPARANONY Mieja, ho « Directeur de la Programmation et du Suivi Evaluation du Centre National de l’Etat Civil et de l’Identité »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa TANJAHA TSIANDATSE Merry Cléo, ho Sekretera Jeneralin’ny Prefektioran’i Taolagnaro
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1417 tamin’ny 15 desambra 2021 ary manendry an’Andriamatoa RANDRIAMARO Angelin Eddy, ho Lehiben’ny Distrikan’i Toamasina II
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-672 tamin’ny 11 may 2022 ary manendry an’Andriamatoa MANANJARA Lucien, ho Préfet an’Antsiranana I.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-202 tamin’ny 10 febroary 2022 ary manendry an’Andriamatoa MADINA Francis Emilien Romly, ho Prefet an’i Sambava.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-108 tamin’ny 21 janoary 2022 ary manendry an’Andriamatoa RAMANAMAHAFAHAY Malaza, ho Préfet an’i Nosy-Be.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-575 tamin’ny 17 may 2023 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTOARIDINA Dieudonné, ho Préfet an’Ambatondrazaka.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-754 tamin’ny 17 aprily 2019 ary manendry an’Andriamatoa RALAIVAO ANDRIMAROMANEHO Jean Johanès, ho Prefet an’Antsohihy.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1538 tamin’ny 18 novambra 2020 ary manendry an’Andriamatoa BAZEZY Vanombe Clavelah Roslan, ho Préfet an’i Maevatanana.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-302 tamin’ny 10 febroary 2022 ary manendry an’Andriamatoa RANAIVOSON Mariano Désiré, ho Préfet an’i Mananjary.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 2029 tamin’ny 30 oktobra 2019 ary manendry an’Andriamatoa SOLONDRAZANA Arson Théodolin Lydore Adoré, ho Préfet an’i Toliara.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023- 1106 tamin’ny 08 septambra 2023 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTOMALALA Nomenjanahary Fanambinantsoa Solofo, ho Lehiben’ny Distrikan’Antananarivo II
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-038 tamin’ny ny 12 janoary 2022 ary manendry an-dRamatoa TOLONATREHANA MAHAVITA Ida, ho Lehiben’ny Distrikan’Antananarivo III.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1412 tamin’ny 15 desambra 2021 ary manendry an’Andriamatoa RAZAFIMANANTSOA Jean Jacques Pierrot, ho Lehiben’ny Distrikan’Anjozorobe
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-833 tamin’ny 24 aprily 2019 ary manendry an-dRamatoa RAKOTOARISOA Ny Ony Mirana Dina Henintsoa, ho Lehiben’ny Distrikan’Antanifotsy.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-668 tamin’ny 23 jona 2021 ary manendry an’Andriamatoa ANDRIANASY Vonjy Maminjanahary, ho Lehiben’ny Distrikan’Ambatolampy.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-670 tamin’ny 23 jona 2021 ary manendry an-dRamatoa RAZAFINDRANAIVO Harikanto Donnie Alexia, ho Lehiben’ny Distrikan’i Faratsiho
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-012 tamin’ny 04 janoary 2023 ary manendry an’Andriamatoa RABOTOHAVANA Florent Cilli de Rinal, ho Lehiben’ny Distrikan’i Mananara Avaratra.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1781 tamin’ny 15 desambra 2021 ary manendry an’Andriamatoa VELOMARO L’Faustin, ho Lehiben’ny Distrikan’i Mandritsara
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1285 tamin’ny 07 septambra 2022 ary manendry an’Andriamatoa NAINA Xavier, ho Lehiben’ny Distrikan’Analalava.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1318 tamin’ny 14 septambra 2022 ary manendry an’Andriamatoa RAVELOMIARY Sylvère Heriniaina, ho Lehiben’ny Distrikan’Anosibe an’Ala.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1048 tamin’ny 13 jolay 2022 ary manendry an’Andriamatoa RABIALAHY Marcelin Romuald, ho Lehiben’ny Distrikan’Isandra.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-822 tamin’ny 28 jona 2023 ary manendry an’Andriamatoa RAMANANTOANINA Andriasy, ho Lehiben’ny Distrikan’Ivohibe.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2018-273 tamin’ny 28 marsa 2018 ary manendry an’Andriamatoa RABEARISON Eric Martin Rajoelina, ho Lehiben’ny Distrikan’i Nosy Varika.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-577 tamin’ny 17 may 2023 ary manendry an’Andriamatoa MAHARITRA Gabriel, ho Lehiben’ny Distrikan’Ikongo.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-206 tamin’ny 10 febroary 2022 ary manendry an’Andriamatoa RAMAHA Rakotoniaina Ando Tantelinirina, ho Lehiben’ny Distrikan’i Beroroha.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2018-272 tamin’ny 28 marsa 2018 ary manendry an’Andriamatoa RAJOHARI-ZO Fenitra, ho Lehiben’ny Distrikan’i Ankazoabo Atsimo.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-768 tamin’ny 21 jona 2023 ary manendry an’Andriamatoa RAMANJATO Richard Paulin, ho Lehiben’ny Distrikan’i Bekily.

MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa FINOANA Anthony Cédric, ho « Directeur de l’Audit Interne et de la Lutte Anti-Corruption »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-521 tamin’ny 13 aprily 2022 sy laharana faha 2021-982 tamin’ny 29 septambra 2021 ary manendry an-dRamatoa RANOELIMANANA Vahinisoa Seheno, ho Sekretera Jeneraly.

MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY FIOMPIANA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2018- 1094 tamin’ny 29 aogositra 2018 ary manendry an’Andriamatoa RAMAROSON Lantonirina Harivelo, ho Tale Jeneralin’ny « Centre de Fabrication, de Formation et d’Application du Machinisme Agricole » (CFFAMMA).
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023- 1119 tamin’ny 08 septambra 2023 ary manendry an-dRamatoa RASOARIMBOLA Henintsoa, ho Talem-paritry ny fambolena sy ny fiompiana Analamanga.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-732 tamin’ny 18 may 2022 ary manendry an’Andriamatoa KOFOKY Christian Félix, ho Talem-paritry ny fambolena sy fiompiana Bongolava.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-733 tamin’ny 18 may 2022 ary manendry an-dRamatoa RAKOTOARIZAFY Anjara Tongasoa Mirana, ho Talem-paritry ny fambolena sy ny fiompiana Betsiboka.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-076 tamin’ny 12 janoary 2022 ary manendry an’Andriamatoa FENOZANDRY Etienne, ho Talem-paritry ny fambolena sy fiompiana DIANA.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1338 tamin’ny 24 novambra 2021 ary manendry an’Andriamatoa SOLO Noé René, ho Talem-paritry ny fambolena sy fiompiana Atsinanana.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-097 tamin’ny 01 febroary 2023 ary manendry an’Andriamatoa ANDRIAMAHEFARIVO Gédéon, ho Talem-paritry ny fambolena sy fiompiana Boeny.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1334 tamin’ny 24 novambra 2021 ary manendry an-dRamatoa NGADO Fleur Honorée, ho Talem-paritry ny fambolena sy fiompiana Melaky.

MINISITERAN’NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY FAMPIOFANANA ARAK’ASA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-657 tamin’ny 31 may 2023 ary manendry an-dRamatoa RAKOTOARISOA Mialy Marie Françoise, ho « Directeur des Evaluations Professionnelles et de la Validation des Acquis de l’Expérience »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa KOTOSON Louise Mariella, ho « Directeur de l’Ingénierie de Formation et Pédagogie »

MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAZAFIMAHATRATRA Gervais, ho Talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka Androy.

MINISITERAN’NY ASA, NY FAMPANANANA ASA ARY NY ASAM-PANJAKANA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 1170 tamin’ny 06 jona 2019 ary manendry an’Andriamatoa RANDRIAMISATA Jocelyn, ho « Directeur des Ressources Humaines »

MINISITERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY

  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa BEANARANA Jacques Kenny, ho Talem-paritry ny harena ankibon’ny tany Betsiboka.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa GILBERTH Sylvie, ho Talem-paritry ny harena ankibon’ny tany Analanji
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa ANDRIAMANJARY José Hervé, ho « Directeur des Exportations et de la Valeur »(DEV)

MINISITERAN’NY TONTOLO IAINANA SY NY FAMPANDROSOANA LOVAIN-JAFY

  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAZAFIMAHEFA Hahitantsoa Tokinirina, ho « Directeur Administratif et Financier ».

IV- FANAFOANANA

MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA ARY NY FIDIOVANA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-574 tamin’ny 20 aprily 2022 nanendry ny « Responsable de l’Unité de l’Audit Interne »

Natao ny faha-20 Marsa 2024

Ny Minisitry ny Fampianarana ara-teknika sy Fanofanana ara-kasa,

Lalatiana RAKOTONDRAZAFY, Mpitondra Tenin’ny Governemanta,

Ny Fitaleavan’ny Serasera eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika

TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA ALAROBIA FAHA-13 MARSA 2024, LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia faha-13 Marsa 2024 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Andry RAJOELINA, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara ary natrehin’Andriamatoa NTSAY Christian, Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

I- FAMPITANA AM-BAVA

FIADIDIANA NY REPOBLIKA

Mitohy hatrany ny fampahafantarana ny asa maika tsy maintsy tanterahina ao anatin’ny 100 andro voalohany amin’ny fitantanana ny firenena, ny tomban’ezaka tamin’ny asa efa vita sy ny asa mbola hatao.

Manamarika hatrany Andriamatoa Filohan’ny Repoblika fa ny famahana haingana ireo olana misy sy ny fandraisana andraikitra ary mitondra fanovana miantraika mivantana amin’ny vahoaka no tanjona.

1. Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka :

 Tondrozotra mazava manaraka ny fivoarana ara-teknolojika sy ny haitao ara-kajy mirindra no hampiasaina amin’ny dingana arahina mikasika ny fangatahana pasipaoro sy fametrahana « guichet unique »: ny tanjona apetraka ao anatin’ny 100 andro dia ny fampiakarana hatrany amin’ny 50% ny fangatahana fotoana hanaovana pasipaoro amin’ny alalan’ny aterineto. Efa mandeha izay lamin’asa izay ankehitriny, hatreto dia efa 21,82% ny olona mila pasipaoro no efa manao ny fangatahana amin’ny aterineto. Hampihenana ny filaharam-be eny an-toerana, sy hanafoanana ny mpijirika sy mpanelanelana no tena tanjona, ka efa ao anatin’ny vina 100 andro koa ny fametrahana ny “guichet unique” mba handraisan’ny tahirimbolam-panjakana eny an-toerana ihany ny sarany aloa amin’ny fanaovana pasipaoro. Efa vita ny didim-pitondrana iraisan’ny minisitera voakasika rehetra mametraka izay “guichet unique” izay ka miroso amin’ny fanatanterahana ankehitriny.

Nanome toromarika Andriamatoa Filohan’ny Repoblika fa tokony hisy fanatsarana ihany koa eny amin’ireo biraom-panjakana fandraisana ny vahoaka.

– Fifehezana ny firongatry ny tsy fisian’ny fandriam-pahalemana sy filaminana antanàn-dehibe : fanamafisana ny paikady fisorohana no tena tanterahina ao anatin’ny 100 andro, ao anatin’izay dia asa fisorohana eny ifotony miisa 52.133 no kendrena hatao, ka efa 38.262 ankehitriny no vita, izany hoe 73,39%, nahafahana nampihena hatrany amin’ny 22,66% ny asa ratsy nokasaina natao tamin’ireo tanàn-dehibe ary nampiakatra hatrany amin’ny 76,60% ny tahan’ny fikirakirana ny raharaha halatra na heloka bevava hafa an-drenivohitra izay nahitam-bokatra.

2. Minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga ambony sy fikarohana ara-tsiansa:

– Fitokanana ireo oniversitem-paritra Itasy sy Analanjirofo : efa vonona tanteraka ary azo tokanana ny Oniversiten’Itasy, ary hisy sampam-pianarana vaovao hosokafana dia ny fizahan-tany, ny siansa momba ny ranomasina, ary ny siansa maha-olona. Kendrena ho mpianatra hatrany amin’ny 3234 no hianatra ao. Ny Oniversiten’Analanjirofo kosa dia ho vonona tanteraka ary ho azo tokanana manomboka amin’ny faran’ity volana Marsa ity. Marihana fa maoderina sy manara-penitra ireo fotodrafitrasa vaovao ireo, ahitana tranomboky, laboratoara miisa 2, efitrano lehibe fanaovana “soutenance”, efitrano fianarana miisa 6, efitrano ara-informatika mahazaka mpianatra 40, efitrano fivoriana, efitranon’ny mpampianatra, ary birao isan-karazany. Ahitana “amphithéatre” iray lehibe, mirefy 693 m2 ary mahazaka mpianatra hatrany amin’ny 400. Farany, ny toerana fatorian’ny mpianatra (dortoir) kosa dia misy fandriana 80, kidoro 160 ary fanaka fampirimana entana 160 ihany koa. Araka ny toromarika nomen’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika dia hisantarana ny fiaraha-miasa amin’ny fanafarana ireo mpampianatra avy any ivelany, ireo Oniversite roa vaovao vao hisokatra ireo.

Ny lalam-piofanana izay apetraka dia natao mifandraika amin’ny seha-pihariana mitarika fampandrosoana eny an-toerana. Hanampy ny tanora avy amin’ny faritra izany mba tena afaka handray andraikitra eo amin’ny faritra misy azy ary hampihena ny fandanian’ny ray aman-dreny amin’ny fampianarana zanaka lavitra.

– Fanamafisana ny lentam-pahaizan’ireo mpampianatra amin’ny Oniversite: mampanao fampiofanana hanatrarana izany tanjona izany ny Minisitera ankehitriny, amin’ny lafiny ara-pedagôjika, ny fomba fampianarana, ny fanaovana tombana ny fampianarana, ny fampidirana ny haitao ara-kajy mirindra amin’ny fampianarana, ary ny fitsipika etika sy ara-moraly. Hatreto dia mpampianatra 110 no efa vita fiofanana ho an’Itasy, 18 ho an’i Fianarantsoa, 38 ho an’Analanjirofo, izany hoe 76,14% ny tanjon’ny fampiofanana napetraka no efa tratra. Ao anatin’ny 100 andro dia mpampianatra miisa 218 no kendrena ho vita fiofanana tanteraka.

Ny tanjona dia ny hampiakatra ny kalitaon’ny fampianarana. Noho izany dia hisantatra fiaraha-miasa amina mpampianatra avy amina oniversite avy any ivelany ary tokony mamoaka tetiandro amin’ny fampiofanana ny mpampianatra ny Ministera, hoy Andriamatoa Filohan’nyRepoblika.

3. Minisitera Delege misahana ny Zandarimariam-Pirenena

– Fametrahana ny paikady hiadiana amin’ny tsy fandriam-pahalemana: ny ady amin’ny halatr’omby, ady amin’ny fakana an-keriny, fanafihana amin’ny lalam-pirenena, ary ny fanafihana mitam-piadiana no tena mandrafitra ny asa maika ao anatin’ny 100 andro. Hatreto dia hatrany amin’ny 78,78% ny tahan’ny famerenana amin’ny tompony ny omby nisy nangalatra, izany hoe omby miisa 1.835 no tafaverina amin’ny tompony, ary mpangalatra omby hatrany amin’ny 453 no efa voasambotra. Nihena hatrany amin’ny 56,07% kosa ny asan-dahalo isan-karazany. Nanaovana ezaka manokana ny faritra mena tahaka ny any amin’ny faritra Menabe sy ny distrikan’i Ankazobe. Raha ny volana Marsa 2024 dia efa foana tanteraka ny halatr’omby any Menabe, nosoloina rahateo ny kaomandin’ny vondrom-pileovana Menabe sy ny kaomandin’ny kaompanian’ny zandarimariam-pirenena ao Morondava. Naverina ny andrimasom-pokonolona, napetraka ny fisavana karapanondrom-pirenena ary nohamafisina ny fahafaha-miatrika ady (capacités opérationnelles) ho an’ny mpitandro filaminana. Ho an’Ankazobe dia natomboka tamin’ny 29 Janoary 2024 lasa teo ny “operation harato II”, novaina daholo koa ny tompon’andraikitra amin’ny kaompania sy borigadin’ny zandarimariam-pirenena. Nenjehina araka ny lalàna ireo mpitandro filaminana sy tompon’andraikim-panjakana na olom-boafidy niray tsikombakomba tamin’ny dahalo sy ny mpaka an-keriny, ka efa nisy 89 voasambotra ary 61 naiditra am-ponja. Nahitam-bokatra ny “operation harato II” satria tamin’ny volana Febroary lasa teo dia 2 sisa ny trangana fakana an-keriny nisy, ary foana tanteraka kosa izy tamin’ity volana Marsa ity.

– Mikasika ny ady amin’ny asan-dahalo manokana dia natao hatrany izay hanakaikezan’ny mpitandro ny filaminana ny vahoaka. Nampitomboina ny fisafoana amin’ny fidinana ifotony eny amin’ny toerana saro-dalana ary nohamafisina ny fampiharana ny asan’ireo andrimasom-pokonolona : tagnamaron’ny fandriam-pahalemana. Nahitana vokatra avy hatrany izany satria nihena ny halatr’omby ary nitombo ny isan’ny omby eny am-bala.

– Nisy ezaka manokana natao ihany koa eo amin’ny fanampiana ny vahoaka amin’ny fikirakirana ny taratasy ara-panjakana tahaka ny karpanondrom-pirenena sy ny bokin’omby. Nohamafisina ny fahaiza manao an’ireo zandary sy ny ezaka fampiharana ny fitsipika anatiny : misy fanadiovana anatiny.

Nanao fanamarihana hatrany Andriamatoa Filohan’ny Repoblika fa mila hafainganina hatrany ny “intervention” izay atao manoloana ny asan-dahalo sy ireo tranga izay mety hiseho mba hanan’ny vahoaka fahatokisana eo amin’ny fitondram-panjakana sy ny mpitandro ny filaminana. Mari-drefy ahafahana mahita ny “presence de l’Etat” ny hafainganam-piasan’ny mpitandro ny filaminana.

MINISTERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny tatitry ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara tamin’ny andiany fahatelo tamin’ny « Forum Diplomatique d’Antalya 2024. « Diplomasia mahomby ho an’ny fandriampahalemana sy ny filaminana” no lohahevi-dehibe tamin’ity andiany fahatelo ny FDA ity. Noresahana nandritra izany ireo fanamby goavana amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena hita maneran-tany amin’izao fotoana izao. Ary nifampizarana ny fomba mahomby indrindra hanatrarana ny tanjona amin’ny fametrahana rafitra iraisam-pirenena mahomby, mampiaty sy ara-drariny, mba hisian’ny fandriampahalemana, ny filaminana sy ny fitoniana.

Andriamatoa Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara no nitarika ny delegasiona Malagasy tany an-toerana. Nisongadina tamin’izany ny fihaonany tamin’ Andriamatoa Recep Tayyip ERDOGAN, Filohan’ny Repoblikan’i Türkiye. Niresahana indrindra ny fifanakalozana eo amin’i Madagasikara sy Türkiye. Nanao jery todiky ny fiaraha-miasa ny roa tonta. Nomena vahana manokana ireo laharam-pahamehana ho an’i Madagasikara ary anisan’izany ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny indostria sy ny fiarovana.

Matanjaka amin’ny resaka fitaovana fanamboaran-trano i Türkiye, izay misy kalitao rahateo ka ilaina fametrahana fiarahamiasa ao anatin’ny fotoana haingana, handefa iraka mpandraharaha tsy miankina aty Madagasikara avy hatrany i Türkiye mba hanatanterahana ny fiaraha-miasa, voaresaka rahateo koa ny fametrahana masoivohon’i Madagasikara any Türkiye.

Nisy ihany koa ny fihaonan’ny delegasiona malagasy tamin’ireo mpandraharaha tiorka ka nahafahana nampahafantatra ireo tetikasan’ny fitondram-panjakana malagasy eo amin’ny sehatry ny fotodrafitrasa, ny angovo, ny harena ankibon’ny tany ary ireo laharam-pahamehana amin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana indrindra ireo mety ho fiaraha-miasa amin’ny fananganana ny tanàna vaovao Tanamasoandro

MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fangatahana fiaraha-miasa momba ny hetra eo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Emirats Arabes Unis. Izany dia mba ahafahana misitraka tombontsoa iombonana eo amin’ny firenena roa tonta hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana.

Ny fanaovana sonia fifanarahana momba ny hetra dia manome tombony maro eo amin’ny lafiny ara toe-karena, politika, diplomatika ary indrindra ny hetra. Io fifanarahana io dia fitaovana iray mahomby hisorohana ny « double imposition » izay singa lehibe eo amin’ny tontolon’ny fampiasam-bola eo amin’ireo firenena manao sonia izany. Izany dia hahafahan’i Madagasikara misarika ireo mpampiasa vola emiratis ka hampitombo ny fampidiram-bola ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana, hanatsara ny fifanakalozana ara-barotra sy ny fifezivezen’ireo mpandraharaha eo amin’ny firenena roa tonta ary indrindra hampiroborobo ny fifanakalozana fahaiza-manao sy teknolojia.

Manamafy ny maha-zava-dehibe ny fisokafana amin’ireo firenena ireo Andriamatoa Filohan’ny Repoblika, amin’ny tanjon’i Madagasikara amin’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fizahan-tany eto Madagasikara. Izany dia hamafisin’ny fisokafan’ny sidina mivantana hampifandray an’i Madagasikara sy Dubai.

MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fividianana ireo pasipaoro elektronika malagasy miisa 33.600 izay efa tonga teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, sy ireo kojakoja samihafa ilaina amin’ny fanamboarana ny pasipaoro ho an’ny mpanjifa mangataka izany eto Madagasikara.

MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisana fepetra manokana mikasika ny fiarovana ny orinasa mpamokatra siramamy Siramamin’Analaiva (SIRANALA) ao Morondava. Hatramin’ny savorovoro nitranga tamin’ny taona 2014 tao amin’ny tobin’ny siramamy SIRANALA any Morondava, dia maro ireo maniry ny sisa tavela sy ny fananan’ity orinasa ity, nahitana tranga fangalarana vy maro.

Hisy ny fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny fitsarana mba hanara-maso akaiky ireo fitarainana 15 napetraky ny orinasa SIRANALA momba ireo halatra vy ireo ary hahafahana manamafy ny fiarovana ireo fananam-panjakana ireo ary mba hialana amin’ny firaisana tsikombakomba tsy ahitana ny marina.

Ilaina maika araka izany ny fanaovana fitsirihana miaraka amin’ireo tompon’adraikim-panjakana ifotony hahalalana izay mbola fananan’ny orinasa rehetra tavela, ka iantohana ny fiarovana izany tsy hitohizan’ny halatra intsony. Nomena ihany koa ny toromarika mba hanohizana sy hamaranana ny fifampiraharahana amin’ny orinasa Complant izay nandray ny orinasa tany aloha, mba hahafahana misarika mpamatsy vola vaovao mety ho liana amin’ny fitrandrahana ny Siranala.

MINISITERAN’NY RANO, SY NY FANADIOVANA ARY NY FIDIOVANA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ireo asa fanadiovana maika ao Andravoahangy noho fiverimberenan’ny olan’ny rano mihandrona izay nihombo noho ny habetsaky ny rotsak’orana sy ireo lakan-drandro tsentsina izay ahiana hitarika tondran-drano.

1km ny lakandrano mila fanadiovana maika ary misy koa ny asa fanamboarana ireo lakan-drano sasany izay efa potika tanteraka. Ho tanterahina mandritra izany ny fanamboarana ny rindrin’ireo (piedroit) lakandrano efa misy, ny fanamboarana ny sarona lakankandrano miisa 9 ary ny fanadiovana ireo dalots, buses sy ireo lakandrano misokatra.

Mikasika ny fanadiovana dia nanome toromarika Andriamatoa Filohan’ny Repoblika mba hanaovana asa tagnamaro na “HIMO”, ho an’ireo fokonolona sahirana eny an-toerana hanampy amin’izay asa fanadiovana tokony hatao. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ny fandaniana amin’ity asa maika tsy maintsy hatao ity.

II. FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA

MINISITERAN’NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manova sy mameno ireo andininy sasantsasany amin’ny didim-panjakana laharana faha 2017-014 tamin’ny 04 janoary 2017 mikasika ny fandaminana ny tahirimbola ho an’ny fampandrosoana ifotony na « Fonds de Développement Local » (FDL) nasiam-panitsiana sy nofenoin’ny didim-panjakana laharana faha 2022-020 tamin’ny 12 janoary 2022.

Ny didim-panjakana laharana faha 2024-020 tamin’ny 14 janoary 2024 manendry ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta no nanambatra ireo departemantan’ny minisiteran’ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany. Fanovana izay tafiditra ao anatin’ny fitohizan’ny fampiharana ny fanavaozana goavana natomboka taorian’ny nandraisana ny Taratasy momba ny Politika momba ny fitsinjaram-pahefana (Lettre de Politique de Décentralisation Emergente – LPDE) araka ny lalàna laharana 2021-011 tamin’ny 18 aogositra 2021. Miova araka izany ny mpiahy ara teknika ny FDL ka dia tsy maintsy nokitihana ny didim-panjakana mifehy ny fandaminana ny FDL ka nahitsy hifanaraka amin’ny lalàna laharana faha 2018-037 izay mifehy ny sampan-draharaham-panjakana nasionaly (Etablissements Publics Nation.

MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISTERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manome alalana ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola handefa antoka (garanties souveraines) amin’ny anaran’ny Fanjakana Malagasy ao anatin’ny fifanarahana fampanofana fiaramanidina miisa 02 vaovao hampiasain’ny Kaompaniam-pitaterana « Madagascar Airlines » avy amin’ny orinasa ACIA Aero Leasing. Ity antoka ity dia hahafahana mamita ny fifanarahana fampanofana alohan’ny fanasoniavana azy.

MINISITERAN’NY ATITANY

Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana famenon’ny didim-panjakana laharana faha 2019-189 tamin’ny 20 febroary 2019 mamaritra ny isan’ny mpikambana eo anivon’ny Antenimieram-pirenena, sy ny fitsinjarana ny toerana (répartition des sièges) manerana ny firenena malagasy, ary ny fomba famaritana ny fari-pifidianana ho an’ny fifidianana solombavambahoaka.

Ny distrika tsirairay avy no mirafitra ho fari-pifidianana ary tahaka izao ny famaritana ny isan’ny solombavambahoaka isaky ny fari-pifidianana :

  • Ny boriborintany 6 izay mirafitra ho distrika 6 eto Antananarivo renivohitra dia manana solombavambahoaka 2 avy isaky ny boriborintany, amin’ny maha-renivohitr’i Madagasikara
  • Ny distrika renivohim-paritany 5 hafa koa dia manana solombavambahoaka 2 avy.
  • Ny distrika manana isan’ny mponina mihoatra ny 310.000 dia manana solombavambahoaka 2 avy
  • Ary ny distrika manana isan’ny mponina latsaka ny 310.000 dia manana solombavambahoaka 1 avy.
  • Na manahoana na manahoana kosa dia tsy misy distrika manana solombavambahoaka mihoatra ny 2

Voafaritra ho 163 araka izany ny isan’ny solombavambahoaka manerana an’i Madagasikara hofidiana amin’ny fifidianana amin’ny 29 mey 2024, niampy 12 izany raha ampitahaina amin’ny tamin’ny 2019 noho ny fitombon’ny isan’ny mponina.

Ireto avy ny distrika lasa hanana solombavambahoaka miisa 2 hofidiana ao aminy ankoatra ireo efa nanana 2 hatramin’izay:

  • Ambatolampy – Vakinankaratra
  • Betafo – Vakinankaratra
  • Antsirabe I – Vakinankaratra
  • Ambalavao – Matsiatra Ambony
  • Ihosy – Ihorombe
  • Toamasina II – Atsinanana
  • Mahanoro – Atsinanana
  • Mandritsara – Sofia
  • Betioky Atsimo – Atsimo Andrefana
  • Amboasary Atsimo – Anosy
  • Ambilobe – Diana
  • Antalaha – Sava

III – FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

MINISITERAN’NY FOLOALINDAHY

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-372 tamin’ny 04 aprily 2020 ary manendry ny Général de Division RAKOTOSON Jocelyn ho Lehiben’ny Etamazaorin’ny Tafika an-tanety.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-212 tamin’ny 24 febroary 2021 ary manendry ny Colonel RABEMIZANA Toky Fihandrianana, ho Lehiben’ny Etamazaorin’ny Tafika an’habakabaka.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-830 tamin’ny 18 aogositra 2021 ary manendry ny Vice-amiral GA Jacquy Honoré, ho « Major Général des Armées » ny Etamazaorin’ireo Tafika.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-869 tamin’ny 01 septambra 2021 ary manendry ny Général de Brigade RAMANANTSOA Harifidy Roland, ho « Sous-Chef d’Etat-Major en charge de la Chaîne Organique de l’Etat-Major des Armées »

MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RANDRIANJARA Clara, ho Talen’ny Serasera.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa TALBOT Antonio Christophe Gino, ho Talen’ny Fanitarana ara-toekarena

MINISITERAN’NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAZAFINDRAJERY Mino Lalaina Harifeno, ho Talem-paritry ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany Betsiboka.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1588 tamin’ny 30 novambra 2022 ary manendry an’Andriamatoa RAZAFINDRATSIMBA Gilbert Vonjinomenjanahary, ho Tale Jeneralin’ny « Fonds National Foncier » na FNF.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RANDRIANATOANDRO Solofoniaina, ho Talem-paritry ny fitsinjaram-pahefana sy fanajariana ny tany Vakinankaratra.

MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-646 tamin’ny 10 aprily 2019 ary manendry an’Andriamatoa RABARIARISON Fanomezana, ho « Directeur de la Formation, des Recherches et des Stages »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa ANDRIAMBOAVONJY Dimby Rakoto, ho « Directeur des Etudes et de la Programmation »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1477 tamin’ny 26 oktobra 2022 ary manendry an’Andriamatoa RANDRIANARISOA Hery Lova Fidy, ho Talen’ny Trano Printim-pirenena
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAZAKAMANANA Marilys Victoire, ho « Directeur d’Appui, de suivi et d’Evaluation »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1478 tamin’ny 26 oktobra 2022 ary manendry an’Andriamatoa MIRAY Elvin, ho « Chef de Commission Régionale des Marchés Androy »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-2211 tamin’ny 11 desambra 2019 ary manendry an’Andriamatoa MANARINA Claude Manoela Solomampionona, ho « Chef de Commission Régionale des Marchés Anosy »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-2213 tamin’ny 11 desambra 2019 ary manendry an’Andriamatoa RAVANOMANANA Mandimbisoa Paul, ho « Chef de Commission Régionale des Marchés Atsimo Andrefana »

MINISITERAN’NY ATITANY

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2018-1092 tamin’ny 04 jona 2018 ary manendry an’Andriamatoa RASOLONDRAIBENY Alain, ho « Directeur d’Appui à la Gestion de l’Ordre et de la Sécurité Publics ».
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1127 tamin’ny 06 jona 2019 ary manendry an‘Andriamatoa RAKOTOMALALA Richard, ho Préfet an’Ambositra.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-115 tamin’ny 12 febroary 2020 ary manendry an’Andriamatoa FALY Aritiana Fabien, ho « Coordonnateur Général de Projet du Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes. »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-113 tamin’ny 12 febroary 2020 ary manendry an’Andriamatoa RAHOLINARIVO SOLONAVALONA Paolo Emilio, ho « Directeur des Etudes du Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes »(BNGRC).
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-112 tamin’ny 12 febroary 2020 ary manendry an’Andriamatoa RAZAFIMANDIMBY John Heriniandry, ho « Directeur du Centre d’Etudes, de Réflexion, de Veille et de l’Orientation du Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes » (BNGRC).
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-994 tamin’ny 06 jolay 2022 ary manendry an-dRamatoa RAHARIJAONA Andoniaina Norosoa, ho Lehiben’ny Distrikan’Ambohidratrimo
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-581 tamin’ny 26 may 2021 ary manendry an-dRamatoa RANDRIANAIVO Voahangindraibe Ravakiniaina, ho Lehiben’ny Distrikan’i Betafo
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1541 tamin’ny 18 novambra 2020 ary manendry an’dRamatoa ANDRIAMANANA Ravaka, ho Lehiben’ny Distrikan’Ambilobe.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-634 tamin’ny 04 may 2022 ary manendry an’Andriamatoa TODIVELO Cyrille, ho Lehiben’ny Distrikan’i Port- Bergé
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-297 tamin’ny 22 marsa 2023 ary manendry an-dRamatoa ZARANIVO Ernestine, ho Lehiben’ny Distrikan’Ifanadiana
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-1052 tamin’ny 30 aogositra 2023 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTOARIMANANA David Emmanuel, ho Lehiben’ny Distrikan’Iakora.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-578 tamin’ny 17 may 2023 ary manendry an’Andriamatoa RALALAHARISON Oninirina Mamiko, ho Lehiben’ny Distrikan’i Betroka.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-039 tamin’ny 12 janoary 2022 ary manendry an’Andriamatoa MANAY Alison Fabrice, Lehiben’ny Distrikan’i Miandrivazo.

MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-431 tamin’ny 19 aprily 2023 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTONIRINA Fanomezantsoa Dina Andrianina, ho « Directeur de la Protection des Consommateurs »

MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY FIOMPIANA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1090 tamin’ny 13 oktobra 2021 ary manendry an-dRamatoa RAHARINOMENA Fanjaniaina Miharisoa, ho Sekretera Jeneraly.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa ANONDRAKA Michel, ho Tale Jeneralin’ny Fambolena sy Fiompiana.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAHERIJAONA Noro Clara, ho « Directeur de la Communication, du Système d’Information et de la Digitalisation »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1101 tamin’ny 13 oktobra 2021 ary manendry an’Andriamatoa RABEONY Voara Ambinintsoa, ho « Directeur des Affaires Juridiques et Contentieuses »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RANDRIANAIVOMANANA Andritiana Luc, ho « Coordonnateur Général des Projets et Partenariats »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1098 tamin’ny 13 oktobra 2021 ary manendry an-dRamatoa RAZAFIMPAMOA Hanitra Nirinalinoro Lucile, ho « Directeur d’Appui à la Production et au bien-être Animale »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-095 tamin’ny 01 febroary 2023 ary manendry an-dRamatoa RAKOTOARISAONA Mitia Finoana, ho « Directeur de la Vulgarisation et de la Professionnalisation des Producteurs »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1374 tamin’ny 28 septambra 2022 ary manendry an’Andriamatoa RAMAHEFASOA Bettelhein, ho « Directeur des Services Vétérinaires »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1248 tamin’ny 10 novambra 2021 ary manendry an-dRamatoa RAMILIARIJAONA Nomenjanahary Saholy, ho « Directeur de la Protection des Végétaux »

MINISITERAN’NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY FAMPIOFANANA ARAK’ASA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-368 tamin’ny 31 may 2021 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTOMALALA Andriamarosata Joël, ho Talem-paritry ny fampianarana teknika sy fampiofanana arak’asa Vakinankaratra.

MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-182 tamin’ny 02 febroary 2022 ary manendry an-dRamatoa LOVATIANA Andrianaivo, ho Tale Iraisam-paritry ny minisiteran’ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ao Fianarantsoa.

MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RANDRIANARISON NDRIAMANJAVA Thierry, ho Talem-paritry asa vaventy Betsiboka.

MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 1721 tamin’ny 04 septambra 2019 ary manendry an-dRamatoa FANOMEZANTSOA Marie Robine, ho Talem-paritry Serasera sy ny Kolontsaina Melaky
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-223 tamin’ny 9 marsa 2023 ary manendry an-dRamatoa RAMILISON Nomenjanahary Vololona, ho Talen’ny « Dépêche Informative TARATRA »

MINISITERA DELEGE MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-908 tamin’ny 08 septambra 2021 ary manendry ny Général de Division BOTO Lucien Maurice, ho Lefitra voalohan’ny Komandin’ny Zandarimariam-pirenena
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-906 tamin’ny 08 septambra 2021 ary manendry ny Général de Division NIXOR Tsitambala, Lefitra Faharoa ny Komandin’ny Zandarimariam-pirenena
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-939 tamin’ny 15 septambra 2021 manendry ny Général de Brigade RAMASITERA Ny Haingo Zafinirina, ho Komandin’ireo sekoly sy fanofanana eto amin’ny zandarimariam-pirenena.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1193 tamin’ny 27 oktobra 2021 ary manendry Général de Brigade BAMA Marima, ho « Directeur Général adjoint de la sécurité routière ».
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1268 tamin’ny 10 novambra 2021 ny Général de Brigade RANDRIANARIJAONA Herifidy Jocelyn, ho « Directeur de l’organisation et de l’emploi »

IV- FANAFOANANA

MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY FIOMPIANA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1247 tamin’ny 10 novambra 2021 ary nanendry ny Tale Jeneralin’ny Fambolena
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1092 tamin’ny 13 oktobra 2021 nanendry ny Tale Jeneralin’ny Fiompiana
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1182 tamin’ny 27 oktobra 2021 nanendry ny « Directeur d’Appui à l’Organisation des Producteurs et l’Agro-business » (DOPAB)
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1094 tamin’ny 13 oktobra 2021 ary nanendry ny « Directeur de l’Unité de Gestion des Systèmes d’Informations et de la Digitalisation (USID) »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-015 tamin’ny 04 janoary 2023 nanendry ny Talen’ny Cellule de Communication (CelCom).
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1096 tamin’ny 13 oktobra 2021 nanendry ny « Directeur de la Planification et du Suivi Evaluation (DPSE) »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1133 tamin’ny 20 oktobra 2021 nanendry ny « Directeur de l’Unité d’Appuis aux Projets Présidentiels » (UAPP)

Natao ny faha-13 Marsa 2024

Ny Minisitry ny Fampianarana ara-teknika sy Fanofanana ara-kasa,

Lalatiana RAKOTONDRAZAFY, Mpitondra Tenin’ny Governemanta,

Ny Fitaleavan’ny Serasera

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika

TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA ALAROBIA 06 MARSA 2024, LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia faha-06 Marsa 2024 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Andry RAJOELINA, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara ary natrehin’Andriamatoa NTSAY Christian, Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

I- FAMPITANA AM-BAVA

FIADIDIANA NY REPOBLIKA

Mitohy ny fampahafantarana ny fandaharanasa maika, ao anatin’ny fanatanterahana ny 100 andro voalohany nitondran’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika sy nametrahana ny Governemanta, dia ny tomban’ezaka efa vita sy ny asa mbola miandry ao anatin’izay 100 andro izay.

Nanome toromarika Andriamatoa Filohan’ny Repoblika fa ankoatran’ny fampandehanana ny asa andavanandro, ny ezaka atao ao anatin’ny 100 andro dia tokony ahitana tetikasa goavana sy miavaka izay hahazoana vokatra azo tsapain-tanana, mipàka any amin’ny fiainam-bahoaka sy any amin’ny fandaharanasan’ny minisitera tsirairay.

Minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany :

mitsinjara 3 lehibe ny lamin’asa tsy maintsy tanterahina maika :

  • Fampanaraham-penitra ny fitrandrahana volamena atao tanana : Kendrena ho mpitrandraka madinika hatrany amin’ny 5.000 no tafiditra ao anatin’ny sehatra manara-penitra ka mba hahamora ny fanisana ireo mpitrandraka ireo dia hapetraka ny fifehezana isaky ny faritra itrandrahan’izy ireo avy (zone d’encadrement) ka kendrena ho 91 isa ireo “zones d’encadrement” tafapetraka ireo ao anatin’ny 100 andro.
  • Fanomezan-danja ny sehatry ny volamena amin’ny alalan’ny fametrahana fanadiovana volamena (raffinerie aurifère nationale) : fanaovana ny fanadihadiana mialohan’ny fananganana ny “raffinerie” no tena hotontosaina ao anatin’ny 100 andro. Etsy ankilany dia hampidirina ao anatin’ny “comptoirs de l’or” manara-penitra koa ireo mpanangona volamena (collecteurs) sy mpanivana volamena (orpailleurs). Kendrena ho 2.500 isa ny mpanivana volamena ary 60 ireo mpanangona ho tafiditra ao anatin’ny “comptoirs” efa nahazo fankatoavan’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fananganana azy. Farany dia kendrena ho 500 kg ny volamena aondrana amin’ny fomba ara-dalàna ao anatin’ny 100 andro ka misy famerenam-bola araka ny tokony ho izy eto Madagasikara mba ho hita mazava ny vola miditra ho an’ny firenena. Hatreto anefa aloha dia misedra olana izay sehatry ny fanondranana izay noho ny fahasarotan’ny fanangonana volamena eny ifotony, satria lafo be ny vidin’ny volamena eny amin’ireo mpanivana ankehitriny, mbola lafo noho ny vidin’ny volamena eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Vokatr’izany dia mbola mila ezaka mafy manokana ny fiaraha-mientan’ny tompon’andraikim-panjakana rehetra voakasika mba hanatrarana ny tanjona.
  • – Fanatsarana ny fahaiza-mitantana eo amin’ny sehatry ny volamena sy ady amin’ny trafikana volamena : kendrena ho toeram-pitrandrahana volamena tsy ara-dalàna miisa 20 no fantatra ka tokony irosoana ny fandravana azy sy fanajanonana ny fitrandrahana tsy ara-dalàna. Eo koa ny fametrahana fiaraha-miasa matotra eo amin’ny mpitandro filaminana sy ny Minisitera, indrindra eo amin’ny fivoahana mankany ivelany. Hatreto koa, dia mila ezaka manokana ny famerenana ny vola avy any ivelany (rapatriement de devises) avy amin’ireo efa nahazo fankatoavana hanondrana tamin’ny volana Septambra 2023.Nanome toromarika Andriamatoa Filohan’ny Repoblika mba omena roa volana ireo mpanondrana efa nomena fankatoavana (agrément) nanangana “comptoir” hanaja ny fanekena nosoniaviny tamin’ny fanomezana azy izany fankatoavana izany, dia ny fanajana ny lanjana volamena aondrana mifanaraka amin’izay voasoratra ao anaty fankatoavana, sy ny tsy maintsy hampodiana ny vola eto Madagasikara aorian’ny fanondranana. Tokony mahavita manondrana farafahakeliny 15% ny totalin’ny lanja nanomezana fankatoavana azy, ireo mpanondrana volamena efa nahazo izany ary manao ny famerenam-bola mifanaraka amin’izany. Raha tsy vita ireo ao anatin’izay 2 volana izay, dia tsy maintsy hotsoahina amin’izy ireo ny fankatoavana efa nomena.

Minisiteran’ny Fitsarana :

  • Famerenana ireo voafonja eo amin’ny anivon’ny fiarahamonina rehefa avy manefa sazy izy ireo : vehivavy voafonja miisa 300 no kendrena ho voaofana arak’asa ao anatin’ny 100 andro, ka hatreto dia efa 224 no nahazo fiofanana amina sehatr’asa isan-karazany toy ny zaitra, ny fandrahoana sakafo, ny asa tanana sy ny sisa. Izany dia iaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka ao anatin’ny tetikasa « Fanarenana ». Eo koa ny fanatsarana ny fepetra famonjana ireo zaza mbola tsy ampy taona, ny fanatsarana ny fitsaboana eny amin’ny fonjan’i Tsiafahy ka nanomezana dokotera manokana hiasa eny amin’ity toeram-pamonjana ity, ny fanatsarana ny sakafo hohanin’ireo voafonja ka nanaovana ny tetikasa fambolena ataon’ireo voafonja ihany, ka izay zavatra vokarin’izy ireo ihany no hohaniny, mba ho ara-pahasalamana. Velaran-tany mirefy 534,30 hektara no efa voavoly hatreto amina toerana voatokana (camps pénaux) miisa 8 manerana an’i Madagasikara. Misy fitsinjovana manokana ihany koa ireo voafonja manana olana tsy fanjarian-tsakafo, ka voafonja tsy ampy sakafo miisa 525 no efa nanaovana fandraisana an-tanana manokana, ao anatin’ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka ihany.
    Ho an’ny fitantanan-draharahan’ny fonja dia nanome toromarika manokana Andriamatoa Filohan’ny Repoblika ny hanafainganana ny fampiofanana ireo voafonja mba hahafahan’izy ireo mahaleo tena sy mivelona rehefa nahavita ny saziny ka hiverina eo anivon’ny fiaraha-monina. Toraka izay ihany ihany koa ny tokony hanafainganana ireo vokatra azo avy amin’ireo « camps pénaux » mba hahafahan’ireo fonja mahazo tombontsoa amin’ireo toerana voatokana ireo
  • Mikasika ny fitokanana fotodrafitrasa : dia efa misy tribonaly ambaratonga voalohany miisa 3 vonona azo tokanana dia ny eny Antananarivo Avaradrano, any Sambava ary any belo-Tsiribihina. Fonja manara-penitra miisa 3 ihany koa no efa vonona azo tokanana, dia ny any Antananarivo avaradrano, Fenoarivo Atsinanana ary Belo Tsiribihina. 
  • Nanao fanentanana manokana mikasika ny ady amin’ny fidorohana zava-mahadomelina ihany koa ny Minisitera, ka mpianatra miisa 17.809 miparitaka amin’ny sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny Fanjakana miisa 26 manerana an’i Madagasikara.
  • Mikasika ny ady amin’ny kolikoly dia nametrahana “caméras de surveillance” ireo tribonaly mba hijerena ireo mpanelanelana na “rabatteur” eny anivon’ny fitsarana samihafa ireny, napetraka ihany koa ny « carnets de suivi des dossiers » ahafahan’ny olom-pirenena manana raharaham-pitsarana na mikarakara taratasy eny anivon’ny fitsarana, ka tribonaly 07 no efa nametrahana izany eny anivon’ny sampan’ny mpiraki-draharaha (greffes). Miisa 2.500 ireo « carnets de suivi de dossiers » mitsinjara amin’ny tobim-pitsarana miisa 4 no efa voatsinjara hatreto. Fandraisana ny fitarainan’ny olona mikasika ny mety ho trangana kolikoly eo amin’ny fitsarana sy ny fonja. Ao anatin’ny 100 andro dia kendrena ho fitarainana miisa 70 no ho voakirakira ka handraisana fepetra raha voamarina ny trangana kolikoly anton’ny fitarainana. Efa mipetraka rahateo ankehitriny ny rindran-baiko ahafahana manao fitarainana antsoina hoe « fitsarana, valio ny tarainako » www.fitsarana-valio-tarainako.mg). Nanome toromarika amin’ny fanaovana fitsidihana tampoka ireo fonja manerana an’i Madagasikara ihany koa ny Filan-kevitry ny Minisitra mba hijerena izay tsy fanarahan-dalàna mitranga vokatry ny kolikoly any anatin’ireny toeram-pamonjana ireny.
  • Mikasika ny fampiharana ny lalàna famaizana ireo fanolanana feno habibiana atao amin’ny zaza tsy ampy taona, nankasitrahan’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika manokana ny ezaka natao nahatratrarana haingana ilay tovolahy nahavanon-doza nanolana ilay zazavavy kely 6 taona teny Imerintsiatosika ary namporisika manokana izy ny tokony haha-hentitra ny fanarahan-dalàna ao anatin’ny fanasaziana ny olona voaheloka. Manamafy ny tsy maintsy hamongorana amin’ny fomba rehetra ity fanolanana atao amin’ny zaza tsy ampy taona ity manerana ny Nosy Andriamatoa Filoha.

Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena

Fitsinjarana ireo fitaovana any an-tsekoly no tena laharam-pahamehana :

  • Kendrena ho dabilio miisa 12.000 no ho voatsinjara amin’ireo sekoly samihafa manerana an’i Madagasikara,
  • Kendrena ho « tablettes » miisa 2.500 no ho voatsinjara amin’ireo sekoly manara-penitra samihafa. Mikasika ny aron’akanjo izay hozaraina amin’ny mpianatra dia kendrena hahatratra 659.000 isa no hotsinjaraina ho an’ny mpianatra taona voalohany na T1, ary ny vehivavy malagasy ihany no hanjaitra azy ireo araka ny toromarika nomen’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika. Efa voafaritra mazava ny dingana samihafa tokony hatao amin’izany, araka ny fiaraha-miasa amin’ny fandaharanasa Fihariana sy ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa.
  • Misy koa ny fanamboarana ireo tafona sekoly simban’ny rivodoza, ka kendrena ho tafo miisa 3.726 sy andrihazo tohana tafo miisa 1.000 no ho voatsinjara amin’ireo sekoly hisitraka izany. 
  • Torolanana miisa 23.000 ho an’ny mpampianatra amin’ny taona faharoa na T2 ho an’ny taranja kajy sy malagasy no kendrena ho voatsinjara manerana ny Nosy.
  • Mpianatra miisa 1.769.450 no hisitraka kahie (96 pejy, 48 pejy, 32 pejy kahie fianarana manoratra ary 32 pejy kahie fanaovana sary) no ho voatsinjara.
  • Sekoly miisa 1129 no hisitraka sakafo na “cantines scolaires”, mitsinjara amina EPP, CEG ary Lycée efa voafaritra.
  • Sekoly manara-penitra miisa 65 izay efa voatsangana no kendrena hampiodinina, amin’ny alalan’ny fampitaovana sy fanomezana fitaovana ara-informatika.
  • Sekoly manaram-penitra vaovao miisa 23 izay hahitana efitrano 2 isanisany no kendrena ho vita, efa nanomboka tamin’ny taona lasa tamin’ny ampahany izy ireo.

MINISITERAN’NY FOLOALINDAHY

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hetsika sy ny tetiandro entina manamarika ny fahatsiarovana ny faha-77 taonan’ny 29 marsa 1947, ho an’ity taona 2024 ity. Ho fanomezan-danja ny maha-Malagasy, sy fampahafantarana ny tantaran’ny tolom-panafahana amin’ny alalan’ny fampirantiana samihafa ary fankasitrahana ireo mpiady tia tanindrazana akanga sisa nanamboarana no tena votoatin’ny hetsika manerana ny faritra 24.

Hiavaka kosa ny eto Antananarivo, Moramanga ary Manakara.

Ny zoma 15 Marsa 2024 no hanomboka ny fanamarihana amin’ny alalan’ny valandresaka ataon’ny komity teknika mpanomana ny hetsika, ny zoma 22 marsa 2024 kosa no hisokatra amin’ny fomba ofisialy ny hetsika amin’ny fampirantiana ao amin’ny Fitaleavan’ny Mpiady Tia Tanindrazana Analakely sy ao amin’ny Ministeran’ny Kolontsaina sy ny Serasera eny Anosy. Manomboka ny 25 Marsa 2024 kosa dia hitety sekoly ny fampirantiana eto Antananarivo sy ny manodidina.

Ny 23 marsa dia hisy ny fotoam-pivavahana eny amin’ny fiangonana advantista Soamanandrariny, ary ny 24 marsa dia fotoam-pivavahana iraisam-pinoana FFKM eo amin’ny Katedraly FJKM Analakely.

Ny Zoma 29 marsa no tena ivon’ny fahatsiarovana amin’ny alalan’ny fametrahana fehezam-boninkazo sy fampiroboroboana ny afo tsy maty, fa ho an’i Moramanga manokana dia hisy ny fitokanana ny trano ho an’ny mpiady tia tanindrazana na “maison de retraite” izay efa toromarika nomen’Andriamatoa Filoha manokana. Hisy ny fizahana ara-pahasalamana ho an’ny beantitra ao amin’io toerana io, mba ho fanohanana azy ireo, izay hatao isam-bolana rahateo ihany koa.

MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezan-dalana ny fanetsehana ny singa antsoina hoe “contingence pour la réponse aux urgences – CERC” ao anatin’ny tetikasa « Connecter Madagascar pour une croissance inclusive – PCMCI » iarahana amin’ny Banky iraisam-pirenena mba hanatanterahana ny asa maika ho fanamboarana ny RN4 sy ny RN6 sy ny fanamboarana ny seranan-tsambon’i Mahajanga. Manoloana ny vanim-potoanan’ny orana ankehitriny dia ahitana fahasimbana betsaka ireo lalam-pirenena ireo, izany no antony nanaovana fifampiraharahana tamin’ny Banky iraisam-pirenena mba hanetsehana ireo singa anatin’ny tetikasa PCMCI ireo, hanaovana ireo asa maika tsy maintsy hatao.

