Home > Actus > FIARAHABANA SY FIRARIAN-TSOA NOHO NY TAOM-BAOVAO 2024

Notanterahina ny alatsinainy faha 08 janoary 2024 tetsy Anosy ny fiarahabana ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Andriamatoa TOKELY Justin, tratry ny taom-baovao 2024.

Nandritra izany no nanaovany tombana fohy ny asa vita ny taona 2023 sy fanentanana ny mpiara-miasa amin’ny fanaovana laharam-pahamehana hatrany ny asam-panjakana ho fanasoavana ny vahoaka.

Nanome toky ny mpiara-miasa fa vonona ny hanao ezaka mihoatra noho ny tamin’ny taon-dasa mba hanatrarana ireo vina vaovao napetraky ny Fitondram-panjakana.