Home > Actus > π——π—œπ—¦π—§π—₯π—œπ—žπ—”π—‘’π—œ 𝗧𝗦𝗔π—₯𝗔𝗧𝗔𝗑𝗔𝗑𝗔, 𝗙𝗔π—₯π—œπ—§π—₯𝗔 π—•π—˜π—§π—¦π—œπ—•π—’π—žπ—” : π¦πšπ§π¨π¦π›π¨π€πš 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐨𝐟𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 π¦π©π’π€πšπ¦π›πšπ§πš 𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 𝐊𝐨𝐦𝐒𝐭𝐲 π‹π¨π‘πšπ«πšπ§π¨.

Nosantarina ny zoma faha 23 febroary 2024, tao amin’ny efitrano malalaky ny kaominina ambonivohitra Tsaratanana, ny fanofanana ny Komity Loharano ao Tsaratanana ambonivohitra.

Nitarika izany ny Lehiben’ny Distrikan’i Tsaratanana izay notronin’ny Ben’ny Tanana, ny Lehiben’ny Boriborintany, ny Lehiben’ny ala sy ireo tompon’andraikitra avy eo anivon’ny fitandroana ny filaminana.

Niompana tamin’ny fampahafantarana ny anjara asan’ny Komity Loharano sy ireo voamiera mandrafitra izany ny laha-dinika. Izany rehetra izany dia narahin’ny fifanakalozan-kevitra amin’izay hampandehanana an’ity Komity ity.

Nirary ny hisian’ny fiaraha-miasa mavitrika amin’ireo mpikambana amin’ny Komity moa ireo lehiben’ny sampan-draharaham-panjakana nasaina.

FANJAKANA MANAKAIKY VAHOAKA