Ny fampandehanana ity singa CERC ity, izay hiarahana amin’ny Banky Iraisam-pirenena dia hiantoka ireo asa maika fanajariana ireo lalana, ny fanamboarana sy fametrahana fotodrafitrasa mitentina 60 tapitrisa dolara.

MINISITERAN’NY TANORA SY NY FANATANJAHAN-TENA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezana alalana manokana hampiasana vola tsy manaraka ny tahan’ny fandaniana na “taux de regulation” ampiharina amin’ny fandaniam-bolam-panjakana amin’ity telo volana voalohany ity, ho an’ny fanomanana ireo atleta malagasy handray anjara amin’ny lalao afrikana 2024. Hotanterahina ny 08 ka hatramin’ny 25 marsa 2024 ho avy izao any Accra, Ghana ireo lalao afrikana ireo. Ankoatra izay, dia misy lalao iraisam-pirenena maromaro hafa koa, handraisan’i Madagasikara anjara ka ilaina tetibola manokana ny fiomanana aminy, dia hanomezana alalana manokana amin’ny fampiasambolam-panjakana koa tsy manaraka ny “taux de regulation” ho an’ny telo volana voalohany. 25% moa ny taha faritan’ny lalàna mifehy ny fandaniam-bolam-panjakana taona 2024, ka mba ho fanampiana manokana ireo mpanao fanatanjahan-tena araka ny laharam-pahamehana efa napetran’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika dia omena alalana manokana ny Minisitera amin’ny fanomanana ireo lalao iraisam-pirenena samihafa ireo mba hampiasa taha 50%.

MINISITERAN’NY TONTOLO IAINANA SY NY FAMPANDROSOANA LOVAIN-JAFY

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny fanatanterahana ny tetikasa fampiroboroboana ny toekarena miodina eo amin’ny sehatry ny lamba sy ny akanjo amin’ny fitantanana maharitra ny akora simika sy ny fako (ID FEM 10543) » iarahan’i Lesotho, Madagasikara ary Afrika Atsimo. Ny tahirimbola ho an’ny tontolo iainana maneran-tany (Fonds pour l’Enivronnement Mondial-FEM) sy ny Sampan-draharahan’ny firenena mikambana misahana ny indostria na ONUDI no mamatsy vola tanteraka io tetikasa io, ka hirosoana amin’ny fifanaraha-panatanterahana miaraka amin’ireo firenena 2 hafa voakasika.

Ny fampihenana ireo fako mandoto tontolo iainana sy akora simika avy amin’ny lamba, ary ny fampiroboroboana ny tamberin’andraikitr’ireo orinasa (RSE) no iompanan’ny tetikasa. Faritra 2 ho antsika eto Madagasikara no hanatanterahana ny tetikasa dia Analamanga sy Vakinankaratra. Hanazatra ity tetikasa ity, amin’ny fampiharana ireo fomba fanao tsara sy fanarahana ireo fenitra sy lasitra iraisam-pirenena.

II. FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA

MINISITERAN’NY ATITANY

Nolanian’ny Filan-kevitry ny minisitra ny didim-panjakana nanova ny didimpanjakana n°2015-593 tamin’ny 1 aprily 2015 ary manangana ny distrikan’Antanimora Sud, sarahina amin’ny distrikan’Ambovombe, ho an’ny faritra Androy. Izay dia novana tamin’ny didim-panjakana n°2021-891 tamin’ny 8 septambra 2021.

Ny fanadihadiana ataon’ny minisitera momba ireo fangatahana fananganana Distrika vaovao dia mifototra amin’ny fepetra ara-jeografika toy ny fahalaviran’ny toerana sy fitokana-monina, ary eo ihany ihany koa ny fepetra momba ny fitovian’ny ara-toekarena, sosialy ary kolontsaina. Marihina fa ny fananganana Distrika vaovao dia vokatry ny fangatahana avy amin’ny vondrom-piarahamonina, manam-pahefana ary tompon’andraikitra eny ifotony toy ireo Olobe, ireo parlemantera sy ireo ben’ny tanàna.

Raha tsiahivina noho ireo fangatahana maro ireo dia efa nampanantenain’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika tamin’ny fampielezan-kevitra izay nataony teny ifotony fony izy mbola kandida ho filoha farany teo ity fanomezana Distrika vaovao an’Antanimora Atsimo ity.

Manomboka izao araka izany dia ireo avy ny kaominina mandrafitra ny distrikan’Ambovombe : Ambovombe, Ambanisarika, Ambazoa, Ambohimalaza, Ambonaivo, Ambondro, Analamary, Anjeky Ankilira, Erada, Maroalimainty, Maroalipoty, Sihanamaro, Tsimanada. Ho an’ny distrikan’Antanimora Atsimo kosa dia ireto ny kaominina handrafitra azy manomboka izao : Antanimora Atsimo, Ampamata, Andalatanosy, Imanombo, Jafaro, Marovato Befeno, Andragnanivo, ary Andoharano.

MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manova sy manampy ireo andininy sasantsasany amin’ny didim-panjakana n°2015-0667 tamin’ny 14 Aprily 2015 momba ny fananganana, fandaminana ary fampandehanana ireo Centres Hospitaliers Universitaires na CHU.

Izany dia mba hampifanarahana azy amin’ny lalàna 2018-037 tamin’ny 08 Febroary 2019 mifehy ny sampan-draharaham-panjakana « Etablissements Publics Nationaux ». ny fanovàna ny firafitry ny filan-kevim-pitantanana ny CHU, ny anjara andraikitry ny Tale mpitantana azy ireny, ny firafiny (organigramme), ary ny fomba fandaniam-bola eny anivon’izy ireny no nasiam-panamboarana mba hanatsarana ny fomba fitantanana. Ao anatin’izany ny fanomezana alalana manokana ny hopitaly CHU hanana « régie de recette » sy “régie d’avance » mba hahafaingana kokoa ny fiodinan’ireny hopitaly ireny, ho an’ny tombontsoan’ireo vahoaka mitsabo tena eny.

Nanao fanamarihana ny Filohan’ ny Repoblika fa faralahy foana hatrizay ny Hopitaly Miaramila eo Soavinandriana, nefa dia tena hita fa mamonjy aina maro dia maro ka hisy ny fijerena azy io manokana miaraka amin’ny Fiadidina ny Repoblika sy ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena izay miandraikitra tanteraka ny fampandehanana ny Hopitaly.

III – FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RABEMANANJARA Harifera Elisa, ho Tale Jeneralin’ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAHAJARIZAFY Lanto, ho Tale Jeneralin’ny « Partenariat au Développement et de la Diaspora »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa NERIKY Misizara Alicia, ho Talen’ny « Promotion du Partenariat pour le Développement ».
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAMORASATA Holisoa Sylviana, ho « Directeur des Relations Bilatérales ».

MINISITERAN’NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY FANAJARIANA NY TANY

  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAHARISON Jaona Andrianantenaina, ho « Directeur de l’Audit Interne »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RANDRIANTSIFERANA Kanto Vaniah, ho « Directeur de la Logistique et du Patrimoine »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAKOTOZAFY Miheja, ho « Directeur de l’Evaluation, des Suivis et Contrôles »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2023- 031 tamin’ny 11 janoary 2023 ary manendry an’Andriamatoa RAZAFINDRALAMBO Guy Emmanuel, ho « Directeur de l’Observatoire du Territoire »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2022- 1221 tamin’ny 17 aogositra 2022 ary manendry an’Andriamatoa MAHAZOASY Mevazara Roger Florent, ho « Directeur de la Coopération des Collectivités »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa ZARA Olivier, ho Talem-paritry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany ao Ihorombe.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAMILISON Giovanni, ho Talem-paritry ny Fitsinjaram-pahefana sy fanajariana ny tany ao Vatovavy.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RASEDIMAHEFA Tsimiebo ho Talem-paritry ny Fitsinjaram-pahefana sy fanajariana ny tany ao Menabe.

MINISITERAN’NY ATITANY

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2018-867 tamin’ny 26 jolay 2018 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTONANAHARY Jean Yves Ravo Marie Ferdinand, ho « Directeur des Affaires Juridiques »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2017-1147 tamin’ny 08 desambra 2017 ary manendry an-dRamatoa ANDRIANTOMPONERA Nalisoa Voahangiarimino, ho Tale Jeneralin’ny Atitany.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1537 tamin’ny 16 novambra 2022 ary manendry an-dRamatoa RAKOTONIRINA Holy Volana, ho « Directeur Général du Centre National de l’Etat Civil et de l’Identité ».
  • Nolaniana ny didim-panjakana ary manendry an’Andriamatoa ROLLAND, ho « Directeur de la Cellule Environnementale ».
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-676 tamin’ny 11 mai 2022 ary manendry an’Andriamatoa AMBININTSOA Jean José, ho Préfet Toamasina.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-2031 tamin’ny 30 oktobra 2019 ary manendry an’Andriamatoa RALAIHARISON Nirina Thiery, ho Préfet de Fianarantsoa.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-018 tamin’ny 15 janoary 2020 ary manendry an’Andriamatoa RATSARAMIANDRISOA ANDRIANANTOANINA Solofonirina, ho Lehiben’ny Distrikan’Ambatomainty.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1142 tamin’ny 13 aogositra 2022 ary manendry an’Andriamatoa RAJAOFERA Eugène, Lehiben’ny Distrikan’i Morafenobe.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-1050 tamin’ny 30 aogositra 2023 ary manendry an’Andriamatoa RAVELONANDRO Tsimbazafy Abdon Marie, ho Lehiben’ny Distrikan’i Morombe.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-427 tamin’ny 19 aprily 2023 ary manendry an-dRamatoa BOTOTSAKO Vonjy Manantenasoa, ho Lehiben’ny Distrikan’i Sakaraha
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-545 tamin’ny 27 may 2020 ary manendry an’Andriamatoa RANDRIANAIVOJAONA Navalona Rafanoharana, ho « Directeur des Opérations auprès de l’Unité de Coordination Générale des Projets et Partenariats ».
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-037 tamin’ny 11 janoary 2023 ary manendry an’Andriamatoa RATSIMBAZAFY Mamisoa Niaina Nirina, ho « Directeur des Affaires Juridiques, du Partenariat et de Relation Publique du Centre National de l’Etat Civil et de l’Identité »

MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAMIANDRASOA Ianja Ulric Salomon, ho « Directeur de l’Emergence Industrielle »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RABARIMANANA Jeannot Fidèle, ho Talem-paritry ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra Alaotra Mangoro.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa ZAFIMIHARY Ruffin, ho Talem-paritry ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra Ihorombe.

MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-665 tamin’ny 24 jona 2020 ary manendry an-an-dRamatoa DOMINIQUE Volaravo Josie, ho « Directeur de la Recherche et de l’Innovation »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry ny Profesora LAZAMANANA André Pierre, ho Tale Jeneralin’ny Fampianarana Ambony.

MINISITERAN’NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY FAMPIOFANANA ARAK’ASA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RANDRIANTSIVERY Jean Remi, ho « Directeur des Examens »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-695 tamin’ny 11 may 2022 ary manendry an’Andriamatoa RAZAFINDRAKOTO Zakanaivo Radoniaina, ho Talem-paritry ny fampianarana teknika sy fanofanana arak’asa Bongolava
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-788 tamin’ny 25 may 2022 ary manendry an’Andriamatoa RANJATONANTENAINA Toky Armel, ho Talem-paritry ny fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak’asa Boeny
  • Nolaniana manendry an’Andriamatoa RANAIVO RAHAMEFY Lanto Zo, ho Talem-paritry fampianarana teknika sy fampiofanana arak’asa Analamanga
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-369 tamin’ny 31 martsa 2021 ary manendry an’Andriamatoa ANDRIAMIHARY Romuald Aldi Ferrand, ho Talem-paritry fampianarana teknika sy fampiofanana arak’asa Diana

MINISITERAN’NY MPONINA SY NY FIRAISAN-KINA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RASEMBOARIMANANA Harisse Jacquot, ho « Directeur du Registre Social Unique »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RATSIMBARISON Soanarindra Evelyne, ho « Directeur du Développement Social »

MINISITERAN’NY FIZAHANTANY SY NY ASA TANANA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RANDRIANIRINA Nororavaka Fabienne, ho « Directeur du Développement des Filières et l’Intégration Environnementale »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-062 tamin’ny 12 janoary 2022 ary manendry an-dRamatoa RASANJISON Lalà, ho Talem-paritry ny fizahantany sy ny asa tanana Vakinankaratra
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-779 tamin’ny 25 may 2022 ary manendry an-dRamatoa BEHAJAINA Cathy Milena, ho Talem-paritry ny fizahantany sy ny asa tanana Atsinanana.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1129 tamin’ny 20 okotobra 2021 ary manendry an’Andriamatoa RAMAMONJISOA Heriniaina Angelo, ho Talem-paritry ny fizahantany sy ny asa tanana Boeny
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-063 tamin’ny 12 janoary 2022 ary manendry an’Andriamatoa ABDOU Soamadou Bine Morchid, ho Talem-paritry ny Fizahantany sy ny Asa Atsimo Andrefana.

MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-471 tamin’ny 05 aprily 2022 ary manendry an’Andriamatoa RAHARISOLONIRINA Christian Joseph Alfred, ho « Directeur des Systèmes d’Information »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-472 tamin’ny 05 aprily 2022 ary manendry an-dRamatoa RASOANINDRINAHARINOSY Holy, ho « Directeur de la Régulation du Secteur Postal »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-473 tamin’ny 05 aprily 2022 ary manendry an’Andriamatoa ANDRIANEKENA Rado, ho « Directeur de la Transformation Digitale »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-176 tamin’ny 02 febroary 2022 ary manendry an-dRamatoa ORIFIONONANA Rakotozafy Andro, Directeur de la Conduite du Changement
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-308 tamin’ny 09 martsa 2022 ary manendry an-dRamatoa RAFALIMANANA Gillucia Nomen’Anjara, Directeur de la Cellule Anti-Corruption.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-177 tamin’ny 02 febroary 2022 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTOARIMALALA Manitriniaina Herintiana, Directeur de l’Intégration Numérique
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-175 tamin’ny 02 febroary 2022 ary manendry an’Andriamatoa RABENJAMINA Fenonirina Harinandrianina, Directeur de l’E-Gouvernance du Ministère du Développement Numérique
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-180 tamin’ny 02 febroary 2022 ary manendry an’Andriamatoa WILLIAM Jean Tsimamboly, ho Tale Iraisam-paritry fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra , ny paositra sy ny fifandraisan-davitra Atsiranana.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-178 tamin’ny 02 febroary 2022 ary manendry an’Andriamatoa ENIVEREALDO Zamabetsara, ho Tale Iraisam-paritry fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra , ny paositra sy ny fifandraisan-davitra Toamasina
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-181 tamin’ny 02 febroary 2022 ary manendry an’Andriamatoa RAZAFINDRADIA Herbert Martino, ho Tale Iraisam-paritry fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra , ny paositra sy ny fifandraisan-davitra Mahajanga.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-179 tamin’ny 02 febroary 2022 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTOARIVONY Toavina Julio Rocco, ho Tale Iraisam-paritry fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra , ny paositra sy ny fifandraisan-davitra Toliara

MINISITERAN’NY ANGOVO SY AKORAN’AFO

  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAVELOSON Cydolain, ho « Directeur Général par intérim de l’Office Malgache des Hydrocarbures »(OMH).

MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RANDRIAMAMONJISOA Solofomandimby Rakotonindrina, ho Talem-paritry ny asa vaventy Itasy

MINISITERAN’NY FITATERANA SY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-522 tamin’ny 19 mai 2023 ary manendry an’Andriamatoa ANDRIANARISON Tahiry Mandaniaina, ho Directeur Administratif et Financier de l’Ecole Nationale d’Enseignement Aéronautique et de la Météorologie (ENEAM)

MINISITERAN’NY ASA, NY FAMPANAN’ASA ARY NY ASAM-PANJAKANA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-784 tamin’ny 17 aprily 2019 ary manendry an-dRamatoa RABODONAVALONA Anjavolanirina Fenosoa Ravaka, Directeur des Etudes et des Affaires Juridiques.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-865 tamin’ny 24 aprily 2019 ary manendry an’Andriamatoa RANDRIATIANARISOA Fenitra, ho « Directeur de la Migration Professionnelle »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-059 tamin’ny 12 janoary 2022 ary manendry an’Andriamatoa RABESON Christian, ho « Directeur de la Réforme de la Fonction Publique »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-507 tamin’ny 05 may 2021 ary manendry an-dRamatoa RAJOELY Miamina Harilanto, ho « Directeur de la Sécurité Sociale des Travailleurs »

MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa ANDRIAMAMPIANINA Miora Hantaniaina, ho « Directeur du Contrôle Interne et de la Lutte contre la Corruption »

MINISITERAN’NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1012 tamin’ny 29 septambra 2021 ary manendry an-dRamatoa LANTOVOLOLONA Felaniaina Marie Stéphanie, ho « Directeur de l’Aquaculture »

MINISITERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-691 tamin’ny 26 aprily 2021 ary manendry an’Andriamatoa RAZANADRATEFA Zotonokinendry, ho Talem-paritry ny harena ankibon’ny tany Melaky
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-674 tamin’ny 23 jona 2021 ary manendry an’Andriamatoa MANDA Andrianarison, ho Talem-paritry harena an-kibon’ny tany Amoron’i Mania
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-2041 tamin’ny 30 oktobra 2019 ary manendry an’Andriamatoa MAHASOA MOSA Thierry, ho Tale Iraisam-paritry ny harena ankibon’ny tany Anosy sy Androy
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-673 tamin’ny 23 jona 2021 ary manendry an’Andriamatoa RASETRAHARISON Mihantaharimanana Tojonirina, ho Tale Iraisam-paritra Analamanga

MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1562 tamin’ny 23 novambra 2022 ary manendry an-dRamatoa RAVOLOLONJANAHARY Jeanique Marcelia, ho Talem-paritry ny serasera sy ny kolontsaina Atsimo Andrefana
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1102 tamin’ny 27 jolay 2022 ary manendry an-dRamatoa RAFARAHARINIVO Tantely Fanja Oliva Franckline, ho Talem-paritry ny serasera sy ny kolontsaina Boeny
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1319 tamin’ny 14 septambra 2022 ary manendry an’Andriamatoa RAVONIARISON Noel Liva, ho Tale Jeneralin’ny Trabom-bokim-pirenena.

MINISITERAN’NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-224 tamin’ny 24 febroary 2021 ary manendry an’Andriamatoa RANAIVOARISOA Fetra Haja, ho « Directeur des Appuis et des Relations avec les Partenaires du Tahiry Aina ho an’ny Fanatanjahantena sy Itsinjovana ny Tanora » (DARP/TAFITA)

MINISITERA DELEGE MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-266 tamin’ny 23 febroary 2022 ary manendry ny Colonel RAKOTONDRAMANANA Andriambololona François John Anthony, ho « Directeur de la Lutte contre la Corruption et de Traitement des Doléances »
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-907 tamin’ny 08 septambra 2021 ary manendry ny Général de Brigade RALAIVAONARY Andrianoasy D’y la Paix, ho Lehiben’ny Etamazaorin’ny Zandarimariam-pirenena.
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-880 tamin’ny 01 septambra 2021 ary manendry ny Général de Division RERIBAKE Jeannot, ho « Directeur Général de la Sécurité Routière ».
  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-740 tamin’ny 14 jona 2023 ary manendry ny Général de Division BOTOU Estelin, ho « Inspecteur Général de la Gendarmerie nationale. »

IV- FANAFOANANA

MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ireo didim-panjakana nanendry ny Tale sasany eo anivon’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny

MINISITERAN’NY MPONINA SY NY FIRAISAN-KINA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-437 tamin’ny 28 febroary 2024 nanendry ny « Directeur du Contrôle Interne et de la Lutte contre la Corruption »

MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

  • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2018-1596 tamin’ny 28 novambra 2018 nanendry ny Tale Jeneralin’ny Paositra Malagasy.

Natao ny faha-06 Marsa 2024

Ny Minisitry ny Fampianarana ara-teknika sy Fanofanana ara-kasa,

Lalatiana RAKOTONDRAZAFY, Mpitondra Tenin’ny Governemanta,

Ny Fitaleavan’ny Serasera

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika

TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA ALAROBIA 28 FEBROARY 2024, LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia faha-28 Febroary 2024 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Andry RAJOELINA, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara ary natrehin’Andriamatoa NTSAY Christian, Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

Voalohan-tenin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika dia ny fiarahabana ireo Minisitra eo anivon’ny Foloalindahy malagasy izay vao nahazo ny mariboninahitra ambony indrindra amin’ny rafitra misy azy avy.

I- FAMPITANA AM-BAVA

FIADIDIANA NY REPOBLIKA

Mitohy hatrany ny fanolorana ny asa tsy maintsy ho tanterahina ao anatin’ny 100 andro ho an’ireo ministera ao anatin’ny fanatanterahana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana, manaraka ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Repoblika.

Nandray anjara fitenenana ny Minisitry ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana.

Mikasika ny tetikasa EFAHO :

Ny asa vaventy (ouvrages de génie civil) ao anatin’ny faritra hitroana ny rano (zone de captage) ao Andakana dia efa nanomboka tanteraka ankehitriny. Ny asa fanomanana ny tany samihafa, ny fanatanterahana ny fisavana ny atitany, ny fanomanana ny tany hananganana ny fotodrafitrasa miisa 5 indrindra ny eo amin’ny fitehirizan-drano sy ny trano fikirakirana ny fitrandrahana no voakasik’izany. Miandry ny antoka 10 taona (garantie décennale) avy amin’ny orinasa nahazo ny tsenan’asa mikasika ny fametrahana ireo fotodrafitrasa ireo ny Minisitera ankehitriny.

Mitohy ny fanamboarana ireo fantson-drano lehibe (pipeline) ka orinasa roa lehibe dia ny “SUPERLIT” avy any Turquie sy ny “ ZHEJIANG HUAFENG NEW MATERIAL CO. Ltd” avy any Chine no mamaly ny fepetra ara-teknika rehetra ilaina ary miandraikitra izany.

Nanao fanamarihana Andriamatoa Filohan’ny Repoblika fa mila afainganina kokoa ny fanatanterahana ny asa satria andrandrain’ny vahoaka loatra ary tena hanova ny tantaram-pirenena ny tetikasa ka tsy maintsy arahina an-tsakany sy an-davany ny fe-potoana nifanarahana amin’ny fanatanterahana ny asa.

Mikasika ny fanadiovana ny tananan’Antananarivo ao anatin’ny “operation coup de poing”:

Ny “opération coup de poing” natao tamin’ny fiantombohan’ny volana dia efa nanena ny fako mivangogo : raha nahitana 1.500m3 isan’andro ny fako noraofina dia efa nihena ho 900m3 isan’andro izany izao. 139 no isan’ireo daba-pako nahitana fihoarana goavana ary efa nihena koa izany izao.

Fiara lehibe 8 no miasa amin’ireo 28 azontsika tamin’ny tetikasa GESDA miaraka amin’ny firenena Japoney ankehitriny manampy ireo fiara efa miasa ao amin’ny orinasa SMA. Mbola tsy maharaka anefa ny fahefa-manaon’ny orinasa SMA manoloana ny fitobahan’ny fako satria 30 no isan’ireo fiarabe ilaina isan’andro mba hahenika ny manerana an’Antananarivo, anefa mbola 21 ihany no afaka miasa hatreto.

Mila solika 5.000 litatra isan’andro koa ireo fiarabe ireo, anefa mbola 1.500 litatra isan’andro no tratra ka izay no antony tena mbola tsy ahafahan’ireo fiarabe rehetra miasa. Tsapa ihany koa fa misy olana amin’ny fandaminana asa sy ny fitantanana ara-bola ny eo anivon’ny SMA ka niadiana hevitra teo anivon’ny Filan-kevitry ny Minisitra mba hitadiavana vahaolana faran’izay haingana.

Nanome toromarika Andriamatoa Filohan’ny Repoblika mba hanohizana ny “opération coup de poing”, hametrahana tompon’andraikitra hanara-maso ny tena fandaniana solika marina, ka hametrahana fitiliana amin’ny alalan’ny GPS ny lalana andehanan’ireo fiarabe mpandroaka fako ireo, ary hamahana ireo olana samihafa ao anatin’ny fotoana fohy, ary koa hametrahana laharana maitso hiantsoan’ny mponina amin’ny fandraofana ny fako misavovona loatra.

Mikasika ny olan’ny famatsiana rano ankehitriny :

Efa mandroso vahaolana ny minisitera dia ny fametrahana tobin-drano lehibe (châteaux d’eau) any amin’ireo faritra tena ahitana fahasarotana ara-pamatsiana. Araka ny toromariky ny Filan-kevitry ny Minisitra tamin’ny 07 febroary 2024 teo, mikasika ny fananganana ireo tobin-drano lehibe ireo eny amin’ny faritra manodidina an’ Ambohipo, Alasora, Itaosy, Ivato, Andoharanofotsy, dia efa nanao fidinana ifotony ny avy eo anivon’ny Minisitera, niaraka tamin’ny sefo fokontany sy ny ben’ny tanànan’ireo kaominina ireo. Izany dia natao hijerena ny toerana hananganana azy ireny. Efa nisy ny fanadihadiana teknika izay natao, mba hijerena ny fahampian’ny fitaovana eo am-pela-tanana sy ny fitaovana ilaina hampifandraisana ny tobin-drano lehibe amin’ny tambajotran’ny ranon’ny orinasa JIRAMA, ary ny fametrahana paompin-drano sosialy hampiasain’ny olona.

Tsy hijanona amin’ny fampifandraisana amin’ny tambajotra efa misy anefa ny tetikasa fa hitady vahaolana hafa mba hisorohana ny fotoana tsy fahampian-drano izay matetika rehefa volana septambra sy oktobra

Mikasika ny fametrahana “points d’eaux” fanampiny amin’ny famatsiana rano fisotro madio:

Miisa 74 no hapetraka. Hatreto dia efa 33 no vita tanteraka, 32 no an-dalam-pametrahana ary tokony ho vita ao anatin’ny 100 andro, ary misy 5 kosa tsy maintsy atsahatra ny fifanarahana arak’asa amin’ny orinasa izay nahazo ny tsenan’asam-panjakana satria tsy nety nanomboka asa mihitsy izy ireo hatramin’izao. Misy koa ny fanatsarana isam-potoana voafaritra ny tambajotram-pamatsiana rano fisotro madio eto amin’ny faritra “Grand Tana” iarahana amin’ny orinasa JIRAMA.

MINISTERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny andiany fahatelo amin’ny “Forum Diplomatique d’Antalya »(FDA) ny 1 ka hatramin’ny 3 martsa 2024, any Türkiye.

Voaasa manokana hitarika ny delegasiona malagasy any Antalya, Turkiye, ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry RAJOELINA hanatrika ny dinidinika ara-diplomatika mitondra ny lohahevitra hoe « Diplomasia mahomby ho an’ny fandriampahalemana sy ny filaminana” na « Une diplomatie efficace pour la paix et l’ordre ». Ny Filoha tiorka no hitarika ny fivoriana, ka hodinihina mandritra izany ireo olana goavana amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena hita maneran-tany amin’izao fotoana izao. Ary hifampizarana ny fomba mahomby indrindra hanatrarana ny tanjona amin’ny fametrahana rafitra iraisam-pirenena mahomby, mampiaty sy ara-drariny, mba hisian’ny fandriampahalemana, ny filaminana sy ny fitoniana.

Ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara amin’ity fihaonambe iraisam-pirenena ity ihany koa dia hanamafy ny fifandraisany sy ny fiaraha-miasa amin’i Türkiye.

MINISITERAN’NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny famindrana amin’ny fanjakana ny tany mirefy 26a 04ca mifandray amin’ny tany mitondra ny anarana « Garage Provincial » TN°15413 A sy « Marché aux Bois et Garage Charrette » TN°1758 A ao Isotry, Kaominina Antananarivo Renivohitra, Faritra Analamanga.

Raha ny tantaran’ity ampahan-tany ity dia nomena ampiasain’ny faritanin’Antananarivo ny voalohany, dia ilay mitondra ny anarana hoe « garage pronvincial » ary nomena ampiasain’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra kosa ilay « Marché aux Bois et Garage Charrette » araka ny didim-pitondrana tamin’ny 25 Avrily 1936. Araka ny taratasy lf : 023/PM/CPGU/24 tamin’ny 02 Febroary 2024 dia nisy ny fangatahan’ny rafitra fisorohana sy ny fanohanana ny fitantanana ny hamehana (Cellule de Prévention et d’Appui à la Gestion des Urgences-CPGU) hampiasa ireo tany ireo. Izany dia hanaovana asa fananganana toeram-pialofana hamindrana ireo traboina rehefa misy loza voajanahary na hamehana hafa (abris communautaires à usage multiple) izay mirefy 26a 04ca ary hovatsian’ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana (BAD). Ka araka ny lalàna manan-kery dia tsy maintsy averina amin’ny Fanjakana izay tompon’ny tany aloha ireo ampahan-tany roa ireo izay vao afaka hanomezana fahazoan-dalana mampiasa na « affectation » vaovao ho an’ny fiadidiana ny Primatiora izay miahy ny rafitra CPGU.

Nanao fanamarihana ny Filohan’ny Repoblika fa tena ilana fiomanana foana ny loza voajanahary mety hitranga tahaka ny fiakaran’ny rano.

MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanovana ny naotin’ny filan-kevitra laharana faha 075/2022/PM/SGG/SC tamin’ny 14 martsa 2022 mankatoa ny fandraisan’ny fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana ireo entana ilaina andavanandro sy fitaovan’ny Minisiteran’ny fampiroboroboana ny indostria, ny varotra sy ny fanjifana, mpiahy ara-teknika ny SPM.

Mba hialana amin’ny hosoka izay misy ankehitriny no nanaovana izao fampitana am-bava izao ho fangatahana fanafoanana ny fanomezan-dalana fandraisana an-tanana faobe ny hetra sy haban-tseranana ho an’ny orinasa SPM.

Tsikaritra mantsy fa misy tsy ara-dalàna natao nanararaotana io fanomezan-dalana nomena io, tamina fanafarana kaontenerana siramamy miisa 10 izay hita fa misoratra amina orinasa tsy miankina kanefa nampiasaina ny fahazoan-dalana nomena ny SPM.

Manomboka izao dia tsy maintsy isaky ny andiana fahatongavana entana nafarana no hanaovana ny dingana ara-panjakana fangatahan-dalana eo anivon’ny Filan-kevitry ny Minisitra andraisana an-tanana ireo hetra sy haba amin’ny fanafarana entana avy any ivelany. Alefa avy hatrany amin’ny Fitaleavana jeneralin’ny Fadintseranana sy amin’ireo sampan-draharaha rehetra voakasika izany naoty vaovao izany.

MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanokafana fanadihadiana ara-pitantanana (enquête administrative) commodo sy incommodo momba ny fakana ho tombontsoa iombonana ny tany mitondra ny anarana « Forello Domaine » Titre n°9630 B ao Tanjombato izay fananan’ny Orinasa Famokarana Fanafody OFAFA SA. Ny ozinina mpamokatra fanafody PHARMALAGASY dia miorina eo amin’ny tany fanana manokan’ny OFAFA SA. Mba hiantohana ny fiarovana ny tany iorenan’ny ozinina PHARMALAGASY anefa dia ilaina ny mamaritra izany tany izany amin’ny anaran’ity ozinina ity. Hiroso amin’ireo dingana fanatanterahana izany ny minisiteran’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra sy ireo minisitera voakasika.

MINISITERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA

Mba ahafahany manatanteraka ny fandaharanasany 100 andro, dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezan-dalana ny Minisitera hikitika ny tetibola anatiny, ka hanesorana ampahany amin’ny tetibola natokana ho an’ny fananganana fotodrafitrasa sy fampitaovana ireo sekoly isan-tsokajiny, ary halefa ho any amin’ny fividianana boky isan-karazany ho an’ny fampiofanan-tenan’ny mpampianatra sy ny mpianatra, ny fanamboarana aron’akanjo sy dabilio ary ny fandraisana an-tanana ny fitaterana izany any amin’ny toerana tokony hampiasana azy. Eo ihany koa ny fanarenana ny « amphithéâtre lehibe eo Ampefiloha, ny fampitaovana ireo toerana lehibe fitehirizan’entan’ny MEN, ary ny fandefasana ireo « kits scolaires » hiparitaka manerana ny Nosy.

MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanomezana ampahan-tany (affectation) mirefy 40 hektara avy amin’ny velaran-tany antsoina hoe « Plateau de Manolonomby Domaine » TN°61-C misoratra amin’ny Minisitera misahana ny fananan-tany, ka omena ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoran’afo. Izany dia mba hahafahana manao ny tetikasa fananganana tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro (parcs solaires) ao Tsimahabeomby Fokontany Ambihimandry ao amin’ny Kaominina Imerintsiatosika, distrika Arivonimamo. Izany dia mba ahafahana manatanteraka ny fandaharanasa 100 andron’ny Minisitera. Ity tetikasa ity moa dia mifanindran-dalana amin’ny fametrahana ny tanàna vaovao ao Fieferamanga ao anatin’ny tetikasa Ankohonana Miarina.

MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoan’ny Minisitera amin’ny fanatanterahana ny antso ampahibemaso ho an’izay liana hividy ny sambo « flying ».  

Efa misy fahasimbana lehibe ny sambo noho ny fiantsonany naharitra teo amin’ny seranan-tsambo nanomboka ny volana desambra 2018 izay nahatratrarana azy ity saika hitatitra an-tsokosoko andramena nankany ivelany. Asaina hanao tolotra miafina araka izany izay mpandraharaha eo amin’io sehatra io ka liana te hividy an’ity sambo ity, tolotra izay tsy mamatotra ny fanjakana malagasy fa raha tombanana ho mety, tsy hisian’ny varoboba ny tolotra voaray izay vao hirosoana ny fanekena azy sy ny fivarotana azy. Mazava ho azy fa izay tolotra tsara indrindra koa no horaisina. Nanome toromarika Andriamatoa Filohan’ny Repoblika mba hampahafantarina ny besinimaro ny pitsopitsony ara-teknika sy ny toetoetry ny sambo efa misy fahasimbana amin’izao fotoana izao, mba ahafahan’izay liana rehetra manapa-kevitra ao anatin’ny fahalalana tanteraka ny antsipirihany mombamomba ny sambo. Tsy maintsy asiana serasera matanjaka mba ahafantatra ny mikasika izao fisokafan’ny varotra izao any amin’ireo “armateurs” rehetra ety amin’ny faritry ny ranomasimbe indianina.

Hiara-hiasa amin’ny teknisianina miadidy ny tontolo iainana sy ny sampan-draharahan’ny tontolo iainana SPAT ny vaomiera ad hoc misahana ny varotra amin’ny fanombanana ny fandraisana ireo antontan-taratasy.

MINISITERAN’NY RANO SY NY FANADIOVANA ARY NY FIDIOVANA + MINISITERAN’NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fanohizana ny fametrahana tohadrano amin’ny reniranon’i Mandrare. Fanamby lehibe an’ity fotodrafitrasa ity ny famatsiana rano ireo kaominina miisa 15 ao amin’ny Faritra Androy sy Anosy izay hianjadian’ny kere. Manana fiatiana hatrany amin’ny 810.000.000 m3 ny tohadrano, ho entina indrindra manatsara ny fiainan’ny mponina miaina ny « kere » any atsimon’ny Nosy. Maro ireo vokatra ho entin’ny fahavitan’ity tohadrano lehibe indrindra eto Madagasikara ity, toy ny:

• Fiantohana ny fanodrahana tanimboly hatramin’ny 20.000Ha

• Fampidirana rano fisotro madio ho ana mpisitraka miisa hatramin’ny 300000

• Famokarana herinaratra 2MW (10,9 hatramin’ny 133 GWH isan-taona)

• Fampiroboroboana ny fiompiana trondro eo amin’ny faritra fitahirizan-drano

• Fisokafan’ireo faritra mitoka-monina voakasika amin’ny alalan’ny fanamboarana ireo lalan-dratsy

• Fampiroboroboana ny fizahantany amin’ireo faritra voakasiky ny tetikasa

Ny minisiteran’ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany moa no hiantoka ny fiarovana ny fananan-tany amin’ireo tany rehetra voakasik’ity tetikasa ity.

Amin’ny volana marsa ho avy izao no tokony ho vita ny fitsirihana rehetra mikasika ny tetikasa.

MINISITERAN’NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny fanjakana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana fiarakodia Toyota avy amin’ny FAO ho an’ny Ministeran’ny jono sy ny toekarena manga

Io fiara io dia efa nampiasaina tao anatin’ny tetikasa “REEFISH” niarahana tamin’ny fandaharanasan’ny firenena mikambana mikasika ny sakafo sy ny fambolena (FAO) . Efa nifarana anefa io tetikasa io ka ny FAO, etsy andaniny, dia mikasa hanome ny fiara hampiasain’ny Minisitera. Etsy ankilany kosa, dia mbola misy an’ireo hetra sy haban-tseranana tsy voaloa ireo ka iantsorohan’ny minisitera ny fandoavana azy.

II – FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

FIADIDIANA NY REPOBLIKA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’dRamatoa RAKOTONIAINA Malalatiana Mahanina ho Talen’ny Tetikasan’ny Filoham-pirenena

MINISITERAN’NY FOLOALINDAHY

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry ny Général de Division Andriamatoa DERAMASIMANJAKA Manantsoa Rakotoarivelo, ho Lehiben’ny Etamazaorin’ireo Tafika

MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 640 tamin’ny 10 aprily 2019 ary manendry an’Andriamatoa KOLA Emi-Haulain, ho Sekretera Jeneraly.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAFARAMALALA Florence Isabelle, ho « Directeur des Relations Multilatérales »
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023- 356 tamin’ny 05 aprily 2023 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTOMANGA Patrick, ho « Directeur des Affaires Financières »
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RANAIVOSON Andoniaina Dimbimalala, ho Talen’ny Arofenitra.

MINISITERAN’NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAMAROSON Solofo Mihary, ho « Directeur du Développement Urbain Durable »

MINISITERAN’NY TOEKARENA SY FITANTANAM-BOLA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 868 tamin’ny 05 aogositra 2020 ary manendry an’Andriamatoa RANAIVOZANANY Jerry, ho « Directeur du Budget »
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1008 tamin’ny 20 aogositra 2020 ary manendry an-dRamatoa RATSIAVAHANA Mbinison Dorette, ho « Directeur de la Comptabilité Publique »
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1486 tamin’ny 11 novambra 2020 ary manendry an’Andriamatoa RANDRIANARISON Sitraka Tsitohaina, ho « Président de la Commission Nationale des Marchés »
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1478 tamin’ny 26 okotobra 2022 ary manendry an’Andriamatoa RASAMOELINA Eric Tiana, ho « Chef de Commission Centrale pour le contrôle a priori ».
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1534 tamin’ny 18 novambra 2022 ary manendry an-dRamatoa RAKOTOMANGA Iharisoa Hanitriniaina, ho « Chef de Commission Centrale pour le contrôle a priori »
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1478 tamin’ny 26 oktobra 2022 ary manendry an-dRamatoa RANDRIANARIJAONA Hasiniaina Tsimarofy, ho « Chef de Commission Centrale pour le contrôle a posteriori ».
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1478 tamin’ny 26 oktobra 2022 ary manendry an-dRamatoa RANDRIARIMANGA Henri, ho « Chef de Commission Régionale des Marchés Alaotra Mangoro »
  • Noraisina ny didim-panjakana ary manendry an’Andriamatoa RAKOTOARINORO Mamy Heriniaina, ho « Chef de Commission Régionale des Marchés Amoron’i Mania »
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1478 tamin’ny 26 oktobra 2022 ary manendry an’Andriamatoa RIJAVOLA HERIJAONA Andriamihaja, ho « Chef de Commission Régionale des Marchés Analamanga »
  • Noraisina ny didim-panjakana ary manendry an-dRamatoa DABOAKY BERTRAND Anjaratiako Saholy, ho « Chef de Commission Régionale des Marchés Analanjirofo »
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1478 tamin’ny 26 oktobra 2022 ary manendry an’Andriamatoa TATAMIARISOA Hubert Dulong, ho « Chef de Commission Régionale des Marchés Atsinanana »
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1478 tamin’ny 26 oktobra 2022 ary manendry an’Andriamatoa RIVOMANANTSOA Herijaona Auberlin, ho « Chef de Commission Régionale des Marchés Betsiboka »
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1478 tamin’ny 26 oktobra 2022 ary manendry an-dRamatoa RABEMANANJARA Naomy, ho « Chef de Commission Régionale des Marchés Boeny »
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1478 tamin’ny 26 oktobra 2022 ary manendry an-dRamatoa RANDRIANTSOA Norohanta, ho « Chef de Commission Régionale des Marchés Bongolava »
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1478 tamin’ny 26 oktobra 2022 ary manendry an’Andriamatoa RAFANOMEZANTSOA Françis, ho « Chef de Commission Régionale des Marchés Diana »
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1478 tamin’ny 26 oktobra 2022 ary manendry an’Andriamatoa RAMILSON Zafiandry Amédé, ho « Chef de Commission Régionale des Marchés Haute Matsiatra »
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1478 tamin’ny 26 oktobra 2022 ary manendry an’Andriamatoa RATOVELSON ANDRIAVELOTOVO Harinjaka Henri, ho « Chef de Commission Régionale des Marchés Ihorombe »
  • Noraisina ny didim-panjakana ary manendry an’Andriamatoa JAOROBY Elie Wilfried, ho « Chef de Commission Régionale des Marchés Sava »
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1478 tamin’ny 26 oktobra 2022 ary manendry an’Andriamatoa DOKOLAHY Randrianirina Victor, ho « Chef de Commission Régionale des Marchés Sofia »

MINISITERAN’NY ATITANY

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 992 tamin’ny 06 jolay 2022 ary manendry an-dRamatoa VONIMBOLA IIda Sarah, ho « Directeur de la Cellule Anti-Corruption »
  • Noraisina ny didim-panjakana ary manendry an-dRamatoa HARILALAINA Irma Juliandres, ho « Directeur de la Formation et du Perfectionnement »
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 463 tamin’ny 05 aprily 2022 ary manendry an-dRamatoa SASY Nireigna Suzuéline, ho Talen’ny Serasera
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2018- 866 tamin’ny 26 jolay 2018 ary manendry an’Andriamatoa AINA NIRINA Serge Honoré, ho « Directeur de la Programmation et du Suivi-Evaluation »
  • Noraisina ny didim-panjakana ary manendry an-dRamatoa FABIOLA Eléonore, ho « Directeur des Etudes et Recherches »
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023- 039 tamin’ny 11 janoary 2023 ary manendry an’Andriamatoa ANDRIANTSIFERANA Rinarisoa Abdon, ho « Directeur des Opérations du Centre National de l’Etat Civil et de l’Identité »
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 993 tamin’ny 06 jolay 2022 ary manendry an-dRamatoa RAHARIMANGANINDRIANA Verohanitra Tianamalalasoa, ho « Directeur des Opérations du Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes » (BNGRC)
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 667 tamin’ny 23 jona 2021 ary manendry an’Andriamatoa RAHARISON Tsiriaina Miarana, ho Préfet an’Antsirabe
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023- 041 tamin’ny 11 janoary 2023 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTOHAVANA Malalaharijaona Fanoela, ho Prefet an’i Tsiroanomandidy
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1413 tamin’ny 15 desambra 2021 ary manendry an’Andriamatoa RASOLOMAMPIONONA Emmanuel, ho Préfet Fenoarivo Atsinanana
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 582 tamin’ny 26 may 2021 ary manendry an-dRamatoa RASATA Volahasina, ho Lehiben’ny Distrikan’Antananarivo faha V
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2010- 0262 tamin’ny 07 may 2010 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTONIERANA Louis Berthin, ho Lehiben’ny Distrikan’Atsimondrano
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023- 1107 tamin’ny 08 septambra 2023 ary manendry an’Andriamatoa NAJARHOUSSEN Michel, ho Lehiben’ny Distrikan’i Soavinandriana
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 669 tamin’ny 23 jona 2021 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTONJANAHARY Jean Iajasoa, ho Lehiben’ny Distrikan’Antsirabe II
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023- 975 tamin’ny 09 aogositra 2023 ary manendry an’Andriamatoa NDEHA Sylvain, ho Lehiben’ny Distrikan’Andapa.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 1700 tamin’ny 04 septambra 2019 ary manendry an-dRamatoa RAZAZAROANABAVY Felanirina Hortensia, ho Lehiben’ny Distrikan’i Fandriana
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 635 tamin’ny 04 may 2022 ary manendry an’Andriamatoa ANDRIANARIMANGA Solofoarimanana, ho Lehiben’ny Distrikan’Antanambao Manampotsy
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1559 tamin’ny 23 novambra 2022 ary manendry an’Andriamatoa RAVALOSON RAKOTONIRINA Bernard Andriantody, ho Lehiben’ny Distrikan’Andilamena.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 0995 tamin’ny 06 jolay 2022 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTONIAINA Marco Eddy, ho Lehiben’ny Distrikan’i Moramanga.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1495 tamin’ny 02 novambra 2022 ary manendry an’Andriamatoa RABEFERANA Louis Velombita, ho Lehiben’ny Distrikan’i Maroantsetra
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023- 1049 tamin’ny 30 aogositra 2023 ary manendry an’Andriamatoa RANJAKAMANANA Stephen Weld, ho Lehiben’ny Distrikan’i Soanierana Ivongo.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1283 tamin’ny 07 septambra 2022 ary manendry an’Andriamatoa RANDRIANTSOA Félicien, ho Lehiben’ny Distrikan’i Mitsinjo.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1403 tamin’ny 05 oktobra 2022 ary manendry an’Andriamatoa DAVID Jeanick Dieudonné, ho Lehiben’ny Distrikan’i Tsaratanàna
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023- 576 tamin’ny 17 may 2023 ary manendry an’Andriamatoa ANDRIAMANANTENASOA Haja Andrianina, ho Lehiben’ny Distrikan’Antsalova.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023- 687 tamin’ny 07 jona 2023 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTOVAO Harimamy Lalaina, ho Lehiben’ny Distrikan’i Toliara II.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1626 tamin’ny 02 desambra 2020 ary manendry an-dRamatoa RAZAFITSIMIHANTA Dorcile, ho Lehiben’ny Distrikan’i Benenitra.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023- 976 tamin’ny 09 aogositra 2023 ary manendry an’Andriamatoa BOTOMANIRISOA Fortunat, ho Lehiben’ny Distrikan’i Betioky Atsimo.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023- 1051 tamin’ny 30 aogositra 2023 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTOARISON Mandimby, ho Lehiben’ny Distrikan’i Tsihombe.

MINISITERAN’NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FANOFANANA ARAK’ASA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 247 tamin’ny 03 martsa 2021 ary manendry an’Andriamatoa NDREMITSIRY Tsirinony, ho Talem-paritry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa SAVA
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1324 tamin’ny 14 septambra 2022 ary manendry an-dRamatoa VOLOLONIAINA Aniella Elisabelle, ho Talem-paritry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa Atsinanana
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 280 tamin’ny 10 martsa 2021 ary manendry an’Andriamatoa RASOLOFOSON Emile, ho Talem-paritry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa Sofia.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 281 tamin’ny 10 martsa 2021 ary manendry an’Andriamatoa RAFANOMEZANTSOA Jean Marie Vianney, ho Talem-paritry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa Matsiatra Ambony.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAZAFIMAHANDRY Natsika, ho Talem-paritry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa Atsimo Atsinanana.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa ANDRIARIMANANA Njatovoherimamy Perlin, ho Talem-paritry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa Fitovinany
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1325 tamin’ny 14 septambra 2022 ary manendry an’Andriamatoa KARDAS Senèque Zandritsivery, ho Talem-paritry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa Anosy.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 252 tamin’ny 03 martsa 2021 ary manendry an’Andriamatoa KALIMAHAZO Mahazoto Razanatolo, ho Talem-paritry fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa Androy

MINISITERAN’NY MPONINA SY NY FIRAISAN-KINA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1630 tamin’ny 02 desambra 2020 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTOARISAONA Lova, ho « Directeur du Système d’Information »
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAZAFIASIMBOLA Rivomahenina Dieu Donné, ho « Directeur du Contrôle Interne et de la Lutte contre la Corruption »
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RABEMANANTSOA Maminiriana Rolland, ho « Directeur d’Appui aux Personnes Handicapées et Personnes Agées »

MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1235 tamin’ny 10 novambra 2021 ary manendry an’Andriamatoa RANDRIANARIJAONA Rivo Rolland, ho Talem-paritry ny asa vaventy DIANA
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 730 tamin’ny 18 may 2022 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTONIRINA Vivian José, ho Talem-paritry ny Asa Vaventy Amoron’i Mania

MINISITERAN’NY ASA, NY FAMPANAN’ASA ARY NY ASAM-PANJAKANA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 244 tamin’ny 23 febroary 2022 ary manendry an-dRamatoa FLORENT Soatiana Bety Léonne, ho « Directeur Général de l’Office National de l’Emploi et de la Formation »(ONEF)
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 577 tamin’ny 27 martsa 2019 ary manendry an’Andriamatoa RAMAROSON Heridja Patrick, ho Tale Jeneralin’ny Asam-panjakana.

MINISITERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023- 525 tamin’ny 10 may 2023 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTOMAHARO Andonandrianina, ho Talem-paritry harena an-kibon’ny tany Alaotra Mangoro
  • Noraisina ny didim-panjakana ary manendry an’Andriamatoa RANDRIANARISON Ranasy Harisoa Primo, ho Tale Iraisam-paritry harena an-kibon’ny tany Matsiatra Ambony.
  • Noraisina ny didim-panjakana ary manendry an’Andriamatoa JAONARY Gérald, ho « Directeur de la Lutte Contre la Corruption » (DLCC)

MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 066 tamin’ny 12 janoary 2022 ary manendry an-dRamatoa RAFIDIMANANTSOA Verotiana, ho Talem-paritry ny serasera sy ny kolontsaina Analamanga
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 1802 tamin’ny 18 septambra 2019 ary manendry an-dRamatoa RASOANARISOA Egorine, ho Talem-paritry ny serasera sy ny kolontsaina Atsimo Atsinanana.
  • Noraisina ny didim-panjakana ary manendry an’Andriamatoa ANDRIAMAROMANANA Ilay Narindra, ho « Directeur du Basculement vers la Télévision Numérique Terrestre »

MINISITERA DELEGE MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 833 tamin’ny 18 aogositra 2021 ary manendry ny Général de division RASENDRALAHY Hajaniaina, ho Sekretera Jeneraly
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry ny Général de Division RAKOTOMALALA Andriatahina Jean Herbert, ho Kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 879 tamin’ny 01 septambra 2021 ary manendry ny Général de brigade RANDRIANTSARA Ihajaniaina Eric, ho « Directeur de la Planification, du Suivi et de l’Evaluation »

IV- FANAFOANANA

  • MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINYNoraisina ny didim-panjakana manafoana ireo didim-panjakana laharana faha 2022- 1079 sy laharana faha 2022-1080 tamin’ny 20 jolay 2022 nanendry ireo Tale Jeneraly miisa roa eo anivon’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny.

Natao ny 28 febroary 2024

Ny Minisitry ny Fampianarana ara-teknika sy Fanofanana ara-kasa,

Lalatiana RAKOTONDRAZAFY, Mpitondra Tenin’ny Governemanta,

Ny Fitaleavan’ny Serasera

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika

TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA ALAROBIA 21 FEBROARY 2024, LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia faha-21 Febroary 2024 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Andry RAJOELINA, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara ary natrehin’Andriamatoa NTSAY Christian, Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony rehefa nisy fiatoana ny herinandro lasa teo noho ny fivahinianan’ny Filoham-pirenena tany ivelany.

