Home > Actus > KOMITY LOHARANO : AMPANDRAISINA ANDRAIKITRA NY MPONINA ENY ANIVON’NY FOKONTANY

Ao anatin’ny fametrahana ny fanjakana tsara tantana, izay anankiray amin’ireo andry telo lehibe hiorenan’ny fanatanterahana ny politika ankapoben’ny fanjakana, dia anisan’ny fenitra takiana ny fangaraharana sy ny fahombiazan’ny asa atao. Araka izany dia notapahin’ny filan-kevitry ny Minisitra ny 20 desambra 2023 ireo asa maika hotanterahin’ny Governemanta ao anatin’ny 100 andro voalohan’ny fitondran’ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry RAJOELINA, amin’ity fe-potoam-piasana vaovao ity.

Ho an’ny Ministeran’ny Atitany dia ny fametrahana sy ny fampandehanana ny komity Loharano manerana ny Fokontany rehetra eto Madagasikara no lahasa tanterahina anatin’ny 100 andro.

Ny komity Loharano dia vovonana iaraha-mitantana atsangana eny anivon’ny Fokontany izay ahitàna mpikambana sivy farafahakeliny ka ny Lehiben’ny Fokontany no mitarika azy.

Fanaovana tantsoroka ny tomponandraikitry ny Fokontany, fanadihadiana ny zava-misy eny ifotony sy fanolorana vahaolana ho an’ireo rafitra eo ambony mahakasika ny raharaha sy hetsika ara- tsosialy, ny fandriam-pahalemana, ny fotodrafitrasa, ny tontolo iainana, ny rano, ny fidiovana sy ny fanadiovana no andraikitra iantsorohan’ny komity.

Amin’izao ampahany voalohany amin’ny 100 andro izao dia efa mipetraka avokoa ireo komity Loharano isam-pokontany, tamin’ny alalan’ny Didim-pitondrana noraisin’ireo solotenam-panjakana (Lehiben’ny Fileovana sy Lehiben’ny Distrika). Efa voatendry ihany koa ireo mpikambana anatin’ny komity tamin’ny alalan’ny Fanapahana noraisin’iretsy farany.

Marihina fa ny lehiben’ny Fokontany no manolotra ny anaran’izy ireo araky ny tapaky ny fivoriam-ben’ny mponina feno valo ambiny folo taona no mihoatra.

Ankehitriny dia efa misy ny torolalana novolavolain’ny Ministeran’ny Atitany momba ny andraikitra sy ny fiasan’ny komity Loharano ary ho tanterahina tsy ho ela ny fampiofanana an’ireo mpikambana ao amin’ireo komity ireo.

Imasoana araka izany ny fitantanan-draharaham-panjakana manakaiky vahoaka amin’ny alalan’ny fametrahana an’ity komity ity eny anivon’ny Fokontany izay rafitra ara-panjakana manakaiky ny vahoaka indrindra.