Home > Actus > πƒπˆπ’π“π‘πˆπŠπ€π’𝐈 π€πŒππˆπ‹πŽππ„: πšƒπ™Ύπ™½π™Άπ™° π™½π™°π™½π™Ύπ™»π™Ύπšƒπšπ™° 𝙡𝙰𝙽𝙰𝙼𝙿𝙸𝙰𝙽𝙰 𝙷𝙾 𝙰𝙽’π™Έπšπ™΄π™Ύ 𝙾𝙻𝙾𝙽𝙰 π™Όπ™°πšπ™΄π™΅π™Ύ πš…π™Ύπ™Ίπ™°πšƒπšπšˆ π™½πšˆ π™Ύπšπ™°π™Ό-𝙱𝙴 π™½πšˆ π™Όπ™Έπ™½π™Έπš‚π™Έπšƒπšπšˆ π™½πšˆ π™°πšƒπ™Έπšƒπ™°π™½πšˆ, π™°π™½π™³πšπ™Έπ™°π™Όπ™°πšƒπ™Ύπ™° πšƒπ™Ύπ™Ίπ™΄π™»πšˆ π™Ήπšžπšœπšπš’πš—.

Fanomezana avy amin’ny Fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny BNGRC izay mitotaly vary 3.150 kg, voamaina 750kg ary menaka 294l no natolotry ny Minisitry ny Atitany, Andriamatoa TOKELY Justin, ho an’ireo tokantrano marefo miisa 294 izay nitondra takaitra noho ny oram-be mikija taty amin’ny Distrikan’i Ambilobe.

Nisitraka vary 12,5kg, voamaina 3kg ary menaka 1l avy ny isan-tokantrano.

Ireo Kaominina efatra tena voakasiky ny tondra-drano no nizarΓ na ireo fanomezana ireo ny alakamisy faha 25 janoary 2024 dia ny Kaominina Beramanja, Mantaly, Tanambao Marivorahona ary Antsaravibe.