I- FAMPITANA AM-BAVA

FIADIDIANA NY REPOBLIKA

Araka ny toromarika efa nomena ny mpikambana ao amin’ny Governemanta mikasika ny fanatanterahana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana, dia nanolotra teo anivon’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny sori-dalana hitantanany ny Ministera izay sahaniny ireo Minisitra voatondro.

Navoitra manokana ireo asa efa notanterahina hatramin’ny fiatombohan’ny fe-potoam-piasana ary ireo asa maika tsy maintsy hotanterahina ao anatin’ny 100 andro.

1. Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy sy Fanofanana arak’asa

Anisan’ny departemanta stratejika amin’ny fanatanterahana ny andry voalohany amin’ny vinan’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika amin’ity fepotoam-piasany vaovao ity ny fanofanana arak’asa, ao anatin’ny fampiroboroboana ny loharanon-karena maha-olona. Nanao jery tombana ny asa vitany tao anatin’ny 30 andro voalohany, sy ny tohin’ny asa ao anatin’ny 70 andro manaraka ny Minisitra tompon’andraikitra. Tanjona ny hiantohana ny fahafahan’ny tanora sy vehivavy ary ireo sokajin’olona efa tokony hiasa rehetra mahazo fiofanana arak’asa mifanojo amin’ny filàn’ny sehatry ny asa, mba hampihenana haingana ny tahan’ny tsy fananana asa. Hanatrarana izany dia anisan’ny fandaharanasan’ny Minisitera ao anatin’ny 100 andro ny fanaovana fampiofanana faobe (formation de masse) ka rehefa vita fiofanana ireo mpisitraka izany dia na ho afaka miditra miasa avy hatrany any anatin’ny orinasa isan-karazany, na ho afaka hanangana ny orinasany ka handraharaha amin’ny anaran’ny tenany manokana.

Efa nanomboka izany fampiofanana faobe izany, mikasika ny asa manodidina ny aterineto (métiers du web) ka hiroso avy hatrany amin’ny fampihaonana ireo tanora vita fiofanana sy ny mpampiasa ny minisitera mba hisian’ny fandraisana mpiasa manana ny fanamarinam-piofanana. Natomboka teto Antananarivo, hotohizana any Toamasina, ary hihitatra amin’ny faritra efa misy orinasa misehatra amin’io sehatr’asa io ny fampiofanana ireo tanora.

Efa nanomboka koa ny fampiofanana amin’ny fanaovana rarivato (pavé), famakiana vato, fanefena ary fametrahana azy ireny amin’ny fanamboaran-dalana teny Ambohidratrimo Faritra Analamanga sy tany Faratsiho Faritra Vakinankaratra. Hotohizana any amin’ny Faritra hafa manana karieram-bato ihany koa ny fampiofanana faobe.

Ankoatra izay dia ao anatin’ny asa andalam-panatanterahana ho an’ny Minisitera ny fametrahana fifanarahana amin’ny Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara (SIM) mba hampifanojoana ny fampiofanana omen’ny Minisitera amin’ny filàn’ireo orinasa tsy miankina, torak’izany koa eo amin’ny sehatry ny orinasa afaka haba izay tena mila mpiasa maro manana fahaiza-manao amin’ny resaka fanjairana.

Hatomboka any Toamasina ihany koa ny fandaharanasa fampiofanana faobe ireo vehivavy marefo sy mamelon-tena amin’ny asa manodidina ny zaitra, ka hanomezana azy ireo fitaovana fanjairana ahafahany miasa avy hatrany raha vantany vao vita ny fiofanana.

Eo amin’ny resaka fotodrafitrasa dia mila fanarenana maika daholo ireo toeram-pianarana teknika sy toeram-piofanana izay efa feno fahasimbana manerana ny Nosy. Misy ny asa fanarenana amin’ny alalan’ny “tagnamaro”, fa misy kosa ny asa lehibe tsy maintsy hanaovana tsenan’asam-panjakana na hitadiavana mpiara-miombon’antoka ny fanatanterahana azy.

Ary farany dia anisan’ny tetikasa mitondra fihavaozana lehibe hataon’ny Minisitera ny fananganana ny foibe fampiofanana faobe sy fikotrehana orinasa (formation de masse et incubation professionnelle) efa manomboka ihany koa ankehitriny, ary ny famolavolana fitaovana sy fanaovana fandaharam-piofanana ho an’ny tanora amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojia vaovaon’ny fifandraisana, ka hahafahan’izy ireo manaraka fiofanana na aiza na aiza misy azy ireo manerana an’I Madagasikara.

Ao anatin’ny 100 andro dia kendrena ho 250.000 no totalin’ny olona hahazo fiofanana arak’asa na mivantana na amin’ny alalan’ny aterineto, 1.000.000 kosa no tanjona ao anatin’ny 12 volana.

2. Minisiteran’ny Tontolo iainana sy Fandrosoana Lovainjafy

• Ny fambolena hazo amin’ny velaran-tany 40.000Ha no tanjona apetraka ao anatin’ny 100 andro, manerana ny faritra 23. Hatreto dia 19.423Ha, izany hoe 48,56% ny tanjona nofaritana, no efa voavoly nanomboka tamin’ny 26 janoary 2024 izay fotoam6panokafana ny taom-pambolen-kazo 2023-2024.

Marihina fa nametraka tanjona ny hamboly hazo amin’ny velaran-tany 75.000Ha isan6taona ny Ministera.

Ho fanaraha-maso ny fambolen-kazo manerana ny Nosy dia misy ny rindram-baiko (logiciel) manokana izay niarahana namolavola tamin’ny Ministeran’ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra izay manome ireo antotan’isa isaky ny distrika tsirairay.

• Tetikasa izay imasoan’ny Ministera ihany koa ny fametrahana “Arboretum” sy « parc botanique » ao Ambatobe, izay tetikasan’ny Filoham-pirenena araka ny tapaka nandritran’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny faha-24 janoary 2024.

Tratrarina ao anatin’ny 100 andro ny famefena sy fiarovana ny toerana, ny fanamboarana ny drafitra fanajariana ary ny famaritana ireo karazana zavamaniry hambolena ao anatiny. Roa taona moa no faharetan’ny asa iray manontolo.

Tanjona ao anatin’ny 100 andro ihany koa ny hanajariana velaran-tany mirefy 1Ha ary hambolena zana-kazo vaovao miisa 500. Imasoana manokana ireo hazo tsy fahita afa tsy eto Madagasikara.

• Hametraka ny “vitrine de la biodiversité de Madagascar » eo amin’ny Lapam6panjakana Iavoloha ihany koa ny Minisitera. Ao dia hahitana taninketsa lehibe (pépinière géante) ho an’ireo karazan-java-boahary tsy misy afa-tsy eto Madagasikara toy ny ravinala, baobab, hazo sarobidy isan-karazany.

Hihavaka tokoa ny toerana satria hambolena hazo fihinam-boa sy voninkazo ka hisy “orchidarium” sy “palmarium” ; ho hita eo ihany koa ny fampirantiana ireo toerana mampiavaka an’i Madagasikara tahaka ny “tsingy de Bemaraha”, “allée des baobabs” ; Hahitana ihany koa toerana fiompiana lolo na “serre à papillons” izay tsy fahita raha tsy eto Madagasikara.

Eny amin’ny toerana ambony indrindra dia hametrahana ny fitahirizan-drano sy ny toerana hahafahana mijery lavitra ireo zava-boaary ireo (point de vue). Marihina fa hampiasana ny fivoarana ara-teknolojika ny fiantohana ny fanondrahana ny toerana sy ny fanodinana zezika ity tetikasa ity.

MINISITERAN’NY FOLOALINDAHY

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisana anjaran’ny Tafika Malagasy amin’ny fanazaran-tena an-dranomasina antsoina hoe CUTLASS EXPRESS 2024 izay tafiditra ao anatin’ny fiarahamiasan’i Madagasikara sy Etazonia. Natao hanamafisana ny fiarovana an-dranomasina, hanatsarana ny fahaiza-manaon’ny tafika sy fifampizarana torohay, ary fanamafisana ny fomba fiasan’ny foibe fanaraha-maso an-dranomasina (centres d’opérations) ity fanazaran-tena ity.

Mandray anjara matetika amin’ity fanazaran-tena ity i Madagasikara miaraka amin’ireo firenena hafa toa an’i Djibouti, Kenya, na koa i Tanzania.

Ho an’ity andiany 2024, manamboninahitra iray ao amin’ny Tafika an-dranomasina no efa nandray anjara tamin’ny fanomanana voalohany, manelanelana ary famaranana tamin’ny taona 2023. Nisy ihany koa ny atrikasa momba ny vehivavy, ny filaminana sy ny fandriam-pahalemana ny 12 hatramin’ny 16 febroary 2024 izay natao teto Antananarivo. Ho an’ny dingana fanazaran-tena farany izay ho tanterahina any Djibouti sy Kenya ny 26 febroary ka hatramin’ny 8 martsa 2024, dia miaramila malagasy miisa 21 avy amin’ny Tafika an-dranomasina no handray anjara.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanatanterahana ny fanazaran-tena ara-miaramila antsoina hoe « Papangue 2024 » atsy amin’ny Nosy La Réunion, izay fiarahamiasan’i Madagasikara amin’ny tafika frantsay aty amin’ny faritra atsimon’ny ranomasimbe Indiana (FAZSOI) izay hatao ny 08 ka hatramin’ny 12 Aprily 2024.

Ny tanjon’ity fanazaran-tena ity dia ny hampiofana ireo foloalindahy amin’ireo firenena mandray anjara (Frantsa, Kaomoro, Seychelles, Maorisy, Botswana ary Madagasikara) hiomana amin’ny fanoherana ireo hetsika fikomiana.

Miaramila malagasy miisa dimy amby valopolo (85) avy amin’ny Tafika an-tanety, an-dranomasina sy an’habakabaka no handray anjara amin’izany fanazaran-tena izany. Ny firenena frantsay no handray an-tanana ny fandaniana rehetra amin’ny fitaterana sy ny fiantranoan’ ireo mpandray anjara. Ho fanomanana izany dia hisy ny atrikasa hatao any amin’ny Nosy la Réunion manomboka ny 19 ka hatramin’ny 23 Febroary 2024.

MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny tatitra ny dian’ny delegasiona malagasy notarihin’ny Filohan’ny Repoblika, nanatrika ny fihaonana an-tampon’ireo governemanta sy mpitondra maneran-tany tany Dubai Emirats Arabes Unis, tamin’ny 12 ka hatramin’ny 14 Febroary 2024, sy ny fihaonana an-tampon’ny Vondrona afrikana tany Addis-Abeba Ethiopie andiany faha-37 tamin’ny 14 ka hatramin’ny 18 Febroary 2024.

Voaasa manokana handray anjara tamin’ny “World Governments Summit” ny 12 hatramin’ny 14 febroary 2024 tany Dubaï i Madagasikara.

Nandritra ny fihaonana an-tampony dia nandray anjara fitenenana Andriamatoa Filohan’ny Repoblika ary nahafahany nanolotra ireo laharam-pahamehan’ny Fanjakana malagasy mahakasika ny « fampiroboroboana ho marolafy ny toekarena, ny fanamafisana ny rafitra ara-pahasalamana ary ny fanavaozana ny rafitra ara-panabeazana sy ny fanofanana arak’asa eto Madagasikara »

Ankoatra izay dia nihaona tamin’ireo mpitondra ambony ao Emirats Arabes Unis ny delegasiona malagasy notarahin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika :

– Andriamatoa Sheikh Shakhboot Al Nahyan, Minisim-panjakanan’ny Raharaham-bahiny : nampahafantarana ireo tetikasam-pampandrosoana izay ilana fampiasam-bola, toy ny tetik’asa fananganana ny Fari-piadidiana ara-toekarena manokana (ZES) sy ireo tetik’asa mahakasika ny fambolena sy ny fiompiana, ny fizahan-tany, ny fananganana indostria mpanodim-bokatra ara-tsakafo sy ireo harena ankibon’ny tany, ary ny fampiroboroboana ny tetik’asa « écolodge de luxe » na « éco-resort » eny amin’ireo toerana fizahan-tany eto Madagasikara izay manandaza eran-tany.

– Ny Mpanjaka Sheikh Hamen Bin Zayed Al Nahyan, rahalahin’ny Mpanjaka Mohammed Ben Zayed Al Nahyan (Emir- Abu Dhabi) sady Tale misahana ny fampiasam-bola ao Abu-Dhabi : nangatahina ny fanampian’ny governemanta Emirati, amin’ny alalan’ny fisitrahana ny « Fonds souverain des Emirats Arabes Unis et ses retombées » hamatsy vola ny fanatanterahana ireo tetikasam-pampandrosoana voatanisa etsy ambony, miampy ireo asa-fanorenana vinavinain’ny Governemanta, toy ny fiarovana ny fari-dranomasin’ny Nosy izay mahatratra 5.000km, ny fanamboaran-dalana 10.000 km ao anatin’ny 5 taona sy ny toho-drano mpamokatra herinaratra Sahofika ao amin’ny renirano Onive, izay manana taham-pamokarana 192MW ary azo hitarina hatramin’ny 300 MW.

– Andriamatoa Mohammed Al Hawi, Sekretera Lefitra eo anivon’ny Ministeran’ny fampiasam-bolan’ny Emirats Arabes Unis : nojerena ireo tari-kevitra momban’ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta, toy ny tetikasa eo amin’ny sehatry ny angovo (anisan’izany ny fahafahana mamatsy vola ny fanamboarana ny toho-drano mpamokatra herinaratra Sahofika), ny fambolena sy ny fiompiana, ny fizahan-tany ary ny indostria. Andriamatoa Sekretera Lefitra moa dia naneho ny fahavononany hanohana ny Fari-piadidiana ara-toekarena manokana (ZES) arahin’ny fanamboarana seranam-piaramadinina, seranan-tsambo ary ny fampiasam-bola amin’ny fanana-mifaka (investissements imobiliers) amin’ireo trano fandraisam-bahiny sy « resort » amin’ny velaran-tany mahatratra 10km2 eto Madagasikara. Voaresaka ihany koa ny fitsidihan’ireo manam-pahefana Emiratis aty Madagasikara.

– Ny Mpanjaka Sheikh Ahmed Bin Saeed Al Maktoum, Filoha sy Tale jeneralin’ny Emirates Airline & Group : naneho ny fahavononany hametraka sidina mivantana mampifandray an’i Emirats Arabes Unis sy Madagascar.

Nisy ihany koa ny fanaovan-tsonia Fifanarahana teo amin’ny Ministry ny Raharaham-bahinin’ny Emirats Arabes Unis sy ny Minisitry ny raharaham-bahiny malagasy momban’ny ny fanofanana ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Fanjakana, miampy ireo tetik’asa fanofanana tanora Malagasy amin’ny sehatry ny “coding informatique”.

Raha ny fihaonana tamin’ny Praiministra Indiana kosa dia nahafahana nanao jery todika ireo fiaraha-miasa indrindra eo amin’ny lafiny indostria ara-tsakafo (toy ny vary), ny ODOF (one District, one Factory) ary ny indostria fanamboarana fanafody.

Nivoitra nandritran’ny dia tany Dubai fa tsy maintsy hapetraka haingana ny masoivohon’i Madagasikara any amin’ny Emirats Arabes Unis mba ho fanafainganana ireo tetikasa samihafa ireo ao anatin’ny fifanaraham-piaraha-miasan’ny firenena roa tonta.

Nitohy tany Addis-Abeba, Ethiopie, ny dian’ny delegasiona notarihin’ny Filohan’ny Repoblika ary nanatrika ny andiany faha-37 ny fihaonana an-tampony ho an’ny Vondrona Afrikana. Nandritran’ny fivoriana dia noderain’ireo mpikatroka momba ny fandrindram-pahefana miandany amin’ny “Paix et Sécurité” manokana ny famindram-pahefana ara-demokratika nisy teto Madagasikara tamin’ny taona lasa.

Nisongadina ihany koa ny fihaonan’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika tamin’ny Praminisitra Morisiana. Nahafahana niresaka ny lafiny maro amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta izany. Anisan’izany ny fanamafisana ny fifandraisana ara-barotra, ny tetik’asa « roadshow » ara-toekarena sy varotra an-dranomasina, dia ny fametrahana “shipping line” mba hanamorana ny fifanakalozan’ireo Nosy eo anivon’ny Ranomasimbe indiana. Voresaka ihany koa ny fanomezana aina sy ny fanatanterahana ny Fari-piadidiana ara-toekarena manokana (ZES) eo amin’ny Maorisy sy Madagasikara, mba ahafahan’ny mponin’ireo firenena roa tonta misitraka izany.

Ny Filoha lefitry ny Banky Iraisam-pirenena ihany koa dia nanana fotoana manokana tamin’ny Filohan’ny Repoblika ho fanamafisana ny fifampitokisana sy fiaraha-miasa misy eo amin’i Madagasikara sy ny Banky iraisam-pirenena. Tetikasa 26 no iaraha-manatanteraka ankehitriny ary mitentina 4 miliara sy 130 tapitrisa dolara amerikanina ny fampiasam-bola amin’izany.

MINISITERAN’NY FITSARANA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezana alalana ny minisitera hampiasa ny “postes budgétaires” ahafahana mandray mpianatra mpiraki-draharaha miisa 250 sy mpianatra mpitsara miisa 150 ao amin’ny Sekoly Ambony manofana no mpitsara sy mpiraki-draharaha (ENMG) ho an’ity taona 2024 ity. Aorian’izao dia ho afaka hiroso amin’ny fikarakarana ny fifaninana hiditra ao amin’ity sekoly ambony ity ny Minisitera.

MINISITERAN’NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fananganana rafitra anankiray misahana ny fandrindrana sy ny fanarahana ary ny fanaraha-maso ny tetikasa rehetra izay mila fanaovana fanesorana olona amin’ny taniny na « expropriation » noho ny tombontsoan’ny besinimaro.

Hahitana ireo minisitera voakasiky ny tetikasa izany rafitra hatsangana izany, fa ny minisiteran’ny fanajariana ny tany kosa no mitarika azy. Hatao handrindra ny asa moa no tena antony ilaina ny rafitra, satria ny tsikaritra dia mitarazoka lava hatrany ny dingana samihafa hanaovana ity fanesorana olona amin’ny taniny (expropriation) ity, noho ny tsy fahampian’ny fahalalana ny andraikitry ny mpisehatra rehetra ao anatin’izany dingana rehetra izany.

Ny tanjona dia ny hanamora ny fifandraisana eo amin’ny minisitera, hiantohana ny fanarahana ny fe-potoana, hamaritana mazava tsara ny andraikitra isaky ny dingana ary hamaha haingana izay olana mety hitranga.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny tetiandro mifandraika amin’ny fampiharana ny fanavaozana ny Lalàna laharana 2008-014 tamin’ny 23 Jolay 2008 momba ireo tany fananana manokan’ny Fanjakana (domaine privé de l’Etat), ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ary ireo orinasam-panjakana na rafim-panjakana isan-karazany na « personnes morales de droit public ». 

Ny fanavaozana ity lalàna ity dia mifanindran-dalana amin’ny politikan’ny fananan-tany imasoan’ny Fitondram-panjakana ankehitriny izay mifototra amin’ny fitantanan-draharaha mangarahara, tsy mitanila ary mampiaty ho an’ny fampandrosoana lovain-jafy. Hafainganina ny dingana fanatanterahana izany ka ezahina hivoaka ao anatin’ny telo volana mba hahafahana miantoka bebe kokoa ny fiarovana ny tanim-panjakana tsy hisy hivarotra tsy ara-dalàna. Hatolotra eto anivon’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-dalana nasiam-panovana.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanomezana ny ampahan’ny tany « Amboniandrefana 1-5 » TN°15 150-B sy « Amboniandrefana 6-7 » TN°15 154-B, any Ambatombolamena, Fokontany d’Amboniandrefana, Kaominina Ambanivohitra Ambalavao, distrikan’Antananarivo Atsimondrano, Faritra Analamanga, ho an’ny fiadidiana ny Primatiora mba hanaovany faritra fambolen-kazo (zone de reboisement) an’ireo ampahana tany ireo. Tamin’ny volana Mey 1992 dia nomena ny Fokontany Amboniandrefana ny tany izay efa fambolen-kazo hatrizay. Fa ny didim-pitondrana ihany koa nefa afaka mamerina ny tany amin’ny Fanjakana raha misy ny ilaina izany hanohizany ny antony ampiasaina ny tany. Ka mba hahafahan’ny fiadidiana ny Praiminisitra mampiasa ny tany ho faritra fambolen-kazony dia tapaka fa hofoanana ilay didim-pitondrana teo aloha.

MINISITERAN’NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY + MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanomezana ny tany antsoina hoe « LE HARAS » TN°1592- BA ao Ambalamanasy, kaominina Toamasina II, faritra Atsinanana an’ireo fokonolona efa mipetraka eo ambonin’io tany io.

Ity velaran-tany izay mirefy 174ha 09a 90ca ity dia nomena ny sampan-draharaha fitsaboana biby « service vétérinaire des haras et de l’élevage » tamin’ny 30 mey 1942. Tsikaritra anefa fa tsy nampiasain’io sampan-draharaha io tamin’ny antony namaritana azy tany aloha ny tany, fa efa lasa nisy olona nipetraka teo nandritra ny taona maro. Mangataka ny fandaminana araka ny lalàna ny fahafahany mipetraka eo an-toerana araka izany ireo olona ireo. Ka mba hahafahana manatanteraka izany dia tsy maintsy miroso amin’ny fanafoanana amin’ny ampahany ny fepetra fandraràna ny fanomezana tany ho an’ny olon-tsotra aloha ny Fanjakana, mikasika manokana io tany antsoina hoe “Le haras” io, ary rehefa izany dia hirosoana ny fanaovana fanomezan-tany faobe (operation domaniale massive) an’ireo olona efa mipetraka eo ambonin’izany velaran-tany izany.

MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA

Mba hampaharitra ny fampiodinana ireo orinasa natsangana tao anatin’ny tetikasa “One district, one Factory” dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoan’ny Minisitera amin’ny fanaovana antso ho an’izay mpiara miombona antoka ara teknika sy mpandraharaha tsy miankina (appel à manifestation d’intérêt) liana amin’ny fitantanana ireo orinasa atsangana ireo. Manaiky hiantoka ny fikajiana, ny fikojakojana ary ny fampiodinana ny milina nomena tao anatin’ny tetikasa ny mpandraharaha izay mamaly ny antso, ny minisitera kosa dia hanampy amin’ny fanohanana ara-stratejika mikasika ny fomba fampandehanana izany orinasa izany.

Hojerena ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny fitadiavana lalam-barotra ho an’ireo vokatra vokarina eny anivon’ireny orinasa ireny.

MINISTERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA + MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

Mbola miparitaka amina firenena any atsinanana sy tendron’i Afrika ny valan’aretina kôlera amin’izao fotoana izao. Andro vitsivitsy lasa koa anefa izay dia tsikaritra fa miha-mirongatra izany valan’aretina izany atsy amin’ny Nosy Kaomoro. Noho izany dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampiatoana ny fifamoivoizana an-dranomasina avy atsy Kaomoro, mandra-pahavoafehy ny fihanaky ny valan’aretina. Na izany kosa aza dia omena alalana manokana kosa ny sambo lehibe mpitatitra entana stratejika tahaka ny solika, etona fandrehitra sy ny sisa, fa saingy tsy maintsy manaraka ny fepetra ara-pahasalamana entitra ary tsy mahazo mivoaka ny sambo ireo ekipa mpanamory sy mpiasa ao anatiny rehetra. Ankoatra izay koa dia ampiharina ny fepetra ara-pahasalamana fisorohana (traitements chimio-prophylactiques) ho an’ireo sidina an’habakabaka avy amin’ny firenena afrikana rehetra misy ny valan’aretina kôlera, indrindra ny amin’ny seranam-piaramanidina Mahajanga ary nanome toromarika Andriamatoa Filohan’ny Repoblika mba hisy ny serasera mazava hanazavana amin’ny mpandeha rehetra miainga avy amin’ireo firenena ireo ny fepetra ara-pahasalamana izay tsy maintsy hampiharina.

Ny tanjona dia ny tsy hidiran’io valan’aretina io eto Madagasikara.

Etsy ankilany anefa, dia nandray fepetra avy hatrany ny Ministera ary nitsinjara mialoha manerana ny Nosy ireo fitiliana (tests) sy ireo fanafody fitsaboana ity aretina ity.

MINISITERAN’NY MPONINA SY NY FIRAISANKINA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy, ny 08 martsa 2024 hatao any Toamasina faritra Atsinanana. « Vehivavy miarina sy miray hina, firenena mandroso », izay no lohahevitra nofidiana hanaovana ny fankalazana amin’ity taona ity, izay marihina fa hiavaka satria manamarika koa ny faha-zato taonan’ny fanamarihana ny andron’ny 08 marsa maneran-tany. Eo ambany fiahian-dRamatoa Mialy RAJOELINA, vadin’ny filohan’ny Repoblika ny fankalazana rehetra no hatao, ary izy no hitarika ny hetsika samihafa izay hotontosaina any Toamasina. Fanomezan-danja ny zon’ny vehivavy, fampizakana tena ireo vehivavy amin’ny fanomezana tosika azy ireny eo amin’ny sehatra isan-karazany izay misy azy ireo, fanentanana amin’ny fanaovana fandrindram-piterahana ary fanampiana ireo vehivavy misehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana no tena hasongadina amin’ity fankalazana ho an’ny taona 2024 ity.

MINISITERAN’NY FIZAHANTANY SY NY ASA TANANA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny famindrana ny ampahany amin’ny tany « Nouveau Quartier et Logements Sociaux Ivato Aéroport TNo 38-183-H » ho fanatanterahana ny tetikasa  » Cité des Métiers ». Tanjon’ity tetikasa ity ny hanomezan-danja ny asa tanana vita malagasy sy ny famoronana asa.

Raha tsiahivina dia efa nisy ny taratasy nataon’ny Minisitera misahana ny fanajariana ny tany tamin’ny 10 desambra 2020 milaza ny tsy fandavany izany fanomezana ampahan’ny tany izany, ka tsy misy ny sakana tsy ahafahana miroso.

MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fangatahana ho fanakanana ny dingana rehetra mikendry ny fahazoana ny tany voasoratra amin’ny Minisitera misahana ny fitaterana sy ny famantarana ny toetrandro ho ana olon-tsotra.

Tsikaritra fa maro ireo tanim-panjakana izay ahitana fangatahana tsy ara-dalàna nefa ilain’ny ministera amin’ny fanatanterahana ireo tetikasany.

Hisorohana indrindra ny adin-tany lavareny izay maha-taraiky ny fanatanterahana ny asa no angatahana izao fanakanana izao.

Hisy ihany koa ny fanentanana eny anivon’ny ratsamangaikam-panjakana rehetra mikasika ny tanim-panjakana.

MINISITERAN’NY ASA, NY FAMPANANAN’ASA ARY NY ASAM-PANJAKANA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fitokanana ny fametrahana ny habaka « e-work » ny 27 febroary 2024. Ny « e-work » dia hanome fahazoan-dalana hiasa sy fahazoan-dalana hampiasa mpiasa vahiny amin’ny alalan’ny haitao ara-kajy mirindra (digitalisation d’octroi de permis de travail ou d’autorisation d’emploi des salariés étrangers). Ity tetikasa ity dia mifanindran-dalana amin’ireo fanavaozana apetraka amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana sy fampiasam-bola eto Madagasikara izay novatsian’ny Vondrona Eoropeana vola hiarahana amin’ny EDBM. Ity tetikasa ity dia mifanaraka ihany koa amin’ny politika ankapoben’ny fanjakana sy ny andry fahatelo amin’ny fampandrosoana napetraky ny Filoham-pirenena dia ny fanjakana tsara tantana.

Efa vita ny fampiofanana ireo hikirakira ity tetikasa ity ary efa vonona ihany koa ny fitaovana mifandraika amin’izany. Fahazoan-dàlana miisa hatramin’ny 3000 eo no vinavinaina omena sy arahin’ny EDBM amin’ny alalan’io tetikasa io.

MINISITERAN’NY TONTOLO IAINANA SY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’i Madagasikara ny andiany faha 11 amin’ny « Conférence des Parties (COP11) de la Convention de Nairobi », ny 10 hatramin’ny 16 jona 2024 eto Antananarivo.

I Madagasikara no Filohan’ny biraon’ity “Convention de Nairobi” nanomboka ny taona 2022 hatramin’ity taona 2024. Ny handraisantsika ity fihaonana lehibe ity dia fotoana hanasongadinana ny ezaka ataon’ny Governemanta mikasika ny fiarovana sy fampandrosoana ny harena voajanahary an-dranomasina sy amorontsiraka, ary koa hanamafisantsika ny politika iraisam-pirenena mifandray amin’ny fitantanana harena an-dranomasina mifanindran-dalana amin’ny fampiroboroboana ny ara-toekarena manga.

Masoivoho sy ny minisitra misahana ny tontolo iainana avy amin’ny firenena maro tahaka an’i Afrika Atsimo, Mozambika, Tanzanie, Kenya, Somalie, Comores, Seychelles, Maurice ary Frantsa (La Réunion) miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola no handray anjara amin’ny fivoriana. Ny Sekretaria mikasika ny fifanarahan’i Nairobi sy ny fandarahanasan’ny firenena mikambana momba ny tontolo iainana (PNUE) no mandray an-tanana ny fikarakarana ny fivoriana miaraka amin’ny Minisitera tompon’andraikitra.

Amporisihan’ny Filoham-pirenena manokana ny handraisantsika ny fihaonana lehibe tahaka izao satria mampamiratra an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

MINISITERAN’NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY + MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fomba itsinjarana ny tamberim-bola azon’i Madagasikara amin’ny fandaharanasan’ny REDD + na ny « revenus carbone du programme REDD+ » amin’ny Atiala Atsinanana, ho an’ny taona 2020.

Ho an’ny Atiala Atsinanana dia efa mipetraka ao amin’ny “Compte d’affectation Spéciale” ny tetibola avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena. Tapitra amin’ny 2025 ny fe-potoana fanatanterahana ny tetikasa ka hafainganina araka izany ny fitsinjarana ireo tetibola amin’ireo mpiantsehatra.

Mangarahara ny fitsinjarana ny famatsiam-bolan’ny REDD+ ary araka ny toromarika nomen’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika kosa anefa dia takiana ny antsipirihan’ny fampiasana ny vola (programme d’emploi) ho an’ireo sampan-draharaha rehetra hisitraka izany tamberim-bola izany.

II- FANDRAISANA DIDIM-PANJAKANA

MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-dalana mankatoa ny fifanaraham-pindramam-bola mifandraika amin’ny famatsiana ny tetikasa TALAKY BE natao tamin’ny 24 jolay 2023 teo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy Agence Française de Développement.

Mitentina 20 tapitrisa ity fifanarahana ity ary kaominina miisa 25 ao amin’ny Faritra Anosy no hisitraka ity tetikasa ity izay hiompana amin’ny fampiroboroboana ny fambolena sy fiompiana ary ny tontolo iainana.

Ity tetikasa ity dia natao hampifanarahana ny fambolena amin’ny amban’ny fiovaovan’ny toetrandro, hanatsarana ny fahafaha-miatrik’ireo fianakaviana any ambanivohitra amin’ny fitantanana maharitra ny loharanon-karena natoraly tahaka ny rano, ny tany, ny ala sy ny tontolo iainana, ho fiarovana ny fanjarian-tsakafo ho an’ny vondron’olona marefo ary ho fiarovana ny sy ny fanajariana ny ala. Mazava ho azy fa mbola entina eo anoloan’ny parlemanta hodinihana sy holaniana ity volavolan-drijatenin-dalàna ity.

MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISTERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA

Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-dalana mankatoa ny fifanaraham-pindramam-bola mifandraika amin’ny famatsiana ny tetikasa « Autonomisation et de résilience des filles en Afrique de l’Est »– East Africa Girls’ Empowerment and Resilience Program (EAGER) », natao ny 13 oktobra 2023 teo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy « Association Internationale de Développement « (IDA).

Mitentina 180 tapitrisa dolara ity tetikasa ity izay mikendry ny hampiakatra ny tahan’ny ankizivavy mianatra sy ny vola miditra amin’izy ireo mba hahaleo tena. Nandray anjara tamin’ny fifampiresahana ny vadin’ny Filoham-pirenena, Ramatoa Mialy Rajoelina tamin’ny alalan’ny tetikasa « Une fille qui apprend une femme qui gagne ». Faritra 16 no hisitraka ny tetikasa izay tena mbola hita fa vitsy ny vehivavy manana fihariana ka mila fanampiana manokana. Mbola ho entina eo anoloan’ny parlemanta hodinihana sy holaniana ihany koa ity volavolan-drijatenin-dalàna ity.

MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Noraisin’ny Filan-kevitry ny didim-panjakana momba ny fanatanterahana ny “Plan d’Action de Réinstallation (PAR) pour la libération d’emprise” tafiditra ao anatin’ny asa fanamafisana sy fanamboarana ny zotra mpitatitra herinaratra 90kV hatramin’ny 63 kV avy eo Tana Nord hatrany Tana sud ary Tana Nord hatrany Ambodivona ao anatin’ny tambazotram-pifandraisan’Antananarivo (RIA). Efa nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra tamin’ny 05 Avrily 2022 ny didim-panjakana manambara ny maha-tombontsoam-bahoaka io asa fanamafisana sy fanamboarana io, ka tsy maintsy hirosoana amin’ny fanesorana sy famindrana ireo toeram-ponenana na toeram-barotra tafiditra ao anatin’ny faritry ny tetikasa.

MINISITERAN’NY ASA VAVENTY + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana entina mameno ny didim-panjakana lf: 63-030 tamin’ny 16 Janoary 1963 nasiam-panovana sy famenoana tamin’ny didim-panjakana lf: 64-399 tamin’ny 24 Septambra 1964 sy lf: 2021-689 tamin’ny 30 Jona 2021 mamaritra ny fomba fampiharana ny hitsivolana lf: 62-023 tamin’ny 19 septambra 1962 mikasika ny fanesorana olona amin’ny toerany noho ny filan’ny tombontsoam-bahoaka, sy ny fahazoan’ny Fanjakana ny tany amin’ny alalan’ny fifanarahana atao amin’ny tompony, ao anatin’ny asa fanarenana ny lalana sokajy faharoa RN44 sy RNT12A, ny lalana sokajy fahatelo mifandray aminy, ny fanamboarana tobim-pandanjana fiara amin’ny lalampirenena RN44 amin’ny tetikasa “projet d’appui à la connectivité des transports-PACT”. Izany dia mikasika ny fanomezana onitra an’ireo olona voakasiky ny tetikasa ka tsy maintsy miala amin’ny taniny na ny toeram-ponenany.

Nampahatsiahivin’ny Filohan’ny repoblika kanefa fa misy lalana mifehy ny fanorenana trano manamorina ny lalana izay efa misy ka tsy azo odian-tsy hita fa mila arahina maso akaiky.

II- SAMIHAFA

Nanao fanamarihana manokana Andriamatoa Filohan’ny Repoblika mikasika ny firongatry ny fanolanana zaza sy ankizy tsy ampy taona eto Madagasikara, antony manokana nandraisana ny volavolan-dalana famaizana momba ny famosirana na « castration » an’ireo izay voamarina fa nahavita izany heloka goavana izany.

Raha ny tamin’ity taona 2024 ity dia efa miiasa 144 ny trangana fanolanana manerana ny Nosy ary efa ahitana zaza maty noho izany. Manodidina ny 4 isan’andro ny tranga fanolanana voapakatra isan’andro hoy ny Minisitry ny Fitsarana.

Manamafy hatrany ny Fitondram-panjakana fa tsy azo ekena ny famotehana zaza tsy ampy taona ka rariny raha famaizana mifandraika amin’ny heloka bevava vitany no miandry ny mpanolana.

III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

GOVERNEMANTA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAJAONESY Solotiana David, ho « Directeur des Etudes » ny Primatiora
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAVOLOLONJATOVO Rasoafara Claudine, ho « Directeur des Archives Nationales » eo anivon’ny Primatiora
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa NAZMOUL, Tale Jeneraly eo anivon’ny « Conseil de Discipline Budgétaire et Financière ».
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2018- 316 tamin’ny 11 aprily 2018 ary manendry an’Andriamatoa RAMAHANDRISOA Eric, ho Sekretera Mpanatanteraka eo anivon’ny « Bureau National de Lutte contre la Traite des Êtres Humains »

MINISITERAN’NY FOLOALINDAHY

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 1031 tamin’ny 22 may 2019 ary manendry ny Colonel RAKOTONDRABARY Eric Alain Robert, ho « Directeur de l’Office Militaire des Sports et de la Culture »

MINISITERAN’NY NY FITSARANA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa VOLAHANITRA Oliva Judith Romancia, ho « Directeur du Système d’Information et du Suivi-Evaluation au sein des Pôles Anti-corruption »

MINISITERAN’NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 444 tamin’ny 30 martsa 2022 ary manendry an-dRamatoa ANDRIAMIARANTSOA Sahaza Niaimboavahy, ho Talen’ny Serasera.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAJAONARISON Ihaja Lantotiana, ho « Directeur des Partenariats et Relation avec les Institutions »
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 778 tamin’ny 25 may 2022 ary manendry an’Andriamatoa SAID AHAMAD Djaffar, ho Tale Jeneralin’ny fitsinjaram-pahefana sy fandrosoana lovain-jafy.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 2219 tamin’ny 11 desambra 2019 ary manendry an’Andriamatoa RAMANANA Fanomezantsoa Alain, ho Tale Jeneralin’ny « Institut National de la Décentralisation et du Développement Local »
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa ANDRIANASOLO Mahery, ho « Directeur de l’Observatoire du Foncier »
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAKOTONIARY Tsaroana Harizay, ho « Directeur des Reformes »
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1032 tamin’ny 26 aogositra 2020 ary manendry an’Andriamatoa RABETAHINA Pascal Pierrot, « Directeur de l’Observatoire de la Décentralisation et du Développement Local »
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 443 tamin’ny 30 martsa 2022 ary manendry an’Andriamatoa RALAIZANDRINY Louis Faustin Rivo Harimanantsoa, ho « Directeur Administratif et Financier ».

MINISITERAN’NY ATITANY

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2015- 1520 tamin’ny 11 novambra 2015 ary manendry an’Andriamatoa RAZAFIARISON Jean Jugus, ho Sekretera Jeneraly.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 519 tamin’ny 13 aprily 2022 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTOJOELIMARIA Andriamihaja Zo Nirina, ho Directeur des Affaires Financières
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 991 tamin’ny 06 jolay 2022 ary manendry an-dRamatoa RAHAJAVOLOLONIAINA Niritsoa Harinandrasana, ho « Directeur des Ressources Humaines »
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1558 tamin’ny 23 novambra 2022 ary manendry an’Andriamatoa RAMAROSANDRATANA Jeannot Olivier, ho « Directeur des Systèmes d’Informations et de la Digitalisation »
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 520 tamin’ny 13 aprily 2022 ary manendry an-dRamatoa RAMILISON Njarasoa, Directeur de l’Immigration et Emigration.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1096 tamin’ny 27 jolay 2022 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTONANDRASANA Hanitra Velonjara Tiaray, ho « Directeur d’Appui et de Coordination des Centres Immatriculateurs »
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 544 tamin’ny 27 may 2020 ary manendry an-dRamatoa MANOEL Priscilla Maminiaina, ho « Directeur des Études et de Suivi des Projets et Partenariats »
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023- 174 tamin’ny 22 febroary 2023 ary manendry an’Andriamatoa RABEMANANTENA Herschel Faguet, ho « Directeur d’Appui Technique, de la Logistique et du Patrimoine »
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 142 tamin’ny 27 janoary 2022 ary manendry an-dRamatoa BAZEZY Jeannie Cylliah, ho « Directeur de l’Administration du Territoire »
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023- 040 tamin’ny 11 janoary 2023 ary manendry an-dRamatoa NAKANY Emilie Baravavy, ho « Directeur de l’Inspection et de l’Audit de l’Administration du Territoire »
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa DAMY Vonisoa Nadège, ho « Directeur des Libertés Publiques et des Affaires Politiques »
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023- 086 tamin’ny 01 febroary 2023 ary manendry an’Andriamatoa RASAMOELINA Andriariliva Doris, ho « Directeur des Affaires Administratives et Financières du Centre National de l’Etat Civil et de l’Identité »
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2017- 036 tamin’ny 11 janoary 2017 ary manendry an’Andriamatoa RAVELONARIVO Angelo Christian, ho « Préfet de Police Antananarivo ».
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 543 tamin’ny 27 may 2020 ary manendry an-dRamatoa RAMAROSON Veronirina, ho « Coordonnateur Général des Projets de l’Unité de Coordination Générale des Projets et Partenariats ».
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 110 tamin’ny 12 febroary 2020 ary manendry ny Général de Division ELACK Olivier Andriakaja, ho Tale Jeneralin’ny « Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes » (BNGRC)
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 328 tamin’ny 24 martsa 2021 ary manendry an-dRamatoa RAZAFIMANANTSOA Mirana Miarimanana, ho Tale Lefitry ny « Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes »
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 111 tamin’ny 12 febroary 2020 ary manendry ny Général de Brigade RAMANANTSOA Gabriel, ho « Directeur du Patrimoine et de l’Administration » ny BNGRC
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa TOKIFAHARANA Herimaharo Zo Randrianarivony, ho Préfet an’i Mahajanga.

MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 561 tamin’ny 20 aprily 2022 ary manendry an’Andriamatoa RAZANAKOTO Andrianirina Isidore, ho Tale Jeneralin’ny varotra.

MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023- 299 tamin’ny 22 martsa 2023 ary manendry an’Andriamatoa LAHIFARA André Noëlson, ho « Directeur des Affaires Administratives et Financières »
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1420 tamin’ny 15 desambra 2021 ary manendry an’Andriamatoa LETSARA Rokiman, ho « Directeur du Parc Botanique et Zoologique de Tsimbazaza » (PBZT)
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RASOANAMBININA Violette Dorothée, ho « Directeur des Reformes et des Suivi-Evaluation »

MINISITERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1243 tamin’ny 30 septambra 2020 ary manendry an’Andriamatoa TOANDRO Hery Zo, ho « Chef d’Unité de Contrôle et d’Audit « 
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1124 tamin’ny 09 septambra 2020 ary manendry an-dRamatoa RANJATOARIVELO Hitsy Mailala, ho « Directeur des Affaires Juridiques »

MINISITERAN’NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FANOFANANA ARAK’ASA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa SERO TASSOU Anjara Elysée Pierre, ho « Directeur des Affaires Juridique »
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1364 tamin’ny 21 oktobra 2020 ary manendry an-dRamatoa BIAZAMANDROSOARIVO Ny Ando, ho « Directeur du Centre National de Formation Professionnelle des Personnes en Situation d’Handicap »
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RANAMPY Marie Florida, ho « Directeur de l’Orientation et de l’Insertion »
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1058 tamin’ny 13 jolay 2022 ary manendry an-dRamatoa TSIKASIHY Fanjanirina, ho « Directeur de l’Apprentissage et de la Formation Qualifiante « 

MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 284 tamin’ny 02 martsa 2022 ary manendry an’Andriamatoa MANJARY Paulin Ramasy, ho Talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka ao Diana.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023- 655 tamin’ny 08 jona 2023 ary manendry an-dRamatoa NARIJAONA Elda, ho Talen’ny Serasera

MINISITERAN’NY MPONINA SY NY FIRAISAN-KINA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RABETALIANA Rova Harimboahangy, ho Tale Jeneralin’ny Mponina.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa SOLOFONIRINA Herinjaka Landry, ho « Directeur de la Planification et du Suivi-Evaluation »
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa ANDRIANJATOVO Lalaina, ho « Directeur de la Prévention des Risques Sociaux et Réponses aux Chocs »
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RIVOMANANA Tsarahita Ghisbert, ho Tale Jeneralin’ny Firaisan-kina
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAJERISON Miora Fanantenana, ho Directeur de l’Adoption Malagasy

MINISITERAN’NY FIZAHANTANY SY NY ASA TANANA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1375 tamin’ny 28 septambra 2022 ary manendry an-dRamatoa RASAMIJAONA Malalaniaina Noelisoa, ho Tale Jeneralin’ny asa tanana
  • Norasina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RABETANY Andriatsilavo Helisoa Jackob, ho « Directeur de la Valorisation des Produits Artisanaux »

MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1014 tamin’ny 29 septambra 2021 ary manendry an’Andriamatoa RASOANAIVO Andry, ho Sekretera Jeneraly
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023- 374 tamin’ny 05 aprily 2023 ary manendry an’Andriamatoa RAJAONARISOA Tahiry, ho « Directeur Général des Opérations et de la Vulgarisation des TIC »
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1192 tamin’ny 27 oktobra 2021 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTOMAHARO Andry Hajaina Rabenja, Tale Jeneralin’ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1016 tamin’ny 29 septambra 2021 ary manendry an-dRamatoa FENO Armandine, ho « Directeur Administratif et Financier »
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1345 tamin’ny 24 novambra 2021 ary manendry an-dRamatoa RAMANITRINIZAKA Voahary Nandrianina, ho « Directeur des Ressources Humaines »
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1018 tamin’ny 29 septambra 2021 ary manendry an-dRamatoa ANDRIANAIVO Rojo Marià, ho « Directeur des Affaires Juridiques ».
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1019 tamin’ny 29 septembre 2021 ary manendry an’Andriamatoa RABENANDRASANA Thierry Arnolphe, ho « Directeur de la Logistique et du Patrimoine »

MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023- 495 tamin’ny 03 may 2023 manendry an’Andriamatoa BOTOMANOVATSARA Fils, ho « Directeur des Infrastructures »
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1333 tamin’ny 24 novambra 2021 ary manendry an’Andriamatoa ANDRIANTAHINA Hajaniaina, ho Talem-paritry ny asa vaventy ao Ihorombe
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023- 435 tamin’ny 19 aprily 2023 ary manendry an-dRamatoa SOLOFONIRINA Herizo, ho « Directeur des Analyses et Prospectives »

MINISITERAN’NY ASA, NY FAMPANANAN’ASA ARY NY ASAM-PANJAKANA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 1586 tamin’ny 14 aogositra 2019 ary manendry an’Andriamatoa RANDRIANIRAINY Heriniaina Arsène, ho « Directeur de l’Institut National du Travail » (INTra)

MINISITERAN’NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 935 tamin’ny 15 septambra 2021 ary manendry an’Andriamatoa RAZAFIMANDIMBY Joseph Jean Chrysostophe, ho « Directeur Général de la Pêche et de l’Aquaculture »

MINISITERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023- 738 tamin’ny 14 jona 2023 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTOSON Diary Manjaka, ho « Directeur du Système d’Information »
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023- 825 tamin’ny 28 jona 2023 ary manendry an’Andriamatoa KOTOSON Andriambololona Seth, ho « Directeur des Affaires Juridiques »
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 421 tamin’ny 20 martsa 2019 ary manendry an’dRamatoa RAZANAKOLONA Harivao Fenosoa, ho « Directeur de la Responsabilité Sociétale des Entreprises et de l’Environnement » (DRSEE)

MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAKOTOJAONA Ramy, ho « Directeur du Partenariat et de la Coopération auprès de l’Office de la Radio et Télévision publique de Madagascar »
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 1259 tamin’ny 06 jona 2019 ary manendry an’Andriamatoa RAVONJIARIVELO Tojolalaina, ho Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina ao Vakinankaratra
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1309 tamin’ny 07 oktobra 2020 ary manendry an’Andriamatoa RABARISON Herisoaniaina Van José Claude, ho Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina ao Bongolava.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 1245 tamin’ny 6 jona 2019 ary manendry an’Andriamatoa ANDRIANTSIALONINA Fetraharimanana, ho Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina ao Alaotra Mangoro.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 1801 tamin’ny 18 septambra 2019 ary manendry an’Andriamatoa ANDRIANJOHANY Arilandy Aivoniaina, ho Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina ao Matsiatra Ambony.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RABENARIVO Mamy, ho « Coordonnateur des centres d’incubation »
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 1249 tamin’ny 6 jona 2019 ary manendry an’Andriamatoa JOE KAMAMY Mondestin, ho Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina ao Anosy.

IV- FANAFOANANA

MINISITERAN’NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

– Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 445 tamin’ny 30 mars 2022 nanendry ny « Directeur des Systèmes d’Information » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany.

– Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 461 tamin’ny 05 aprily 2022 nanendry ny « Directeur des Etudes et de l’Evaluation Environnementale” eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany

– Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 817 tamin’ny 1 jona 2022 nanendry ny “Directeur de la Reforme et de la Modernisation Foncière » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany

– Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023- 570 tamin’ny 17 martsa 2023 nanendry ny « Directeur l’Expropriation pour Cause d’Utilité Publique” eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany

– Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2018- 863 tamin’ny 26 jolay 2018 nanendry ny  » Directeur des Concours Financiers de l’Etat « 

MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

– Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 0964 tamin’ny 03 may 2019 nanendry ny Talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka ao Anosy

MINISITERAN’NY MPONINA SY NY FIRAISAN-KINA

– Noraisina ny ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2018-999 tamin’ny 08 aogositra 2018 nanendry ny « Directeur de la Réinsertion Sociale »

MINISITERAN’NY FIZAHANTANY SY NY ASA TANANA

– Noraisina ny didim-panjakana manafoana ireo didim-panjakana laharana faha 2022-1375 tamin’ny 28 septambra 2022, laharana faha 2021-1358 tamin’ny 1 desambra 2021, laharana faha 2021-1063 tamin’ny 6 oktobra 2021, laharana faha 2021-1064 tamin’ny 6 oktobra 2021, laharana faha 2022-691 tamin’ny 11 may 2022, et laharana faha 2021-1065 tamin’ny 6 oktobra 2021 teo anivon’ny Ministeran’ny Asa Tanana sy ny Haitao.

MINISITERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY

– Noraisina ny didim-panjakana manafoana ireo didim-panjakana laharana faha 2019-422 tamin’ny 20 martsa 2019, laharana faha 2019-778 tamin’ny 17 aprily 2019, laharana faha 2022-1113 tamin’ny 27 jolay 2022, laharana faha 2022-1114 tamin’ny 27 jolay 2022, laharana faha 2022-1115 tamin’ny 27 jolay 2022, laharana faha 2022-1296 tamin’ny 7 septambra 2022

MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

– Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 2233 tamin’ny 11 desambra 2019 ary manendry ny « Directeur du Basculement vers la Télévision Numérique Terrestre »

MINISITERAN’NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA

– Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1254 tamin’ny 30 septambra 2020 nanendry ny « Directeur des Etudes et Techniques au sein de la Coordination Générale des Projets »

– Noraisina ny didim-panjakana manafoana ireo didim-panjakana laharana faha 2019-1207, laharana faha 2019-1208, laharana faha 2019-1210, laharana faha 2019-1211, laharana faha 2019-1212, laharana faha 2019-1213, laharana faha 2019-1216, laharana faha 2019-1221, laharana faha 2019-1222, laharan faha 2019-1223, laharana faha 2019-1225, laharana faha 2019-1227 tamin’ny 06 jona 20219 ; laharana faha 2020-714 tamin’ny 1 jolay 2020 ; laharana faha 2020-768 tamin’ny 16 jolay 2020 ; laharana faha 2022-681 tamin’ny 11 may 2022 ; laharana faha 2022-1368, laharana faha 2022-1369, laharana faha 2022-1370, laharana faha 2022-1371 tamin’ny 28 septambra 2022 ; laharana faha 2023-042 tamin’ny 11 janoary 2023 ; laharana faha 2023-1124, laharana faha 2023-1125, laharana faha 2023-1126 tamin’ny 08 septambra 2023, nanendry ireo Talem-paritra teo anivon’ny « Coordination Générale des Projets ».

MINISITERAN’NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAINJAFY

– Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 334 tamin’ny 11 martsa 2020 nanendry ny « Directeur administratif et financier »

Natao ny 21 febroary 2024

Ny Minisitry ny Fampianarana ara-teknika sy Fanofanana ara-kasa,

Lalatiana RAKOTONDRAZAFY, Mpitondra Tenin’ny Governemanta,

Ny Fitaleavan’ny Serasera

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika

TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA ALAROBIA 07 FEBROARY 2024 – LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia 07 febroary 2024 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

I- FAMPITANA AM-BAVA

FIADIDIANA NY REPOBLIKA

Notohizana hatrany ny fampitana am-bava ho fampahafantarana ny fandaharanasa ao anatin’ny 100 andro voalohany :

• MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA :

– Fanamaivanana ny dingana ara-panjakana amin’ny tsenan’asam-panjakana :

Maro ao anatin’ireo didy aman-dalàna mikasika ny tsenan’asam-panjakana no tsy ampiharina loatra na dia ireo mamaritra fanamaivanana aza, noho ny antony na tsy fahafantaran’ny mpisehatra amin’ny famoaham-bolam-panjakana (acteurs budgétaires) azy ireo na ny tsy fisian’ny fanazavana ny fomba fampiasa (manuel de procédure) momba ireo dingana samihafa ilaina. Ohatra amin’izany ny fisian’ny tranga azo ampihenana ny fanaovana tolo-bidy ho 15 andro raha 30 andro no fanao, fa tsy maintsy ankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra kosa, ny fampiasana ny dingana noho ny hamehana amin’ny fanaovana tolo-bidy (appel d’offres restreint en urgence), ary ny fanaovana ny fakan-kevitra mivantana na “consultations“. Eo koa ny fampiasana ny “contrat cadre” amin’ny fandaniana miverimberina, ny tsenam-barom-panjakana hanaovana kaomandy mialoha (marches à commande), ary ny fampiasana ny “e-GP” ao anatin’ny rindram-baiko mifehy ny fanaovana tsenan’asam-panjakana (SIGMP).

Misy ary tohizana ny fampahafantarana bebe kokoa ireo mpisehatra eo amin’ny tetibolam-panjakana (acteurs budgétaires) isaky ny minisitera sy andrim-panjakana samihafa ireo fanamaivanana samihafa ireo, efa nanomboka tamin’ny 5 febroary ary hitohy hatramin’ny 16 Febroary 2024 ho avy izao.

Tsy maintsy atao ao anatin’ny 100 ihany koa ny famolavolana rijan-tenin-dalàna hanova ny andininy sasantsasany izay hita fa mampavesatra ny dingana samihafa amin’ny fanaovana tsenan’asam-panjakana.

– Fanafainganana ny famoaham-bola azo avy amin’ny fanampiana avy any ivelany :

Hatreto dia ambany dia ambany ny tahan’ny famoaham-bola amin’ny fanampiana avy any ivelany eto Madagasikara. Ilaina vahaolana izany, satria ny zavatra tsapa dia mavesatra ny pitsopitsony ary tsy ampy ny fanarahamaso ny fanatanterahana ny fifanaraham-pampindrama-bola (72%) na fifanaraham-panomezana fanampiana ara-bola (28%) avy any ivelany. Anisan’ny olana goavana ary tena mavesatra ny fisiana karazana pitsopitsony 2 samihafa dia ny fanaovana ny fandaniana (execution des dépenses) izay takian’ny fifanaraham-pamatsiam-bola amin’ny ankapobeny andaniny, sy ny fanaovana ny “régularisation budgétaire” rehefa manatanteraka ny fandaniana an’ireny vola fanampiana avy any ivelany ireny, takian’ny lalànantsika eto Madagasikara.

Anisan’ny vahaolana aroso ny famadihana ny fanatanterahana ny tetikasa ho sampan-draharaha “services opérationnels d’activités” (SOA) ka hametrahana “acteurs budgétaires” tsy manao afatsy ny fandaniana amin’ny famatsiam-bola avy any ivelany, ny “coordonnateurs de projets” eny anivon’ny minisitera araka izany no tendrena ho “gestionnaires d’activités” ary manendry olona manokana hisahana ny asana “ordonnateurs secondaires”.

Hisy ihany koa ny fametrahana “trésorerie principale en charge des financements extérieurs » izay tsy hikirakira afatsy ny vola avy amin’ny famatsiam-bola avy any ivelany iarahana amin’ny Banky iraisam-pirenena. Mifanindran-dalana amin’izay ny fanaovana fifanarahana amin’ireo mpamatsy vola mba ho karazana pitsopitsony iray ihany no hampiharina indrindra amin’ny fanaovana tolo-bidy amin’ny tsenan’asam-panjakana amin’ireny famatsiam-bola avy any ivelany ireny. Torak’izany koa ny fampihenana ny fe-potoana andalovan’ny antontan-taratasy any amin’ny BSE eny anivon’ny fiadidiana ny Repoblika.

Vahaolana hafa ihany koa ny famindrana iray manontolo ny vola izay efa azo (fonds décaissés) avy any amin’ny Banky foiben’i Madagasikara mankany amin’ireo kaonty manokana “comptes de transaction”.

Santionany amin’ireo vahaolana lehibe entina manafaingana ny fampiasam-bola azo avy any ivelany ireo, fa toromarika no nomen’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika mba hanaovana ny fomba rehetra hampiakarana ny tahan’ny famoaham-bola avy amin’ireo famatsiam-bola avy any ivelany ireo, ary anisan’ny laharam-pahamehana izany ao anatin’ny 100 andro.

– Fanamarinan-toerana ny Ariary :

Hatreto dia anisan’ny antony mampitontongana ny vola Malagasy ny tsy fahampian’ny famerenam-bola avy any ivelany (rapatriement de devises) ka tanjona apetraka ao anatin’ny 100 andro ny fampiakarana ny tahan’ny famerenana vola avy any ivelany (taux de rapatriement de devises) ho 86%. Mila jerena manokana koa ny fanaraha-maso ny fivoaham-bola mankany ivelany amin’ny alalan’ny fifehezana ny fanafarana entana avy any ivelany sy ny fandefasana vola vahiny eo anivon’ny tsenan’ny fifanakalozam-bola (MID) ho an’ireo orinasa voakasik’izany. Ny zava-misy dia misy orinasa manana fahazoan-dalana hisehatra amin’ny afak’haba (zones franches) kanefa lasa manafatra vary ka mazava ho azy fa lasa tsy voakasiky ny fepetra eo anivon’ny tsenan’ny fifanakalozam-bola (MID). Ny tanjona dia ny hampiakarana ny tahan’ny fandefasana vola ao anatin’ny MID (taux de cessions de devises sur le MID) ho 76%.

• MINISITERAN’NY ANGOVO SY AKORAN’AFO :

Tohin’ny soritr’asa laharam-pahamehana ao anatin’ny 100 andro eo anivon’ity minisitera ity, izay efa nankatoavina teo aloha tao anatin’ny Filan-kevitry ny Minisitra. Ireto avy ny fivoaran’ireo asa efa nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra fa hotanterahina maika :

– Fampihodinana ny tobim-pamokarana angovo (centrale thermique) hanana tanjaka 105MW : manomana ny fandefasana ny fitaovana ilaina amin’ny fanamboarana ankehitriny, ary manamafy ny lalana mankany amin’ny toerana hametrahana ny tobim-pamokarana, sy ny fiarovana ireo fitaovana vonjimaika efa any an-toerana.

– Famatsiana herinaratra ny faritra ambanivohitra : toby mamokatra herinaratra amin’ny herin’ny masoandro (centrales solaires) amina toerana miisa 27 no kendrena hatao ka toerana 4 ankehitriny no efa nahavitana 100% ny asa fametrahana (Tanandava Morondava, Marovato sy Ambohitrandriana Ambanja, Ampondralava Ambilobe ) ary efa nanaovana fandraisana ara-teknika. Misy koa fametrahana tambajotra madinika mamokatra herinaratra (nano réseaux solaires) amin’ny toerana miisa 20, ka toerana 2 ihany koa (Belamoty Betioky sy Befandriana Atsimo Morombe) no efa miditra andrana ny fampandehanana azy, izany hoe vita 90% ny asa.

– Fizarana ireo kojakoja hahazoana herinaratra avy amin’ny masoandro (kits solaires) ho an’ireo tokantrano marefo : raha tsiahivina dia 200.000 no kendrena ho voazara amin’ny faritra 13 manerana ny Nosy, ka efa nandeha ny tolo-bidy ary miandry ny « avis de non objection » avy amin’ny Banky iraisam-pirenena ankehitriny.

– Tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro (parcs solaires) miisa 47 : ny tapaky ny volana Febroary sy ny Martsa 2024 no hifanesy ho tonga ireo fitaovana amin’izany, kaontenera miisa 300 no andrasana ho tonga. Amin’ny volana Aprily no hanomboka ny fanapariahana azy ireo manerana an’i Madagasikara amin’ny distrika izay voakasika.

– Fametrahana “lampadaires solaires” amin’ireo andrin-jiro JIRAMA amin’ireo tanana efa voafaritra mialoha : 1.500 isa no tanjona, efa 376 no tafapetraka ankehitriny ary mbola mitohy ny asa ankehitriny.

– Tetikasa “branchements mora” izay kendrena ho tokantrano miisa 50.000 no hampidirana azy ao anatin’ny 100 andro : Efa misy kaontera aloa vola mialoha (compteurs prépayés) miisa 25.000 no tonga eto Madagasikara ankehitriny, ary efa misy 6.947 no tafapetraka amina kaominina miisa 7 eto Antananarivo sy ny manodidina. Hitohy any amin’ny faritra samihafa ny fampidirana izany kaontera aloa vola mialoha izany.

– Fananganana tobim-pamokarana herinaratra “hybrides” hahazoana angovo manana tanjaka 1MW ho an’i Sainte-Marie, sy 1,5 Mw ho an’i Mananara Avaratra : efa andalana ny fanamboarana ireo andrin-jiro, efa nalefa avokoa ireo kaomandin’ny fampitaovana ilaina any amin’ny orinasa mpanamboatra izany.

– Fanoloana ireo andrin-jiro hazo efa lò ho “béton”: andrin-jiro miisa 1.000 no kendrena ho tafapetraka ao anatin’ny 100 andro, 81 no efa tafapetraka hatramin’ny andro androany.

– Asa fampidirana herinaratra amin’ireo toerana hanaovana tetikasa sosialy andrana “Miarina” sy “Fieferamanga”: efa tonga any Fieferamanga ireo andrin-jiro ilaina, efa vita tanteraka ny drafitra ary mandeha ihany koa ny fanaovana tombam-bidy amin’ny fandaniana rehetra ilaina.

– Fampidirana fitaovana manome herinaratra azo avy amin’ny masoandro (kits solaires) amin’ireo tobim-pahasalamana CSB miparitaka manerana ny Nosy : 453 no tanjona hotratrarina, efa vonona ny fifanarahana tamin’ny mpamatsy ny fitaovana taorian’ny tolo-bidy, ny 15 Febroary 2024 izao no hosoniavina izany ka 45 andro aorian’izay no ho fanolorana ny fitaovana rehetra. Izany hoe amin’ny faran’ny volana Mars 2024 dia efa hisy ireo CSB hisitraka ny herinaratra azo avy amin’ny masoandro ao anatin’ity tetikasa ity.

• MINISITERAN’NY FAMPANDROSOANA ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

Tohin’ny soritr’asa laharam-pahamehana ao anatin’ny 100 andro eo anivon’ity minisitera ity, izay efa nankatoavina teo aloha tao anatin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ihany koa, dia ireto indray ny tanjona faritana manaraka :

– Laharam-pahamehana voalohany : Tokantrano miisa 79.678 no ho voakasiky ny fizarana ny karinem-pokontany misy “QR Code” amin’ny kaominina ambonivohitra Sainte-Marie, Antsirabe ary Miarinarivo.

– Laharam-pahamehana faharoa : Tokantrano miisa 412.221 no ho voakasiky ny fizarana karinem-pokontany amin’ny distrika 5 eto amin’ny faritra Analamanga.

– Laharam-pahamehana fahatelo : tokantrano miisa 2.082.221 amin’ny distrika ambiny 103 ivelan’ny faritra Analamanga no ho voakasiky ny fizarana karinem-pokontany.

Mila mametraka fomba fiasa maty paika amin’ny fizarana ireo karinem-pokontany ireo, ka hisy ny fiarahamiasa eo amin’ireo Ministera maromaro amin’izany.

Anisan’ny laharam-pahamehana ao anatin’ny asa tanterahina 100 andro ny fanomezana ny famantarana tokana (Identification Unique) ho an’ny olompirenena malagasy tsirairay. Atao tetikasa andrana moa ny terabao, ka efa natomboka tamin’ny faran’ny taona ny fandraisana ny mombamomba ireo zaza vao teraka rehetra, hahafahana manome azy ireo izay famantarana tokana izay. Hatreto dia 6.140 ny isan’ny terabao efa manana ny “identification unique” ka ny tao amin’ny hopitaly Befelatanana, boriborintany faha-4 Antananarivo renivohitra, tany Toamasina I sy Toamasina II tao anatin’izay tetikasa andrana izay. Aorian’ny andrana dia hihitatra manerana ny Nosy ny tetikasa ka ny Banky iraisam-pirenena no hamatsy vola izany, amin’ny alalan’ny fandaharanasa PRODIGY.

MINISITERAN’NY FOLOALINDAHY + MINISITERAN’NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY + MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra fanesorana ny tany amin’ny foloalindahy (désaffectation) ka alefa averina amin’ny Fanjakana Malagasy, satria hanatanterahana tetikasan’ny Filohan’ny Repoblika. Eny akaikin’ny seranam-piaramandina Ivato ireo tany ireo, antsoina hoe « base aérienne d’Ivato” mitondra ny laharana TN°25.30-H, mirefy 83 Ara 53 santiara sy « extension de la bas aérienne d’Ivato » TN°38.70-H mirefy 1 Hektara 8 Ara 20 Santiara ao anatin’ny Kaominina Ambanivohitra Ivato, distrika Ambohidratrimo. Efa nanome ny heviny ny minisiteran’ny fizahan-tany, araka ny drafi-pampandrosoana ny faritry ny seranam-piaramanidina Ivato, fa tsy tafiditra ao anatin’ny faritra tantanan’ny « Ravinala Airport » ireo velaran-tany ireo, ny minisiteran’ny foloalindahy rahateo koa tsy mitsipaka ny fanatanterahana ny tetikasan’ny Filoham-pirenena ka azo irosoana ny famerenana ny tany amin’ny Fanjakana Malagasy.

MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny fanasoniavana ny fifanaraham-piarahamiasa vaovao eo amin’ny Vondrona Eoropeana sy ny firenena mpikambana ao anatin’ny Vondron’ny Firenena Afrikana, Karaiba ary Pasifika (OEACP), izay antsoina hoe « Accord de Samoa ». Raha tsiahivina dia tamin’ny Filan-kevitry ny Minisitry ny mpikambana ao amin’ny OEACP tamin’ny 18 Jolay 2023 tany Bruxelles Belgique, no tapaka ny hanaovana an’io sonia io ho an’ireo firenena mpikambana rehetra. I Madagasikara anefa mbola tsy afaka nanao sonia noho ny vanim-potoanan’ny fifidianana izay tsy nisiana Filoham-pirenena voafidy fa Governemanta nitantan-draharaham-panjakana andavanandro no nanao ny asa ka tsy afaka nanao sonia mamatotra ny firenena mihitsy, araka ny voalazan’ny lalam-panorenana. Ny datin’ny 18 Janoary 2024, dia efa firenena 27 ao anatin’ny Vondrona Eoropeana, 65 amin’ireo 79 mpikambana amin’ny OEACP ka 42 amin’ireo no firenena afrikana, no efa nanasonia. Noho ny tsy mbola nahavitan’ny sonia ho an’i Madagasikara dia tsy afaka mandray anjara amin’ny resaka fiarahamiasa ao anatin’ny OEACP-UE isika, nanomboka ny 31 Desambra 2023. Miato ihany koa mandram-pahavitan’ny sonia ny fiarahamiasa vaovao amin’ny Banky Eoropeana amin’ny Fampiasam-bola (BEI). Misokatra hatramin’ny 24 Mey 2024 ny fahafahana manao sonia ka hiroso amin’izany avy hatrany isika aorian’ity fanapahan-kevitry ny Filan-kevitry ny Minisitra ity. 

MINISITERAN’NY FITSARANA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny famolavolana ny paikadim-pirenena hiadiana amin’ny Kolikoly (SNLCC) vaovao, satria ao anatin’ny taona farany fampiharana ny paikady nandritra ny 10 taona i Madagasikara ankehitriny (SNLCC 2015-2025). Maharitra fotoana lavalava moa ny famolavolana izany paikady vaovao izany, satria andraisan’ny rehetra anjara tahaka ny sehatra miankina sy tsy miankina amin’ny Fanjakana, ka kendrena ho amin’ny andro iraisam-pirenena ho an’ny ady amin’ny kolikoly amin’ny 9 desambra 2024 no hampahafantarina ny paikady vaovao ho amin’ny 10 taona manaraka indray.

Ireto avy ny dingana arahina amin’ny famolavolana ity SNLCC vaovao ity:

– Tombana sy jery todika ny paikady teo aloha, mba hahalalana izay sakana nisy ary hanitsiana izay tsy nety amin’ny paikady vaovao.

– Fananganana komity hitarika ny famolavolana (comité de pilotage) izay hanao tatitra isam-potoana amin’ny Filohan’ny Repoblika. Famaritana ny tanjona vaovao, mamaritra ny laharam-pahamehana ao anatin’ny antonona sy lavitra ezaka, ary fanohizana ny ezaka efa natomboka ao anatin’izao 100 andro voalohan’ny Governamanta izao.

– Famolavolana drafi-panatanterahana ny paikady vaovao, sy ny drafi-panarahamaso sy tombana ny fanatanterahana.

Marihana fa ny Filohan’ny CSI (Comité de Sauvegarde de l’intégrité) no mitarika ny komity hitarika ny famolavolana (comité de pilotage), ary ahitana solotenan’ny Filohan’ny Repoblika, ny solotenan’ny Praiminisitra, ny solotenan’ny Governemanta, ny Tale Jeneralin’ny ARAI sy ny Rafitra samihafa miady amin’ny Kolikoly eto amin’ny firenena. Ny PNUD sy ny ONUDC no manohana ara-teknika sy ara-bola ny famolavolana. Amin’ny alalan’ny didim-pitondrana no hananganana ny komity.

MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN’NY TONTOLO IAINANA SY NY FAMPANDROSOANA LOVAIN-JAFY

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fehin-kevitra nataon’ny iraky teknikan’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena eto Madagasikara tamin’ny 30 janoary ka hatramin’ny 02 Febroary 2024, mikasika ny fifanaraham-pamatsiambola mitentina 219,96 tapitrisa DTS ao anatin’ny fandaharanasa FEC, izay natao sonia ny 29 mars 2021. Hifarana amin’ny volana Jolay 2024 io fandaharanasa io, efa nisy iraka tombana niisa 4 teo aloha, nahafahana namoaka vola hatramin’ny 171,08 tapitrisa DTS ka mbola hisy iraka faha-5 mialohan’ny fahataperany.

Raha tsiahivina dia efa nandefa fangatahana famatsiambola ao anatin’ny fandaharanasa « Facilité pour la Résilience et la Durabilité- FRD » ihany koa i Madagasikara tamin’ny 2023, ho fanampin’ny FEC, izay tsy maintsy mirafitra amina fandaharanasa efa mandeha ka mbola maharitra 18 volana farafahakeliny. Ny fepetra ahafahana misitraka ny FRD ihany koa dia ny fahombiazan’ny FEC, miankina amin’ireo fanavaozana ataon’ny Fanjakana ihany koa ny tahan’ny famatsiam-bola vaovao ho azo. Koa satria moa miompana betsaka amin’ny resaka fiovaovan’ny toetrandro ny fandaharanasa vaovao, dia manolo-kevitra ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy sy ny minisiteran’ny fitantanam-bola mba hamaranana tanteraka ny fandaharanasa FEC, mba tsy hahavoatery antsika hanitatra azy 18 volana fanampiny araka ny fepetra takian’ny FRD, ka hifanarahana amina fandaharanasa vaovao tanteraka mihitsy. Araka ny toromarika nomen’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika dia handefa taratasy amin’ny FMI araka izany ny Fanjakana Malagasy hanazava ireo vina vaovao entin’Andriamatoa Filoha amin’izao fepotoam-piasany vaovao izao, ka tokony hifanaraka amin’izay ny fiarahamiasa amin’ireo mpamatsy vola. Mifandraika amin’izay ihany koa dia hisy fifampiraharahana hatao mba haharitra 36 volana ny fandaharanasa vaovao manaraka izay hiarahana amin’ny FMI. 

MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA + MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny « Exposition Universelle 2025 » ny 13 Aprily ka hatramin’ny 13 Oktobra 2025 any OSAKA Japon. Ity hetsika ity dia karakarain’ny Governemanta Japoney natao hampafantarana ny tetikadin’i Japon amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy fivoarana manoloana ny zava-misy maneran-tany. Hahafahan’i Madagasikara mampahafantatra ny zavamisy eto amin’ny firenentsika amin’ny sehatra iraisam-pirenena koa izany, misy rahateo ny tohana ara-bola azon’ny Japoney entina ho an’ireo firenena andalam-pandrosoana handray anjara.

MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

Mbola tsy misy ny trangana choléra eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, ary efa mandray ny andraikitra rehetra ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka mba hisorohana ny fahatongavany sy ny fiparitahany eto Madagasikara.

Efa misy araka izany ny fanarahamaso ara-pahasalamana amin’ireo toeram-pidirana rehetra ahiana eto Madagasikara, ka nananganana « andrimasom-pokonolona » manampy ireo mpanara-maso ny sisin-dranomasin’i Madagasikara. Tsy maintsy hanaovana « desinfection » sy « desinsectisation » daholo ireo sambo sy fiaramanidina rehetra, apetraka koa ny fitaovam-panadiovana sy fidiovana ny tanana, sy ny faladia tahaka ny fampiasana ny « gel hydroalcoolique », ary tsy maintsy hanaovana « désinfection » ihany koa ny entana rehetra sy ny entana an-tanana entin’ny mpandeha anaty fiaramanidina (bagages à main). Mbola hisy ny filan-kevitry ny minisitra manokana handraisana ny fepetra mafimafy kokoa mikasika ny fitaterana an-dranomasina, indrindra ireo sambo madinika na botry avy amin’ireo firenena manamorona ny ranomasina manakaiky antsika ka efa misy valan’aretina.

MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA + MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisana ny sambo hopitaly lehibe “MERCY SHIPS” amin’ny taona 2024 ity. Faninefany amin’izao nanomboka ny taona 1996 no tonga eto Madagasikara, hanao fitsaboana ity sambo hopitaly ity, ao Toamasina izy no hiantsoana, ary amin’ity volana Febroary 2024 ity no andrasana ny fahatongavany. Haharitra 10 volana ny fijanonany eto amintsika, sady hanao fitsaboana, fandidiana, no hampiofana ireo matihanina amin’ny fitsaboana mba hanamafisanana ny fahaiza-manaon’izy ireo, indrindra eo amin’ny sehatry ny fandidiana. Fandidiana miisa 1.150 no kendrena ho vita mandritra ny fijanonany eto. Asiana mpitandro filaminana kosa manara-maso ny zava-misy rehetra ao anatin’ny sambo.

MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo kojakoja sy fitaovana ilaina amin’ny fanarahamaso (monitoring) ny foibe famokarana herinaratra an’ny orinasa JIRAMA miisa 21 manerana an’i Madagasikara tafiditra ao anatin’ny dingana voalohany amin’ny fandaharanasa fanarahamaso apetraka eo anivon’ity orinasam-panjakana ity.

MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezan-dalana hampiasa ny tetibolan’ny Minisitera handoavana ireo asa jeoteknika fampanaraham-penitra tafiditra ao anatin’ny fifanarahana « Convention de Maîtrise d’Ouvrage Déléguée (CMOD) 2023 » eo amin’ny Minisitera sy ny Laboratoaram-pirenena mikasika ny asa vaventy sy ny taotrano (LNTPB) izay novatsian’ny Tahirim-bola mikasika ny lalana vola.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezan-dalana hampiasa ny tetibolan’ny Minisiteran’ny asa vaventy mba hanatanterahana ny asa fikojakojana ny lalana « TEAC » amin’ny lalampirenena RNS5 amin’ny ampahany tafiditra an-tanan-dehibe ao Toamasina eo anelanelan’ny PK 0 + 000 (carrefour Saint Paul) sy ny PK 4 + 000 (Jovena Ambalamanasy), izay vatsian’ny Tahirimbola momba ny lalana vola.

MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana santatra na “Mémorandum Of Understanding (MoU)” eo amin’ny Aviation Civile de Madagascar (ACM) sy I Qatar, mba hametrahana zotram-piaramanidina mampitohy mivantana an’i Madagsikara sy Doha Qatar, izay hisy fifamezivezena impito isan-kerinandro. Ny tanjona dia ny mba hampitomboana ny isan’ny mpizahan-tany eto Madagasikara, izay raha tsiahivina dia 1.000.000 ao anatin’ny 5 taona no nofaritan’ny vinan’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika. Ity endrim-pifanarahana santatra ity dia mamaritra ny lasitra araky ny lalàna amin’ny fisian’izay zotram-piaramanidina izay, fa tsy maintsy ny firenena 2 tonta no manao ny fifanarahana tena izy. Tsy mijanona eo amin’ny zotram-piaramanidina ihany ny ho fifanarahana fa azo ehverina hihitatra amin’ny fananganana efitrano fandraisam-bahiny ihany koa.

MINISITERAN’NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny famerenana ny fanamboarana ny faritra ZEP na « Zones d’Emergence Piscicole (ZEP) » any Lalangina Matsiatra Ambony, Ambositra Amoron’i Mania, Marovoay Boeny, Antanimora Atsimo Androy, Antsohihy Sofia, Analamanga, Anosy, Fitovinany, izay efa natomboka tamin’ny taona 2023. Tamin’ny taon-dasa tokoa dia efa nanomboka ireo asa ireo fa mbola tsy vita, ka mba ho fanatanterahana izany dia hisy fikitihana tetibola anatin’ny minisitera (aménagement de credits) araka ireo asa sy fampitaovana tsy maintsy hatao.

MINISITERAN’NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA+ MINISITERAN’NY FOLOALINDAHY + MINISITERAN’NY FITSARANA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA + MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO + MINISITERA DELEGE EO ANIVON’NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fametrahana ny drafitrasa itambaran’ireio minisitera voatanisa eo ambony, ao anatin’ny fohy ezaka sy antonona ezaka ho entina miady amin’ny jono tsy ara-dalàna tsy nanaovana fampahafantarana sady tsy voafehin’ny lalàna eto Madagasikara (INN). Ny 02 febroary 2024 dia nahazo angom-baovao ny fanjakana Malagasy fa misy jono dingadingana na “concombres de mer” tsy ara-dalàna any amin’ny Nosy Providence Seychelles, 400 km avaratr’i Madagasikara, ka sambo malagasy no manao azy ireo. Ny 1 tamin’ireo sambo ireo dia voatazon’ny tompon’andraikitry ny sisin-dranomasin’I Seychelles ary ny 2 kosa dia tafatsoaka ka nianatsimo heverina fa nihazo an’i Madagasikara. Manoloana izany, taorian’ny fifanakalozana nisesisesy tamin’i Seychelles, dia misy mpanjono malagasy 73 no tratra ka nentina niakatra tany Victoria Seychelles aloha. Tokony hiverina eto Madagasikara, any amin’ny seranan-tsambon’Antsiranana ireo mpanjono tsy ara-dalàna ireo, ka hiatrika izany fampodiana izany ireo minisitera isan-tsokajiny ireo amin’ny pitsopitsony araky ny lalàna sy ara-pitsarana mikasika azy ireo mba handraisana sazy hentitra ho azy ireo. Ny tanjona dia ny handravana ny tambajotrana mpanao jono tsy aradalàna ireo.

MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny fandraisana an-tanana ny fandoavana ny saran’ny fandefasana amin’ny fahitalavim-pirenena TVM ireo lalao baolina kitra andraisan’i BAREA Madagasikara anjara amin’ny fifanintsanana hiakarana amin’ny fiadiana ny tompon-daka manerantany FIFA hatao amin’ny 2026.

II- FANDRAISANA DIDIM-PANJAKANA

MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-drijatenin-dalàna entina mankatoa ny fifanaraham-pindramam-bola amin’ny famatsiana ny tetikasa fanajariana famokarana herinaratra ao an-dRanomafana renirano Ikopa, izay vita sonia teo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy Eximbank Chine tamin’ny 1 aogositra 2023.

Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-drijatenin-dalàna entina mankatoa ny fifanaraham-pindramam-bola amin’ny famatsiana ny tetikasa « ANGOVO » famatsiana herinaratra any ambanivohitra, ho an’ny faritra Melaky, Menabe, Atsimo Andrefana, Androy ary Anosy, izay vita sonia teo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Sampan-draharaha frantsay momba ny fampandrosoana (AFD) tamin’ny 24 Jolay 2023.

MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-drijatenin-dalàna entina mankatoa ny fifanaraham-pindramam-bola amin’ny famatsiana ny tetikasa fanajariana ny « Fly-over MAKI » fihaonan-dalana amin’ny lalana «Francophonie » sy ny « Boulevard de l’Europe » izay vita sonia teo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Banky Arabo ho an’ny Fampandrosoana ara-toekarena aty afrika (BADEA) tamin’ny 11 oktobra 2023.

III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

MINISTERAN’NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

  • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2022-772 tamin’ny 25 may 2022 ary anendrena an’Atoa RAMASIMBAMALAZA Olivier José Michel, ho “Directeur des Services Topographiques” eo anivon’ny Ministeran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany
  • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2022-112 tamin’ny 21 janoary 2022 ary anendrena an-dRtoa RATELOSON Tahina Harisoa, ho « Directeur de la Planification et du Soutien au Territoire” eo anivon’ny Ministeran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany »
  • Noraisina ny Didim-panjakana anendrena an’Atoa RANDRIANOELY Martin, ho Tompon’andraikitry ny Vondrona misahana ny Fitondrana Tsara Tantana sy ny Ady amin’ny Kolikoly eo anivon’ny Ministeran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany

MINISTERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA

  • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ireo Didim-panjakana laharana faha 2021-974 tamin’ny 29 septambra 2021 sy faha 2021-975 tamin’ny 29 septambra 2021 ary anendrena an-dRtoa RAKOTOARIVONONA Njivatiana, ho Tale Jeneralin’ny Fampiroboroboana ny Indostria eo anivon’nny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra
  • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ireo Didim-panjakana laharana faha 2022-1409 tamin’ny 05 oktobra 2022 sy faha 2019-877 tamin’ny 24 aprily 2019 ary anendrena an-dRtoa RAMANGARISON Haingotiana Ida, ho Talem-paritry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ao Boeny.
  • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ireo Didim-panjakana laharana faha 2022-1412 tamin’ny 05 oktobra 2022 sy faha 2022-1416 tamin’ny 05 oktobra 2022 ary anendrena an’Atoa RAZAFINIMARO Jocelin Richard, ho Talem-paritry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ao Atsimo Andrefana.

MINISTERAN’NY NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

  • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2022-872 tamin’ny 08 jona 2022 ary anendrena an’Atoa RAKOTONDRAZAKA Tina José, ho “Directeur des Affaire Juridiques” eo anivon’ny Ministeran’ny ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa.
  • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2022-943 tamin’ny 22 jona 2022 ary anendrena an-Rtoa RAVOLATSARA Arlette Florine, ho Talen’ny Serasera eo anivon’ny Ministeran’ny. Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa.

MINISTERAN’NY FAMPIANARANA ARA-TEKINIKA SY NY FANOFANANA ARAK’ASA

  • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2022-692 tamin’ny 11 may 2022 ary anendrena an’Atoa RANAIVOARIMANGA Sahoby, ho « Directeur des Affaires Financières » eo anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana Ara-tekinika sy ny Fanofanana Arak’asa
  • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2022-1060 tamin’ny 13 jolay 2022 ary anendrena an’Atoa RAKOTONIRINA Heriniaina, ho « Directeur des Ressources Humaines » eo anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana Ara-tekinika sy ny Fanofanana Arak’asa
  • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2022-576 tamin’ny 20 aprily 2022 ary anendrena an-dRtoa RAZAFINDRAZAKA RAMAROSON Holy Alexandra, ho « Coordonnateur Général des Projets » eo anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana Ara-tekinika sy ny Fanofanana Arak’asa
  • Noraisina ny Didim-panjakana anendrena an’Atoa RANDRIANIRINA Rogesselin, ho “Coordonnateur de la Cellule d’Audit Interne et de Lutte contre la Corruption” eo anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana Ara-tekinika sy ny Fanofanana Arak’asa
  • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2022-694 tamin’ny 11 may 2022 ary anendrena an-dRtoa RAKOTOMALALA Vonimananarivo Maminirina, ho « Directeur de Programmation, de Suivi et d’Evaluation » eo anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana Ara-tekinika sy ny Fanofanana Arak’asa
  • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2022-577 tamin’ny 20 aprily 2022 ary anendrena an’Atoa RAJERISOA RASATA Mandimby Andriamanetsiarivo, ho « Directeur du Patrimoine et de la Logistique » eo anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana Ara-tekinika sy ny Fanofanana Arak’asa
  • Noraisina ny Didim-panjakana anendrena an’Atoa FALIARISOA Luc Honoré, ho « Directeur de l’Incubation Professionnelle » eo anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana Ara-tekinika sy ny Fanofanana Arak’asa
  • Noraisina ny Didim-panjakana anendrena an’Atoa RAKOTOARIVONJY Mandimbisoa, ho « Directeur des Relations Publiques » eo anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana Ara-tekinika sy ny Fanofanana Arak’asa
  • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2022-946 tamin’ny 11 may 2022 ary anendrena an’Atoa ANDRIANASOLONIAINA Harivelo Andriamanga Richard, ho « Directeur de l’Innovation et du Développement Numérique » eo anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana Ara-tekinika sy ny Fanofanana Arak’asa

MINISTERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

  • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2022-114 tamin’ny 21 janoary 2022 ary anendrena an’Atoa ANDRIAMISANDRATRA Maherisoa Harimanga, ho Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka ao Itasy
  • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ireo Didim-panjakana laharana faha 2021-184 tamin’ny 17 febroary 2021 sy faha 2022-944 tamin’ny 22 jona 2022 ary anendrena an’Atoa TSIVAHINY Paubert, ho « Directeur du Programme Elargi de Vaccination » eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.

MINISTERAN’NY MPONINA, SY NY FIRAISAN-KINA

  • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2021-1138 tamin’ny 20 oktobra 2021 ary anendrena an-dRtoa HAVANIRINA Jolcette Emilienne, ho « Directeur de la Promotion de la Femme » eo anivon’ny Ministeran’ny Mponina, sy ny Firaisan-kina.
  • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2021-934 tamin’ny 15 septambra 2021 ary anendrena an-dRtoa RAKOTONIRINA Miarisoa Patricia, ho Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Mponina, sy ny Firaisan-kina.
  • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2021-223 tamin’ny 24 febroary 2021 ary anendrena an’Atoa RAKOTOMALALA Eric, ho « Directeur des Patrimoines et des Affaires Financières » eo anivon’ny Ministeran’ny Mponina, sy ny Firaisan-kina.
  • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2021-587 tamin’ny 26 may 2021 ary anendrena an’Atoa RANDRIAMIARINARIVO Jean Bruno Abel, ho « Directeur des Ressources Humaines » eo anivon’ny Ministeran’ny Mponina, sy ny Firaisan-kina.
  • Noraisina ny Didim-panjakana anendrena an’Atoa SOUFALY Yvan Fabius, ho Talen’ny Serasera eo anivon’ny Ministeran’ny Mponina, sy ny Firaisan-kina.

MINISTERAN’NY FIZAHANTANY SY NY ASA TANANA

  • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2022-638 tamin’ny 04 may 2022 ary anendrena an’Atoa RAMINOHARIJAONA Tojo Nantenaina, ho “Directeur des Systèmes d’Information et de la Communication” eo anivon’ny Ministeran’ny Fizahantany sy ny Asa tanana.
  • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2022-909 tamin’ny 15 jona 2022 ary anendrena an’Atoa RAKOTOSON Franck Tantely, ho “Directeur de la Professionnalisation et de la Régulation Touristique” eo anivon’ny Ministeran’ny Fizahantany sy ny Asa tanana.
  • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2022-725 tamin’ny 18 may 2022 ary anendrena an’Atoa BARIVELO Danny, ho « Directeur des Partenariats, des Projets et du Développement » eo anivon’ny Ministeran’ny Fizahantany sy ny Asa tanana.

MINISTERAN’NY ASA VAVENTY

  • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2023-467 tamin’ny 26 aprily 2023 ary anendrena an-dRtoa RAJAONARIVO Lalao Mbolatiana, ho « Coordonnateur de la Cellule de la Coordination des Projets » eo anivon’ny Ministeran’ny Asa Vaventy
  • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2021-1332 tamin’ny 24 novambra 2021 ary anendrena an’Atoa RATOVONDRAINY Léonard, ho Talem-paritry ny Asa Vaventy ao Matsiatra Ambony.
  • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2021-1241 tamin’ny 10 novambra 2021 ary anendrena an’Atoa ANDRINIONY Nomenjanahary, ho Talem-paritry ny Asa Vaventy ao Menabe.

MINISTERAN’ NY ASA, NY FAMPANANAN’ASA ARY NY ASAM-PANJAKANA

  • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2021-1293 tamin’ny 17 novambra 2021 ary anendrena an-dRtoa RAMAROSON Cristelle, ho Tale Jeneralin’ny Asa eo anivon’ny Ministeran’ ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asam-panjakana

MINISTERAN’NY HARENA ANKIBON’NY TANY

  • Noraisina ny Didim-panjakana anendrena an’Atoa RAFENOMANANTSOA Miza, ho « Directeur de l’Audit Interne » eo anivon’ny Ministeran’ny Harena Ankibon’ny Tany
  • Noraisina ny Didim-panjakana anendrena an’Atoa JACQUES Nestor, ho « Directeur des Inspections Minières » (DIM) eo anivon’ny Ministeran’ny Harena Ankibon’ny Tany
  • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2022-1260 tamin’ny 31 aogositra 2022 ary anendrena an’Atoa RALIDERA Tsiry Antenaina, ho « Directeur de la Promotion des Grandes Mines » (DPGM) eo anivon’ny Ministeran’ny Harena Ankibon’ny Tany
  • Noraisina ny Didim-panjakana anendrena an-dRtoa RAKOTOBE Mirana Hortensia, ho « Directeur de la Professionnalisation des Mines Artisanales » (DPMA) eo anivon’ny Ministeran’ny Harena Ankibon’ny Tany

MINISTERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

  • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2021-711 tamin’ny 07 jolay 2021 ary anendrena an’Atoa RATRIMONIRINA Elias, ho Tale Jeneralin’ny Serasera eo anivon’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina
  • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2022-640 tamin’ny 4 may 2022 ary anendrena an-dRtoa RAMANAMBE Nathalie, ho « Directeur des Relations Publiques » eo anivon’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina
  • Noraisina ny Didim-panjakana anendrena an’Atoa RABOTOSON Anjarivo Victor Rudolph, ho « Directeur des Infrastructures Techniques de l’Office de la Radio et Télévision publique de Madagascar ».
  • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2020-1584 tamin’ny 25 novambra 2020 ary anendrena an’Atoa NIHERASON Dina Jerry Thimon, ho « Directeur de la Programmation, du Suivi et Evaluation » eo anivon’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina de la Culture
  • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2019-1250 tamin’ny 06 jona 2019 ary anendrena an’Atoa HARISON Stéphanio André, ho Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina ao Atsinanana.

IV- FANAFOANANA

MINISTERAN’NY NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2020-304 tamin’ny 04 martsa 2020 nanendrena ny Tale Jeneralin’ny Fampianarana Ambony eo anivon’ny Ministeran’ny. Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa.

MINISTERAN’NY FAMPIANARANA ARA-TEKINIKA SY NY FANOFANANA ARAK’ASA:

Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ireo Didim-panjakana nanendrena ireo Tale Jeneraly sy Tale sasantsasany eo anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana Ara-tekinika sy ny Fanofanana Arak’asa.

MINISTERAN’NY MPONINA, SY NY FIRAISAN-KINA

Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ireo Didim-panjakana laharana faha 2022- 535 tamin’ny 13 aprily 2022, faha 2019-1974 tamin’ny 16 oktobra 2019, faha 2023-980 tamin’ny 09 aogositra 2023, faha 2022-263 tamin’ny 23 febroary 2022, faha 2019-1075 tamin’ny 16 oktobra 2019, faha 2021-1137 tamin’ny 20 oktobra 2021, faha 2017-833 tamin’ny 13 septambra 2017, faha 2020-566 tamin’ny 27 may 2020 nanendrena ireo Tale eo anivon’ny Ministeran’ny ny Mponina, ny Fiahiana ara-tsosialy sy ny Fampiroboroboana ny Vehivavy ;

Natao ny 07 febroary 2024

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta,

Lalatiana RAKOTONDRAZAFY

Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny fanofanana arak’asa

TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA ALAROBIA 31 JANOARY 2024, LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia faha-31 Janoary 2024 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Andry RAJOELINA, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara ary natrehin’Andriamatoa NTSAY Christian, Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

I- FAMPITANA AM-BAVA

FIADIDIANA NY REPOBLIKA

Araka ny toromarika efa nomena ny mpikambana ao amin’ny Governemanta mikasika ny fanatanterahana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana, dia nanolotra teo anivon’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny sori-dalana hitantanany ny minisitera izay sahaniny ireo Minisitra voatondro.

Navoitra manokana ireo asa maika tsy maintsy ho tanterahina ao anatin’ny 100 andro voalohan’izao fe-potoam-piasana izao.

1. Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany

Nanamarika ny fandraisam-pitenenan’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika nandritra izay herinandro vitsy lasa izay ny fanamafisana ny ezaka tsy maintsy ho tanterahina eo amin’ny lafiny fananan-tany eto Madagasikara izay tena mampikaikaika ny vahoaka.

Noho izany dia tsy maintsy hirosoana ny fanatsarana ny fomba fiasan’ny minisitera eo amin’ny sampandraharanan’ny fananan-tany mba hanafoanana ny fanodikondinana ny tanim-panjakana sy ny tambazotra mpanao hosoka eo amin’io sehatra io. Ny tanjona dia ny hisian’ny mangaharahara tanteraka eo amin’ny tanim-panjakana rehetra.

Ao anatin’ny 90 andro dia hiroso amin’ny fanentanana amin’ny fanavaozana ireo fangatahana tanim-panjakana, amin’ny alalan’ny fanovana ireo didy aman-dalàna izay mifehy izany. Noho izany dia hiato mandritra io fe-potoana io ny fangatahana tanim-panjakana rehetra. Hiroso ihany koa amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ireo minisitera isan-tsokajiny izay manana tetikasam-panjakana eny amin’ny tanim-panjakana ao anatin’ny fanatanterahana ny asan’izy ireo tsirairay avy mba tsy hisy fifanipahana, ka hanao ny fanamarinana avy hatrany ireo taratasy rehetra mifandraika amin’izany. Harafitra manerana ny Nosy ny Plan Local d’Occupation Foncière mba hampirindra ny fitsinjarana ny tanim-panjakana ary tsy maintsy hampadalovina eo anivon’ny Filan-kevitry ny Ministra izany. Hampiasaina ny teknolojia sy ny haitao ara-kajy mirindra ahafahana manara-maso ara-dalàna izany fitsinjarana izany. Hitohy ihany koa ny fizarana kara-tany amin’ny alalan’ny tetikasa CASEF izay iarahana miasa amin’ny Banky iraisam-pirenena. Tanjona ny hizara kara-tany miisa 1.400.000 mialohan’ny fiafaran’ny volana Jona 2024.

Eo amin’ny lafiny fanajariana ny tany, ho vitaina ao anatin’ny 10 andro manaraka ny fitsirihana ireo fangatahana fahazoan-dalana hanorina na permis de construire izay mbola niantona hatreto. Ny fanomezana ireo dia hanampy amin’ny firosoan’ireo mpandraharaha izay nanao fangatahana amin’ny asam-pampandrosoana izay kasainy hatao.

Eo amin’ny lafiny fitsinjaram-pahefana dia fomba fiasa vaovao no hapetraka. Hiroso amin’ny fanatanterahana ny Filan-kevitry ny Governora miaraka amin’ireo tompon’andraikitra isam-paritra mba tena hifandraika tokoa amin’ny filan’ny vahoaka eny ifotony ny fampandrosoana izay hapetraka.

Ny fampiasana ny tetibolam-panjakana eny amin’ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana dia tsy maintsy hampanarahina fenitra mazava tsara. Hisy araka izany ny fampiofanana ireo tompon’andraiki-panjakana eny ifotony ary ny fametrahana “catalogue” misy ireo fenitra tsy maintsy arahina amin’ny fanorenana fotodrafitrasa. Izany dia iarahana mandinika amin’ireo Minisitera voakasika.

Nanome toromarika ny Filohan’ny Repoblika ny hanamafisana hatrany ny ady atao amin’ireo tambazotra mpisoloky sy mpanodikodina tanim-panjakana sy tanin’olo-tokana. Tsy azo ekena ny anaovana tantely afa-drakotra ny tanim-panjakana ary tsy azo ekena ihany koa ny fanaovana tsindry hazo lena ny vahoaka tsy mandady harona noho ny teti-dratsin’ireo olom-bitsy.

Ny fametrahana ireo fanovana ireo hoy izy dia ahatanteraka ny drafi-pampandrosoana izay imasoana hanakaiky ny vahoaka, hanala ny hirifiriny, ary hitondra vahaolana amin’ny sedra iainan’izy ireo andavanandro.

Nanamafy ny Filohan’ny Repoblika fa tsy hisy indra-fo amin’ny fangalarana sy fanodikodinana tany, sy izay mety ho endrika kolikoly rehetra manodidina izany.

2. Ministeran’ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asam-panjakana

Ny fampiroboroboana ny asam-panjakana dia tsy maintsy manomboka amin’ny fanadiovana eo anivon’ireo sampan-draharaham-panjakana isan-tsokajiny. Ny firosoana amin’izany dia hamerina indray ny hasin’ny asam-panjakana ary hanasongadina ireo olom-pirenena vanona sy vonona hiatrika ny asany am-pitiavana. Ho fanatrarana izany fanamby apetraka izany dia hidina ifotony manerana ireo ministera sy andrim-panjakana isan-tsokajiny ny mpiasan’ny Minisitera ka hanatanteraka fanisana sy fanamarinana ny fahaiza-manaon’ny mpiasam-panjakana tsirairay avy. Aorian’izany, raha ilaina, dia hiroso amin’ny fanaparitahana ny mpiasam-panjakana na eo anivon’ny andrim-panjakana izay efa misy manerana ny Nosy na handray fanapahan-kevitra hamindra azy tanteraka. Izany no hatao dia mba samy hanana ny asa tandrify azy mifanaraka amin’ny traikefa izay ananany ny mpiasam-panjakana rehetra.

Tsy maintsy horaisina ihany koa ny fepetra manoloana ireo mpiasam-panjakana sasany izay tsy manaraka ny fitsipika mifehy ny asam-panjakana. Ato anatin’ny 3 volana araka izany, dia tsy maintsy hirosoana ny fiantsoana izay rehetra voakasik’izany hanatrika Filan-kevitry ny Fitsipi-pifehezana na Conseil de Discipline. Ahato mandritra izay fe-potoana izay ny fampidirana mpiasam-panjakana vaovao.

Hirosoana ihany koa ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny sokajina mpiasam-panjakana antsoina hoe « Agents non encadrés de l’Etat » ka hisy araka izany ny fifampidinihina miaraka amin’ireo rafitra voakasik’izany, toy ny sendikan’ny mpiasa na koa ny mpiaro ny zo maha-olana.

Sehatra maro no hanolorana fampiofanana manokana na formation professionnelle continue mba hanentanana ny fametrahana ny plan de reconversion ho an’ireo mpiasam-panjakana. Ny tanjona dia ny hampifanaraka ny asam-panjakana amin’ny filan’ny fitondram-panjakana amin’ny fanatanterahana ny drafi-pampandrosoana eto amin’ny tany sy ny firenena.

3. Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina

Napetraka ny fanamby mba hanakaiky hatrany ny vahoaka ny fanatanterahana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana. Izany indrindra no nandrafetan’ny Minisitera ny sori-dalana izay iasany eo amin’ny lafiny serasera mba ho fampahafantarana ny vahoaka ny asa izay tanterahina eny anivon’ny minisitera isan-tsokajiny. Noho izany, ny dingana voalohany dia ny fanomezana sehatra ireo ministera samihafa eo amin’ny haino aman-jerim-panjakana. Hentanina araka izany ireo minisitera mba handrafitra serasera manaraka ny toetr’andro ary indrindra indrindra hampiasa ny haino vaky jery rehetra amin’ny fampahafantarana ny asa izay ataony. Tsy adinoina amin’izany ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra. Hanolo-tanana amin’ny fanatanterahana izany ny Minisitera.

Eo amin’ny sehatry ny kolontsaina, hita fa niroborobo tokoa ny fametrahana foto-drafitrasa manome lanja ny kolontsaina nandritran’ny fe-potoam-piasana voalohany ka ho tohizana hatrany izany. Hiroso hatrany amin’ny fanetsiketsehana na “redynamisation” an’ny kolontsaina Malagasy ny Minisitera. Hisy araka izany ny fampiofanana manokana ny tanora mikasika ny sary hosodoko, ny mozika, ny fiangaliana teatra, sy ny fampiroboroboana ny talenta ananan’ny Malagasy eny anivon’ireny Tranoben’ny Serasera manerana ny Nosy ireny. Omena fitaovana araka izany izy ireny mba tsy ho sakana amin’ny fandalinana talenta ny tsy fananana fitaovana. Tsy adinoina ihany koa ny fampiofanana manaraka ny toetr’andro tahaka ny asa rehetra izay atao amin’ny sehatry ny “multimedia”.

Ny fanomezan-danja sy fiarovana ireo harem-bakoka Malagasy dia tsy azo atao ambanin-javatra. Hisy araka izany ny fampiofanana amin’ny asa fikolona ireny harem-bakoka ireny. Ny fanarenana sy fikojakojana ireo foto-drafitrasa izay voasokajy ho harem-bakoky ny Firenena dia hamafisina hatrany. Singanina manokana amin’izany ny Rovan’i Madagasikara, ny Mandan’i Foulpointe, ny Rovan’Ambositra Tompon’anarana ary ny lava-baton’i Belobaka.

MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny delegasiona Malagasy izay ho tarihin-dRamatoa Minisitry ny Raharaham-bahiny anjara amin’ny andiany faha-7 ny Fihaonamben’ny Ranomasimbe Indianina izay ho tanterahina ny faha-09 sy faha-10 ny volana Febroary 2024, any Perth, Australie.

Manana anjara toerana lehibe ny hevitr’i Madagasikara eo amin’ny fihaonambe iraisam-pirenena tahaka izao, indrindra raha mikasika ny faritry ny ranomasimbe indianina no resaka. Fampiroboroboana ny fiaraha-miasa sy ny fifandraisana ara-diplomatika sy ara-ekonomika ho an’i Madagasikara ihany ny tanjona.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fivoriana ampitain-davitra tsy ara-potoanan’ireo Filoham-panjakana mivondrona eo anivon’ny SADC ny faha-02 ny volana Febroary izao.

Misy valan’aretina kolera mahery vaika sedrain’ny firenena afrikanina sasany mpikambana ao amin’ny vondrona ka izany no anisan’ny ho dinihina mandritra ity fivoriana tsy ara-potoana ity, ary haneho ny firaisan-kina amin’izy ireo amin’ny anaran’ny Vahoaka Malagasy, ny Filohan’ny Repoblika.

MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisana an-tanana ny fampitaovana “groupe electrogene” sy fanaovana “forage” eo anivon’ny Centre de Conférence International Ivato (CCI Ivato), ary ny fametrahana andrin-jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro eo amin’ny toeram-piantsonan’ny fiara.

Izao fampitaovana izao dia hanampy ny fahaleovantenan’ny CCI Ivato eo amin’ny lafiny angovo sy rano. Anisan’ny toerana mandray hetsika goavana eto amin’ny Firenena ny eny amin’ny CCI Ivato ka tanjona ny fanatsarana hatrany ny foto-drafitrasa.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana ireo fitaovana ilaina amin’ny zotra volomboasary mampitohy an’i Soarano sy Ivandry, ao anatin’ny tetikasa Fitaterana an-tariby na Transport Par Câble.

Ampahatsiahivina fa anisan’ny tetikasa goavana hitondra fanovana manaraka ny toetr’andro eto an-drenivohitra ny tetikasa fitaterana an-tariby, ary efa miroso amin’ny dingana farany mialohan’ny hisokafan’ny fitateram-bahoaka ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna Vaovao sy ny Toeram-Ponenana, izay tompon’andraikitra amin’izany.

MINISITERAN’NY RANO, FANADIOVANA SY FIDIOVANA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fahatongavana entana fitsirihana ny fahadiovan’ny rano izay natolotry ny UNICEF ho an’ny Ministera.

Mitentina 20.423,42 dolara amerikana, na 100.564.920,08 Ariary izany fanomezana izany ary eny amin’ireo faritra rehetra manerana ny Nosy no hanaparitahana ny fitaovana.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fametrahana trano fidiovana na “blocs sanitaires” miisa 51 manerana ny Nosy.

Izany tetikasa izany dia tafiditra tanteraka amin’ny fanatanterahana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana ary mamaly ny andry voalohany izay napetraky ny Filohan’ny Repoblika ho laharam-pahamehana amin’izao fe-potoam-piasana voalohany izao dia ny fanomezan-kasina ny maha-olona. 17 no isan’ireo blocs sanitaires izay hapetraka eto Antananarivo Renivohitra ary ny 32 isa ambiny kosa dia hapetraka manerana ireo faritra hafa. Marihina fa efa voafaritra ao anatin’ny tetibolam-panjakana ho an’ny Ministera izany fa ny famindran-toerana no nilana fankatoavana. Ao anatin’ny tanjona apetraka ao anatin’ny tetikasa ihany koa ny fanentanana ny olom-pirenena amin’ny firosoana hatrany amin’ny fampiasana toeram-pivoahana.

MINISITERAN’NY TANORA SY NY FANATANJAHAN-TENA

Nankatoavin’ny filan-kevitry ny Minisitra ny fanomanana mitohy sy ny fandraisan’ny atleta malagasy anjara amin’ny lalao afrikanina 2024, izay ho tanterahina any Accra, Ghana, ny faha-8 ka hatramin’ny faha-25 ny volana martsa 2024.

Taorian’ny fandresena goavana izay nobatain’i Madagasikara tamin’ny fandraisana ny Lalaon’ny Nosy farany ary ireo vokatra azo tamin’ny lalaon’ny Frankofonia 2023 ary ny Afrobasket 3×3, dia velom-panantenana tanteraka ny atleta Malagasy ka ny sehatra tahaka ny lalao afrikanina dia inoana fa hahitam-bokatra ihany koa, hampamiratra hatrany ny Firenena. Hampivoarana hatrany ny talenta sy fahaiza-manaon’ireo alteta no tanjona.

II- FANDRAISANA DIDIM-PANJAKANA

FIADIDIANA NY REPOBLIKA

Noraisina filan-kevitry ny minisitra ny didim-panjakana manitsy ny manova ny didim-panjakana laharana faha 2019-027 tamin’ny 24 janoary 2019 novaina sy nampian’ny didim-panjakana laharana faha 1280 tamin’ny 17 novambra 2021 sy laharana faha 2023-490 tamin’ny 3 may 2023 momba ny fandaminana eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika.

MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITATANAM-BOLA

Noraisin’ny filan-kevitry ny minisitra ny didim-panjakana mikasika ny fakàna amin’ny anaran’ny Fanjakana Malagasy ary ny famindrana feno amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara ny tany antsoina hoe “Coutoco” laharana faha-2238 BA ao Toamasina, Faritanin’i Toamasina.

MINISITERA DELEGE MISAHANA NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manendry amin’ny laharam-boninahitra Kapiteny “à titre exceptionnel” ny manamboninahitra iray ao amin’ny Zandarimariam-pirenena.

III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

FIADIDIANA NY REPOBLIKA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAKOTONIRINA Elysa, ho Talen’ny Kabinetra eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RANOROMARO Lova Hasinirina, ho Tale misahana ny raharaha iraisam-pirenena sy Mpitondra Tenin’ny Filohan’ny Repoblika.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAJAONAH Mirana, ho Tale misahana ny fifandraisana amin’ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana sy ireo olom-boafidy.
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAHARIMANANA Anne-Muriel, ho « Directrice en charge des Relations cultuelles et communautaires ».
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAVELONJATO Eliah, ho Tale misahana ny hetsiky ny Repoblika

MINISITERAN’NY FOLOALINDAHY

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-207 tamin’ny 27 febroary 2019, ary manendry Colonel RANDRIANIRINA Mamisoa Olivier, ho “Directeur des Ressources Humaines du Ministère des Forces Armées”.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-208 tamin’ny 27 febroary 2019 ary manendry ny Général de Brigade RAZAFIMAHATRATRA Hery, ho “Directeur Administratif et Financier du Ministère des Forces Armées”.

MINISITERAN’NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-442 tamin’ny 30 martsa 2022 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTOARISOA Thimoléon, ho Sekretera Jeneraly.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-631 tamin’ny 4 may 2022 ary manendry an-dRamatoa RAVELOSON Olinirina Suzy Sarah, ho « Directeur de la Programmation et du Suivi-Evaluation ».
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1122 tamin’ny 20 oktobra 2021 ary manendry an-dRamatoa RABARY Niry Sariaka, ho « Directeur des Services Fonciers Décentralisés ».
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1121 tamin’ny 20 oktobra 2021 ary manendry an’Andriamatoa RANDRIANARISON Fanomezantsoa, ho « Directeur de la Coordination, de la Planification et de la Valorisation du Territoire Maritime »
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha2022-818 tamin’ny 1 jona 2022 ary manendry an-dRamatoa RAKOTOBE Lydson Mamin’Ny Aina, ho « Directeur des Domaines et de la Propriété Foncière »
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-141 tamin’ny 27 janoary 2023 ary manendry an-dRamatoa RANOROMALALA Lantoharitiana, ho « Directeur d’Appui aux Collectivités Territoriales Décentralisés »

MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-252 tamin’ny 07 martsa 2019 ary manendry ny Contrôleur RAKOTONDRAVELO Herilanto Iangotiana, ho Sekretera Jeneraly

MINISITERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1165 tamin’ny 16 septambra 2020 ary manendry ny an’Andriamatoa RABENANDRASANA Téophil, ho « Directeur de l’Institut National de la Formation Pédagogique « 
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-822 tamin’ny 1 jona 2022 ary manendry an’Andriamatoa JEREMIA Angelié, ho « Directeur des Ressources Humaines »
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-479 tamin’ny 28 aprily 2021 ary manendry an-dRamatoa RAKOTONDRAMANANA Sylvia, ho « Chef d’Unité de Suivi des Organismes Rattachés »
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAVELOSAONA Anjara Ranto, ho « Chef d’Unité en charge de la Gouvernance »
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-092 tamin’ny 1 febroary 2023 ary manendry an-dRamatoa ROBSON Patricia Ialitiana, ho Sekretera Jeneraly

MINISITERAN’NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FAMPIOFANANA ARAK’ASA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1054 tamin’ny 13 jolay 2022 ary manendry an’Andriamatoa RALAIMAZAVA Johary Andriamahery, ho Sekretera Jeneraly
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAZAFINDRIANIAINA Minosoa Anjaratiana Elia, ho Tale Jeneralin’ny fampianarana teknika
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa MARA Hanitriniala Eliane, ho Tale Jeneralin’ny fampiofanana arak’asa

MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1050 tamin’ny 06 oktobra 2021 ary manendry an’Andriamatoa RABEMANANJARA Rija, Directeur des Etudes, de la Planification et du Système d’Information.

MINISTERAN’NY FIZAHANTANY SY NY ASA TANANA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-925 tamin’ny 13 oktobra 2021 sy n°2022-534 tamin’ny 13 aprily 2022 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTONIAINA Yves Maurice, ho Sekretera Jeneraly
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-985 tamin’ny 29 septambra 2021 ary manendry an’Andriamatoa ANDRIAMANOHERA Tsitohaina Hery Setra, ho Tale Jeneralin’ny Fizahantany.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-986 tamin’ny 29 septembre 2021 sy n°2022-1239 tamin’ny 24 aogositra 2022 ary manendry an’Andriamatoa RASAMOELINA Rija Soloniony, ho « Directeur des Affaires Financières »

MINISITERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-540 tamin’ny 13 aprily 2022 ary manendry an’Andriamatoa RAZANANIRINA Henri Délice, ho Sekretera Jeneraly.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-541 tamin’ny 13 aprily 2022 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTONDRAVALY Désiré Alphonse ho Tale Jeneralin’ny harena an-kibon’ny tany
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-172 tamin’ny 20 febroary 2019 ary manendry an-dRamatoa ANDRIAMBELOMANANA Lalasoa Tatiana, ho « Directeur Administratif et Financier »
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-854 tamin’ny 05 jolay 2023 ary manendry an’Andriamatoa RANDRIANARIMBOLA Jocelyn, ho « Directeur des Ressources Humaines »
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-426 tamin’ny 20 martsa 2019 ary manendry an-dRamatoa RANDRIANARIVELO Sedera Andrandraina, ho Talen’ny Serasera.
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-878 tamin’ny 08 jona 2022 ary manendry an-dRamatoa RANAIVO Muriella Aina, ho « Coordinateur Général »
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa MARC Sergio Clerc, ho « Directeur des Programmes, Suivi et Evaluation »

MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-182 tamin’ny 20 febroary 2019 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTONDRASOAVA ANDRIANIRINA Mamimbahoaka Fetraniaina, ho Sekretera Jeneraly

MINISITERAN’NY TONTOLO IAINANA SY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-268 tamin’ny 30 martsa 2023 ary manendry an’Andriamatoa RASAMOELINA Andry Fidiniaina Moïse, ho Sekretera Jeneraly

IV- FANAFOANANA

  • MINISITERAN’NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1589 tamin’ny 30 novambra 2022 nanendry ny « Directeur Général de l’Aménagement du Territoire et de l’Equipement »Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-571 tamin’ny 17 may 2023 nanendry ny « Chef de la Cellule Stratégique du Foncier et de l’Aménagement du Territoire auprès du Ministère de l’Aménagement du Territoire et des Services Fonciers ».Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-209 tamin’ny 10 febroary 2022 nanendry ny « Directeur du Développement Relationnel et de Partenariat auprès du Ministère de l’Aménagement du Territoire et des Services Fonciers ».Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-721 tamin’ny 18 may 2022 nanendry ny « Directeur de l’Audit Interne auprès du Ministère de l’Aménagement du Territoire et des Services Fonciers. »Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-771 tamin’ny 25 may 2022 nanendry ny « Directeur des Affaires Juridiques auprès du Ministère de l’Aménagement du Territoire et des Services Fonciers. »Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1257 tamin’ny 31 aogositra 2022 nanendry ny « Directeur du Développement Urbain Durable auprès du Ministère de l’Aménagement du Territoire et des Services Fonciers »Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-221 tamin’ny 9 martsa 2023 nanendry ny « Directeur de la Logistique et du Patrimoine auprès du Ministère de l’Aménagement du Territoire et des Services Fonciers ».
  • MINISITERAN’NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FAMPIOFANANA ARAK’ASA
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-946 tamin’ny 22 juin 2022 nanendry ny « Directeur Général d’Ingénierie de Formation » sy laharana faha 2022-1010 tamin’ny 06 jolay 2022 nanendry ny « Directeur Général de l’Enseignement et de la Formation Technique et Professionnelle »
  • MINISITERAN’NY FIZAHANTANY SY NY ASA TANANA
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ireo didim-panjakana nanendry ireo Talen’ny minisiteran’ny Asa tanana sy ny haitao
  • MINISTERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-248 tamin’ny 23 febroary 2022 nanendry ny « Coordonnateur des Centres d’Incubation »Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-049 tamin’ny 13 janoary 2021 nanendry ny  » Coordinateur de la Cellule de Contrôle Interne »Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-717 tamin’ny 10 aprily 2019 nanendry ny « Chef de la Cellule de Lutte Contre la Cybercriminalité »Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-336 tamin’ny 11 martsa 2020 nanendry ny « Directeur de la Promotion du Volontariat et de l’Animation Communautaire »Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1223 tamin’ny 17 aogisitra 2022 nanendry ny « Directeur des Etudes et de la Formation en Multimédia »
  • MINISITERAN’NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA
  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1254 tamin’ny 10 novambra 2021 nanendry ny Talen’ny SeraseraNoraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-639 tamin’ny 04 may 2022 nanendry ny « Directeur des Patrimoines, des Infrastructures et de la Logistique »

Natao ny 31 janoary 2024

Ny Fitaleavan’ny Serasera eo anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika

TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA ALAROBIA 24 JANOARY 2024 – LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia 24 janoary 2024 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

I- FAMPITANA AM-BAVA

FIADIDIANA NY REPOBLIKA

Mbola mitohy ny fampahafantarana ireo asa maika isaky ny departemanta tsy maintsy tanterahina ao anatin’ny 100 andro, ao anatin’ny fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny Fanjakana izay efa natolotr’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika, ny Governemanta tamin’ny Filan-kevitry ny Minisitra farany.

Ireto indray ny asa maika tsy maintsy hatao ao anatin’ny 100 andro :

1. Minisiteran’ny Raharaham-bahiny : tsy maintsy hirosoana ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra ao anatin’ny dingana ara-panjakana samihafa amin’ny fanomezana ny pasipaoro ho an’ireo Malagasy ampielezana miparitaka manerana izao tontolo izao. Tanjona hapetraka dia ny fampihenana ny fe-potoana hanomezana ny pasipaoro ho 1 volana farafahabetsany. Efa novatsiana fitaovana mifandraika amin’izany ny masoivohontsika any ivelany, izay atomboka any Paris, France hananganana ny “centre d’enrôlement” hakana ny mombamomba ilay olompirenena mangataka pasipaoro (données biométriques).

Mifandray amin’izany ihany koa dia nisy ny toromarika nomen’Andriamatoa Filoha ny tsy maintsy hanatsarana ny fomba fanomezana pasipaoro eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka. Manome vahana ny kolikoly ny filaharambe sy ny fahasarotan’ny fikarakarana ny pasipaoro ka tsy maintsy vahana ao anatin’ny fotoana faran’izay haingana.

2. Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana : ny fanamby goavana dia ny fahatratrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

– Fametrahana ny orinasa famokarana zezika eny anivon’ny Faritra miisa 6 tena mpamokatra dia i Alaotra Mangoro, Boeny, Sofia, Amoron’i mania, Analamanga, amin’ny alalan’ny antso atao amin’ny sehatra tsy miankina (appel à projet). Efa misy hatreto ny fifanarahana (memorandum of understanding) miisa 5 amina orinasa tsy miankina vonona hanangana ny orinasa, toerana 2 no efa voafaritra dia any Ambaiboho Amparafaravola sy Ankazomborona Marovoay. Izy ity dia fanohizana ny fiarahamiasa amin’ny orinasa Ambatovy efa natomboka tamin’ny taona lasa.

– Fanomezana hana-pamokarana (masomboly sy zezika) ho an’ny tantsaha ka tokantrano miisa 112.500 no hisitraka izany ao anatin’ny 100 andro.

– Fanatanterahana ny tetikasa « Ankohonana Miarina » amin’ny alalan’ny teknika fambolena « PFUMVUDZA » ho an’ireo tokantrano tena marefo. Fianakaviana sahirana 3.000 no tombanana homena fiofanana mikasika io teknika io ao anatin’ny 100 andro. Ny minisiteran’ny mponina sy ny firaisankina no hijery ireo tokantrano tena marefo hisitraka ity tetikasa ity, toerana 4 no hanatanterahana azy : Fieferamanga izay hanaovana ny andrana, Tsimahabeomby, « Ferme d’Etat » Mahitsy, ary Antsoatany.

– Fananganana fotodrafitrasa mifandray amin’ny fanondrahana tanimbary sy tanimboly midadasika ka velaran-tany 30.000 hektara no kendrena ho voatondraka.

3. Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoran’Afo : ny ady amin’ny fahatapatapahan’ny herinaratra no tena laharam-pahamehana

– Fametrahana tobim-pamokarana angovo azo avy amin’ny masoandro ho an’ireo distrika miisa 47 izay tsy maintsy hatomboka ao anatin’ny 100 andro araka ny toromarika nomen’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika, ary hotohizana hatramin’ny volana Jona 2024.

– Fanombohana ny fanamboarana ny foibe famokarana angovo azo avy amin’ny rano (Centrale hydroélectrique) Sahofika sy Volobe ;

– Fanohizana ny fanomezana fitaovam-pahazavana azo avy amin’ny masoandro ho an’ny tokantrano miisa 4 tapitrisa tokony hotratrarina ao anatin’ny herintaona. Eo koa ny fametrahana ny jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro (lampadaires) hanazava ny tanàna sy amin’ny fidirana ny tanàn-dehibe rehetra manerana ny Nosy.

– Famokarana sy fivarotana herinaratra ataon’ny tsy miankina, amina kaominina efa voafaritra mialoha, araka ny fomba fiasa vaovao apetraka miaraka amin’ny Banky iraisam-pirenena.

– Fametrahana sy fampandehanana toby famokarana angovo (centrale thermique) ahafahana mahazo herinaratra manana tanjaka 105 Mw eto Antananarivo. Efa andalana ny fanatanterahana ny tetikasa ankehitriny ka kendrena ho vita ao anatin’ny fotoana faran’izay haingana. 

Fa nanomezan’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika toromarika manokana ny hampidirana ao anatin’ny asa maika tsy maintsy hatao, ny tsy fahafahana mangataka tanim-panjakana intsony, satria be loatra ny kolikoly mitarika amin’ny fangalarana tanin’olona ao anatin’izany, ka handinika ny hanamafisana ny didy aman-dalàna ilaina amin’izany ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny, tarihin’ny Minisiteran’ny Fitsarana.

MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fivoriana antampony ara-potoana andiany faha-44 ho an’ireo filoham-panjakana sy lehibena governemanta amin’ny firenena mpikambana ao anatin’ny Vondrona Afrikana (UA), ny 17 sy 18 Febroary 2024, sy ny fivoriana ara-potoanan’ny Filankevitra mpanatanteraky ny Vondrona Afrikana ny 14 sy 15 Febroary 2024

Any Addis-Abeba Ethiopie no hotanterahina ny fivoriana. « Beazina ny olompirenena afrikana mendrika ny taonjato faha-21 : famoronana rafi-pampianarana manana fahafaha-miatrika mba hahazoana misitraka fampianarana maharitra, tsy manilika, misy kalitao ary mety ho an’i Afrika”, izay no lohahevitra amin’ity fivoriana antampony ity, izay mifanojo amin’ny laharam-pahamehana napetrak’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika mikasika ny fampandrosoana ny loharanon-karena maha-olona. Hitarika ny delegasiona Malagasy Andriamatoa Filohan’ny Repoblika, Andry RAJOELINA.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fivoriana antampony « Italie-Afrique » andiany voalohany izay hotanterahina any Rome, Italie ny 28 sy 29 Janoary 2024.

Natao hampahafantarana ny vinan’ny firenena Italiana amin’ny fiarahamiasany amin’ny firenena afrikana, ao anatin’ny « plan Mattei », ka hisian’ny adihevitra momba ny fiarovana ara-tsakafo, ny kolontsaina, ny fanabeazana, ny fanofanana arak’asa, ny fiarovana ara angovo, ny fampandrosoana ara-toekarena, ny fampandrosoana ny fotodrafitrasa, ny ady amin’ny fanondranana olona sy ny asa fampihorohoroana, ary ny fitantanana ny fifindra-monina ara-dalàna.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fivorian’ny Minisitra ao anatin’ny Vondrona Eoropeana momba ny fiarahamiasa aty amin’ny faritra « Indopacifique » ny 2 febroary 2024 any Bruxelles Belgique.

Ramatoa Minisitry ny Raharaham-bahiny no hitarika ny delegasiona malagasy amin’izany, izay hatao indrindra handinihana ny fiarahamiasan’ireo firenena aty amin’ny faritry ny ranomasimbe indiana sy ny ranomasimbe Pacifique mikasika ny toekarena, tontolo iainana, fandriam-pahalemana sy jeopolitika.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fivoriana antampony maneran-tany handraisan’ireo mpitondra fanjakana anjara any Dubai, Emirats-Arabes Unis ny 12 ka hatramin’ny 14 Febroary 2024 ho avy izao.

Andriamatoa Filohan’ny Repoblika, Andry RAJOELINA dia vooasan’ny Filoha Emirati SEM Mohamed Bin Zayed Al Nahyan, manokana hanatrika ny fivoriana ka izy no hitarika ny delegasiona malagasy. Lohahevitra 6 lehibe no hodinihana ka anisan’izany ny fanafainganana ny fanovana ara-haitao ara-kajy mirindra eny anivon’ny fitantanam-panjakana, ny « intelligence artificielle », ny fampandrosoana sy ny toekarena amin’ny ho avy, ny fiarahamonina amin’ny ho avy sy ny fanabeazana, ny fanajariana an-tanàn-dehibe sy ny laharam-pahamehana amin’ny fahasalamana maneran-tany. Ankoatra ny mpitondra fanjakana ambony dia hahitana fikambanana iraisam-pirenena, mpitarika amin’ny sehatra tsy miankina ary mpitarika hevitra na « leaders d’opinion » samihafa koa handray anjara amin’ity fivoriana antampony maneran-tany ho an’ny mpitondra fanjakana ity.

MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny firosoana amin’ny fanesorana ny ampahany amin’ny tany «Antsahalalina », Titre Foncier n°11.285-A (EX TN°67), eny Ambatobe, Antananarivo-Renivohitra, amin’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny famerenana azy amin’ny Fanjakana Malagasy.

Marihana moa fa ny Fanjakana Malagasy ihany no tompon’ny tany araka ny misoratra mazava ao anatin’ny “certificat de situation juridique” fa nomena nampiasain’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana tamin’ny taona 1996. Efa tsy nampiasa ny tany intsony nefa ny Minisitera taty aoriana, ka ilaina ny mamerina azy amin’ny Fanjakana Malagasy. Hisy ny fananganana ny tobim-pahasalamana eo amin’ity velaran-tany ity, izay tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny Filoham-pirenena (projet présidentiel).

MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fitaovana fitaterana vaksiny avy amin’ny sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny zaza sy ny ankizy (UNICEF), hampiasain’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fitaovana « Iarh Kits GC » avy amin’ny sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny mponina (UNFPA), hampiasain’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fitaovana (matériels et consommables de laboratoires) nafaran’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana, ka hampiasain’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana fiara mitondra ny marika « Toyota Hilux » nafarana sy hampiasain’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fitaovana ilaina amin’ny fananganana ny foibe famokarana angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro manana tanjaka 50 Mw hampiasain’ny orinasa JIRAMA, ao anatin’ny tetikasa « Projet parcs solaires ».

MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fitaovana ilaina amin’ny tetikasa fanatsarana ny fitantanana ny fako mivaingana ho an’ny fanadiovana ny tanàna eto Antananarivo (Gestion des Déchets Solides pour une ville propre à Antananarivo – GESDA).

Ireo fitaovana ireo dia fanomezana avy amin’ny firenena Japoney amin’ny alalan’ny JICA, fiarabe fitaterana fako sy ny fampitaovana mifandraika amin’izay hatolotra hampiasain’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny fandraofana ny fako eto an-drenivohitra ihany.

MINISITERAN’NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny vanim-potoana hambolena hazo taona 2024.

Eny amin’ny toerana hananganana ny tanàna vaovao « Tana-Masoandro » Imerintsiatosika, no hanombohana azy, ka amin’ity taona ity dia « fambolen-kazo manarina tontolo iainana, mamelona aina » no lohahevitra nosafidiana. Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA no hitarika ny fanombohana ny fambolen-kazo, fa efa misy ny fandaminana manerana ny faritra rehetra mba hanamarihana an’io fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny fambolen-kazo io ihany koa.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny famerenana ny tany antsoina hoe « Arboretum » titre n°1731-B eny Ambatobe, Mandrosoa Ilafy, Distrika Antananarivo Avaradrano, amin’ny Fanjakana Malagasy.

Raha tsiahivina ny tantaran’ity tany ity, izay mirefy 05 ha 99 a 10 ca, dia nomena ny Minisitera nisahana ny fambolena izy tamin’ny taona 1965 natao hananganana « arboretum » tamin’ny alalan’ny didim-pitondrana laharana faha-3499-MAER tamin’ny 1 desambra 1965, ary efa voafaritra tao anatin’io didim-pitondrana io fa tsy azo ovaina fa tsy maintsy « arboretum » ihany no ampiasaina ny tany. Fantatra anefa fa lasa nisoratra tamin’olon-tsotra ny tany, ary tsy voahaja intsony ilay antony nampiasaina ny tany tany am-piandohana. Tamin’ny 07 jolay 2021 dia nisy ny didy navoakan’ny fitsarana ambaratonga voalohany manafoana ny fanoratana ny tany amin’olon-tsotra. Araka ny voalazan’ny andininy faha-40 ao amin’ny lalàna lf : 2008-014 tamin’ny 23 Jolay 2008 mikasika ny tanim-panjakana manokana (domaines privés de l’Etat) dia tsy maintsy miverina amin’ny Fanjakana Malagasy ny tany efa nomena ampiasaina (terrains affectés) kanefa tsy nohajariana araka ny antony nanomezana azy. Koa satria tsy voahaja intsony ilay antony izay nanomezana ny tany dia ny fananganana ny “arboretum” dia azo raisina indray ny didim-pitondrana mamerina ny tany amin’ny Fanjakana Malagasy. Aorian’izay dia hisy ny famerenana ny fametrahana ny “arboretum” nohatsaraina eo amin’io tany io, fa hiampy ihany koa fananganana zaridaina “Jardin et parc botanique”, izay tetikasan’ny Filoham-pirenena ihany koa.

II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

GOVERNEMANTA

Ny Lalàmpanorenana dia mandidy ny tsy maintsy hampahafantaran’ny Governemanta eny anivon’ny Parlemanta, ny Programa fanatanterahana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana izay faritana sy atolotry ny Filohan’ny Filohan’ny Repoblika eo anivon’ny Filan-kevitry ny Minisitra. Manoloana izany indrindra, ho fanatanterahana ny andininy faha-76 sy 85 ny lalàmpanorenana dia nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana mampiantso ny fivoriana tsy ara-potoan’ny Parlemanta, manomboka ny Alatsinainy 29 Janoary 2024 ary tsy mihoatra ny 12 andro, araka ny voalazan’ny lalàmpanorenana ihany. Lahadinika efa voafaritry ny Filan-kevitry ny Minisitra ihany koa no azo dinihina mandritra ny fivoriana tsy ara-potoan’ny Parlemanta, ary rehefa vita avokoa ny fandaniana ny lahadinika rehetra dia mifarana ny fivoriana. Ankoatra ny fampahafantarana ny programa fanatanterahana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana izay hataon’ny Governemanta, dia tafiditra ao anatin’ny lahadinika hodinihana koa ny volavolan-drijatenin-dalàna manova ny fehezan-dalàna famaizana mikasika ny sazy omena ireo olona manao habibiana amin’ny fanolanana, sy ny volavolan-drijatenin-dalàna manova sy mameno ny andininy sasantsasany amin’ny lalàna lf :2014-020 tamin’ny 27 Septambra 2014 mikasika ny fandaminana ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana.

MINISITERAN’NY FITSARANA

Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-drijatenin-dalàna manova ny andininy sasantsasany ao anatin’ny fehezan-dalàna famaizana mikasika ny fanolanana na ny fikasana fanolanana. Araka ny efa toromarika nomen’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika dia mila hamafisina ny sazy ho an’ireo olona mahavita fanolanana, indrindra ireo manao izany amin’ny fomba feno habibiana amin’ny zaza latsaky ny 10 taona. Aroson’ny Governemanta araka izany ny fanamafisana ny sazy famonjana ho an’ireo olona voaheloka fa nanao fanolanana, fa ankoatra ny sazy famonjana dia hisy koa ny sazy fanampiny dia ny fanalana ny filàna ara-nofo ho an’ireo nahavita heloka, amin’ny alalan’ny « castration chimique » na ny « castration chirurgicale » arakaraky ny vesatry ny heloka vitany. Anisan’ny fanovàna goavana nentin’ny fahefana mpanatanteraka ny hanamafisana ny sazy ho an’ireo olona mahavita heloka bevava feno habibiana dia ny fanolanana atao amin’ny zaza latsaky ny 10 taona, ka sazy famonjana mandram-pahafaty miampy « castration chirurgicale » no hampiharina aminy. Mazava ho azy fa mbola hatolotra hodinihina sy holanian’ny Parlemanta ity volavolan-drijatenin-dalàna ity ka izy ireo no ho tompon’ny teny farany.

MINISITERAN’NY ATI-TANY + MINISITERAN’NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-drijatenin-dalàna manova sy mameno ny andininy sasantsasany ao amin’ny lalàna lf : 2014-020 tamin’ny 27 Septambra 2014 mikasika ny fidiram-bolan’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, ny fomba fifidianana, ny fomba fandaminana sy fomba fiasa ary ny anjara andraikitr’izy ireo, efa novaina sy nofenoin’ny lalàna lf : 2018-011 tamin’ny 11 jolay 2018 sy ny lalàna lf : 2021-010 tamin’ny 05 aogositra 2021. Mbola hatolotra hodinihina sy holanian’ny Antenimiera roa tonta ihany koa izy ity.

III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

FIADIDIANA NY REPOBLIKA

  • Noraisina ny Didim-panjakana anendrena an-dRamatoa RASOAMIADANA Victorine, Directeur des infrastructures et de la Logistique, eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika.
  • Noraisina ny Didim-panjakana anendrena an-dRamatoa ANDRIAMASINORO Bangomalala, Directeur de la Coordination des Promesses Présidentielles, eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika.
  • Noraisina ny Didim-panjakana anendrena an-dRamatoa RAKOTOMALALA RATSIRAHONANA Mercédès, ho Talen’ny Serasera eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika.

GOVERNEMENTA

  • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2007-443 tamin’ny 21 may 2007 ary anendrena ny Kolonely RAKOTO ANDRIAMANALINARIVO Rémi Rolland, Secrétaire Exécutif par intérim ao amin’ny Cellule de Prévention et Gestion des Urgences eny anivon’ny Primatiora.

MINISTERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

  • Noraisina ny Didim-panjakana anendrena an-dRtoa Yvette Sylla, Masoivoho, Solontena Maharitra eo anivon’ny Fisoloan-tena Maharitr’i Madagasikara (Représentation Permanente de Madagascar) eo anivon’ny UNESCO ao Parisy.

MINISTERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA.

  • Noraisina ny Didim-panjakana anendrena an’Atoa RAMAHAZOSOA Irrish Parker, Directeur de l’Enseignement Supérieur eo anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa.

MINISTERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

  • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2019-0225 tamin’ny 27 febroary 2019 ary anendrena an’ Atoa RAKOTONAVALONA Rivomalala, Directeur Général de la Médecine Préventive eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
  • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2021-877 tamin’ny 1 septambra 2021 sy laharana faha 2023-053 tamin’ny 18 janoary 2023 ary anendrena an’Atoa RAMAROLAHY Andriatiaray Rija Niaina, Directeur Général de la Fourniture des Soins eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
  • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2022-1649 tamin’ny 21 desambra 2022 ary anendrena an’Atoa RASOLONDRAIBE Hasina Nirina, Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka eto Analamanga

MINISTERAN’NY ASA VAVENTY

  • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2023-436 tamin’ny 19 aprily 2023 ary anendrena an’Atoa RAZAFINDRIANARIVO Henri Jacob, Tale Jeneralin’ny Asa Vaventy eo anivon’ny Ministeran’ny Asa Vaventy.

MINISTERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

  • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2019-186 tamin’ny 20 febroary 2019 ary anendrena an’Atoa RAMAMONJISOA Maherizaka, Directeur des Affaires Administratives et Financières, eo anivon’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.

IV- FANAFOANANA

GOVERNEMENTA

Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2001-135 tamin’ny 14 febroary 2001 nanendrena ny Directeur des Archives Nationales eo anivon’ny Primatiora.Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2019-1550 tamin’ny 21 novambra 2019 nanendrena ny Tale Jeneralin’ny « Ivotoerana Malagasy momba ny Teti-pivoarana » (IMaTeP).

MINISTERAN’NY FOLOALIN-DAHY

Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2020-641 tamin’ny 24 jona 2020 nanendrena ny Directeur du Bureau de Pilotage des Restructurations eo anivon’ny Etamazaoron’ny Tafika.

MINISTERAN’NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana nanendrena ireo Talem-paritry ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany rehetra eny anivon’ny Faritra.

MINISTERAN’NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FANOFANANA ARAK’ASA

Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2021-281 tamin’ny 10 martsa 2021 nanendrena ny Talem-paritry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa ao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony.

FILAN-KEVITRY NY MINISITRA – ALAROBIA 17 JANOARY 2024 – LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia 17 janoary 2024 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Fiohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

I- FAMPITANA AM-BAVA

FIADIDIANA NY REPOBLIKA

FANOLORANA NY POLITIKA ANKAPOBEN’NY FANJAKANA

Araka ny voalazan’ny Lalàm-panorenana dia anjaran’ny Filohan’ny Repoblika no mamolavola sy manolotra ny Politika ankapoben’ny Fanjakana (PGE). Ny 16 Novambra 2023 dia naneho ny safidiny hanohy ny fametrahany fitokisana tamin’ny politikam-pampandrosoana izay nentin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika nanomboka ny 2019 ny vahoaka malagasy. Mazava ho azy araka izany fa ny velirano miisa 13 ao anatin’ny “Plan Emergence de Madagascar” izay mivadika ho programan’ny Governemanta no mbola fototra iorenan’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana.

Amin’ity fe-potoam-piasana faharoa ity dia ny fampihenana ny fahantrana, ny fanatsarana ny fahefa-mividy ho fanohizana ny asa ho fanatratrarana ny fahataran’ny fampandrosoana eto Madagasikara no tanjona laharam-pahamehana.

Tsy afaka misaraka ireo tanjona roa ireo, ny fampandrosoana dia miankina amin’ny fananana Fanjakana afaka mitantana amin’ny fomba mahomby, afaka manabe, mitsabo, miaro, ary mampifandray ny vahoaka ao aminy. Izany hoe mikatsaka ny tombontsoan’ny besinimaro.

Be loatra ny hantsana eo amin’ireo manan-katao sy ireo olona sahirana, izany no tsy azo anekena raha mbola misy olona alaim-panahy hikatsaka ny tombontsoany manokana ka handika lalàna.

Mikasika ny ady amin’ny fahantrana dia efa nanao fanavaozana ara-drafitra isika teo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, ny fifandraisan-davitra, ny angovo, ny fambolena, ary ny fitantanan-draharaham-panjakana. Manomboka amin’ity taona 2024 ity ireny fanavaozana ara-drafitra ireny dia hahafahan’ny firenena manatratra ny tahan’ny fampandrosoana ambony noho ny tahan’ny fitomboan’ny mponina.

Misy andry 3 lehibe iompanan’ny politika ankapoben’ny Fanjakana :

• Ny loharanon-karena mifototra amin’ny olona (capital humain)

• Ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fanodinana ara-toekarena

• Ny fahaiza-mitantana

I- NY HARENA AMIN’NY LAFINY MAHA-OLONA (CAPITAL HUMAIN)

Laharam-pahamehana fototra mihitsy ny lafiny maha-olona amin’ity fe-potoam-piasana faharoa ity, izay ahitana ny fanabeazana, ny fahasalamana, ny fanofanana, ary ny fiarovana ara-tsosialy.

Fanabezana :

Mila hatsaraina ny tahan’ny fidirana an-tsekoly ho an’ny zaza Malagasy.

Mila ampianarina asa ny tanora amin’ny alalan’ny fampiofanana faobe ahafahany miatrika asa avy hatrany (employabilité), mamorona asa hampidiram-bola ary mampihena ny tahan’ny tsy fananana asa.

Na izany aza dia mila tohizana koa ny fananganana fotodrafitrasa manara-penitra manerana ny Nosy satria manana zo sy mendrika hianatra amin’ny sekoly moderina sy ampy fitaovana ny zaza Malagasy.

Tohizana koa ny fanomezan-danja ny fampianarana ambony, tokony hisokatra sy ho afaka hiodina faran’izay haingana ny oniversite maro izay natsangana, ary tokony mifanaraka amin’ny filàna ara-toekarena sy ara-tsosialin’ny faritra misy azy avy ireo sampam-pianarana hosokafana.

Mpampianatra voafantina avy eto an-toerana sy avy any ivelany afaka hanome fampianarana tsara kalitao no hampianatra amin’ireo oniversite vaovao ireo.

Fahasalamana :

Tokony afaka hisokatra sy hiodina ao anatin’ny fotoana fohy ireo hopitaly miisa 30 (hopitaux de référence), mba hanomezana fitsaboana ara-kalitao ho an’ny vahoaka Malagasy. Mila tohizana ny fananganana fotodrafitrasa sy ny fampitaovana manara-penitra. Efa natao fanamby ary tsy maintsy tanterahina ny fametrahana ireo fitaovam-pitiliana ny homamiadan’ny nono ho an’ny vehivavy amin’ny renivohim-paritany miisa 6. Hotohizana amin’ireo faritra ambiny izany aoriana kely. Torak’izany koa ireo “scanners” miisa 10 mila hapetraka ary hampiasaina faran’izay haingana. Hapetraka isaky ny distrika ny toeram-pandidiana sy toeram-pitsaboana nify. Hotohizana ny fitsaboana mitety vohitra amin’ny alalan’ny “caravanes médicales” sy ny “cliniques mobiles”. Hitarina hatrany amin’ny CSB II ihany koa ny fandraisana an-tanana ny fitsaboana vonjy aina na ny “fonds d’urgence médicale”. Laharam-pahamehana koa ny fitsaboana ny reny sy ny zaza vao teraka ary ny ankizy kely.

Fiahiana ara-tsosialy :

Mila hirosoana ny fanitarana ny haraton’aina ara-tsosialy amin’ireo tokantrano tena sahirana. Mila ampanarahana ny haitao ara-kajy mirindra ny fandrafetana ny lisitr’ireo tokantrano hisitraka ny haraton’aina ara-tsosialy ireo. Hirosoana koa ny fananganana ny tanàna sy tanànakely ao anatin’ny tetikasa “Ankohonana Miarina” manerana an’i Madagasikara, mba afahan’ireo fianakaviana hisitraka izany hamboly ka afaka mamelotena. Homena fiofanana izy ireo, ka ho afaka hamorona asa fampidiram-bola (AGR). Mila hamafisina ihany koa ny ady amin’ny herisetra atao amin’ny lahy sy ny vavy sy ny fiarovana ny zaza Malagasy.

Fahazoana rano fisotro madio ho an’ny rehetra :

Efa natomboka fa mila tohizana ary hamafisina ny fametrahana famatsiana rano fisotro madio ho an’ny mponina, ao anatin’izany ny tetikasa lehibe tahaka ny “pipeline EFAHO”, sy ny “PAAEP” na ny “Projet d’amélioration de l’accès à l’eau potable à Madagascar” mitentina 220 tapitrisa dolara, ho an’ny faritra “Grand Tana” sy tanàna hafa vitsivitsy, ny tetikasa “Tana Water III”. Laharam-pahamehana koa ny fanatanterahana ny politikam-panadiovana sy fidiovana amin’ny alalan’ny fampitomboana ny fametrahana toeram-pivoahana ho an’ny mponina na any anaty tanàna any na eny an-dalana ihany koa, ialàna amin’ny fanaovana maloto eny ankalamanjana.

Fanatanjahan-tena :

Efa voaporofo fa mampamiratra an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fanatanjahan-tena, ka tsy maintsy tanterahina ny fananganana ny « académie nationale des sports de haut niveau ». Sady hampiofanina ny tanora ho mpanao fanatanjahan-tena avo lenta, no omena tohana ara-bola sy ara-pitaovana ihany koa.

II- FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY FANODINANA ARA-TOEKARENA

Fampiroboroboana ny indostria :

Ny famokarana eto an-toerana ihany ny zavatra ilain’ny mponina andavanandro no tanjona. Tsy azo ihodivirana ny fampiroboroboana ny indostria raha tena hampandroso ny firenena, manana tombony maro I Madagasikara tahaka ny fananana mpiasa na “mains d’oeuvre” afaka mifaninana sy ny akora enti-mamokatra hita manerana ny Nosy ary ny seha-pamokarana maro mbola azo trandrahana tsara. Hisy fepetra hamporisihana ny fampiasam-bola eto Madagasikara, tahaka ny fametrahana ny sehatra ifanakalozan-kevitra eo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina hijerena ny fepetra ara-ketra, ara-paditseranana sy ara-panjakana samihafa izay tsy mamono ny mpandraharaha fa mamporisika azy ireo kosa hanohy sy hanamafy ny fandraharahana eto Madagasikara.

Hapetraka ny “zones d’emergence industrielle” mba hahafahantsika manararaotra ny fisitrahana ireo tombony ahafaha-mifaninana eo amin’ny sehatry ny lamba, sy ny fanodinana sy fitrandrahana fambolena ara-indostrialy ao anatin’ny tsenam-barotra lehibe tahaka ny AGOA, COMESA, APE.

Hotohizana ny fanomezana milina fitrandrahana ara-indostrialy ny faritra samihafa, mba ahafahana mitrandraka ireo vokatra mitobaka any amin’izy ireny avy, ao anatin’ny “ODOF” na “One District, One Factory”. Mba hiadiana amin’ny fitongilanan’ny mizana ara-barotr’i Madagasikara dia tokony mamokatra eto an-toerana izay zavatra ilaina sy jifain’ny mponina andavanandro isika. Hotohizana araka izany ny tetikasa “Fihariana” izay miara-miasa amin’ny banky eto an-toerana, hamporisihana ny tanora handraharaha. Efa manomboka miasa koa ny “fonds souverain” ka ahafahana mametraka tetikasa fampiodinana ara-indostrialy miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka eto an-toerana sy any ivelany.

Fampandrosoana ny sehatry ny fifandraisan-davitra :

Araka ny fanadihadiana nataon’ny Banky Iraisam-pirenena, dia afaka mamorona asa mivantana hatrany amin’ny 100.000 ny sehatry ny teknolojian’ny fifandraisan-davitra tahaka ny foibem-piantsoana (centres d’appel), sy ny famoronana sy fitantanana rindram-baiko. Ny fanalalahana ny sehatry ny fifandraisan-davitra anefa dia ahafahana manamafy ny fahafahan’i Madagasikara mifaninana eo amin’ireo karazana asa mifandraika amin’ny teknolojia ireny. Isika anefa sady manana mpiasa mahay informatika no mahay teny frantsay ihany koa, ary ny hafainganam-pandehan’ny aterineto eto amintsika dia tafiditra ao anatin’ny 25 tsara indrindra maneran-tany. Noho izany dia anjaran’ny Minisitera voakasika sy ny EDBM no mametraka ny paikady rehetra hisarihana ny mpampiasa vola liana amin’ireo sehatr’asa ara-teknolojika ireo ho avy eto Madagasikara miainga amin’ireo tombony ananantsika ireo.

Fampandrosoana ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany :

Efa nanavao isika ny fehezan-dalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany, anisan’ny fanoitran’ny fivoaran’i Madagasikara na ny “émergence”. Tanjona ny fahafahana manondrana ara-dalàna volamena hatrany amin’ny 15 taonina isan-taona, izay tokony hampiditra vola vahiny hatrany amin’ny 900 tapitrisa dolara ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana. Ho fanatrarana izany dia hapetraka ny ozinina fanadiovana volamena na ny “raffinerie aurifère” izay hahafahana manamarin-toerana ny vola Malagasy rehefa mifandanja ny mizana ara-barotr’i Madagasikara. Horaisina ny fepetra rehetra araka ny lalàna hiantohana ny fiarovana io seha-pihariana manodidina ny harena an-kibon’ny tany io.

Fanatsarana ny famokarana ara-pambolena :

Ny famokarana vary no tena hiompanana sy hatao laharam-pahamehana. Raha mitombo 25% ny famokaram-bary eto Madagasikara, izany hoe miampy 1 tapitrisa taonina isan-taona, dia ho tratrantsika ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

Tsy maintsy tratrarina ihany koa ny hampitombo ny velaran-tany hambolena vary hatrany amin’ny 100.000 hektara fanampiny, izay fitrandrahana ara-indostrialy (à grandes échelles).

Raha mitombo 5% fotsiny ny tahan’ny harin-karena eo amin’ny fambolena indrindra ny vary (PIB agricole) dia afaka hitombo hatrany amin’ny 1 ka hatramin’ny 2% ny tahan’ny harin-karena faobe. Izany hoe raha mitombo 10% ny harin-karena ara-pambolena dia mihena hatrany amin’ny 14% ny tahan’ny fahantrana. Ny sehatry ny fambolena no miantoka ny 70% ny asa rehetra eto Madagasikara.

Hampiroboroboana ny fampiasana ny fomba fambolena sy famokaram-bary vaovao, hiantohana ny fisitrahan’ny mpamboly ny zezika sy ny masomboly, hiantohana koa ny fiarovana ny fananan-tany ho an’ny tantsaha mpamboly amin’ny alalan’ny fizarana kara-tany, hamoraina ny fahazoana misitraka famatsiam-bola madinika, sy ny fanatsarana ny tsenam-barotra ara-pambolena.

Araka ny toromarik’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika dia mila tafapetraka ao anatin’ny 6 volana ireo ozinina fanodinana zezika amin’ireo faritra tena mpamokatra vary.

Fampandrosoana ny fizahan-tany :

Fanambin’i Madagasikara ny ho lasa firenena azo tsidihana ara-pizahan-tany fanta-daza maneran-tany, amin’ny alalan’ny fitantanana mahomby ny harena miavaka ananany, dia ny harem-bakoka natoraly, ara-kolontsaina ary amin’ny lafiny maha-olona. Hotohizana araka izany ny fisarihana ireo mpampiasa vola goavana eo amin’ny sehatry ny fandraisam-bahiny sy fizahan-tany avy eto an-toerana sy avy any ivelany, mba hampitomboana ny famoronana asa any amin’ny faritra samihafa. Anjaran’ny Minisitera mpiahy sy ny EDBM no mametraka ny paikady hisarihana ireo mpampiasa vola ireo, efa manana rahateo isika ny fehezan-dalàna mifehy ny fampiasam-bola (code des investissements) manatsara ny tontolo iainan’ny fandraharahana eto amintsika.

Fanavaozana ho moderina an’i Madagasikara :

Tafiditra ao anatin’izany ny :

– Fanajariana sy fampitaovana ny tanàn-dehibe eto Madagasikara

– Fampivoarana ny fotodrafitrasan’ny fitaterana sy ny fifamoivoizana

– Ny fananganana tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana

Hotohizana avokoa ireo tetikasa fitaratra efa andalam-panatanterahana amin’izao fotoana izao tahaka ny lalambe migodana na “autoroute” Tana-Toamasina, ny “Fly Over” (Anosizato sy Maki), ny teleferika, ny Tanamasoandro, ny RN13, ny RN10, ny RN6, ny RN31, ary ny fanitarana ny seranan-tsambon’I Toamasina. Hotohizana koa ny fanarenana sy fanatsarana ny lalam-pirenena samihafa. Mbola mitoetra ho laharam-pahamehana koa ny fanavaozana ho moderina ny seranam-piaramanidina, ny seranan-tsambo ary ny fifamoivoizana an-dranomamy.

Ny sehatry ny angovo :

Hiditra amin’ny dingan’ny fananganana ny tetikasa lehibe miisa 2 dia ny fanamboarana ny foibe famokarana herinaratra avy amin’ny rano, ao Volobe sy Sahofika, manana tanjaka mitambatra hatrany amin’ny 312 MW. Ny Sahofika moa dia hanamafy ny tambajotra RIA (reseau interconnecté d’Antananarivo, Toamasina, Fianarantsoa). Ny Volobe kosa dia hahasehaka ny filàn’ny mponina hatrany amin’ny 2 tapitrisa, amin’ireo tanàn-dehibe maro, indrindra ny ao anatin’ny faritra Atsinanana.

Tsy maintsy hatao ny fanarenana ny orinasa JIRAMA izay tena mitroka ny ampahany betsaka amin’ny volam-panjakana, tokony ho azo ampiasaina amina tetikasam-pampandrosoana hafa.

Hotohizana ny fampivadiana ny tobim-pamokarana herinaratra amin’ny fampiasana angovo azo avaozina (hybridation des centrales électriques) mba hampihenana ny saram-pamokarana herinaratra. Efa napetraka ho laharam-pahamehana rahateo ny fitrandrahana angovo azo avaozina ao anatin’ny politikan’ny angovo eto Madagasikara.

Tsy maintsy tafapetraka alohan’ny 26 jona 2024 ny “parcs solaires” miisa 47 manerana an’ireo distrika hisitraka izany. Dingana voalohany moa ireo 47 ireo fa hitarina amin’ny distrika hafa rehetra manerana an’i Madagasikara izany.

Hotohizana ihany koa ny fandaharanasan’ny Filohan’ny Repoblika “Hazavana ho anao” izay hahafahan’ny tokantrano tena marefo tsy mampiasa solitany intsony hahazoana hazavana, ary hahafahan’izy ireo manao tahiry 20.000 ka hatrany amin’ny 30.000 Ariary isam-bolana.

III- FAHAIZA-MITANTANA SY FANJAKANA TAN-DALÀNA

Mila fanjakana mafy, manaja ny soatoavina demokratika sy ny fahaiza-mitantana ny vahoaka Malagasy.

Filaminana sy fandriam-pahalemana :

Mbola mitoetra ho laharam-pahamehana ny fitandroana ny filaminana, ka hotohizana ny fanavaozana ho moderina sy matihanina ny tafika an-tanety, an’habakabaka, ary an-dranomasina mba hiantohana ny fiandrianam-pirenena manerana an’i Madagasikara. Tafiditra amin’izany ny fanohizana ny fametrahana ireo « bases opérationnelles avancées » sy ny « Détachements spéciaux de sécurité » sy ny fampitaovana azy ireny.

Hamafisina koa ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana any ambanivohitra sy ny famongorana ny asan-dahalo izay efa nahitana vokatra tamin’ny fe-potoam-piasana voalohany. Mitaky paikady vaovao miompana amin’ny fametrahana fandriam-pahalemana manakaiky vahoaka sy ny hafainganan’ny fihetsehan’ireo mpitandro filaminana koa ny ady amin’ny fanafihana amin’ny tanan-dehibe.

Mifandraika amin’izay dia mila fitsarana mafy, madio tsy andairan’ny kolikoly ary azon’ny rehetra itokisana ihany koa ny fiantohana ny fahombiazan’ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana, efa nirosoana izany tamin’ny fametrahana ireo tribonaly maro manerana ny Nosy ary tsy maintsy hotohizana, mifanindran-dalana amin’izany ny fikajiana ny maha-olona any amin’ny fonja.

Ady amin’ny kolikoly :

Tsy maintsy saziana mafy ny mpanodikodina volam-panjakana, sy ny mpanao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, ary tsy maintsy miverina amin’ny Fanjakana ny vola na ny harem-pirenena nahodikodin’izy ireny. Raha tsy izany dia tsy afaka hatoky ny ady atao amin’ny kolikoly mihitsy ny vahoaka Malagasy.

Tsy maintsy mitondra fanavaozana amin’ny sampan-draharaham-panjakana tantaniny avy ireo minisitra tompon’andraikitra mba hanatsarana ny kalitaon’ny asam-panjakana izay atolony ny vahoaka, ialàna amin’ny kolikoly. Izany dia atao amin’ny alalan’ny famadihana ara-haitao ara-kajy mirindra ny fanomezana ireo taratasim-panjakana ilain’ny vahoaka, toy ny fanamarinam-ponenana, fanamarinana fananan-tany (CSJ), fanamarinam-piterahana, pasipaoro, karatra volon-davenona (carte grise), fahazoan-dalana mitondra fiara, fanamarinana ara-pitsarana (casier judiciaire) sy ny sisa.

Famadihana ara-haitao ara-kajy mirindra sy ny fanavaozana ny fitantanam-bolam-panjakana :

Mila manana laharana manokana (identifiant unique) avokoa ny olompirenena malagasy tsirairay mba hanamorana ny fisitrahany ny taratasim-panjakana izay ilainy mombamomba azy.

Hitarina eo anivon’ny fitsarana koa anefa izany, amin’ireo tribonaly sy rafi-pitsarana rehetra manerana ny Nosy.

Hafainganina koa ny fametrahana ny fanovàna ara-haitao ara-kajy mirindra amin’ny fandoavana ny vatsim-pianarana sy ny tambin-karama samihafa ho an’ny mpiasam-panjakana. Tsy maintsy avadika ho moderina ny fitantanana ny fandaniana ny volam-panjakana mba tsy hisy ny gaboraraka.

Fitsinjaram-pahefana :

Efa manana ny politikan’ny fitsinjaram-pahefana (politique de décentralisation émergente) isika, mifototra amin’ny fametrahana ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana toy ny kaominina, ho kitro ifaharan’ny politikam-pampandrosoana. Izany hoe ny kaominina no valam-pamaritana ny fanatanterahana ny politikam-bahoaka amin’ny fananganana fotodrafitrasa fototra. Ny faritra kosa no mitarika ny fanatanterahana ny asam-pampandrosoana isam-paritra tahaka ny fanajariana ny tany sy ny fananganana fotodrafitrasam-paritra.

Fanamby amin’ny fiovaovan’ny toetrandro sy ny tontolo iainana :

Madagasikara dia firenena fahatelo marefo indrindra noho ny fiovaovan’ny toetrandro efa iainana ankehitriny. Noho izany dia tsy maintsy miainga amin’izay ny fandrafetana ny politikam-panjakana amin’ny fampandrosoana lovain-jafy. Izany indrindra no ilaina hanohizana ny famerenana ny ala amin’ny velaran-tany midadasika (reforestation à grande echelle). Tsy maintsy avadika ho vokatra azo tsapain-tanana ny vina hamboly hazo amin’ny velaran-tany 40.000 hektara isan-taona. Amin’izao fotoana izao moa isika dia ao anatin’ny fanatanterahana ny fandaharanasa FEC miaraka amin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) ary efa tokony hanomboka ny fifanakalozan-kevitra amin’ny fandaharanasa vaovao “facilité pour la resilience et la durabilité” (FRRD) ny Governemanta. Vonona ny firenena Malagasy hampiditra io lafiny fiarovana ny tontolo iainana io sy ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetrandro ao anatin’ny fifampidinihana, satria mifandraika rahateo amin’ny vinan’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika izany.

Kolontsaina :

Politika ara-kolontsaina mampisongadina ny fahasamihafana sy ny fifamenoan’ny kolontsaintsika manerana ny Nosy no hotanterahina, hotohizana amin’izany ny fanomezan-danja sy ny fanarenana ny mozea sy ny toerana manan-tantara samihafa eto Madagasikara.

Anjaran’ny Governemanta moa no mamadika ho programa fanatanterahana izany politika ankapoben’ny Fanjakana nofaritan’ny Filohan’ny Repoblika izany. Tanjona azo refesina sy azo tsaraina amin’ny kalitaony no takian’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika amin’ny Governemanta, mba ahafahana manao tombana ny fiantraikan’ny asany amin’ny fanatsarana ny fari-piainan’ny vahoaka Malagasy.

• FAMPAHAFANTARANA NY ASA MAIKA AO ANATIN’NY 100 ANDRO ISAKY NY DEPARTEMANTA

Nisy ihany koa ny fampitana am-bava mikasika ny fampahafantarana ny asa maika ao anatin’ny 100 andro, amin’ireto departemanta manaraka ireto :

Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka :

Fandrindram-piterahana : zava-dehibe loatra ho an’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika ny fanaovana ho maimaim-poana ny fanabeazana aizana ho an’ny vehivavy mba ho fandrindram-piterahana (planning familial). Ny tanjona apetraka ao anaty 100 andro dia ny hisitrahan’ny vehivavy miisa 3.220.000 manerana an’i Madagasikara ny fomba fandrindrana ny fiainam-pianakaviana tandrify azy.

Minisiteran’ny Fampandrosoana ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra :

Fizarana karinem-pokontany : karinem-pokontany ho an’ny tokantrano miisa 792.594 no tokony ho voazara ao anatin’ny 100 andro, tokantrano vaovao miisa 4.040.245 miparitaka amin’ny kaominina miisa 1.004 no tokony ho voaisa mba ahafahana manomana ny andiany manaraka amin’ny fizarana ny karinem-pkontanin’izy ireo ary karinem-pokontany vaovao ho ana tokantrano miisa 2.000.000 no tokony ho voatonta.

Minisiteran’ny rano, ny fanadiovana ary ny fidiovana :

Toromarika manokana no nomen’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika dia ny tsy maintsy handraofana ny fako sy ny hanadiovana ny tanànan’Antananarivo renivohitra faran’izay haingana. Miara-miasa amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny Minisitera amin’izany ka hirosoana avy hatrany ny fandraisana ireo fiarabe mpitatitra fako avy amin’ny firenena Japoney mba ho azo ampiasaina avy hatrany raha vao tafapetraka ny filohan’ny delegasiona manokana ho an’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, ao anatin’ny andro vitsy. Anisan’ny asa maika tsy maintsy hirosoan’ny Minisitera tompon’andraikitra koa ny famahana ny olan’ny rano eto Antananarivo sy ny manodidina. Ny vahaolana amin’izany dia ny fanatanterahana ny tetikasa “Tana Water III” ka efa miroso amin’ny fanaovana ny tolo-bidy isika amin’izao fotoana izao izay hivaly afaka 2 herinandro. Eo koa ny fanohizana ny fanamboarana ny Pipeline EFAHO any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy, efa andalana ary andrasana manaraka indray ny fahatongavan’ireo fantsona lehibe na “tuyaux” mirefy 63 km fanampiny. Farany, dia asa maika takiana amin’ny Minisitera ihany koa ny fametrahana toeram-pidiovana sy fivoahana maro manerana ny tanàn-dehibe mba hisorohana ny fisasana sy ny fanaovana maloto eny ankalamanjana rehetra eny.

II- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

FIADIDIANA NY REPOBLIKA

Noraisina ny Didim-panjakana anendrena ny Général de brigade RASOLONDRAIBE Jean Yves, ho Directeur de la Sécurité Présidentielle eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika.

MINISTERAN’NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

Noraisina ny Didim-panjakana anendrena an’Atoa RASOAMAROMAKA Herilalaniaina, ho Governoran’ny Faritra Analamanga.

MINISTERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

Noraisina ny Didim-panjakana manafoana ny Didim-panjakana laharana faha 2021- 1088 tamin’ny 13 oktobra 2021 ary anendrena an-dRtoa RAJOELINA Miary Toky Herindrainy, ho Directeur de la Santé Familiale eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.

III- FANAFOANANA

GOVERNEMENTA

Noraisina ny Didim-panjakana manafoana ny Didim-panjakana laharana faha 2014-1825 tamin’ny 04 desambra 2014 nanendrena ny Directeur des Etudes eo anivon’ny Primatiora.

Noraisina ny Didim-panjakana manafoana ny Didim-panjakana laharana faha 2022-940 tamin’ny 22 jona 2022 nanendrena ny Talen’ny Serasera eo anivon’ny Primatiora.

Noraisina ny Didim-panjakana manafoana ny Didim-panjakana laharana faha 2019-2150 tamin’ny 28 novambra 2019 nanendrena ny Tale Jeneralin’ny Conseil de Discipline Budgétaire et Financière.

MINISTERAN’NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

Noraisina ny Didim-panjakana manafoana ny fanendrena ny Governoran’ny Faritra Atsimo-Atsinanana.

Noraisina ny Didim-panjakana manafoana ny fanendrena ny Governoran’ny Faritra Melaky.

Noraisina ny Didim-panjakana manafoana ny fanendrena ny Governoran’ny Faritra Analanjirofo.

MINISTERAN’NY ATITANY

Noraisina ny Didim-panjakana manafoana ny Didim-panjakana laharana faha 2016-966 tamin’ny 20 jolay 2016 nanendrena ny Préfet an’i Mahajanga.

MINISTERAN’NY FAMPIANARANA ARA-TEKINIKA SY NY FAMPIOFANANA ARAK’ASA

Noraisina ny Didim-panjakana manafoana ny Didim-panjakana laharana faha 2021- 246 tamin’ny 03 martsa 2021 nanendrena ny Talem-paritry ny Fampianarana Ara-teknika sy ny Fampionana arak’asa ho an’ny Faritra Analamanga

MINISTERAN’NY FIZAHAN-TANY SY NY ASA TANANA

Noraisina ny Didim-panjakana manafoana ny fanendrena ireo Talem-paritry ny Asa Tanana sy ny Haitao rehetra eny anivon’ny Faritra.

MINISTERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

Noraisina ny Didim-panjakana manafoana ny Didim-panjakana laharana faha 2021-1246 tamin’ny 10 novambra 2021 nanendrena ny Tale Iraisam-paritry ny Angovo sy ny Akoran’afo ao Fianarantsoa

MINISTERAN’NY RANO NY FANADIOVANA ARY NY FIDIOVANA

Noraisina ny Didim-panjakana manafoana ny Didim-panjakana laharana faha 2021-1424 tamin’ny 15 desambra 2024 nanendrena ny Talem-paritry ny Rano, ny Fanadiovana ary ny Fidiovana ao amin’ny Faritra SOFIA.

MINISTERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY

Noraisina ny Didim-panjakana manafoana ny Didim-panjakana laharana faha 2020-1046 tamin’ny 26 aogositra 2020 nanendrena ny Tale Iraisam-paritry ny Harena An-kibon’ny Tany ao Fianarantsoa.

Noraisina ny Didim-panjakana manafoana ny Didim-panjakana laharana faha 2019-864 tamin’ny 6 jona 2019 nanendrena ny Tale Jeneralin’ny Loharanon-karena Stratéjika eo anivon’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny Tany

Natao ny 17 janoary 2024

Ny mpitondra tenin’ny Governemanta,

Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY

Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa

FILAN-KEVITRY NY MINISITRA – ALAROBIA 12 DESAMBRA 2023 LAPAM-PANJAKANA MAHAZOARIVO

Alarobia 06 desambra 2023 – Lapam-panjakana MAHAZOARIVO

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo androany Talata 12 desambra 2023 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, ary natrehin’ireo Minisitra isan-tokony sy ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny Talen’ny Kabinetra, ny Sekretera Jeneraly Lefitra ary ny Tale misahana ny raharaha araka ny lalàna eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika ;

      I.        FAMPITANA AM-BAVA

MINISTERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA + MINISTERAN’NY TOE-KARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanemorana ny fetr’andro ahafahana manao ny fandraiketana ny fandaniana na « engagement » mahakasika manokana an’ireo fandaniana sasantsasany eo anivon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena Nikatona tamin’ny faha 30 novambra 2023 lasa teo ny fahafahana manao ny fandraiketana ny fandaniana na « engagement ». Nisy anefa ny olana teo amin’ny tambajotra eo anivon’ny rindram-baiko e-GP ka tsy nahafahana nahatratra ara-potoana ny paik’ady fanaovana « engagement », ary voakasik’izany ireo Tsenam-baro-panjakana sasantsasany izay marihana fa anisan’ny fanatanterahana ireo tetikasan’ny Filoham-pirenena

– Fividianana latabatra sy dabilio ho an’ny Mpianatra ;

– Fividianana latabatra sy seza ho an’ireo Mpianatra ao amin’ny « préscolaires » ;

– Fividianana tafo fanitso ho an’ny sekoly ;

– Fividianana latabatra sy seza ho an’ny Mpanabe ;

– Fanaterana ireo fitaovana sy « kits scolaires » eny anivon’ny sekoly manerana ny nosy

Izany indrindra no nanomezana fe-potoana manokana ny ministera mba ahafahana manohy ny fanatanterahana hatramin’ny farany ireo Tsenam-baro-panjakana ireo.

MINISTERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA + MINISTERAN’NY TOE-KARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny Fanjakana an-tanana ny fandoavana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana ny kodiaran-droa na « moto » miisa 153 atolotra ho an’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Ireto « moto » ireto dia fanomezana avy amin’ny UNICEF ary natao hampiasain’ireo Mpitsabo miparitaka eny anivon’ireo Distrika manerana ny Nosy.

MINISTERAN’NY ASA VAVENTY

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hampiasana ny sorabola hanatanterahana ireo asa fanamboaran-dalana eo amin’ny lalam-pirenena RNT 42 PK0+000 ka hatramin’ny PK95+000 izay mampitohy an’i Fianarantsoa sy Ikalamavony

Taorian’ireo fidinana ifotony maro nataon’ireo teknisiana no nahitana fa tena potika tanteraka ity lalam-pirenena ity ka mila irosoana haingana ny fanamboarana azy. Hisy fiantraikany goavana amin’ny fiainan’ireo kaominina lalovany ny fanarenana an’ity lalam-pirenena ity. Ny « Fonds Routier » no hamatsy manontolo ny fanatanterahana ity asa fanamboaran-dalana ity.

MINISTERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny Fanjakana an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana ireo fitaovana antsoina hoe « panneaux photovoltaïques » ho an’ny Kaominina Andrenivohitra Nosy Be

Ireto fitaovana ireto moa dia natao mba hametrahana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro, ka ny Fikambanana frantsay antsoina hoe « Electricité sans Frontière » izay any Provence – Alpes- Côte d’Azur no manolotra azy ireo ho an’ny Fokontany Anjiabe, Antamotamo ary Ampangorina ao Nosy Komba, Nosy Be.

SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny tolo-bidy naroson’ireo orinasa mahakasika ny asa fanajariana fotodrafitrasa madinika sy fanatsaràna endrika ireo kartie ao anatin’ny tetikasa fampandrosoana sy fanatsaràna ny Toeram-ponenana izay voarakitra ao anatin’ny tetibola 2023.

Ireto asa ireto izay ahitana fanamboarana lalan-kely, lalana rarivato, lalana natokana ho an’ny Mpandeha tongotra sy ny maro samihafa, dia natao indrindra mba hanamora ny fivezivezen’ny Mponina ary koa hanovàna ny endrik’ireo fokontany voakasik’izany. Fokontany maromaro eto Antananarivo izay misy mponina isan’ny tena sahirana no hisitraka an’ireto tetikasa ireto.

    II.        FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

MINISTERAN’NY FITSARANA + MINISTERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

Noraisina ny volavolan-drijan-tenin-dalàna anovàna sy amenoana ny andininy sasantsasany ao amin’ny lalàna laharana 2016-037 tamin’ny 02 febroary 2017 momba ny Fampihavanam-pirenena.

Anisan’ny misongadina ao anatin’ny fanovàna izay tinapaka ny fampihenàna ny isan’ny Mpikambana ao anatin’ny Komitin’ny Fampihavanam-pirenena na ny CFM ary ny fifantohan’ny andraikitr’ity rafitra ity bebe kokoa ho amin’ny fisorohana ny korontana sy ny krizy eto amin’ny Firenena.

MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Noraisina ny Didim-panjakana ilazàna fa ho an’ny Tombontsoan’ny daholobe ary anasokajiana ho tanim-panjakana tsy azo amidy na « domaine public » ireo tany ilaina amin’ny fanatanterahana ny asa fanamboarana ireo lalana an-tampon-tanàna ao amin’ny tanànan’i Mananjary, Manakara ary Farafangana.

Noraisina ny Didim-panjakana amindràna ny sorabola na « transfert de crédits en matière de Transferts » ao anatin’ny tetibola 2023 ho an’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa sy ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, izay mitentina 1 608 085 000 Ariary.

Noraisina ny Didim-panjakana amenoana ny vola miditra sy ny fandaniana eo anivon’ny Ministeran’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, mitentina 12 016 525 000 Ariary ao anatin’ny Tetibola 2023 mahakasika ny Tetikasa Statistika iraisam-paritra eo anivon’ny SADC (STATCAP) an’ny « Institut National de la Statistique de Madagascar » (INSTAT)

   III.        FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

SEKRETERAM-PANJAKANA MIADIDY NY ZANDARAMARIAM-PIRENENA

  • Noraisina ny Didim-panjakana manendry ny Général de Brigade RABEMANANTSOA Josh, ho Komandin’ny Sekoly Ambonin’ny Zandarimariam-pirenena ao Moramanga.
    • Noraisina ny Didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-189 tamin’ny 19 febroary 2020 ary manendry ny Colonel RANAIVOARISON Théodule Edith, ho Komandin’ny Fari-piadidian’ny Zandarimariam-pirenena ao Toamasina.
    • Noraisina ny Didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-920 tamin’ny 15 jona 2022 ary manendry ny Colonel MAROVAVY Louis Francio, ho Komandin’ny Fari-piadidian’ny Zandarmariam-pirenena ao Mahajanga.

   IV.        FANAFOANANA

MINISTERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

  • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2021-1081 tamin’ny 13 oktobra 2021 nanendrena ny Governoran’ny Faritra Betsiboka.
    • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2014- 1532 tamin’ny 25 septambra 2014 nanendrena ny Lehiben’ny Distrikan’Ankazobe.

MINISTERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA NY VAROTRA ARY NY FANJIFANA

  • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2022-724 tamin’ny 18 may 2022 nanendrena ny Talen’ny « Audit Interne » sy ny ady amin’ny kolikoly eo anivon’ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra ary ny Fanjifana.
    • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2019-1196 tamin’ny 6 jona 2019 nanendrena ny Talem-paritry ny Indostria, ny Varotra ary ny Asa tanana eo anivon’ny Faritra Alaotra Mangoro.

MINISTERAN’NY ASA VAVENTY

  • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2023- 1053 tamin’ny 30 aogositra 2023 nanendrena ny Talem-paritry ny Asa Vaventy ao Betsiboka.

MINISTERAN’NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FANOFANANA ARAK’ASA

  • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 202- 375 tamin’ny 31 martsa 2021 nanendrena ny Talem-paritry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak’asa ao Menabe.

MINISTERAN’NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY

  • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2020- 1135 tamin’ny 9 septambra 2020 nanendrena ny Talem-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy ao Anosy.Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2020- 1135 tamin’ny 9 septambra 2020 nanendrena ny Talem-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy ao Anosy.

Natao ny 12 desambra 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta Ifarimbonana,

Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany

RAMAHOLIMASY Pierre Holder

Ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina mpisolo toerana

RAHANTANIRINA Gabriella

FILAN-KEVITRY NY MINISITRA – ALAROBIA 06 DESAMBRA 2023 LAPAM-PANJAKANA MAHAZOARIVO

Alarobia 06 desambra 2023 – Lapam-panjakana MAHAZOARIVO

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo androany Alarobia 06 desambra 2023 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, ary natrehin’ireo Minisitra isan-tokony sy ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny Talen’ny Kabinetra, ny Sekretera Jeneraly Lefitra ary ny Tale misahana ny raharaha araka ny lalàna eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika.

I- FAMPITANA AM-BAVA

MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanovàna entina eo amin’ny fomba fampiasàna ny sorabola momba ny fampiasam-bola hamokarana natokana ho fanohanana ny fampandrosoana na “crédit d’investissement destiné à l’appui au développement” (CIAD) izay natao hampiasain’ireo Solombavambahoaka.

Ity fanovàna ity dia mahakasika ireo Distrika izay manana Solombavambahoaka miisa roa. Manomboka izao ary dia azo zaraina roa mitovy ireo CIAD ka afaka samy mandrafitra ireo programan’asa mifandraika amin’izany avy ny Solombavambahoaka tsirairay. Tsy takiana intsony ihany koa ny sonian’ireo Solombavambahoaka roa tonta, fa samy manao sonia tsirairay izy ireo miaraka amin’ny mpanalalana na “ordonnateurs”, amin’ny fampiasàna ny ampahan’ny sorabola natokana ho azy. Ny tahan’ny sorabola hividianana solika kosa dia ferana tsy hihoatra ny 35% ny sorabola voasoratra ao amin’ny kaonty 23174 mikasika ny fitaterana sy ny famitana iraka na “Transport et missions». Ity fanovàna ity no natao moa dia mba hitondràna fanatsaràna eo amin’ny fampiasàna ireo CIAD eny anivon’ireo Distrika voakasik’izany. Hosoritana ao anatin’ny toro-làlana momba ny fanantanterahana ny tetibola na “circulaire d’exécution budgétaire” ity fanovàna ity.

MINISTERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA, NY VAROTRA SY NY FANJIFANA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny tolo-kevitra avy tany amin’ny Filan-kevi-pirenena momba ny Lavanila na ny “Conseil National de la Vanille” (CNV) mahakasika ny fisokafan’ny fe-potoana fanondranana ny lavanila efa voakarakara na « vanille préparée » ho an’ny taona 2023-2024.

Voarakitra ao anatin’izany tolo-kevitra izany ary fa ny faha 7 desambra izao no hisokafan’ny fotoana azo ivarotana sy anondranana ny lavanila efa voakarakara ary amin’ny faha 31 jolay 2024 kosa no daty voatendry hikatonany. Araka ny voalazan’ny lalàna moa dia ho voafaritra ao anaty didim-pitondràna ireto daty voatanisa etsy ambony ireto, mba hampanan-kery azy.

MINISTERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny famatsiana ny FIDA 13 ao amin’ny Famatsiam-bola Iraisam-pirenena ho an’ny Fampandrosoana ny Fambolena na « Fonds International de Développement Agricole ».

Madagasikara dia isan’ireo Firenena misitraka famatsiana maro avy amin’ny FIDA amin’ny alalan’ny tetikasa toy ny FORMAPROD, AD2M2, DEFIS, PA2R, PROGRES. Izany indrindra no antony itondrany ny anjara birikiny amin’ny fanangonana ireo famatsiana mba ahafahan’ny FIDA manatanteraka soa aman-tsara ny andraikiny. Hatao ny faha 14 sy 15 desambra 2023 izao any Parisy ao Lafrantsa moa ny fanambaràn’ireo firenena rehetra izay handray anjara amin’izany famatsiana ny FIDA faha 13 izany.

SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM[1]PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA + MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana ireo fitaovana ilaina amin’ny fametrahana ny fitaterana an-tariby na « Transport par câble » ho an’ny ampahan-dalana mampitohy an’i Soarano sy Ivandry, zotra Volomboasary mampitohy an’Anosy sy Ambatobe.

Ny fandefasana entana laharana faha 13, 16 sy faha 20 no voakasik’ity fankatoavana ity.

II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

MINISTERAN’NY FAMPIROBOROBOANA SY FANOVÀNA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA + MINISTERAN’NY FITSARANA

Noraisina ny Didim-panjakana mahakasika ny andraikitra, fandaminana ary fampandehanan-draharaha eo anivon’ny Vaomiera Malagasy Momba ny Informatika sy ny Fahalalahana na « Commission Malagasy de l’Informatique et des Libertés » na « CMIL » ary mahakasika ny fikirakirana ny antontan-kevitra mahakasika ny lafim-piainana manokana (“données à caractère personnel”).

III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

FIADIDIANA NY REPOBLIKA

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019 011 tamin’ny 18 janoary 2019 ary manendry an’Atoa RANJEVA RAZANAKOMBANA Marcel ho Lehiben’ny Mariboninahi-pirenena Malagasy.

IV- FANAFOANANA

SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA EO ANIVON’NY MINISTERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2018- 348 tamin’ny 11 aprily 2018 nanendry ny Komandin’ny Sekoly Ambonin’ny Zandarmariam-pirenena ao Moramanga.

Natao ny 06 desambra 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta Ifarimbonana,

Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany

RAMAHOLIMASY Pierre Holder

Ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina mpisolo toerana

RAHANTANIRINA Gabriella

FILAN-KEVITRY NY MINISITRA – TALATA 28 NOVAMBRA 2023 LAPAM-PANJAKANA MAHAZOARIVO

 Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo androany alarobia 28 novambra 2023 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, ary natrehin’ireo minisitra isan-tokony sy ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny Talen’ny Kabinetra, ary ny Tale misahana ny raharaha araka ny lalàna eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika.

I- FAMPITANA AM-BAVA

MINISTERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY + MINISTERAN’NY FITSARANA + MINISTERAN’NY NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISTERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA, NY VAROTRA SY NY FANJIFANA + MINISTERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny firosoana amin’ny fandoavana ireo latsakemboka izay anjaran’i Madagasikara amin’ny maha-mpikambana azy ao amin’ireto Fikambanana iraisam-pirenena manaraka ireto : Vondrona Afrikana (Union Africaine), Organisation des Etats Africains, Caraïbes et Pacifiques (OEACP), SADC ary COMESA.

Nisy ny fahataràna teo amin’ny fandoavana ny latsak’emboka ka tapaka ary araka izany fa izay mbola tsy voaloa tamin’ny taona 2022 sy ny amin’ity taona 2023 dia aloa avy hatrany. Tombony ho antsika rahateo ny fandoavana io latsakemboka io mba ahafahana misitraka ireo tombon-tsoa maro azo amin’ny maha-mpikambana feno ao anatin’ireo Fikambanana iraisam-pirenena ireo.

MINISTERAN’NY FITSARANA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny Fanjakana an-tanana ny fandoavana ny fandraisana anjaran’i Madagasikara izay aloa isan-taona amin’ny Maha-mpikambana azy ao amin’ny Fitsarana Ady Heloka Iraisam-pirenena (Cour Pénale Internationale) sy ny Fikambanan’ireo Fitsarana Avo Afrikana miteny Frantsay (Association Africaine des Hautes Juridictions Francophones (AA-HJF).

MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoan’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola amin’ny fividianana ireo fitaovana ara-informatika ho an’ny Vaomieram-pirenena misahana ny Tsenam-baro-panjakana na ny « Commission Nationale des Marchés Publics (CNM) »

Nanomboka tamin’ny volana oktobra 2022 dia mampiasa ny rindram-baiko antsoina hoe Procurement System Review (PRS) ny Vaomieram-pirenena misahana ny Tsenam-baro-panjakana na ny « CNM ». Io fitaovana io moa dia ahafahana mitondra fanatsarana fa indrindra ny mangarahara eo amin’ny fanaraha-maso ireo Tsenam-baro-panjakana. Mba ahafahana mampiasa an’io fitaovana io eo anivon’ireo Vaomieram-paritra misahana ny Tsenam-baro-panjakana rehetra anefa dia ilaina ny fividianana fitaovana ara-informatika. Izany indrindra no nahatonga izao fankatoavana izao mba hipàka manerana ny Nosy ny fanatsarana ny fanaraha-maso ireo Tsenam-baro-panjakana.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampiakarana ho 15 489 708 565 Ariary ny vola miditra sy ny fandaniana ao anatin’ny antsoina hoe “compte d’affectation spéciale” momba ny Famatsiana iombonan’ny Fanabeazana (Fonds Commun de l’Education) eo anivon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa ary ny Ministeran’ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hampiasan’ny Antenimieran-doholona ny sora-bola enti-mamokatra na “crédit d’investissement” ao anatin’ny tetibolany mba ahafahany manao ireo asa fanarenana sy fampitaovana ny Lapan’ny Antenimieran-doholona ao Anosy.

MINISTERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA + MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny firosoana amin’ny fandoavana ny ampahany faharoa amin’ny vola fanampiana na “subvention” ho an’ny fampandehanan-draharaha ho an’ireo Oniversite enina (06) ho an’ny taom-pianarana 2023-2024.

Izany fanampiana izany moa dia natao indrindra mba ahafahan’ireo Oniversite miatrika ny fidiran’ny mpianatra manaraka. Satria moa tsy ampy ny sora-bola eo anivon’ny Ministera hiantohana manontolo ny fandoavana an’io fanampiana io, dia horaisin’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola an-tanana ny ampahany tsy ampy.

MINISTERAN’NY ASA VAVENTY

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hampiasan’ny Ministera ny sora-bola entina hanatanterahana ny asa fanarenana ny Baka (bac) ao Befasy ao amin’ny lalam-pirenena RNT12, PK 142+000, mampitohy an’i Vangaindrano sy Taolagnaro.

Efa hatramin’ny taona 2022 no tsy niasa intsony io Baka io noho ny fahasimbàna ka voatery nosoloina Baka vonjimaika (bac de déviation provisoire). Tsy mifanaraka amin’ny lamina fiarovana ny mpandeha anefa ity baka vonjimaika ity ka izany no antony mahamaika ny fanamboarana ilay baka izay misy fahasimbàna. Tanjona ihany koa amin’ity asa ity ny fisorohana ny mety hampitoka-monina ireo kaominina Ambanivohitra ao anatin’ny Distrikan’i Vangaindrano.

MINISTERAN’NY ASA VAVENTY + MINISTERAN’ NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handoavan’ny Fanjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ny onitra omena ireo olona izay manana fananana voakitiky ny tetikasa fanamboarana ny Fefilohan’i Kiembe ao Toliara.

Ity asa ity dia natao indrindra hiarovana ireo faritra iva ao Mahavatse sy Kiembe amin’ny mety ho fiakaran’ny ranomasina sy amin’ny tondra-drano mety ateraky ny rotsak’orana be loatra. Isan’ny tanjona amin’ity asa fanamboarana ity ihany koa ny fampifandraisana ny fefiloha amin’ny lalam-pirenena RN7. Ny “Banque Européenne d’Investissement” (BEI) no mamatsy ny tetikasa ary ny fandoavana ny fanonerana kosa no fandraisana anjaran’ny Fanjakana. 

SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA + MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana ny fitaovana ampiasaina amin’ny fametrahana ny Fitaterana an-tariby ho an’ny ampahan-dalana mampitohy an’i Soarano sy Ivandry, ho an’ny zotra Volomboasary mampifandray an’Anosy sy Ambatobe,

Ity fankatoavana ity dia mahakasika ny fandefasana entana laharana faha 10, 11, 12, 14, 15 ary 18.

II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

MINISTERAN’NY ASA, NY FAMPANANAN’ASA, NY ASAM-PANJAKANA ARY NY LALANA SOSIALY

Noraisina ny volavolan-drijan-tenin-dalàna momba ny fehezan-dalàna mifehy ny Asa na « code du travail »

Eo anatrehan’ny zava-misy iainan’ny mpiasa sy ny mpampiasa eny anivon’ny orinasa isan-karazany dia hita taratra fa misy tokoa ireo banga ao anatin’ny fehezan-dalàna mifehy ny Asa. Izany indrindra no nahatonga ny firosoana tamin’ny fanovàna izany fehezan-dalàna izany ka raha fehezina dia ireto avy ny teboka voakasika :

– Ireo sehatra azo ampiharana ny fehezan-dalàna momba ny Asa ;

– Ny asa tsy an-tsitrapo ;

– Ny fandrafetana ny fifanarahana arak’asa ;

– Ny fampiatoana ny fifanarahana arak’asa ;

– Ny filaminana eny anivon’ny asa ;

– Ny fepetra manokana mifehy ny mpiasa mifindra monina sy ny fomba andraisana azy ;

– Ny fitantanana ny tontolon’ny asa sy ny fampananana asa ;

– Ireo andraikitr’ireo mpiantsehatra ao anatin’ny fiofanana arak’asa ;

– Ireo sazy eo amin’ny sehatry ny asa.

III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

GOUVERNEMENTA/ FIADIDIANA NY PRIMATIORA

Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny didim-panjakana laharana faha 2017-031 tamin’ny 11 janoary 2017 ary anendrena an’Andriamatoa OLAF Francis, Tale ara-bolan’ny Conseil de Discipline Budgétaire et Financière (CDBF).

Natao ny 28 novambra 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta Ifarimbonana,

Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany

RAMAHOLIMASY Pierre Holder

Ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina mpisolo toerana

RAHANTANIRINA Gabriella

TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA- ALAROBIA 22 NOVAMBRA 2023-LAPAM-PANJAKANA MAHAZOARIVO

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo androany alarobia 22 novambra 2023 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, ary natrehin’ireo minisitra isan-tokony sy ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny Talen’ny Kabinetra, ary ny Tale misahana ny raharaha araka ny lalàna eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika.

I- FAMPITANA AM-BAVA

MINISTERAN’NY  RAHARAHAM-BAHINY

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny Fihaonam-be mikasika ny fiaraha-miasa ho an’ny Fampandrosoana izay iraisan’ny Firenena Sinoa sy ireo ao anatin’ny Faritry ny Ranomasimbe Indiana (Forum sur la coopération au développement entre la Chine et la région Océan Indien), izay hatao any Kumming any Sina, ny 7 sy ny 8 desambra 2023 ho avy izao. Ny tanjon’ity Fihaonam-be ity dia ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa eo amin’ny lafiny fiatrehana ny loza voajanahary sy ny fitantanana ireo loharanon-karena an-dranomasina. Ireto avy àry ireo lohahevitra hodinihina mandritra izany fihaonam-be izany:  « Fiaraha- miasa ho fisorohana ireo loza voajanahary » ary  « Zava-manan’aina samihafa sy fitandrovana  ireo  loharanon-karena  an-dranomasina”.

MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny fampiasana ny tetibolan’ny “Cellule de Coordination des Projets de Relance Economique et d’Action Sociale (CCPREAS)” mba hamatsiana ireo tetikasa eo anivon’ireto Distrika ireto : Fianarantsoa I, BetafoAmbohidratrimo, Moramanga, Fandriana, Antananarivo Atsimondrano ary Manjakandriana.

Ireto avy ireo asa izay voakasik’izany famatsiana izany:

  • Fianarantsoa : fanamboarana birao ho an’ny boriborintany ao Ambalapaiso;
  • Betafo : fanarenana ny Tetezana Atokofoana ao Soavina;
  • Ambohidratrimo : fanarenana ny Tobim-pahasalamana fototra (CBS II) ao Mahereza;
  • Moramanga       :     fanamboarana       tetezana      ao    Sabotsy      –    Anjiro,                           Amparihisoa- Ampasimpotsy;
  • Fandriana : fanamboarana trano ho an’ny “poste avancé” an’ny Zandarmariam- pirenena;
  • Antananarivo – Atsimondrano : fanarenana lalana rarivato ao Vontovorona sy fanarenana ny Tobim-pahasalamana fototra ao Bemasoandro Itaosy;
  • Manjakandriana : fanorenana Sekoly (EPP, CEG) ary tranobe na “hangar

Satria efa hifarana ny taom-pampiasam-bola dia tapaka fa ny antsasaky ny tetibola voatokana hanaovana ireo asa ireo no holaniana amin’ity taona ity.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny Fanjakana an-tanana ny fandoavana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana ny fitaovana ho an’ny rantsana miady amin’ny hosoka na “Agence Nationale anti-fraude” eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika.

MINISTERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fametrahana vokatra na “produit” sy toerana na “localité” vaovao eo anivon’ny tetibolan’ny Ministeran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, ary ny hanaovan’izany Ministera izany famindrana sorabola anaty fandaharanasa na “aménagement de crédit” mba ahafahana manorina an’ireo birao ho an’ny Faritra Ambatosoa sy Vatovavy ary ho an’ny Prefektioran’i Maroantsetra.

Ireto asa fanorenana ireto moa dia hotanterahina taorian’ny fametrahana ireo Faritra vaovao eto Madagasikara. Ankoatra ny asa fanorenana trano dia nankatoavina ihany koa ireo asa fanajariana ny toerana hanatanterahana ny asa ary ny fampidirina rano. Mahakasika manokana ny asa fanorenana trano dia tapaka fa ny roapolo isan-jaton’ny tetibola no hampiasaina ho amin’ity taona 2023 ity.

MINISTERAN’NY    ATITANY    SY NY     FITSINJARAM-PAHEFANA      +    MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny fandoavana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana ny fitaovana fanamamiana rano na « matériels de désalinisation » izay fanomezana avy amin’ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampandrosoana na ny PNUD ho an’ny Faritra Atsimo Andrefana.

Ny fanomezana ireto fitaovana ireto dia natao mba hamaliana ireo filàna maika an’ireo mponina any Atsimo amin’ny alàlan’ny vahaolana azo tsapain-tanana sy maharitra mba hamahana ireo olan’ny rano izay tena manahirana ny Faritra Atsimo. Ny Kaominina Ambanivohitra Anjapaly sy Faux Cap (Distrika Tsihombe, Faritra Androy), Manombo (Distrika Toliara II, Faritra Atsimo Andrefana) ary Itampolo (Distrika Ampanihy Andrefana, Faritra Atsimo Andrefana) no hisitraka ireto fampitaovana ireto.

MINISTERAN’NY  FAHASALAMAM-BAHOAKA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny fandoavana ny latsak’emboka izay anjara tokony aloan’i Madagasikara amin’ny maha mpikambana azy ao amin’ny Fikambanambe Iraisam-pirenena momba ny Fahasalamana na ny “Organisation Mondiale de la Santé”.

MINISTERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA + MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandoavana ny fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’ny fividianana ireo vaksiny miaro amin’ny kitrotro ho an’ny taona 2024.

Tamin’ny taona 2018 sy 2019 dia niparitaka teto Madagasikara ny valan’aretina kitrotro, ka nisy ny paikady nentina hiatrehana izany teto amintsika. Araka ny toromariky ny Fikambanambe iraisam-pirenena momba ny Fahasalamana na ny Organisation Mondiale

de la Santé (OMS) dia mila manatanteraka ny fanarahana na « suivi » an’ireo paikady natao isika ankehitriny. Ny Fikambanana « Global Alliance for Vaccines and Immunizations” na GAVI dia vonona ny hanohana an’i Madagasikara amin’izany dingana izany. Ao anatin’izany ary dia vonona izy ny hiantoka ny fividianana ny 98% ny vidin’ny vaksiny fanefitry ny kitrotro izay ilaina amin’ny taona 2024, ary vinavinaina ho 2 362 633,63 dolara izany fanampiana izany. Anjaran’I Madagasikara kosa ny mandoa ny 2% ambiny ka mitentina 36 202,79 dolara izany. Ny tetibolan’ny Ministeran’ny Fahasalamam- bahoaka no hiantoka ny fandoavana izany fandraisana anjara izany.

MINISTERAN’NY ASA VAVENTY

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hampiasana ny sora-bola hanatanterahana ireo asa fanamboaran-dalana izay voasokajy ho asa maika eo anivon’ny lalam-pirenena fahafito (RN7).

Ireto avy ny asa voakasik’izany :

  • fanorenana batery na “mur de soutènement” eo amin’ny lalana PK 246+100;
  • fanarenana ny simba ao amin’ny tetezana ao amin’ny PK 246+130 ;
  • Fanotofana ireo lavaka ao amin’ny PK 246+600.

Isan’ny nahasimba io ampahan-dalana io ny fahabetsahan’ny rotsak’orana sy ny tsy fahampian’ny fikojakojàna azy. Noho izany, mba hisorohana ny mety ho fahatapahan’ny lalana ary mba hiantohana ny fitohizan’ny fivezivezena eo anelanelan’I Fianarantsoa sy Toliara, dia hirosoana maika ny fanatontosana ireto asa voatsiahy etsy ambony ireto.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampiasana ny sora-bola entina hanatanterahana ireo asa fanamboaran-dalana eo amin’ny lalam-pirenena RNT 3A eo anelanelan’ny PK 79+300 sy PK 81+600 ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Tanambe ao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro.

Ny Kaominina Ambanivohitra Tanambe dia malaza amin’ny famokaram-bary eto Madagasikara, ahiana anefa ny hampitoka-monina azy noho ny fahasimban’ny lalana. Mba hisorohana an’izany indrindra no hanaovana an’ity asa fanamboaran-dalana ity.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampiasana ny sora-bola entina hanatanterahana ireo asa fikojakojana ireo Baka (bacs) miisa roa (02) ao amin’ny Faritra Vatovavy.

Ny bakan’Antanihady ao amin’ny lalam-pirenena RNS11, PK 92+200 sy ny bakan’I Nosy Varika ao amin’ny RNT11, PK 101+500 no hasiam-panamboarana. Voasokajy ho asa maika ihany koa ireto asa ireto mba hisorohana ny fitokana-monin’i Distrikan’i Nosy Varika sy Mananjary.

MINISTERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA+MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny fandoavana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana ireo fitaovana ho an’ny

« laboratoire » izay fanomezana avy amin’ny “Agence Internationale de l’Energie Atomique” na AIEA ho an’ny « Laboratoire National de Diagnostic Vétérinaire » na LNDV eo anivon’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.

MINISTERAN’NY FAMPIROBOROBOANA SY FANOVÀNA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fikarakarana ny fifaninanana ara- panjakana na « concours administratif » handraisana “Inspecteurs Principaux des Postes” miisa roapolo (20), « Réalisateurs Adjoints » miisa roapolo (20) ary « Agents d’Exploitation » miisa 60.

Ny  sokajy  « Inspecteurs  Principaux  des  Postes »  dia  mitaky  ny  fananana  diplaoma

« Maîtrise » na koa fahavitàna fianarana nandritry ny efatra (04) taona taorian’ny bakalorea, ka ny dimy ambifolo (15) amin’izy ireo no horaisina amin’ny alàlan’ny fifaninanana mivantana ary ny dimy (05) kosa dia horaisina amin’ny alàlan’ny fifaninanana  ho  an’ny  efa  mpandraharaha  (concours  professionnel).  Ho  an’ny  sokajy

« Réalisateurs Adjoints » kosa, dia mitaky ny fahavitàna fianarana nandritry ny roa (02) taona taorian’ny bakalorea, ka ny dimy ambifolo dia horaisina amin’ny alalan’ny fifaninanana mivantana ihany koa ary ny dimy ambiny dia horaisina amin’ny fifaninanana ho  an’ny  efa  mpandraharaha  (concours  professionnel).  Ary  farany,  ho  an’ny  sokajy

« Agents d’exploitation » kosa dia ny dimy amby efapolo (45) no horaisina amin’ny fifaninanana mivantana ary ny dimy ambifolo (15) kosa dia horaisina amin’ny fifaninanana ho an’ny efa mpandraharaha  (concours professionnel ). Ny Paositra Malagasy no hiantoka ny fikarakaràna ny fifaninanana.

SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM- PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny tolo-bidy naroso tao anatin’ny Tsenambaro-panjakana ho fanajariana ny tanàna vaovao na « nouveaux pôles urbains » izay voasoratra ao anatin’ny tetibolan’ny Ministera.

Ireto avy ny asa voakasik’izany:

  • Asa fanamboarana ny tohatra mirefy 355 metatra ao Ambatomena Fianarantsoa, izay miainga avy ao amin’ny Tranom-boky Md Paoly mankeny amin’ny Point de vue ;
  • Asa fanajariana ny toerana antsoina hoe “Place Centrale” teo amin’ny nisy ny hotely Libanona taloha, ao Faradofay;
  • Asa fanajariana ny tanàna vaovao ao Ankadivoribe.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny tolo-bidy naroso tao anatin’ny Tsenambaro-panjakana ho fanorenana tranobe miisa valo (08) ao amin’ny Tanàna vaovao TANA- MASOANDRO sy ao Ivato.

Misokajy roa ireo tranobe (immeubles) izay haorina ka ny voalohany dia tranobe miisa efatra (04) izay ahitana trano fonenana na “appartements” miisa dimy ambifolo (15) ao anatiny. Ny orinasa POLYPUS CORPORATION S.A no hanao azy ao amin’ny TANA- MASOANDRO. Ny sokajy faharoa kosa dia tranobe miisa efatra (04) ahitàna trano fonenana miisa 20 eny Ivato ary ny orinasa BATIPRO no hanorina azy.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny tolo-bidy tao anatin’ny Tsenambaro- panjakana ho fanajariana ireo tany natao hanaovana ireo fanorenana trano tafiditra ao anatin’ny tetikasa « One Title One Housing » (OTOH) ao Faradofay.

Ao anatin’ny tetikasan’ny Ministera ihany koa, ankoatry ny fanaovana tanàna vaovao ny fanamoràna ny fananan’ny mponina trano fonenana, ka isan’izany ny fivarotana aminy tany efa voajary mba ahafahany manorina. Izany tetikasa izany dia  hatao ao Faradofay

ka ny velaran-tany izay hohajariana dia hahitana lalana, zaridaina na « espace vert » ary hampidirana rano avy hatrany. Ny sora-bola handoavana ny dimampolo isan-jaton’ny asa no hampiasaina amin’ity taona 2023 ity.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny tolo-bidy tao anatin’ny Tsenambaro- panjakana ho fanajariana ny velaran-tany hanorenana ireo trano fonenana miisa valopolo (80) ao Nosy-Be.

Ny sora-bola handoavana ny dimampolo isan-jaton’ny asa no hampiasaina amin’ity taona 2023 ity.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny tolo-bidy tao anatin’ny Tsenambaro- panjakana ho fanorenana tranobe antsoina hoe “Maisons Communautaires » miisa enina (06) ao Manakara, Vohipeno, Vangaindrano sy Nosy Varika sy trano antsoina hoe “Cases Traditionnelles Résistantes aux Aléas Climatiques” (CTRAC) miisa 1200  ao Farafangana, Manakara, Vangaindrano, Mananjary, Anosimparihy, Tsiatosika, Tsaravary ary Kianjavato.

                      II-     FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA     

MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Noraisina ny Didim-panjakana anaovana famindrana vola anatiny (virement des crédits) mitentina 270 315 000 Ariary ao anatin’ny Tetibolan’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola amin’ity taona 2023 ity.

MINISTERAN’NY     TOEKARENA      SY     NY    FITANTANAM-BOLA     +  MINISTERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

Noraisina ny Didim-panjakana ankatoavana ny tovana laharana voalohany ao amin’ny fifanarahana fampindramam-bola natao tamin’ny 14 aogositra 2023 lf L340 izay nosoniavina tamin’ny 06 novambra 2023 teo anivon’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola sy ny Orinasa Jiro sy Rano Malagasy.

MINISTERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO + MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Noraisina ny Didim-panjakana manambara fa ilain’ny Daholobe ny asa fanitarana sy fanamafisana ny tambajotra antanan-dehibe sy ambanivohitra, « Moyenne Tension » sy « Basse Tension » fizarana herinaratra manerana ny Nosy ao anatin’ny tetikasa LEAD « Least Cost Electricity Access » izay ataon’ny orinasa JIRAMA.

Natao ny 22 novambra 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta,

Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananantany

RAMAHOLIMASY Pierre Holder

Ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina mpisolo toerana

RAHANTANIRINA Gabriella

TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA- TALATA 14 NOVAMBRA 2023-LAPAM-PANJAKANA MAHAZOARIVO

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo androany Talata 14 Novambra 2023 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, ary natrehin’ireo Minisitra isan-tokony sy ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny Talen’ny Kabinetra ary ny Tale misahana ny raharaha araka ny lalàna eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika.

I-      FAMPITANA AM-BAVA

MINISTERAN’NY  RAHARAHAM-BAHINY

Nankatoavin’ny  Filan-kevitry  ny  Minisitra  ny  handraisan’i  Madagasikara  anjara amin’ny  Fivoriambe  faha-  173  an’ny  Birao  Iraisam-pirenena  ho  an’ny  Fampirantiana na ny antsoina  hoe  «  Bureau  International  des  Expositions  (BIE)  »  izay  hatao  ny  faha 28 novambra 2023 izao ao Parisy any Lafrantsa.

Mandritra io fivoriambe io indrindra no hanatanterahana ny fifidianana izay Firenena hampiantrano ny Fampirantiana maneran-tany na ny “Exposition Universelle » amin’ny taona 2030. Amin’io fotoana io ihany koa no hifidianana ireo izay ho mpikambana ao anatin’ireo Komity samihafa hiandraikitra ny fikarakarana an’izany hetsika izany.

MINISTERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanomezana sorabola fanampiny ny Ministeran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana mba hahafahany mandoa ny tambin-karaman’ireo mpiantsehatra mandritry ny fanatontosàna ny fifidianana ho Filoham-pirenena amin’ny 16 novambra 2023 izao.

Io sorabola io dia natao handoavana ny tambin-karaman’ireo Préfet/Préfet de Police, Lehiben’ny Distrika, Lehiben’ny Boriborin-tany na Délégem-panjakana, Sefo Fokontany ary ireo Mpitan-tsoratra ara-teknika. Araka ny Didim-panjakana laharana faha 2023-865 tamin’ny faha 11 jolay 2023 nasiam-panitsiana tamin’ny Didim-panjakana laharana faha 2023- 1397 tamin’ny 13 oktobra 2023, mamaritra ny fombafomba fandaminana ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika, dia anjaran’ny Ministeran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana ny mandoa ny tambin-karaman’ireo sokajin’olona voatanisa etsy ambony ireo. Mahakasika ireo mpiantsehatra hafa kosa dia efa voasoratra ao anatin’ny tetibolan’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana ny tambin- karaman’izy ireo.

MINISTERAN’NY ASA VAVENTY

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra  ny  firosoana  amin’ny  fanatanterahana ireo asa fanamboaran-dalana eny amin’ny lalam-pirenena RNT18, Faritra Atsimo Atsinanana eo anelanelan’ny PK 60+100 sy ny PK 62+500 ary eny amin’ny lalam- pirenena PK 60+840 (Fiakarana Tsilesy).

Ireto asa fanamboaran-dalana ireto moa dia voasokajy ho asa maika ary vinavinaina ho telo (03) volana ny faharetan’ny asa.

                      II-     FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA    

MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Noraisina ny Didim-panjakana amindrana ny sorabola mitentina 800 000 000 Ariary avy ao amin’ny tetibolan’ny  Ministeran’ny  Toekarena  sy  ny  Fitantanam-bola amin’ity taona 2023 ity ho any amin’ny Ministeran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany mba ahafahana manampy ara-bola ny Rafitra entina hisorohana ny tondra-drano eny amin’ny  Lemak’Antananarivo  na  Autorité  pour  la  Protection contre  les  inondations  de  la  Plaine  d’Antananarivo  (APIPA).

Natao ny 14 novambra 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta,

Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany

RAMAHOLIMASY Pierre Holder

Ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina mpisolo toerana,

RAHANTANIRINA Gabriella

TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA- ALAROBIA 8 NOVAMBRA 2023-LAPAM-PANJAKANA MAHAZOARIVO

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo androany Alarobia 08 Novambra 2023 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, ary natrehin’ireo minisitra isan-tokony sy ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny Talen’ny Kabinetra, ny Sekretera Jeneraly Lefitra ary ny Tale misahana ny raharaha araka ny lalàna eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika.

I-      FAMPITANA AM-BAVA

MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISTERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY SY NY LOHARANON-KARENA STRATEJIKA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampiharana ny fandoavana ny haba sy hetra manokana antsoina hoe “droits et taxes spéciaux sur les produits miniers” amin’ny fanondranana mankany ivelany ireo harena an-kibon’ny tany.

Ny fehezan-dalàna momba ny harena an-kibon’ny tany (code minier) vaovao dia milaza ao amin’ny andininy faha 283 fa dimy isan-jaton’ny (5%) tombam-bidin’ny vokatra izay aondrana ny tahan’izany haba sy hetra manokana izany ka ny 2% dia arotsaka ho an’ireo Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, ary ny 3% kosa dia ho an’ny Fanjakana foibe sy ireo sampandraharaha ao aminy, anisan’izany ny ao amin’ny Fadintseranana. Hisy moa ny Didim-panjakana izay horaisina hamaritana ny fitsinjarana ireo 3% ireo.

MINISTERAN’NY    ATITANY    SY   NY   FITSINJARAM-PAHEFANA      +   MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana ireo fitaovana samihafa natolotry ny fikambanana “APIC de la Réunion” ho an’ny Kaominina Ambanivohitra Sambaina.

Ireo Fitaovana ireo izay ahitana seza, latabatra, akanjo, kiraro ary fitaovana ara- informatika isan-karazany dia natokana mba hampiasain’ireo Sekoly miankina amin’ny Fanjakana ao anatin’ny Kaominina Ambanivohitra Sambaina, mba ahafahana mampiroborobo ny fampianarana ao anatin’izany Kaominina izany.

MINISTERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA + MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana ireo ronono antsoina hoe “Thérapeutic Milk F100 sy F75” avy amin’ny Famatsiambolan’ny Firenena Mikambana misahana ny Ankizy na ny UNICEF ho an’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.  Ny Foibe Fanarenana sy Fanabeazana Ara-tsakafo na ny « Centre de Réhabilitation et d’Education Nutritionnelle Intensive (CRENI) » no hitantana io fanomezana io izay natao indrindra hanohanana ara-tsakafo ireo zaza marefo sy mila izany.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana ireo fitaovana antsoina hoe “Anatomic Model” natolotry ny Famatsiambolan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Mponina na ny “UNFPA” ho an’ny Ministeran’ny Fahasalamam- bahoaka. Ireto fitaovana vao nafarana ireto moa dia natokana ho an’ny Foibe fiofanana antsoina hoe “Institut de Formation Inter-régional des Paramédicaux (IFIRP)” mba hahafahan’ireo Mpiofana hanao fizaran-tena amin’ny asa maha Mpampivelona na Infirmiera azy.

MINISTERAN’NY ASA VAVENTY

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hampiasan’ny Ministera ny sorabola ilaina amin’ny asa fikojakojana ireo lalana, ao an-tampon-tanànan’Ambositra, izay vatsian’ny Fonds routier vola.

Izany asa fikojakojana lalana izany dia mahakasika indrindra ireto ampahan-dalana manaraka ireto:

  • RNP7: PK 258+000 ka hatramin’ny PK 262+000 ;
  • Lalana    mampitohy    an’ireto   toerana    ireto   :    Manarintsoa    sy Ampiadiamby, Manarintsoa sy AFOMA, Manarintsoa sy Ambohibary ;
  • Lalana “Carrefour” RNP7 260+200 mankeny amin’ny CSB II Volafotsy ;
  • Lalana “Carrefour” RNP7 PK 260+200 mankeny Ambalamahasoa
  • Tafiditra anatin’ireo asa sokajiana ho maika ireto asa fanamboaran-dalana ireto indrindra fa entina hiatrehana ny fotoan’ny rotsak’orana, ary tombanana ho efa- bolana ny faharetan’ny asa rehetra.
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hampiasan’ny Ministera ny sorabola hanaovana ny asa fikojakojana ireo baka (bac) miisa efatra (4) ao amin’ny Faritra Atsinanana izay vatsian’ny Fonds routier vola, ka mitsinjara toy izao :
  • Baka (Bac) ao Manonilaza Masomeloka (PK 137+800) ;
  • Baka (Bac) ao Andranotsara (PK 115+100) ;
  • Baka (Bac) ao Salehy, (PK 173+200) ;
  • Baka (Bac) ao Managisy (PK 12+000).

Tanjona amin’ny fanamboarana an’ireto baka (bac) ireto moa ny hisorohana ny fitokana- monin’ny tanànan’I Mananjary, Mahanoro ary Marolambo, ary koa hanamorana ny fivevivezen’ny Mponina sy ny vokatra amin’ireo toerana ireo, indrindra amin’ny vanim- potoanan’ny orana.

MINISTERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanolorana ny drafitra ara-barotra (Plan d’affaires) an’ny Orinasam-pitaterana Madagascar Airlines.

Eo anatrehan’ny tsy fananan’ny orinasam-pitaterana Madagascar Airlines Fiaramanidina, dia voatery manofa izy mba ahafahany manatanteraka ireo sidina isan-karazany entina hamaliana ny filàn’ireo Mpanjifa. Ho an’ny sidina anatiny dia Fiaramanidina miisa telo no miasa ankehitriny, ary hita fa tsy ampy izany raha ampitahaina amin’ny tinady eto an- toerana. Mahakasika ny sidina mankany ivelany (Eropa) kosa dia manofa Fiaramanidina ny orinasa ka ofaina miaraka aminy ihany koa ny ekipa miasa ao anatiny (équipage), ny

saram-piantohana ary ny fikojakojana rehetra. Ity endrika fanofàna ity, izay antsoina hoe “ACMI” dia lafo dia lafo tokoa, manampy trotraka izany ny vidin’ny solika, hany ka niteraka fatiantoka lehibe ho an’ny orinasam-pitaterana.

Noho izany dia voatery nandray fanapahan-kevitra ny hanajanona an’io fifanarahana “ACMI” io ny orinasam-pitaterana Madagascar Airlines. Vokatr’izay dia mihantona aloha ny sidina iraisam-pirenena mandra-piverina amin’ny laoniny ny lafiny ara-toekaren’ny orinasam-pitaterana. Eo anatrehan’izany dia efa misy ireo fepetra manokana noraisina mba handraisana an-tanana manokana an’ireo Mpanjifa izay efa nanao famandrihan- toerana na koa efa nividy ireo tapakila.

Raha fehezina, dia handeha amin’ny andiany ny fanatanterahana an’ity Drafitra na “Plan d’affaires” ity ka ny dingana voalohany dia ny fanapahan-kevitra fa hifantoka bebe kokoa amin’ny fampiroboroboana ny sidina anatiny aloha ny orinasa, ka vinavinaina hitombo ny isan’ny Fiaramanidina hampiasaina amin’ny volana aprily 2024, ahitàna ny ATR 72 sy ny “Embraer E1”. Ny fanatsaràna ny tolotra anatiny dia heverina hanamora ny hirosoan’ny Orinasam-pitaterana amin’ny dingana manaraka dia ny fiverenana amin’ny fanatanterahana ny sidina iraisam-pirenena.

Marihana fa misy ireo mpiara-miombon’antoka sy Mpamatsy vola iraisam-pirenena efa vonona hanampy amin’ny fanatanterahana ity drafitra ara-barotry ny Orinasam- pitaterana Madagascar Airlines ity.

MINISTERAN’NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanavaozana ny fifanarahana  mikasika ny fanjonoana lamatra (thons) ataon’ny Orinasa ANABAC ao amin’ny  fari- dranomasin’I Madagasikara.

Mikasa hampiasa sambo mpanjono miisa 07 lehibe ity orinasa ity sy sambo lehibe fanampiny 01 ary lamatra ny karazana trondro izay jonoiny any amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara. Marihina moa fa mampiasa tantsambo Malagasy miisa 23 ity orinasa ity ary ny fifanarahana izay ifanaovany amin’ny ministera dia ao anatin’ny fanajana tanteraka ny didim-pitondrana laharana faha 31793/2023 tamin’ny 29 desambra 2023 izay mamaritra ny vola aloa amin’ny jono an-dranomasina atao amin’ny fari-dranomasina eo ambany fiadidian’I Madagasikara.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanavaozana ny fifanarahana  mikasika ny fanjonoana ataon’ny Orinasa DAE YOUNG FISHERIES ao amin’ny fari- dranomasin’I Madagasikara.

Ny orinasa dia mikasa hampiasa sambo mpanjono miisa 20 ary ny fifanarahana dia manaraka ny fifanarahana lasitra izay mampiditra ny fanamafisana ny fanaraha-maso, ny fizohiana sy ny fampiasana ny marika vaovao araka ny didim-pitondrana laharana faha 31793/2023 tamin’ny 29 desambra 2023 izay mamaritra ny vola aloa amin’ny jono an- dranomasina atao amin’ny fari-dranomasina eo ambany fiadidian’I Madagasikara.

MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA ARY NY FIDIOVANA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoan’ny Ministera amin’ny asa fanamboarana, sy fametrahana ny rafitra famatsian-drano (AEP) ao Ampefiloha Ambodirano, Kaominina Antananarivo Renivohitra.

Tanjona amin’izany ny hamatsy rano fisotro madio ireo toerana izay efa nisitraka ny asa fandavahana lava-drano niarahana tamin’ny Fikambanana “Association FITIA”,  ihany koa, noho ny tsy fisian’ny rano fisotro madio ao Ampefiloha Ambodirano sy ny manodidina. Vinavinaina ho miisa 8 964 ny isan’ny mponina hisitraka rano fisotro madio amin’ity tetikasa ity.

SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM- PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny tolo-bidy nomen’ny orinasa naharaiki- barotra (entreprises adjudicataires) ho an’ny asa fandavahana lava-drano ho an’ireo Trano lehibe miisa sivy (09) eny Ivato.

Izany dia natao hanangonana sy hampiakarana rano mba hiantohana ny famatsian-drano eny an-toerana. Afaka hisitraka an’izany rano izany ihany koa ny biraon’ny Polisim- pirenena eny an-toerana, izay vao notokanana tamin’ny volana Septambra teo.

SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM- PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA + MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezan-dalana hiroso amin’ny fandaniana sy ny fandraisan’ny  Fanjakana  an-tanana  amin’ny  alalan’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ny fandoavana ny onitra ho an’ireo olona izay voakasiky ny asa fanamboarana ny fitanterana  an-tariby  ao  anatin’ny zotra Volomboasary mampitohy an’Anosy sy Ambatobe.

II-     FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA

MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Noraisina ny Didim-panjakana anendrena ny Mpikambana vaovao sasantsasany ao amin’ ny Vaomieran’ny Fanaraha-maso akaiky ny Banky sy ny Fitantanam-bola na ny Commission de Supervision Bancaire et Financière (CSBF)

MINISTERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

Noraisina ny Didim-panjakana anendrena ny Filoha sy ny Filoha lefitry ny Filan-kevi- pitantanan’ny Ofisy Malagasy momba ny Akoranafo na “Office Malagasy des Hydrocarbures” (OMH).

MINISTERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-295 tamin’ny 22 martsa 2023 ary anendrena ny Général de Brigade Dera Zafindravolamananarivelo Didier, ho Commandant de Zone de Défense et de Sécurité d’Ikopa (Centre) Antananarivo auprès de l’Etat-Major des Armées

MINISTERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1576 tamin’ny 25 novambra 2020 ary anendrena an’Andriamatoa RAKOTONDRAJAONA Holy Nirina Jean Luc, ho Tale Jeneralin’ny Institut Supérieur de Technologie ao Antananarivo.

Natao ny 08 novambra 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta,

Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany

RAMAHOLIMASY Pierre Holder

Ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina mpisolo toerana,

RAHANTANIRINA Gabriella

TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA- TALATA 24 OKTOBRA 2023-LAPAM-PANJAKANA MAHAZOARIVO

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo androany talata 24 oktobra 2023 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta Ifarimbonana, ary natrehin’ireo minisitra isan-tokony sy ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny Sekretera Jeneraly Lefitra, ny Talen’ny Kabinetra, ary ny Tale misahana ny raharaha araka ny lalàna eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika.

I-FAMPITANA AM-BAVA

MINISTERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana mikasika ny fiaraha-miasa eo amin’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena sy ny Foibem-pitondrana Ankapobe misahana ny Fadintseranana mahakasika ny tetikasa fametrahana ny Akademian’ny Fadintseranana (Académie des Douanes) sy ny fananganana ny trano ho an’ny Sekolin’ny Etamazaoro (Ecole de l’Etat-Major).

Tanjona iraisan’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena sy ny Foibem-pitondrana Ankapobe misahana ny Fadintseranana ny hanatsara hatrany ny kalitaon’ny fampiofanana ireo mpiasa iandraiketan’izy ireo. Izany indrindra no nahatonga azy ireo hanao ity fifanarahana ity, izay miendrika toy izao ny fiaraha-miasa izay raiketiny :

  • Ny famerenana indray amin’ny Fanjakana na “desaffectation” ny tany atao hoe “Cercle Mess Mixte de la Garnison de la région Militaire n°3 » titra lf 14161-BA, ao Toamasina izay nampiasain’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena, ka omena ho sitrahan’ny Foibem-pitondrana Ankapoben’ny Fadintseranana hanorenana ny Akademian’ny Fadintseranana (Académie des Douanes);
  • Ny fandraisan’ny Foibem-pitondrana Ankapoben’ny Fadintseranana an-tanana ny asa fananganana ny fotodrafitrasa izay mifanaraka tsara amin’ireo fepetra manokana takian’ny fampiofanana ny miaramila ka hatao ho Sekolin’ny Etamazaoro (Ecole de l’Etat-Major).
MINISTERAN’NY  RAHARAHAM-BAHINY

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny Filan-kevitra Maharitry ny Firenena miteny frantsay andiany faha  124 (124ème Conseil Permanent de la  Francophonie)  sy  ny  Fikaonandohan’ny  Minisitry ny Firenena miteny frantsay (44ème Conférence Ministérielle de la Francophonie) izay hatao any Yaoundé – Cameroun ny faha 03 hatramin’ny faha 05 novambra 2023.

Ny lohahevitra ho an’ity taona ity dia ny “Fanjakana tsara tantana : antoky ny fahamarinan-toerana ara-politika, ara-toekarena sy ara-kolotsaina ho an’ny olom- pirenena miteny frantsay”. Ny Ministry ny Raharaham-bahiny no hitarika ny délégasiona Malagasy amin’io fivoriana io.

MINISTERAN’NY FITSARANA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny firosoan’ny Ministera amin’ny fanatanterahana ny asa fanarenana ny Fonjan’Ambatoboeny sy ireo Fonjaben’Ambatondrazaka, Ankazobe ary Maintirano.

Izany asa fanarenana izany moa dia hatao indrindra mba hitandroana hatrany ny fanajàna ireo fenitra mifehy ny famonjàna sy hanajàna ny zon’ireo voafonja. Ao anatin’izany àry, ny fanarenana ny fonjan’Ambatoboeny dia ahafahana mandray ny

ampahany amin’ireo voafonja ao Mahajanga, izay asaina hiasa hampihodina ny tobim- pamokarana ao an-toerana. Ho an’Ambatondrazaka kosa, ny asa izay hatao dia hahafahana manome efitra mitokana avy ho an’ireo vehivavy voafonja sy ireo zaza tsy ampy taona. Fanatsarana ny efitra famonjàna an’ireo zaza tsy ampy taona kosa no hatao ao Ankazobe. Ho an’i Maintirano manokana, satria asa maromaro no hatao, ary satria ihany koa efa akaiky ny fahataperan’ny fe-potoam-pampiasam-bola, dia tapaka fa ny antsasaky ny tetibola no ampiasaina amin’ity taona 2023 ity.

MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana ireo fitaovana avy any  “Chine”  izay ilaina ampiasaina  amin’ny  fanatanterahana  ny  tetikasan’ny  Filoham-pirenena MIAMI ao Toamasina.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanomezana sorabola fanampiny ho an’ny fandaniana ho amin’ny fampandehanan-draharaha (dépenses  de fonctionnement) ho an’ny Sampandraharaha Malagasy Iadiana  amin’ny Famotsiambola na ny SAMIFIN.

Izany sorabola izany moa dia entina hamatsiana ireto asa ireto :

  • Asa fanamboarana fotodrafitrasa,
  • Fandraisana anjara  amin’ny  fivoriana  iraisam-pirenena  ao  anatin’ny Vondrona

« Egmont »;

  • Fandoavana ireo latsak’emboka iraisam-pirenena;
  • Fanjifana ny aterineto;

–     Fanatanterahana ny « Plan de mise en conformité » ;

  • Fanaparitahana ny Tomban’ezaka nasionaly antsoina hoe « Evaluation Nationale des Risques »
  • Fanatanterahana  ireo  asa  takian’ny  iraka  manokana  tonga  teto  Madagasikara antsoina hoe « High Level Mission » na HLM.
MINISTERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoan’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena Misahana ny Fifidianana na “CENI” amin’ny fividianana  fiaram- panjakana miisa efatra (04) mba ahafahany manatontosa ny  andraikiny  sy mahatratra ny tanjona napetraka aminy ao anatin’ny drafitrasa ao anatin’ny taona maro (Plan de travail pluriannuel).

Fiara tsy mataho-dalana miisa roa (02) sy fiara “minibus” miisa roa (02) no hovidiana, araka ity fahazoan-dalana ity.

MINISTERAN’NY FIZAHANTANY

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hetsika manokana hanaovana fitsangatsanganana anaty balaonina mafana na “montgolfières” maromaro izay hotontosaina ny faha- 05 ka hatramin’ny faha- 26 novambra 2023 ho avy izao.

Tanjona amin’ity hetsika ity ny fanolorana tolotra samihafa entina hampiroboroboana ny fizahantany eto Madagasikara. Mpizaha tany maro avy amin’ny firenena samihafa no ho tonga ka hanamory “montgolfières” miisa fito (07) ary handalo tanàna maromaro izy ireo : Ampefy, Antsirabe, Ambalavao, Fenoarivo Andonaka, Isalo ary ny lalan’ny Baobab Morondava (allée des Baobabs Morondava). Ny Ministeran’ny Fizahantany no hanokatra ny hetsika amin’ny fomba ofisialy ny faha -05 novambra 2023 hariva, eo amin’ny Araben’ny Fahaleovantena eo alohan’ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo.

MINISTERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO + MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Ao anatin’ny tetikasa fanitarana ny seranantsambon’i Toamasina, dia misy ampahany amin’ireo fitaovana izay nafarana no tsy tonga dia nandoavana hetra sy haban-tseranana

manontolo fa nosokajiana tao anatin’ny antsoina hoe “admission temporaire spéciale” (ATS). Voafetra ao anatin’ny efatra (04) taona ihany anefa ny fahafahana manao izany ka raha tapitra io fe-potoana io dia tokony averina ny fitaovana. Ankehitriny anefa, dia mbola ilaina amin’ny fanatanterahana ny tetikasa ireo fitaovana ireo, izay efa nohafarana tamin’ny taona 2018 ny ankamaroany.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra araka izany ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny hetra sy haban-tseranana izay tokony mbola haloa ho an’ireo fitaovana ireo mba ahafahana mampiasa azy ireo eto an-toerana ao anatin’ny fotoana tsy voafetra ary indrindra mba ahafahana manatanteraka soa aman-tsara ny tetikasa fanitarana ny seranantsambon’i Toamasina.

MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanaovan-tsonia ny tovana laharana voalohany amin’ny Fifanarahana natao tamin’ny 06 aogositra 2023 mikasika ny fepetra fandraisana an-tanana fanampiny ataon’ny Fanjakana ny fandaniana amin’ny fividianana solika “HFO” ho an’ny orinasa JIRAMA mba hiantohana ny famatsiana 17,000m3 isam-bolana.

Antony roa no nahatonga ny fanaovana ny tovana amin’io fifanarahana io:

  • Ny fiakaran’ny vidin’ny famatsiana ny solika antsoina hoe “HFO” avy amin’ny fitomboan’ny “platts” etsy andaniny ;
  • Etsy ankilany kosa, ny fitomboan’ny filàna HFO eo anivon’ny orinasa JIRAMA amin’izao vanim-potoana maintany izao (oktobra ka hatramin’ny desambra) : raha 15.000m3 izany amin’izao, dia lasa miampy 2.000m3 ankehitriny;

Ity fifanarahana ity moa dia nosoniavin’ny Fanjakana Malagasy (Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Ministeran’ny Angovo sy ny Akoran’afo), ny orinasa JIRAMA ary ny orinasa JOVENA.

MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA ARY NY FIDIOVANA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana manokana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana ireo fiarakodia sy fitaovana avy amin’ny JICA  ho  an’ny  tetikasa  fanatsarana  ny  fikirakirana  ny  fako eto Antananarivo (Projet de Gestion des Déchets Solides pour une ville propre à Antananarivo na GESDA).

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana manokana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana ny fitaovana mandeha amin’ny herin’ny masoandro ho an’ny fotodrafitrasa fampidirina rano fisotro  madio na “AEP” any amin’ny Kaominina ambanivohitr’Antanimora, Andalatanosy ary Isoanala ao amin’ny Faritra Androy sy Anosy.

Ny fanafarana  ireto  fitaovana  ireto  dia  tafiditra  ao  anaty  tetikasa  RANOSOL  izay  mikendry ny hanatsarana  ao  anaty  fotoana  maharitra  ny  famatsiana  rano  fisotro  madio  ary  ny hiadiana amin’ny maintany any  amin’ny  Faritra  atsimon’i  Madagasikara.  Ny  “Fondation Enérgie pour le Monde » (FONDEM) sy ny « Alimentation en Eau dans le Sud » (AES) no miara-miasa ao anatin’ity tetikasa ity.

SEKRETARIAM-PANJAKANA     MIADIDY    NY    TANANA   VAOVAO   SY    NY    TOERAM- PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra  ny  anomezana  alalana  ny  ministera hanefa ireo fandaniana momba ny saran’ny fanadihadiana ara-tontolo iainana (Etude d’Impact Environnementale (EIE) sy ny fisahanana ara-tontolo  iainana  (Plan  de Gestion Environnementale (PGEP) mikasika ny tetikasa fanatsarana ny TANA- MASOANDRO Andiany voalohany.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny tolo-bidy nomen’ny orinasa naharaiki- barotra  hisahana  ireo  asa  fanajariana,  andiany   faharoa,   momba   ny sisin- dranomasina « Beach Games » ao Toamasina  (MIAMI  SUD) sy  ny  sisin-dranomasina ao Seranandaka ao Toliara.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny tolo-bidy nomen’ny orinasa naharaiki- barotra (entreprises adjudicataires) izay hisahana ny asa fanamboarana  ny  trano antsoina hoe « maisons communautaires » ao Farafangana, Fenoarivo Atsinanana, Vatomandry, Mahanoro ary Mananjary.

Ireto fanorenana ireto moa dia tafiditra indrindra ao anatin’ny tetikasa fampandrosoana sy fanatsarana ny trano fonenanaMiisa roa amby folo (12) ireo trano izay haorina ireo, ary marobe ny azo ampiasaina azy : azo ampiasaina ho biraom-pokontany ho an’ireo toerana izay mbola tsy manana, azo atao toeram-pivoriana, na fanaovana hetsika maro samihafa ary indrindra indrindra, azo andraisana ireo tra-boina raha sanatria misy ny loza voajanahary toy ny rivo-doza.

SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM- PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA + MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana fitaovana ilaina amin’ny fanamboarana ny fitanterana an-tariby ho an’ny ampahan-dalana Soarano-Ivandry, amin’ny zotra Volomboasary mampitohy an’Anosy sy Ambatobe.

Ny fitaovana izay hafarana amin’ity andiany vao tonga ity dia ireo izay hampiasaina amin’ny “appareil n°2-3” toy ny “pylonnes”, sy ireo kojakoja miaraka aminy, ao ihany koa ireo kojakoja ilaina amin’ny toeram-piantsonana na “gares”.

                      II-     FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA                         

MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Noraisina   ny   didim-panjakana    amindrana    ny    sorabola    fanampiny    mitentina 3 947 190 000 Ariary avy ao amin’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola hoan’ny tetibola taona 2023 ka homena ho an’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana ao anatin’ny fikarakarana ny fifidianana filoham-pirenena.

           III-   FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY               

MINISTERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

Noraisina ny didim-panjakana izay anendrena an-dRamatoa ANDRIATSIMIHETRY RAMESY Farasoambolanoro Marie Jackia, ho Governoran’ny Faritra Analamanga mpisolo toerana.

Natao ny 24 oktobra 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta Ifarimbonana, Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany

RAMAHOLIMASY Pierre Holder

Ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina mpisolo toerana,

RAHANTANIRINA Gabriella

TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA- ALAROBIA 18 OKTOBRA 2023-LAPAM-PANJAKANA MAHAZOARIVO

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo androany alarobia 18 oktobra 2023 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta Ifarimbonana, ary natrehin’ireo minisitra isan- tokony sy ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny Talen’ny Kabinetra, ary ny Tale misahana ny raharaha araka ny lalàna eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika.

I-      FAMPITANA AM-BAVA

MINISTERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fisokafan’ny fifaninanana nasionaly na ny « Concours National d’entrée à l’Internat Qualifiant  en  Médecine »  amin’ity taona 2023 ity.

Ny mombamomba rehetra mahakasika ny fifaninana dia ho hita ao anatin’ny didim- pitondrana mahakasika izany. Mpianatra mpitsabo miisa enimpolo (60) no kendrena horaisina amin’ity fifaninana ity ka ny dimampolo (50) amin’izay no sivily ary ny folo (10) kosa dia miaramila.

MINISTERAN’NY  FAHASALAMAM-BAHOAKA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanomezana sorabola fanampiny ho an’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, entina handoavana ny  ampaham-bola sisa izay tsy mbola voaloa tamin’ny asa fanorenana ny Tobim-pahasalamana fototra na “CSB” Manarapenitra ao Tanambao I sy Lazaret, Faritra Atsinanana.

MINISTERAN’NY ASA VAVENTY

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoan’ny Ministera amin’ny fampiasana ny sorabola natokana hanaovana ny asa fanamboarana ny lalana RR- ALG-1 (EX-RIP 1) mampitohy an’Anosizato  Carrefour  RNS1-Ampefy-Ambohijoky  sy ny lalam-pirenena RNP7 ao amin’ny Distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Tanjona amin’ity fanamboaran-dalana ity ny fanamoràna ny fivezivezen’ny olona sy ny vokatra avy any ambanivohitra fa indrindra koa hiatrehana ny fahasimbana ateraky ny rotsak’orana. Mirefy roa amby roapolo kilometatra eo ho eo ny lalana hamboarina ary ny “Fonds routier” no hamatsy ny fanamboarana azy.

MINISTERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny  hanaovan’ny  Ministera  famindrana sorabola ao  anaty  fandaharan’asa  na  «  amenagement  de  crédit  »  ahafahany  manao ireo asa fampidiran-drano ao Ankivanja, Kaominina Ambanivohitra Antsiranana II, Distrika Antsiranana II, Faritra Diana.

Velaran-tany mirefy 350Ha no voakasik’izany asa fampidiran-drano izany ary ny tanjona kendrena dia ny hampitombo betsaka ny tahan’ny famokaram-bary amin’ny taom- piotazana manaraka.

MINISTERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA + MINISTERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana ireo milina fanodinana ovy sy ireo fitaovana samihafa miaraka aminy.

Ireo fitaovana ireo izay vatsian’ny tetikasa MIONJO, dia nafaran’ny Ivon-toeram- pikarohana iraisam-pirenena momba ny ovy na « Centre de recherche internationale de la Pomme de terre » (CIP) ao anatin’ny fiaraha-miasany miaraka amin’ny ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.

MINISTERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA ARY NY FIDIOVANA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoan’ny ministera amin’ny fanatanterahana ireo asa maika entina amahana ny olan’ny famatsian-drano eto Antananarivo.

Tafiditra ao anatin’izany asa izany ny fividianana ny fantsona lehibe antsoina hoe “bonbonnes” miisa roapolo (20) hanampiana an’ireo izay efa ampiasaina ankehitriny. Ankoatra izay dia hisy ihany koa ny fanofàna fiara fitateran-drano na “camion citerne” ahafahana mitatitra  rano  eny  amin’ireny  fantsona  lehibe  fitehirizan-drano  ireny. Haharitra efapolo (40) andro moa ity asa entina amahana ny famatsian-drano eto Antananarivo ity, ary kendrena  indrindra  mba  hanampiana  ny  mponina  amin’ny fiatrehana ny vanimpotoan’ny main-tany. Entina anampiana ireo tetik’asa  lavitra  ezaka maro izay efa ataon’ny Ministera moa izao hetsika izao. Ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola no handray an-tanana ny fandaniana rehetra voafaritra amin’izany.

SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM- PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA + MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoan’ny Ministera amin’ny asa fanorenana ireo trano lehibe misy rihana efatra (immeuble R+4) ao Nosy Be, Antsiranana ary Fianarantsoa.

Tranobe iray, izay ahitàna efitra fonenana na « appartements » miisa dimy amby folo (15) no haorina ao Nosy Be, ary ao Tsararivotra no hanaovana azy. Ao Ambatomena kosa ny an’i Fianarantsoa, ary tranobe miisa roa ahitana “appartements” roapolo (20) no haorina ao. Ny ao Antsiranana kosa dia tranobe iray ahitana “appartements” miisa roapolo (20) no haorina eny amin’ny SCAMA.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana ireo fitaovana ilaina amin’ny fanamboarana ny fitaterana an-tariby izay ho an’ny ampahan-dalana Soarano – Ivandry, ao anatin’ny zotra Volomboasary mampitohy an’Anosy sy Ambatobe.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny  fandraisan’ny  Fanjakana  an-tanana  ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana ireo  fitaovana  ilaina  amin’ny fametahana ny « pylonnes » ho an’ny « appareil n°2 » ao anatin’ny fametrahana ny fitaterana an-tariby ho an’ny ampahan-dalana Anosy -Ivandry, ao anatin’ny zotra Volomboasary.

                     II-     FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA                         

MINISTERAN’NY     TOEKARENA     SY     NY    FITANTANAM-BOLA   +    MINISTERAN’NY FITSARANA + MINISTERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

Noraisina ny Didim-panjakana ankatoavana ny fanendrena an’ireo Mpikambana vaovao handrafitra ny Vaomiera Mpanara-maso ny Fiainana ara-politika na

« Commission de Contrôle du Financement de la vie politique. ».

Araka ny voalazan’ny lalàna féhizoro laharana  faha  2018-008  momba  ny  fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana tamin’ny 11 may 2018, ao amin’ny andininy 89, andalana voalohany dia miisa dimy (05) ny mpikambana mandrafitra ny Vaomiera Mpanara-maso ny Fiainana ara-politika. Telo (03) amin’izy ireo dia Mpitsara avy ao amin’ny Fitsarana ny Kaonty na «  Cour des Comptes » izay tendren’ny Filohan’izany rafi-pitsarana izany, ary ny roa (02) kosa dia « experts-comptables » izay tendren’ny Filohan’ny olafitry ny « experts- comptables ». Ireto avy àry ny anaran’ireo Mpikambana vaovao voatendry :

Ireo Mpitsara avy ao amin’ny Fitsarana ny Kaonty :

-Ramatoa RAHARIMALALA Lydia Clémence,

Andriamatoa RAKOTARIVELO Daudet,

-Ramatoa RAKOTOMALALA Mbolanoronambinina Nathalie.

Ireo “expert-comptables”:

-Andriamatoa RAKOTOMAHANINA Genlis;

Andriamatoa RANDRIAMANANANDRO Hervé

Tsiahivina moa fa efa tapitra ny fe-potoam-piasan’ireo Mpikambana teo aloha.

MINISTERAN’NY  FAHASALAMAM-BAHOAKA

Noraisina ny Didim-panjakana ametrahana ireo fepetra  anomezana  ny  sorabola natokana ho an’ireo Tobim-pahasalamana fototra izay antsoina hoe « Dotation CSB ».

MINISTERAN’NY      ASA      VAVENTY      +     MINISTERAN’NY      TOEKARENA      SY      NY FITANTANAM-BOLA

Noraisina ny Didim-panjakana ametrahana ny drafitra  famindran-toerana  tsy  an- tsitrapo na « Plans de Réinstallation Involontaire » an’ireo olona izay voakasiky ny fanatanterahana ny asa fanorenana fefiloha ao Kiembe.

           III-   FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY               

MINISTERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA
  • Noraisina ny Didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-365 tamin’ny 31 martsa 2021  ary  manendry  ny  Kolonely  RABEMIZANA Toky Fihandrihanana, « Major Général de l’Armée de l’Air auprès de l’Etat-Major de l’Armée de l’Air. »
  • Noraisina  ny  Didim-panjakana  manafoana  ny  didim-panjakana  laharana   faha 2023-454 tamin’ny 26 aprily 2023 ary manendry ny Général de Brigade RANDRIANANTENAINA Félicien Arthur, « Directeur du Centre des Opérations InterArmées de l’Etat-Major des Armées ».
  • Noraisina ny Didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-642 tamin’ny 24 jona 2020 ary manendry ny Général de Brigade PIKULAS DémosthèneDirecteur du Bureau de Programmation et Evaluation de l’Etat-Major des Armées.
  • Noraisina ny Didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-218 tamin’ny 24 febroary 2021 ary manendry ny Général de Brigade RABENIRINA Jérôme NorbertCommandant de Zone de Défense et de Sécurité de Matitanana (Atsimo Atsinanana) Manakara eo anivon’ny Etamazaoron’ny Tafika.
MINISTERAN’NY  RAHARAHAM-BAHINY

Noraisina ny Didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-904 tamin’ny 15 jona 2022 ary manendry an’Atoa FENO Jean Patrick, Talen’ny Serasera eo anivon’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny.

MINISTERAN’NY FITSARANA

Noraisina ny Didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-067 tamin’ny 20 janoary 2021 ary manendry an-dRatoa RAKOTONDRARIVO Antsa FaniryDirecteur de la Formation Continue, de l’E-learning et du Partenariat eo anivon’ny Sekolim-pirenena Mampiofana Mpitsara sy Mpiraki-draharaha.

MINISTERAN’NY TOEKARENA SY FITANTANAM-BOLA
  • Noraisina ny Didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-516 tamin’ny 13 aprily 2022 ary manendry  an’Atoa  RAMAROSON Walderanne James JoycienDirecteur des Systèmes d’Information et de la Communication eo anivon’ny « Institut National de la Statistique »
  • Noraisina ny Didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-924 tamin’ny 15 septambra 2021 ary manendry an’Atoa ROBINARY Andritiana Fanomezantsoa, « Directeur du Bureau d’Appui à la Coopération Extérieure ».
MINISTERAN’NY FITATERANA SY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

Noraisina ny Didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-215 tamin’ny 10 febroary 2022 ary manendry an’Atoa NOMENJANAHARY Rio Jean Ghislain, Talem-paritry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro ao amin’ny Faritra Diana.

MINISTERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

Noraisina ny Didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-966 tamin’ny 03 may 2019 ary manendry an’Atoa RAOELIMANANA Heritiana, “Directeur du Centre de Développement Rural et de Recherche Appliquée ou FIFAMANOR” (Fiompiana Fambolena Malagasy Norveziana).

Natao ny 18 oktobra 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta Ifarimbonana, Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany

RAMAHOLIMASY Pierre Holder

Ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina mpisolo toerana,

RAHANTANIRINA Gabriella

TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA- ALAROBIA 04 OKTOBRA 2023-LAPAM-PANJAKANA MAHAZOARIVO

Notanterahina teny amin’ny lapam-panjakana Mahazoarivo androany alarobia 04 oktobra 2023 ny filan-kevitry ny minisitra, notarihin’Andriamatoa Praiminisitra Ntsay Christian, lehiben’ny Governemanta Ifarimbonana, ary natrehin’ireo Minisitra isan-tokony sy ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny Sekretera Jeneraly lefitra, ny Talen’ny Kabinetra, ary ny Tale misahana ny raharaha araka ny lalàna eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika.

                         I-     FAMPITANA AM-BAVA                        

MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny  Filan-kevitry  ny  Minisitra  ny  fanitarana  ny  fandrafokana   ny fiantohana ataon’i Madagasikara ao anatin’ny « ARC REPLICA  »  fandaharanasan’ny African  Risk  Capacity  na  ARC.  Raha  tsiahivina,  noho  ny  fahitana  fa  miha-mitombo  ireo loza voajanahary tao anatin’ny taona vitsivitsy izay, tahaka  ny  rivo-doza,  hain-tany, tondra-drano sy ny sisa, vokatry ny  fiovaovan’ny  toetrandro  izay  mamparefo  an’i Madagasikara, dia nanapa-kevitra ny Fanjakana  malagasy  fa  hanitsy  ny  paikady  entina miatrika ireny loza voajanahary ireny, ka niditra ho mpikambana amin’ny rafitra

« Mutuelle Panafricaine de Gestion des Risques – African Risk Capacity (ARC). Nanomboka tamin’ny  naha-mpikambana  antsika  tamin’ny  2019   dia   nanana   fiantohana   hatrany   isika ary efa nisitraka izany  tamin’ireo  loza  voajanahary  nandalovan’ny  firenena.  Mbola hotohizana izany paikady izany amin’ity taona 2023-2024  ity,  ka  hanamafy  izany amin’ny alalan’ny “ARC Replica”. Ity farany ity dia natao indrindra hanitarana ny fanasokajiana ny olona marefo  ho  voarakotry  ny  fiantohana,  kanefa  tsy  mampitombo ny latsakemboka aloantsika. Hiara-hiasa amintsika ao  anatin’izany  ny  ONG  Start Network izay efa mpisehatra eo amin’ny fiantohana ara-tsakafo, ankoatra ny efa fiaraha-miasantsika amin’ny  Fandaharanasan’ny  Firenena  Mikambana  momba  ny Sakafo na ny  PAM.  Ny  ONG  Start  Network  dia  efa  mpiara-miombon’antoka  amin’ny ARC,  ka  ny  foiben’ny  ARC  no  nanolo-kevitra  ny  fiarahamiasan’i  Madagasikara  aminy, fa  tsy  maintsy  ankatoavin’ny   Fanjakana   Malagasy   kosa.   Handoa   latsakemboka tahaka an’i Madagasikara ihany koa, araka izany, ny ONG Start  Network,  ka  raha misy ohatra ny loza voajanahary ahazoantsika tambim-piantohana  dia  hahazo  izany ihany koa ny ONG ary tsy maintsy hampiasainy hanampiana ireo vondron’olona tra- pahavoazana eto Madagasikara ihany izany.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana akora ilain’ny Trano Printim-pirenena (Imprimerie Nationale) amin’ny fanontana ireo antontan-taratasy ilaina amin’ny fikarakarana ny fifidianana (imprimés électoraux).

MINISITERAN’NY ATI-TANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanamaivanana ny dingana ara- panjakana mikasika ny fanomezana tsenan’asam-panjakana amin’ny fanamboarana ireo takela-kazo hametrahana ny peta-drindrina momba ny fifidianana, izay hampiasain’ny Vaomiera Mahaleo Tena Misahana ny Fifidianana (CENI).

MINISITERAN’NY ATI-TANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fitaovana ara-informatika, fanomezana avy amin’ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana (PNUD) hanampiana ny Birao Nasionaly mitantana ny Ambana sy ny Loza voajanahary (BNGRC). Hampitaovana ireo Sampan’ny BNGRC any Ambovombe, Mahajanga ary Toamasina.

MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezan-dalana manokana mba hanafohezana ho 15 andro ny fe-potoana hanaovana ny  tolo-bidy  amin’ny fanomezana tsenan’asam-panjakana mikasika ny asa fanorenana ny fotodrafitrasa toha-drano eo amin’ny ilany havia amin’ny reniranon’i Sisaony, Kaominina Ambanivohitra Androhibe sy Antanetikely Ambohijoky, distrika  Atsimondrano Faritra Analamanga. Efa notapahan’ny Filan-kevitry ny Minisitra tamin’ny 20 Septambra 2023 ny fanamboarana ny tetibola anatin’ny Minisitera,  mba  ahafahana  manao  ny  asa noho ny hamehana, hanarenana ny fotodrafitrasa mialohan’ny vanim-potoanan’ny orana.

MINISITERAN’NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny tatitra mikasika ny fahavitan’ny asa fanamboarana sy ny fanolorana ireo fotodrafitrasa hiadidian’ny Minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ao anatin’ny fandaharanasa « Fampandrosoana ny Jono sy ny harena an-dranomasina » :

  • Fotodrafitrasa miisa 07 namboarina avy tamin’ny famatsiambola madion’ny Minisitera (PIP) :
    • Toby fampangatsiahana (unités de froid) miisa 2 any Ambatondrazaka sy Morondava
    • Toby fanodinana trondro (unités de transformation) miisa 2 any Miandrivazo sy Manakara
    • Toeram-pitehirizana entana amin’ny tsena (hangars      de marché) miisa 2 any Maevatanàna sy Morombe
    • Ary fari-pampivoarana fiompiana trondro (zone d’émergence piscicole) any Ihosy
  • Fotodrafitrasa  miisa  16  namboarina  avy  amin’ny  tetikasa  «  SWIOFISH  II  »  :
    • Birao fiasana miisa 4 any Ambanja, Fenoarivo Atsinanana, Toliara, Ambovombe
    • Fampidinana entana (débarcadère) miisa 1 any Ambanja
    • Fotodrafitrasa maromaro ho an’ny jono (complexes de pêche) miisa 11 ka 2 any Maroantsetra, 1 any Mananara-Avaratra, 3 any Ambilobe, 2 any Nosy Be Hell- ville ary 3 any Ambanja.

MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny haba sy hetra ary tataon-ketra ao anatin’ny fifanarahana findramam-bola « EDCFn Loan Agrement N° MDG – 3 » nataon’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny EXIM Banque any Corée. Izany dia ho fanatanterahana ny tetikasa « Projet de Renforcement et d’Interconnexion des Réseaux de Transport d’Energie électrique à Madagascar (PRIRTEM-I) ».

MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA ARY NY FIDIOVANA

Ho fanatanterahana  ny  tetikasa  fanatsarana  ny  fahazoana  rano  fisotro  madio  na

« PAAEP » vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola, dia hisy ny fanadihadiana ara- stratejika hatao ao anatin’ny volavolan-tetikasa mialoha (Avant-projet sommaire) mikasika  ny  fanamboarana  toha-drano  lehibe  amin’ny   reniranon’i   Mandrare.   Izany dia  hitondrana  vahaolana  hafa  ihany  koa  amin’ny  olan’ny  famatsian-drano   ny   faritra Atsimo.  Efa  nisy  ny  tolo-bidy  natao  mba   hanatanterahana   izay   fanadihadiana   ara- stratejika izay, ka taorian’ny dingana ara-panjakana ho  fanokafana  ny  tolo-bidy  dia  ny vondrona « FUGRO GEIOD » sy ny « FUTURMAP » no nahazo ny asa, amin’ny maha- tsenan’asam-panjakana azy tamin’ny 21 Jolay  2023.  Ao  anatin’ny  asa  tsy  maintsy  hatao dia hisy ny sidina tsy maintsy hatao mba  hakana  ny  torohay  “topographiques”  amin’ny alalan’ny teknika antsoina hoe « LIDAR ». Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanomezana alalana manokana an’io vondrona io mba hanafatra  fiaramanidina  iray an’ny  orinasa  antsoina  hoe  « Tallow  Africa »  izay  voafetra  ho  30  andro  ny faharetan’ny fampiasana azy,  ary  tsy  azo  ampiasaina  ankoatra  ny  amin’io fanadihadiana ara-stratejika io any amin’ny faritra Atsimo.

SEKRETARIAM-PANJAKANA     MIADIDY   NY    TANANA   VAOVAO   SY    NY    TOERAM- PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezan-dalana amin’ny fampanofana-fivarotana sy fivarotana sy ny fandraisana ireo vola miditra amin’ny fivarotana ireo « logements  mora »  na  trano  fonenana  naorin’ny  Sekreteram- panjakana, amin’ny alalan’ny Sampandraharaham-pirenena ho fanohanana ny toeram-ponenana na ANALOGH. Ankehitriny dia efa misy toeram-ponenana “trano mora duplex” miisa 920 ka 765 no efa vita  tanteraka  ary  155  andalam-panamboarana,  izay mitsinjara amin’ny Distrika miisa 9. Efa  misy  ihany  koa  toeram-ponenana  «  appartements mora » miisa  186  efa  vita  ary  efa  azo  amidy.  Ny  vola  miditra  rehetra  amin’ny  fivarotana ireo karazana trano sy toeram-ponenana ireo dia haompana amin’ny fampandehanana ny ANALOGH ankoatra ny saram-pitantanana 2% amin’ny vola azo  amin’ny  fampanofana- fivarotana sy ny fivarotana.

                         II-     FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA                            

MINISITERAN’NY FITSARANA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra  ny  volavolan-drijatenin-dalàna  manova  sy mameno  ny  andininy  sasantsasany  amin’ny  lalàna  lf  :   2018-043   tamin’ny   13 febroary 2019, mifehy ny ady amin’ny famotsiam-bola sy ny famatsiana ny asa fampihorohoroana. Izany dia mifanaraka amin’ny tsoakevitra avy amin’ny « Groupe d’Action Financière” na GAFI. Mbola handalo hodinihana sy holaniana eny anivon’ny Parlemanta ihany ity volavolan-drijatenin-dalàna ity.

          III- FANESORANA TOMPON’ANDRAIKI-PANJAKANA                

MINISITERAN’NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FANOFANANA ARAK’ASA

Nofoanana ny didim-panjakana nanendry ny Tale iraisam-paritry ny fampianarana teknika sy fanofanana arak’asa any Vatovavy sy Fitovinany.

MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBARATONGA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

Nofoanana  ny  didim-panjakana  lf   :  2022-1293  tamin’ny   07  septambra  2022  nanendry ny Talen’ny « Réformes et Suivi-Evaluation ».

MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

Nofoanana  ny  didim-panjakana  lf   :  2020-1205  tamin’ny   23  septambra  2020  nanendry ny Talen’ny « Partenariat et Coopération » eo anivon’ny Ofisin’ny  Radio  sy  Televiziona ORTM.

MINISITERAN’NY       MPONINA      SY      NY      FIAHIANA      ARA-TSOSIALY      ARY      NY FAMPIROBOROBOANA NY VEHIVAVY

Nofoanana ny didim-panjakana lf : 2019-978 tamin’ny 03 marsa 2019 nanendry ny Talem-paritry ny Mponina, ny Fiahiana Ara-tsosialy ary ny Fampiroboroboana ny Vehivavy any Androy.

Natao ny 04 oktobra 2023

Ny Mpitondra tenin’ny Governemanta Ifarimbonana

Lalatiana RAKOTONDRAZAFY

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA- ALAROBIA 27 SEPTAMBRA 2023-LAPAM-PANJAKANA MAHAZOARIVO

Notanterahina tao amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo ny Filan-kevitry ny Minisitra androany Alarobia 27 Septambra 2023, nanomboka tamin’ny 11 ora atoandro. Andriamatoa Praiminisitra lehiben’ny Governemanta Ifarimbonana no nitarika izany, niaraka tamin’ireo minisitra isan-tokony sy ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny Sekretera Jeneraly lefitra, ny Talen’ny Kabinetran’ny Fiadidiana ny Repoblika ary ny Tale misahana ny raharaha araka ny lalàna.

FAMPITANA AM-BAVA MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

 Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny Filan-kevitry ny Minisitra andiany faha-23 an’ny firenena mpikambana ao anatin’ny IORA na ny Fikambanan’ireo firenena manamorona ny Ranomasimbe Indiana, ny 11 oktobra 2023 ho avy izao any Colombo, Sri Lanka. Izany dia ialohavan’ny fivorian’ny mpiasam-panjakana ambony (CSO) eo anivon’ny IORA ihany, ny 9 ka hatramin’ny 11 Oktobra 2023. Ny lohahevitra hitondrana ny fivoriana dia ny hoe « renforcer l’architecture régionale : renforcer l’identité de l’Océan Indien ». Ny firenena srilankais no namaritra azy satria izy ireo no miadidy ny fitantanana ny Fikambanana ankehitriny. Natao indrindra handinihana ny hoavin’ity Fikambanam-paritra aty amin’ny Ranomasimbe Indiana ity ireo fivoriana in-droa miantoana ireo, miainga amin’ny rakikevitra « Vision de l’IORA pour 2030 et au-delà ». Izany hoe ny vinan’ny Fikambanana ho an’ny taona 2030 sy ny aorian’izay.

MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezan-dalana ny Fiadidiana ny Praiminisitra hikitika ny tetibolany anatiny, ka handefa ampahany mankany amin’ny fandaharanasa natao hanohanana ny fampandrosoana (Projet 116 : projet d’appui au développement, programme 827 : appui au développement). Izany dia mba ahafahana mamita ireto asa fanamboarana sy fanarenana ireto :

 -Tsena manara-penitra Vohémar

– Biraon’ny Kaominina Ambonivohitr’i Andapa

-Fanamboarana EPP vaovao any Andriry Betroka,

– Fanamboarana Lycée misy efitrano fianarana 24 any Ambilobe

-Fanamboarana tsena manara-penitra any Andilamena

-Fanamboarana trano fandrahoana sakafo amin’ny toeram-ponenan’ireo mpitsabo any Anivorano Antsiranana II

 -Fanarenana ny fefin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo manamorona ny farihy sy ny Trano Kintana

 – Fanajariana ny tokotany ho an’ny toeram-ponenan’ireo mpitsabo amin’ny CSB II Anivorano Antsiranana II

-Fikojakojana ny Lapa sy ny Biraon’ny BNLTEH

 -Fividianana fiara 2 entina miasa ho an’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Fiadidiana ny Praiminisitra

 Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham-pamatsiam-bola mikasika ny fanamboarana ny tetikasa « Fly Over Maki » miaraka amin’ny Banky Arabo ho an’ny Fampandrosoana ara-toekarena aty Afrika (BADEA). Ny 9 ka hatramin’ny 15 Oktobra 2023 izao no hotanterahina any Marrakech Maroc ny fivoriam-be isan-taona fanaon’ny governoran’ireo vondrona ao anatin’ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Tahirimbola Iraisam-pirenena, ka ao anatin’izany no hanaovana ny sonia fifanaraham-pamatsiam-bola. Mitentina 31 tapitrisa dolara ny tetibidin’ny tetikasa, izay hahitana ny fanamboarana ny lalana mihantona (fly over) hampifandraisana ny lalan’ny Frankofonia sy ny lalan’i Eoropa eo amin’ny Rond-point Maki, ny tetezana eo ambonin’ny reniranon’Ikopa ary ny ampahandalana VROT (Voie Rapide Ouest Antananarivo). Ny 28 tapitrisa dolara amin’ny famatsiambola dia hovatsian’ny BADEA ary ny 3 tapitrisa dolara kosa dia hovatsian’ny Fanjakana Malagasy. Marihana fa hampifandray an’Antananarivo sy ny tanàna vaovao Tanamasoandro ihany koa io lalana io amin’ny famakivakiana ny reniranon’Ikopa mivadika aty amin’ny ilany ankavia amin’ny fefiloha.

 Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampiasana ny tetibola mitentina 2 lavitrisa Ariary, izay efa voafaritra ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolampanjakana taona 2023, hiantohana ny fandriam-pahalemana sy ny filaminambahoaka mandritra ny vanim-potoana mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana. Natao handoavana ny tambi-karaman’ireo mpitandro filaminana rehetra miasa ao anatin’izay vanim-potoanan’ny fifidianana izay io tetibola io. Hanao didim-pitondrana avy hatrany ny Minisitera misahana ny tetibola, ahafahana mandefa ny vola any amin’ny Paositra Malagasy. Ka amin’ny alalan’ny “e-poketra” no handoavana ny tambikaraman’ireo mpitandro filaminana voakasika.

MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanalavana ny fifanarahampiarahamiasa eo amin’ny Fanjakana Malagasy sy ny orinasa SEMLEX Group mikasika ny fanamboarana ny pasipaoro malagasy. Mifarana amin’ity volana Septambra ity mantsy ny fifanaraham-piarahamiasa eo amin’ny roa tonta. Mila fotoana ny fanatanterahana ny pitsopitsony ara-panjakana tsy maintsy atao amin’ny maha-tolobidy iraisam-pirenena azy, ka mba tsy haha-tapaka ny fanamboarana ny pasipaoro dia hitarina 12 volana izany fifanaraham-piarahamiasa amin’ny SEMLEX izany, izany hoe hatramin’ny volana Septambra 2024. Ny fepetra rehetra nofaritan’ny fifanarahana teo aloha dia mitoetra avokoa ao anatin’izay vanim-potoana fanalavana izay.

MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny vokatry ny fanadihadiana sy ny fitiliana izay nataon’ny Sampandraharaha APMF (Agence Portuaire, Maritime et Fluviale) mikasika ny fividianana fitaovana hanadiovana ny lakandranon’i Pangalana (drague fluviale). Raha tsiahivina dia nisy ny fanapahan-kevitry ny Filan-kevitry ny Minisitra tamin’ny 30 Novambra 2022, hiroso amin’ny fanadiovana an’io Lakandranon’i Pangalana io, mba hanafainganana ny fisokafan’ny ampahany mampitohy an’i Mananjary sy Farafangana, mirefy 205 km. Misy asa fanajariana fanao mahazatra koa hatao amin’ny ampahany mampitohy an’i Toamasina amin’i Mananjary, izay mirefy 432 km. Tao anatin’izay fanapahan-kevitry ny Filan-kevitry ny Minisitra izay no nanomezana andraikitra ny APMF hiroso tamin’izay fanadihadiana izay, ka efa nahazoana vokatra izany ankehitriny izay naroso hodinihan’ny Filan-kevitry ny Minisitra androany. Orinasa  6 no nanaovana tolo-bidy teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ka raha jerena ny tetibola eo am-pelatanan’ny APMF, dia ny orinasa « Bell Dredging Equipment» no mahavaly ny tinady na eo amin’ny lafiny teknika na eo amin’ny lafiny ara-bola, amin’ilay modely « BCD 250 ». Fitaovana « drague fluviale » roa no hovidiana, araka izay mifanaraka amin’ny tetibola izay ka tombanana hahavita manadio sy manajary ny lakandrano, amina asa miaty 4.104.595 m3. Aorian’ny fanaovan-tsonia ny fiarahamiasa amin’ity orinasa voafidy ity, dia eo amin’ny 6 volana ny fe-potoana hahatongavan’ny fitaovana aty Madagasikara.

 MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA SY NY FANOVANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA ARY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA + MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezana alalana ny Minisitera 2 tonta hanao ny dingana samihafa hidiran’i Madagasikara ho mpikambana ao anatin’ny Fifanarahan’ny Vondrona Afrikana mikasika ny filaminana an’habaka (cybercriminalité) sy ny fiarovana ny torohay mikasika ny olona tsirairay avy (données personnelles), fifanarahana tany Malabo Guinée Equatoriale tamin’ny 27 Jona 2014. Ny antony fifanarahana dia mba hijerena ny fifandanjana eo amin’ny fiarovana ny fahalalahana fototry ny tsirairay, ny fampiroboroboana sy ny fampiasana ny teknolojia vaovaon’ny torohay sy ny fifandraisana, ary ny tombontsoan’ny besinimaro, na miankina na tsy miankina amin’ny Fanjakana. Fanaovana sonia ny fidirantsika ho mpikambana aloha no dingana hatao, ary aorian’izay dia tsy maintsy avadika lalàna holaniana eny anivon’ny Parlemanta ny fankatoavana azy, amin’ny maha-fifanarahana iraisam-pirenena azy.

SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAMPONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanombohana ny tetikasa « One title, One Housing (OTOH) » izay Fokontany vaovao hananganan’ny tompon-tany ao anatiny trano. Any amin’ny Fokontany Ambohimahavelona, Kaominina Ambanivohitra Ambohitrabiby, Distrika Avaradrano, Faritra Analamanga, no hatomboka ity tetikasa ity, amin’ny tany antsoina hoe “Herin’ny Masoandro” TF n° 11.821 BAV ao Antanimainty. An’ny Fanjakana Malagasy io tany io, izay mirefy 40 Ha 58 A 79 Ca. Ho fanajariana ny tany, dia anjaran’ny Fanjakana Malagasy no manao ny lalana sy ny rafi-panadiovana ny toerana, miaraka amin’ny fananganana fotodrafitrasam-panjakana ilaina amin’ny famelomana ny tetikasa.

FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

 Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana nentina namenoana ny vola miditra sy ny vola mivoaka eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitsarana ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibola taona 2023, izay mitentina 30.240.000 Ariary. Izany vola izany dia nampiasaina amin’ny tetikasa vatsian’ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Frankofonia (OIF).

 Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandefasana tetibola efa voasoratra ho an’ny taona 2023 any amin’ny Vaomiera Mahaleo tena misahana ny Fifidianana (CENI), izay mitentina 4.500.000.000 Ariary, tafiditra ao anatin’ny « Fonds de contre-valeur » amin’ny famatsiambola avy amin’ny firenena Japoney.

 Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandefasana tetibola avy amin’ny Fiadidiana ny Praiminisitra, natao hampandehanan-draharaha eo anivon’ny Ofisimpirenena misahana ny Fanjarian-tsakafo (ONN) izay mitentina 1.682.931.091 Ariary, ao anatin’ny tetibola taona 2023

Natao ny 27 Septambra 2023

Ny Mpitondra tenin’ny Governemanta Ifarimbonana

Lalatiana RAKOTONDRAZAFY

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA- ALAROBIA 13 SEPTAMBRA 2023-LAPAM-PANJAKANA MAHAZOARIVO

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo androany maraina ny Filan-kevitry ny Minisitra voalohany nataon’ny GOVERNEMANTA IFARIMBONANA (gouvernement collégial) izay misahana ny asan’ny Filoham-panjakana vonjy maika, tarihin’Andriamatoa Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta.

Nialohan’ny nandinihana ny laha-dinika efa voafaritra, dia nanazava Andriamatoa Praiminisitra fa naharay ny fampahafantarana na « notification » izay nalefan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana, ny Governemanta, mandidy azy hifandrimbona hiantsoroka izay andraikitry ny Filoham-panjakana vonjy maika izay, taorian’ny fametraham-pialan’ny Filohan’ny Repoblika Andriamatoa Andry RAJOELINA sy ny taratasy nalefan’ny Filohan’ny Antenimieran-doholona mandà ny tsy handray ny andraikitra maha-Filoha mpisolo toerana noho ny antony manokana.

Manaja ny voalazan’ny lalam-panorenana ny Governemanta ka tsy maintsy manaiky izay fanapahana navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny lalam-panorenana izay.

Niarahaba manokana an’Andriamatoa Andry RAJOELINA ihany koa ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta Ifandrimbonana, noho ny fahasahiana ara-politika lehibe izay nananany, ka nametram-pialana tsy nisy rahoraho ho fanajana izay voalazan’ny lalam-panorenana ihany rehefa niverina nilatsaka hofidiana ho Filoham-pirenena indray.

Manomboka izao dia tanterahina eny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo isaky ny Alarobia maraina, ny Filan-kevitry ny Minisitra, atrehin’ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny Sekretera Jeneraly Lefitra, ary ny Talen’ny Kabinetran’ny Fiadidiana ny Repoblika. Izany dia ialohavan’ny Filan-kevitry ny Governemanta.

I- FAMPITANA AM-BAVA

MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY+ MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA, NY VAROTRA ARY NY FANJIFANA+ MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

Ho fampiharana ny fanapahan-kevitry ny Filan-kevitry ny Minisitra tamin’ny 02 Aogositra 2023, mikasika ny tsy faneken’i Madagasikara ny fitsipika famerana ny fetra farany ambonin’ny tahana “nicotine” ao anatin’ny lavanila (Limites maximales de résidus- LMR) azo amidy eo amin’ny tsenam-barotry ny Vondrona Eoropeana, dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny tatitry ny fivoriana niraisan’ireo minisitera voalaza etsy ambony sy ny kaomisera eoropeana misahana ny fahasalamana sy ny fiarovana ny mpanjifa nanaovana adisisika nanoherana izany fitsipika vaovao izany. 

Raha tsiahivina dia nisy io fitsipika vaovao noraisin’ny Vondrona Eoropeana io, laharana faha-2023/377 hanomboka hihatra amin’ny 15 septambra 2023. Amin’ny ankapobeny anefa ny 60% ny lavanila vokarina avy eto Madagasikara dia manana tahan’ny “nicotine” mihoatra lavitr’io fetra farany ambony nofaritan’ny Vondrona Eoropeana io, ka raha mihatra izany dia tsy ho azo aondrana amin’ny tsenam-barotry ny Vondrona Eoropeana intsony ny lavanila Malagasy. Naneho ny tsy fanekeny ny fampiharana io fepetra io araka izany i Madagasikara nandritra io fivoriana niarahana tamin’ny Kaomisera Eoropeana misahana ny fahasalamana sy ny fiarovana ny mpanjifa. Ireto avy ny teboka nivoitra tao anatin’ny tatitry ny fivoriana :

– Tsy hihatra amin’i Madagasikara aloha ilay fitsipika vaovao amin’ny 15 Septambra 2023 fa omena hatramin’ny Janoary 2024 kosa aloha ny firenena Malagasy mba tsy hahatapaka ny fahafahantsika manondrana.

– Nampahafantatra ny Kaomisera Eoropeana, fa amin’ity volana Septambra 2023 ity dia manana fahafahana manolotra sosokevitra hanovana an’io taha farany ambonin’ny nicotine ao anaty lavanila (LMR) io indray ny firenena tsirairay mpikambana ao anatin’ny Vondrona Eoropeana. Raisin’ny rafim-pahefana ara-pahasalamana eo anivon’ny Vondrona eoropeana (EFSA) ny sosokevitra ka hanaovan’izy ireo fandinihana raha heveriny fa tsy misy ambana ho an’ny fahasalaman’ny mpanjifa eoropeana, dia azo ampiharina. Hankatoavin’ny Parlemanta Eoropeana amin’ny Janoary 2024 izay sosokevitra aroson’ny EFSA.- Efa tafatsangana ny “Task Force” eo amin’ireo Minisitera 3 izay manomana ny adisisika lalindalina kokoa izay hatao eo anivon’ireo firenena mpikambana ao anatin’ny Vondrona Eoropeana izay manana masoivoho eto Madagasikara, tahaka an’i France sy Allemagne sy ny fandrafetana ny drafitr’asa hiatrehana ireo adisisika samihafa tsy maintsy hatao. Manomana ny antontan-taratasy angatahana ilay fepetra hanekena ny lavanila Malagasy manana taha mihoatra ny LMR nofaritan’ny Vondrona Eoropeana, ho afaka hitohy hiditra amin’ny tsenam-barotra eoropeana (demande de tolerance à l’import) ihany koa ny Task-force

.MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLANankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitàna ny sorabola (transferts de crédits) mba ho fanoratana ao anatin’ny tetibolan’ny Vaomiera Mahaleo Tena Misahana ny Fifidianana (CENI) ny vola mitentina 4.500.000.000 Ariary izay famatsiam-bola avy amin’ny firenena Japoney, amin’ny alalan’ny « Fonds de Contre-valeur ». Izany dia hampiasaina amin’ny fanomanana sy ny fikarakarana ny fifidianana filoham-pirenena 2023.

MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana fitaovana hananganana efitrano mangatsiaka ilaina amin’ny fitsaboana na « medical cold room », fanomezana avy amin’ny sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana UNICEF.Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana fonosan’entana ilaina amin’ny fitsaboana (60 modules et 104 kits d’étalonnage) hampiasain’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka eny anivon’ny hopitalim-panjakana sy tobim-pahasalamam-bahoaka, ary mbola fanomezana avy amin’ny UNICEF ihany.

MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana fiara « camionnette TOYOTA» miisa 2. Izany dia fanomezana avy amin’ny sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana hampiasain’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana kojakoja ara-haitao ara-kajy mirindra (power bank) miisa 265 izay novidian’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana, tamin’ny alalan’ny tobim-pividianana (centrale d’achat) an’ny Firenena Mikambana. Ireo fitaovana ireo dia hampiasaina amin’ny “Fandaharanasa fampandrosoana ny sehatry ny fambolena” (DEFIS) any amin’ireo toerana mitoka-monina tsy misy herinaratra.

MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO+ MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY + MINISITERAN’NY ATI-TANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanaovana didim-pitondrana iraisan’ny Minisitera hanomezana alalana ny orinasa CGHV mba hampiasa tany ho fanatanterahana ny tetikasa fanamboarana tobim-pamokarana angovo amin’ny rano sy herinaratra (centrale hydroélectrique) VOLOBE AMONT, manana tanjaka 120 Mw.

 Mirefy 2.000 hektara ny fitambaran’ny velaran-tany voakasiky ny tetikasa ka misy ampahany izay tanim-panjakana hanomezana alalana ny orinasa hampiasa azy mandritra 5 taona faharetan’ny asa fanamboarana. Misy ampahany ihany koa izay tany efa manan-tompo tafiditra ao anatin’ny tetikasa ka miato aloha ny fahafahan’ny tompon’ny tany mivarotra ny tany mandritra izay 5 taona izay. Mazava kosa nefa ny toromarika nomen’Andriamatoa Praiminisitra lehiben’ny Governemanta Ifandrimbonana, tsy misy ny fanesorana ny tompony eo amin’ny taniny, fa mijanona ho fananan’izy ireo tanteraka ny taniny tafiditra ao anatin’ny tetikasa.

Natao ny 13 Septambra 2023

Ny Mpitondra tenin’ny Governemanta Ifarimbonana

Lalatiana RAKOTONDRAZAFY

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Alarobia 12 Jolay 2023 – Lapam-panjakana Iavoloha 

Notanterahina androany ny Filan-kevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

I- FAMPITANA AM-BAVA

MINISITERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana fitaovam-pitsaboana sy fanafody, fanomezana avy amin’ny UNICEF (Supply Division Oceanvej 10-12 Nordhavn, Copenhague, Danemark). Hatolotra ny Birao Nasionaly misahana ny fitantanana ny ambana sy ny loza (BNGRC) ireo fanomezana ireo, hatokana ho fanampiana taorian’ny rivo-doza Freddy araka ny drafi-pirenena nentina niatrehana ny vokatry ny rivo-doza (plan national de réponse) ary koa ho an’ny tsy fanjariana ara-tsakafo any amin’ny faritra atsimo sy atsimo atsinanan’i Madagasikara. Ny vehivavy sy ny ankizy no ho laharam-pahamehana amin’ny fisitrahana ireo fanampiana ireo.

MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA, NY VAROTRA ARY NY FANJIFANA

Ho fanatanterahana ny veliranon’ny Filohan’ny Repoblika mikasika ny fampiroboroboana ara-indostria an’i Madagasikara, sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo ka nametrahana ny fandaharanasan’ny Filoham-pirenena « One District, One factory » na hoe Distrika iray, orinasa iray, dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hampiasana ny ampahany amin’ny tetibolan’ny Minisitera amin’ity taona 2023 ity, mba hividianana fitaovana teknika sy fampitaovana ara-indostria mikasika ny fananganana orinasa fitotoam-bary, sy orinasa mpanao savony. Amparafaravola sy Marovoay no hisitraka ny fananganana ireo orinasa fitotoam-bary, ary Antananarivo sy ny manodidina kosa no hananganana ireo orinasa mpanao savony.

MINISITERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana fitaovana ilaina amin’ny fampianarana (kits pédagogiques) tafiditra ao anatin’ny tetikasa fanohanana ny fanabeazana fototra (PAEB) mba ho fanatsarana ny fahombiazan’ny ankizy mpianatra any an-tsekoly.

MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fitaovana ara-pitsaboana tahaka ny vata fampagatsiahana ampiasaina amin’ny Laboratoara fitiliana rà, fitaovam-panadiovana, ary fitaovam-pandanjana avy amin’ny UNICEF.Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fitaovana fitaterana vaksiny izay fanomezana avy amin’ny UNICEF ka hatolotra hampiasain’ny Minisiteran’ny fahasalamana amin’ny fanatanterahana ny politikan’ny fanaovana vaksiny manerana an’i Madagasikara.Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fahafahan’ny Minisiteran’ny fahasalamana mampiasa ny ampahany amin’ny tetibolany hamatsiana akora ara-pahasalamana (intrants de santé) sy vata fampangatsiahana hitehirizana fanafody an’ireo hopitalim-panjakana samihafa manerana ny Nosy. Ny foibe fividianana fanafody SALAMA no miantsoroka ny fitsinjarana ireo akora ara-pahasalamana ireo.

MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezana tetibola fanampiny ho an’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, hividianana fitaovana teknika, informatika ary fitaovana fampiasa ao anaty birao mba hahafahany miroso amin’ny fampitaovana ireo fotodrafitrasa vita fanamboarana kanefa mbola tsy afaka misokatra, tahaka ny Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina Tolagnaro, Toliara, Ambositra, Manakara ary Ambovombe, ny Akademiam-pirenena misahana ny Zavakanto sy ny Kolontsaina (ANAC), ny HAVORIA (Mozean’ny hainoamanjery sy « auditorium » lehibe) eto Antananarivo sy ny sisa. Aorian’ny fahazoana ny fampitaovana dia azo irosoana ny fitokanana ireo fotodrafitrasa samihafa ireo.MINISITERAN’NY ASA VAVENTYHo fanatanterahana ny fanapahan-kevitry ny Filan-kevitry ny Minisitra manokana natao tamin’ny herinandro lasa, dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampiasana dingana maika (procédure d’urgence) amin’ny tsenan’asam-panjakana, mikasika ny fanamboarana ny lalana eto Antananarivo. Izany dia mifanaraka amin’ny voalazan’ny didy aman-dalàna manan-kery, ny didim-panjakana lf : 2022-800 tamin’ny 01 Jona 2022 ao amin’ny andininy faha-5, izay milaza fa fanapahan-kevitry ny Filohan’ny Repoblika na ny Governemanta no manasokajy ny maha-maika ny asa. Ireto ireo ampahan-dalana voakasik’izany dingana maika izany :

1. Fihaonan-dalana Antaninandro- Andravoahangy fivavahana

2. Ampahan-dalana BOA Ampandrana – Bel’air Antsakaviro – Ankorahotra – rond-point Ambanidia (Paositra Malagasy)

3. Fihaonan-dalana Mahazoarivo – Ambohimiandra – Mandrosez a- Rond-point Alasora

4. Ampahan-dalana Ankadimbahoaka – Androndra – fihaonan-dalana Mahazoarivo – fihaonan-dalana Mandroseza- Ambohimiandra- Rond-point Ambanidia

5. Ampahan-dalana zaridaina Antanimena- Ankadifotsy- Ambatomitsangana-tetezana Behoririka – trois métis Antaninandro

6. Ampahan-dalana Anosy- Andavamamba- CENAM – Jovena Ampasika

7. Ampahan-dalana mampitohy ny Magro Behoririka (Fohin/ Notre Dame) – fihaonan-dalana Antanimena

8. Ampahan-dalana rond-point Ambanidia- Ankazotokana- SCORE- Tunelle Ambanidia

9. Ampahan-dalana CNELA- sampanan-dalana Tsiadana

10. Ampahan-dalana Ankatso- Antanimora- Mausolée- Ampasampito

11. Ampahan-dalana rond-point Raokady- Jovenna double Amoronakona- Rond point Ambohimanambola sy Lalamby By Pass- Gastro Ambohijanaka

12. Ampahan-dalana Ankasina – 67Ha

13. Ampahan-dalana 67 ha Sud (arrêt 30) – Jovenna – INSCAE – poste 67 Ha – pont Andranomanalina

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra koa ny hampiasana ny dingana maika (procédure d’urgence) amin’ny fanohizana ny fanamboarana ny ampahan-dalana ao anatin’ny lalam-pirenena faha-2, mbola araka ny fanapahan-kevitry ny Filan-kevitry ny Minisitra manokana natao tamin’ny herinandro ihany. Raha tsiahivina dia ny ampahan-dalana PK 11+000 ka hatrany amin’ny PK 78+100, ny lalana mandalo ny tampon-tanànan’i Moramanga, ary ny PK 218+000 ka hatrany amin’ny PK 250+000 eo anelanelan’Antsampanana ka hatrany Brickaville no ho voakasik’io fanamboarana io, ary hiampy koa ny ampahan-dalana eo anelanelan’ny PK 78+000 sy PK 110+000, lalana mandalo an’Andasibe, ary ny eo anelanelan’ny PK 250+000 ka hatramin’ny PK 345+000. Izany dia mifanaraka amin’ny voalazan’ny didy aman-dalàna manan-kery, ny didim-panjakana lf : 2022-800 tamin’ny 01 Jona 2022 ao amin’ny andininy faha-5, izay milaza fa fanapahan-kevitry ny Filohan’ny Repoblika na ny Governemanta no manasokajy ny maha-maika ny asa.

MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO + MINISITERAN’NY ANGOVO SY AKORAN’AFO

Ho famitàna ny tetikasan’ny Filoham-pirenena « train urbain », izay natao hanamaivanana ny olan’ny fitaterana eto Antananarivo sy ny manodidina, dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampiasana ny tetibola efa voatokana ho amin’izany, eo anivon’ny Minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola. Fampidirana herinaratra amin’ireo gara lehibe miisa 4 sy toeram-piantsonana kelikely miisa 4 eo anelanelan’i Soarano sy Amoronakona, no tena hiompanan’ny asa tsy maintsy irosoana izao. Raha vantany vao tonga eto Antananarivo ireo lamasinina efa miantsona ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, dia ho afaka hanomboka hiasa ity zotran-dalamby eto an-drenivohitra ity, hirosoana tsy ho ela koa araka izany ny fitokanana azy

MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezan-dalana ny Minisiteran’ny Angovo sy Akoron’afo handraisany didim-pitondrana ho fanavaozana ny mpikambana ao amin’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Ofisy Malagasin’ny Akoran’afo (OMH). Efa tapitra tamin’ny volana Aprily 2023 lasa teo ny fe-potoam-piasan’ny Filan-kevi-pitantanana teo aloha, ka mba ahafahan’ny OMH miodina ara-dalàna dia ilaina ny fanendrena ny mpikambana vaovao.

MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA ARY NY FIDIOVANA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezan-dalana ny Minisiteran’ny Rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana ho afaka hampihena ho 15 andro ny fe-potoana hanaovana tolo-bidy misokatra amin’ny tsenan’asam-panjakana hanaovana ny asa ampahany voalohany ho famatsiana rano fisotro madio ny tanànan’i Maroantsetra. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra koa ny fikitihana ny tetibola anatin’ny Minisitera mba hisy ampahany hatokana amin’ny fanatanterahana ireo asa ireo.

SEKRETARIAM-PANJAKANA MISAHANA NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fitaovana ampahany faha-14 ka hatramin’ny faha-24, hananganana ny andrimby lehibe (pylônes) eo anelanelan’Anosy sy Soarano, amin’ny zotra volom-boasary Anosy-Ambatobe, ao anatin’ny tetikasa teleferika (TPC).

Natao ny 12 Jolay 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana RAKOTONDRAZAFY

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO

Filan-kevitry ny Governemanta omaly talata 11 jolay 2023 momba ny fifidianana Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara

Anisan’ny laha-dinika nandritra ny Filan-kevitry ny Governemanta omaly Talata faha 11 Jolay 2023, ny fandinihana sy fandaniana volavolana Didim-panjakana samihafa mifehy ny fifidianana Filohan’ny Repoblika, izay hatao eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’I Madagasikara, amin’ny faran’ity taona 2023 ity.
Didim-panjakana miisa dimy (05) no natolotry ny Minisiteran’ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana, araka ny tolo-kevitry ny Vaomiera Mahaleo tena misahana ny Fifidianana na CENI, ka nolaniana omaly :


1) DIDIM-PANJAKANA MANAIKA NY MPIFIDY HANATANTERAKA NY ADIDINY HIFIDY, AMIN’NY FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA (DECRET PORTANT CONVOCATION DES ELECTEURS POUR L’ELECTION PRESIDENTIELLE)
– Tapaka fa ny Alakamisy 09 Novambra 2023 manomboka amin’ny 06 ora maraina ka hatramin’ny 05 ora tolakandro no hanaovana ny fiodinana voalohany amin’ny Fifidianana Filoham-pirenena, manerana ny tanin’ny Repoblikan’I Madagasikara.
– Ny Alarobia 20 Desambra 2023 amin’ny 06 ora maraina ka hatramin’ny 05 ora tolakandro kosa ny fiodinana faharoa, manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara, raha toa ka tsy misy ny lany amin’ny fiodinana voalohany.
– Andro tsy fiasana nefa andraisan-karama ny datin’ny 09 Novambra 2023, sy ny 20 desambra 2023 raha misy ny fiodinana faharoa.
– Kara-pifidianana vaovao tanteraka no hampiasaina amin’ny fifidiana filoham-pirenena araka ny voalazan’ny andininy faha-45 sy ny manaraka amin’ny lalàna fehizoro lf: 2018-008 tamin’ny 11 Mey 2018.


2) DIDIM-PANJAKANA MAMARITRA NY ENDRIKA SY NY TOETOETRAN’NY KARATRY NY MPIFIDY (DECRET FIXANT LE MODELE ET LES CARACTERISTIQUES DE LA CARTE D’ELECTEUR)
– Teny malagasy ranoray no hanoratana ny karatry ny mpifidy, 10 sm x 8,2sm no refiny.
– Io karatra io no manamarina ny fisoratan’ny mpifidy ao anatin’ny lisi-pifidianana ary hampiasaina amin’ny fandraisan’ny mpifidy anjara amin’ny fifidianana.
– Ny filohan’ny ratsa-mangaikan’ny CENI eny anivon’ny Distrika no manasonia ny karatry ny mpifidy, ny CENI sy ny ratsa-mangaika manerana ny Nosy kosa no hisahana ny fitsinjarana azy ho tonga any amin’ny mpifidy tsirairay.


3) DIDIM-PANJAKANA MIKASIKA NY FOMBA FIKARAKARANA NY FIFIDIANANA (DECRET FIXANT LES MODALITES D’ORGANISATION DE L’ELECTION PRESIDENTIELLE)
– Ny Alarobia 23 Aogositra amin’ny 09 ora maraina, ka hatramin’ny Alarobia 06 septambra 2023 amin’ny 06 ora hariva no hisokatra ny fahafahana mametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana, eo anivon’ny mpiraki-draharahan’ny HCC.
– Ny Sabotsy 09 Septambra 2023 fara-fahatarany no mamaritra sy mamoaka ny lisitra tena izy sy ofisialin’ny kandida milatsaka hofidiana amin’ny fifidianana Filoham-pirenena ny HCC, ary mampahafantatra avy hatrany ny CENI izany lisitra izany, miaraka amin’ny sary famantarana (spécimen) an’ireo kandida tsirairay avy.
– Ny Talata 10 Oktobra 2023 amin’ny 6 ora maraina ka hatramin’ny Alarobia 08 Novambra 2023 amin’ny 00 ora no hatao ny fampielezan-kevitra amin’ny fiodinana voalohany amin’ny fifidianana Filoham-pirenena.
– Ny Talata 05 desambra 2023 amin’ny 06 ora maraina, ka hatramin’ny Talata 19 desambra 2023 amin’ny 00 ora no hatao ny fampielezan-kevitra amin’ny fiodinana faharoa raha tsy maintsy hisy izany.
– Bileta tokana (bulletin unique) no hampiasaina amin’ny fifidianana filoham-pirenena, mifanaraka amin’ny filaharan’ny kandida araka ny voafaritry ny fisarihana no laharan’izy ireo ao anatin’izany bileta tokana izany.


4) DIDIM-PANJAKANA MAMARITRA NY SARAM-PANDRAISANA ANJARAN’NY KANDIDA (CAUTIONNEMENT) AMIN’NY FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA AMIN’NY VOLA LANIN’NY FANJAKANA AMIN’NY FIKARAKARANA NY FIFIDIANANA, SY MAMARITRA NY FOMBA FAMERENANA IZANY AMIN’NY KANDIDA (DECRET FIXANT LE MONTANT DE LA CONTRIBUTION DES CANDIDATS AUX FRAIS ENGAGES PAR L’ADMINISTRATION POUR L’ELECTION PRESIDENTIELLE AINSI QUE LEURS MODALITES DE REMBOURSEMENT ET DE REVERSEMENT)
– Araka ny voalazan’ny andininy faha-9 ao amin’ny lalàna fehizoro lf:2018-009 tamin’ny 11 Mey 2018, dia tsy maintsy mandoa fandraisana anjara amin’ny fanontana ny bileta tokana any amin’ny “caisse de dépôts et de consignations” ny kandida rehetra hilatsaka hofidiana filoham-pirenena.
– Ny Filan-kevitry ny Governemanta no mamaritra izany saram-pandraisana anjara na “cautionnement” izany araka ny tolokevitry ny CENI, hoy ihany io andininy faha-9 amin’ny lalàna fehizoro io. Nolanian’ny Filan-kevitry ny Governemanta ary fa ferana ho roanjato (200) tapitrisa Ariary ny saram-pandraisana anjaran’ny kandida tsirairay na ilay “cautionnement” amin’ny fanontana ny bileta tokana hampiasaina amin’ny fifidianana. Efa tamin’ny taona 2013 moa no nisy fanovàna farany io sarany io.
– Haverina amin’ny kandida kosa io sarany na “cautionnement” io raha mahazo 10% ny vato manan-kery izy amin’ny voka-pifidianana ofisialin’ny fiodinana voalohany araka ny avoakan’ny HCC.


5) DIDIM-PANJAKANA MAMARITRA NY ENDRIKA ITOVIZAN’IREO ANTONTAN-TARATASY TAKIANA AMIN’NY KANDIDA HILATSAKA HOFIDIANA HO FILOHAM-PIRENENA (DECRET FIXANT LES MODELES DE CERTAINES PIECES A FOURNIR PAR TOUT CANDIDAT A L’ELECTION PRESIDENTIELLE)
– Ho fampiharana ny voalazan’ny andininy faha-8 sy faha-10 ny lalàna fehizoro lf : 2018-009 tamin’ny 11 mey 2018, dia misy endrika itovizana (modèles) nofaritan’ny CENI amin’ireo antontan-taratasy takiana amin’ny kandida tsirairay, izay tsy maintsy atao roa avy isanisany. Izany hoe ireo endrika itovizana (modèles) ireo no tsy maintsy ampiasain’ny kandida tsirairay avy, ka fenoin’izy ireo sy hosoniaviny, rehefa manomana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana izy ireo.


Natao ny Talata faha 11 Jolay 2023


Ny Mpitondra tenin’ny Governemanta
Pierre Holder RAMAHOLIMASY
Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany
Lalatiana RAKOTONDRAZAFY
Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Alarobia 22 febroary 2023 – Lapam-panjakana Iavoloha

Notanterahina androany ny Filan-kevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

I- FAMPITANA AM-BAVA

MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Niatrika ny Filan-kevitry ny Minisitra voalohany ireo valo mianadahy mpikambana vaovaon’ny Governemanta vao avy notendrena, ny alatsinainy 20 febroary 2023, niaraka tamin’ireo mpikambana hafa voatazona amin’ny toerany.Nanararaotra ny fotoana ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina nisaorana ireo mpikambana teo aloha tamin’ny asa vitan’izy ireo nandritra ny fotoana izay nitantanan’izy ireo ny minisitera niandraiketany avy, sy niarahabana ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta amin’ny endriny ankehitriny fa indrindra nanomezana tsodrano ireo minisitra vaovao, mba hahaleo hahalasana ka hahavita soa aman-tsara ireo andraikitra ankinina amin’izy ireo.Nitondra fanazavana ny Filohan’ny Repoblika fa matoa nasiana ny fanovana dia mba hitondrana fanatsarana bebe kokoa sy hanafainganana ihany koa ny asa, ny tetikasa sy ny fandaharanasa izay ho tanterahina eo anivon’ny sampandraharahan’ny minisitera tsirairay avy, ho fanasoavana ny vahoaka malagasy. Lehibe dia lehibe ny ezaka sy ny fanamby andrasana amin’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta satria takiana amin’izy ireo ny fanomezana vokatra azo tsapain-tanana ao anaty ny fohy ezaka mba hanamaivanana ny fahasahiranan’ny vahoaka MalagasyNisy ny fampahatsiahivana nataon’ny Filohan’ny Repoblika mahakasika ny maha adidy masina ny asan’ny minisitra ka nilazany fa tsy ny fanendrena ho minisitra no zava-dehibe. Tsy fiafarana na « finalité » ny maha minisitra fa fanombohana ny fanatanterahana ireo adidy aman’andraikitra sy fanamby rehetra izay ankinin’ny fitondram-panjakana amin’izy ireo tsirairay avy. Notsipihan’ny Filoham-pirenena mazava tsara fa « ny fahatanterahana sy ny fahombiazan’ny iraka nampanaovina no tena zava-dehibe fa tsy ny fandehanana hanao ilay iraka fotsiny ».Mifanindran-dalana amin’ny fanovàna ireo mpikambana sasantsasany ao amin’ny governemanta, dia tsy maintsy hirosoana ihany koa ny fanovana ny fomba fiasa manomboka izao, araka ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Repoblika.- Tafiditra ao anatin’izany fomba fiasa vaovao izany ny tsy maintsy hametrahan’ny minisitra tsirairay avy tetiandro mifandraika amin’ny fanatanterahana ireo asa, tetikasa sy fandaharanasa tanterahin’ny minisiterany avy, ka mila havoitra anatin’izany ny zavatra ho tsapa sy ho hita ao anaty ny 03 volana sy 06 volana. Isaky ny minisitera, noho izany dia tsy maintsy misy ny fampahafantarana ao anaty ny fitantanana mangarahara eo anatrehan’ny vahoaka malagasy ny asa rehetra izay hatao, miaraka amin’ny fe-potoana hanatanterahana azy.- Noantitranterin’ny Filohan’ny Repoblika ihany koa ny tsy maintsy hiasana ao anaty mangarahara. Noho izany dia hisy ny fandaharana manokana amin’ny haino aman-jerim-panjakana isan-kerinandro izay handraisan’ny minisitra tsirairay avy anjara, hampahafantaran’izy ireo ny asa izay hatao sy ny paikady sy vina hapetraka hanatrarana ny tanjona.- Nandritra io fotoana io ihany koa no nampatsiahivan’ny Filoham-pirenena tamin’ireo mpikambana rehetra mandrafitra ny governemanta, ireo toromarika samihafa mifandraika : amin’ny fitondran-tena mendrika tokony hananan’izy ireo eny amin’ny fiaraha-monina sy manoloana ny vahoaka, amin’ny maha tompon’andraikitra ambony azy ireo eto amin’ny Firenena. Nomarihiny tamin’izany ny fahaizana mandanjalanja ny fomba fiteny sy ny fihetsika, fa indrindra ny fitantanana mahitsy na « intégrité ».Tafiditra ao anatin’ny vanim-potoanan’ny rivodoza isika amin’izao fotoana izao, naneho ny fiaraha-miory amin’ireo mpiray tanindrazana namoy havana sy rava fananana nandritra ny fandalovan’ny rivodoza Freddy tamin’ny faritra maromaro eto Madagasikara ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina. Nisy ny fanentanana nataony ny amin’ny tokony hanamafisana ny firaisankina, ny fifanampiana sy ny fihavanana amin’ny maha Malagasy antsika. Nomeny toromarika, noho izany, ireo minisitra voakasika ny amin’ny tsy maintsy hametrahana fomba fiasa malaky sy haingana ahafahana manarina ireo simba sy hitondrana fanampiana ho an’ireo Malagasy traboina. Ny tenany manokana dia hidina ifotony any amin’ireo faritra izay tena voa mafy tamin’ny fandalovan’iny rivodoza iny.Rehefa vita ny lahateny nataon’ny Filoham-pirenena dia nomena fotoana ireo minisitra vaovao namelabelarana ireo laharam-pahamehana sy fanamby ho tanterahin’izy ireo ato anaty ny enim-bolana

MINISITERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny minisitra ny fandraisana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny milina fanapotehana vy « McIntyre 500HD » miisa 02, izay fanomezana avy amin’ny « Fonds d’Affectation Volontaire du Traité sur le Commerce des Armes »

MINISITERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

Ao anatin’ny fanatanterahana ny tetikasa MIONJO dia nisy ny fifanarahana fampindramam-bola mitentina 200 tapitrisa dolara, izay nifanaovan’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Banky Iraisam-pirenena, ny 17 desambra 2020.Ny tanjon’io tetikasa io dia ny hanatsarana ireo fotodrafitrasa fototra sy ireo asa fivelomana any amin’ireo faritra ambanivohitra any atsimon’ny Nosy, amin’ny alalan’ny fametrahana fampandrosoana andraisan’ny rehetra anjara izay manome lanja ireo vehivavy sy ankizy, sady hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo tompon’andraikitra any an-toerana mba hampiroboroboana ny fandraisan’andraikitr’ireo mponina ho fanatsarana ny tanjona ara-toakaren’izy ireo.Ao anatin’izany dia misy ny fanomezan’ny Minisiteran’ny atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana fanampiana an’ny Sampam-pitantanana ny tetikasa MIONJO, amin’ny alalan’ny « Fonds de Développement Local » (FDL).

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra, noho izany, ny fandefasana amin’ny alalan’ny FDL, ny fanampiana andiany voalohany mitentina 1.696.500.000 Ar ho an’ireo kaominina miisa 29, hanatanterahana ny andiany voalohany amin’ny fanarenana sy fanitarana biraon’ny kaominina ; sy ny fanampiana mitentina 9.160.948.492 Ar ho an’ireo kaominina miisa 26 ho fampandrosoana ireo fotodrafitrasa ara-tsosialy sy ara-toekarena maharitra, izay mifanaraka amin’ny tetiandron’ny drafitr’asa isan-taonan’ny tetikasa MIONJO.

MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola an-tanana ireo hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana ireo fitaovana entina hanatanterahina ny “Projet d’Appui au Développement du Menabe et du Melaky (AD2M) – Phase 2” izay vatsian’ny FIDA vola.

MINISITERAN’NY MPONINA, NY FIAHIANA SOSIALY SY FAMPIVOARANA NY VEHIVAVY

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra fa ny ivon’ny fankalazana ny andro iraisampirenena ho an’ny zon’ny vehivavy, 8 martsa 2023, dia hatao eto Antananarivo, Faritra Analamanga. 

Eo ambany fitarihan’ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika, Ramatoa Mialy Rajoelina, ny lohahevitra entina hanamarihana izany manerana ireo Faritra 23 amin’ity taona ity dia “Fanabeazana ny ankizivavy, fampizakan-tena ny vehivavy, antoky ny fampandrosoana lovain-jafy”.Nosafidiana manokana io lohahevitra io mba hanentanana ireo tompon’andraiki-panjakana, ireo mpisehatra rehetra ary ny vahoaka iray manontolo mba hihetsika amin’ny fanatsarana ny fahafahan’ireo ankizy vavy malagasy misitraka fanabezana sy fanomezana ireo vehivavy malagasy fahafahana hahaleo tena.

II- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 052 tamin’ny 12 janoary 2022 manendry an’Atoa. FANOLANA REFONIRA Augustin, ho Talem-paritry ny fanajariana ny tany sy fananan-tany ao Androy

MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Atoa NDREMITSARA Jean Baptiste Tarzan, ho Tale Jeneralin’ny « Institut National de la Statistique »
  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Atoa. RANDRIANOELY Herilala Augustin, ho « Directeur de la Surveillance Douanière »

MINISITERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Atoa. RABEMANANTENA Herschel Faguet, ho  » Directeur d’Appui Technique, de la Logistique et du Patrimoine »

Noraisina ny didim-panjakana, manafoana ireo fanendrena sasantsany ary manendry ireto Governora manaraka ireto :

  • Governoran’ny Faritra Diana : Atoa. RAKOTOMANGA Taciano
  • Governoran’ny Faritra Amoron’i Mania: Ramatoa FOMENDRAZA Haingo Elisette
  • Governoran’ny Faritra Ihorombe: Docteur Clarisse Eugénie RAMANANJARASOA
  • Governoran’ny Faritra Alaotra Mangoro: Docteur RAMAROSANDRATANA Guy

Natao ny 22 febroary 2023
Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta
Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina
Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO
Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,
Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe
Ny Fiadidiana ny Repoblika
Lova Hasinirina RANOROMARO

Alarobia 15 febroary 2023 – Lapam-panjakana Iavoloha

Notanterahina androany ny Filan-kevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

I- FAMPITANA AM-BAVA

MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nandritra ny fihaonan’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA tamin’ireo mpisehatra amin’ny lavanila, tamin’ny herinandro lasa teo dia nisy ireo mpandraharaha nitaraina fa nanomboka ny fisokafan’ny taom-piasana lavanila 2022- 2023 dia mbola tsapa ho mihisatra ny famerenana ny asa, indrindra ireo mpanondrana lavanila amin’ny alalan’ny sambo. Manahy ny tsy fahafahana manaja ilay 90 andro, fe-potoana ara-dalàna hamerenana ny vola avy any ivelany (rapatriement de devises) ireo mpandraharaha.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra, araka izany, ny fanomezana fe-potoana fanampiny ho azy ireo, ka hitarina ho 120 andro ny fetra fahafahana mamerina ny vola avy any ivelany, manomboka amin’ny andro hiaingan’ny entana. Natokana ho an’reo mpandraharaha manondrana lavanila amin’ny sambo ihany anefa izany fanalavana fe-potoana izany.

MINISITERAN’NY ATI-TANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA + MINISITERAN’NY FITSARANA + MINISITERAN’NY ASA, NY FAMPANANANA ASA, NY ASAM-PANJAKANA ARY NY LALANA SOSIALY

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny minisitra ny fandraisana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fitaovana informatika hatolotra ny minisiteran’ny ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana, ny minisiteran’ny fitsarana ary ny minisiteran’ny asa, ny fampanana asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy.

Fitaovana avy amin’ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampandrosoana (PNUD), tafiditra ao anatin’ny tetikasa RINDRA izay natao hanamafisana ny Fanjakana tsara tantana eto Madagasikara.

MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA, NY VAROTRA ARY NY FANJIFANA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ny fiara tsy mataho-dalana TOYOTA LAND CRUISER PICK-UP DOUBLE CABINE, miisa 4 izay hampiasaina ao anatin’ny tetikasa fampandrosoana ny faritra fanodinana sakafo ho vokatra indostrialy any Atsimo Andrefana (PTASO).

Tetikasa vatsian’ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana (BAD) vola, araka ny fifanarahana nosoniavina tamin’ny 5 oktobra 2020. Efa tamin’ny 7 desambra 2022 no tonga any amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ireo fiara ireo.

MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBARATONGA AMBONY SY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

Ny 02 Janoary 2023 lasa teo no nisian’ny haitrano teny amin’ny toeram-ponenan’ny mpianatra teny Vontovorona. Mpianatra 168 no tra-pahavoazana, izay napetraka amin’ny toerana vonjimaika ankehitriny. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanaovana ho asa maika ny fanamboarana ny trano fonenan’ireo mpianatra ireo mba hanalefahana ny pitsopitsony ara-panjakana amin’ny tsenan’asa fanamboarana. Nankatoavina ihany koa ny hanomezana tetibola fanampiny ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony mba ahafahana miroso avy hatrany amin’ny asa.

MINISITERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ny fitaovam-pianarana avy amin’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana « UNICEF » izay fanomezana ho an’ny Minisiteran’ny Fanabezam-pirenena.

MINISITERAN’NY ASA VAVENTY + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY FITANTANAM-BOLA

Efa tafiditra tanteraka amin’ny asa fanamboarana ny lalambe migodana (autoroute) voalohany eto Madagasikara ny orinasa « SAMCRETE Engineers & Contractors » izay nahazo ny tsenan’asam-panjakana mikasika izany ankehitriny. Raha tsiahivina dia ny tapany voalohany amin’ity lalambe mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina, izay mirefy 80km no nanombohana azy. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampidirana eto Madagasikara ny fitaovana sy kojakoja rehetra ary ny milina hanamboarana ny lalana, amin’ny alalan’ny antsoina hoe « régime d’admission temporaire ».

Izany hoe ekena eny anivon’ny fadin-tseranana fa hampidirina ireo fitaovana samihafa ireo, izay voamarina fa tena ilaina amin’ny asa fanamboaran-dalana, fa ao anatin’ny fotoana voafetra ihany mandra-pahavitan’ny asa. Ka rehefa vita ny asa dia ekena hivoaka ny fadin-tseranana indray ny famoahana azy ireo miala eto Madagasikara. Mifanaraka amin’izay fepetra izay ny hetra sy ny haban-tseranana aloan’ny orinasa amin’ny fampidirana ireo fitaovana sy milina samihafa ireo. Izany dia manaja tanteraka ny voalazan’ny andininy 11.1 amin’ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana Malagasy, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy sy ny orinasa SAMCRETE.

MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

Ho fanatanterahana ny fanapahan-kevitry ny Filan-kevitry ny Minisitra tamin’ny 11 Janoary 2023 lasa teo dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezana sora-bola ho an’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana, ao anatin’ny tetikasa « Nouveaux Projets d’Emergence » na NPE ahafahana mametraka haingana ilay milina fampifangaroana sy famonosana ny zezika azo avy amin’ny NPK sy ny « Sulfate d’ammonium », tafiditra ao anatin’ny tetikasa PDSA.

Ny Fanjakana Malagasy dia mahatsapa ny fahasahiranan’ny tantsaha amin’io resaka zezika io, satria lasa midangana ny vidiny eto an-toerana vokatry ny fiakaram-bidin’ny zezika simika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny fiakaran’ny sara-pitaterana avy any ivelany miditra eto Madagasikara. Efa nanome toromarika mazava ny Filohan’ny Repoblika Andriamatoa Andry RAJOELINA mba hanafainganana ny fizarana ny zezika amin’ny tantsaha, ka ny vinavina dia ny volana Jona 2023 no hanomboka izany.

Tafiditra tanteraka ao anaty ny vanim-potoana mampirongatra ny valala isika eto Madagasikara ankehitriny. Nanomboka ity volana Febroary 2023 ity dia efa misy ireo andiam-balala eny antampon’Ihorombe ary efa manambana koa izy ireo any amin’ny faritra Menabe, Vakinankaratra ary Bongolava. Manoloana izany dia misy asa maika tsy maintsy atao, ka nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanalefahana ny pitsopitsony ara-panjakana amin‘ny fifanaraham-piaraha-miasa tsy maintsy ataon’ny Minisitera amin’ireo orinasa tsy miankina afaka manome tosika amin’ny fampitaovana ilaina amin’ny ady amin’ireo andiam-balala ireo. Tsy maintsy tanterahina ao anatin’ny fifanarahana lasitra na « contrat cadre » kosa anefa izany fiarahamiasa amin’ny tsy miankina izany.

Marihina fa ny Banky Iraisam-pirenena no mpiara-miombon’antoka amin’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana amin’ny ady atao, ary tombanana hatrany amin’ny 400.000 hektara ny velaran-tany ho voatondraka fanafody famonoana valala ao anatin’izany asa maika tsy maintsy atao izany.

MINISITERAN’NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana fitaovana sy kojakoja informatika ao anatin’ny tetikasa « fiaraha-miombon’antoka ho an’ny fahaiza-mitantana ny an-dranomasina sy sisin-dranomasina, sy ny fitantanana ny jono mba hisian’ny fampandrosoana manga maharitra (GCP/SFS/005SWE).

Tetikasa izay vatsian’ny « Agence Suédoise de Coopération Internationale pour le Développement » vola ary ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana momba ny Sakafo sy ny Fambolena (FAO) no mandrindra azy.

MINISITERAN’NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FANOFANA ARAK’ASA

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny fitokanana ny toeram-piofanana arak’asa matihanina ho an’ny vehivavy (CFPF) ao Mananjary izay vita fanarenana tanteraka, sy ny efitrano fianarana vao natsangana sy nitarina misy efitra fianarana miisa 3 ao amin’ny foibem-piofanana arak’asa ao Tsianolondroa Fianarantsoa.

Izy ireo dia vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Asa (OIT) ary natokana ho an’ireo vehivavy marefo, indrindra ireo tra-pahavoazana tamin’ny rivodoza nifanesy tamin’ny taona 2022. Marihina fa atao eo ambany fiahian’ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika, Ramatoa Mialy RAJOELINA ny fitokanana noho ny fanomezany lanja ny fampiroboroboana ny vehivavy.

II- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

FIADIDIANA NY REPOBLIKA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 98-404 tamin’ny 29 may 1998 ary manendry an’Andriamatoa RAHARINIAINA Angelinà, ho « Directeur Inter Régional de l’Inspection Générale de l’Etat » eto Antananarivo.

MINISITERAN’NY FITSARANA

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2021-069 tamin’ny 20 janoary 2021 ary manendry an’Andriamatoa ANDRIANARIVELO Tolotra Elie, ho « Directeur Administratif, Financier et de la Programmation Budgétaire » an’ny Sekolim-pirenena manofana ho Mpitsara sy Mpiraki-draharaha na ENMG.

MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR’ANDRO

  • Noraisina ny didim-panjakana manendry ny Kolonely DAMASY Gervais ho Tale Jeneralin’ny « Aviation Civile de Madagascar » (ACM).

III- FANAFOANANA

MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY

  • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2021- 1126 tamin’ny 20 oktobra 2021 ; laharana 2022-051 tamin’ny 12 janoary 2022 ; laharana 2022-053 tamin’ny 12 janoary 2022 ; laharana 2022-054 tamin’ny 12 janoary 2022 ; laharana 2022-058 tamin’ny 12 janoary 2022 ary laharana 2022- 211 tamin’ny 10 febroary 2022, izay nanendry ireo Talem-paritry ny Fanajariana ny tany sy ny Fananan-tany.

Natao ny 15 febroary 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO


Alarobia 08 febroary 2023

Alarobia 01 febroary 2023

Nisy ireo fampitana am-bava samihafa izay nankatoavina teo anivon’ny Filan-kevitry Minisitra natao ny 01 febroary 2023. Anisan’izany:

● Ny fitokanana ny Foibem-pibaikoana ireo hetsika vonjy aina ao anatin’ny fiatrehana ny ambana sy ny loza ara-boajanahary izay hiandraiketan’ny BNGRC

● Ny hanaovana ny antso ho an’ireo mpiara-miombon’antoka, firenena vahiny, fikambanana iraisam-pirenena sy fikambanana tsy miankina amin’ny Fanjakana ary ny fiarahamonim-pirenena mba handefa mpanara-mason’ny fifidianana na iraisam-pirenena na avy eto an-toerana ihany koa, izay hiasa mandritra ny fanomanana ny fifidianana hifanesisesy hatrehantsika eto Madagasikara manomboka amin’ny faran’ity taona 2023 ity

● Ny fanendrena ny mpikambana ao anatin’ny Filankevim-pitantanan’ny « Aviation Civile de Madagascar » (ACM).

Alarobia 18 janoary 2023

Nisy ireo fampitana am-bava samihafa izay nankatoavina teo anivon’ny Filan-kevitry Minisitra natao ny 18 janoary 2023. Anisan’izany:

● Ny handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fihaonana an-tampon’ireo Filoham-panjakana sy Lehibena Governemanta aty Afrika mikasika ny fambolena sy ny sy fanodinana vokam-pambolena izay hatao any Dakar Sénégal, ny 25 ka hatramin’ny 27 janoary 2023.

● Ny fanomezana alalana mialoha (autorisation d’engagement préalable) amin’ny asa fanamboarana rehetra amin’ireo lalam-pirenena, tsy hanaraka ny pitopitsony mahazatra takiana amin’ny maha-tsenan’asam-panjakana azy.

● Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ihany koa ny didim-panjakana mampiakatra ny tambin-karaman’ny Sefo Fokontany sy ny Lefiny, araka ny efa nampanantenain’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina nandritra ny lahateny nataony tamin’ny faran’ny taona 2022.

?Afaka tsidihina amin’ity rohy manaraka ity, ny andinindinin’izany tatitry ny Filan-kevitry ny Minisitra ny datin’ny 18 janoary 2023 izany:

https://www.presidence.gov.mg/…/conseil-des-ministres.html