Home > Actus > 𝗙𝗔𝗡𝗘𝗧𝗦E𝗛𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗞𝗢𝗠𝗜𝗧𝗬 𝗟𝗢𝗛𝗔𝗥𝗔𝗡𝗢

Notontosaina ny alarobia 21 sy ny alakamisy faha 22 febroary 2024 ny fampiofanana ireo mpikambana ao anatin’ny Komity Loharano eo anivon’ny Distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Ireo mpikambana avy amin’ireo Fokontany ao anatin’ny Kaominina Bemasoandro, Ankadimanga, Andranonahoatra, Tanjombato ary Ambohijanaka no nisitraka ny fampiofanana.

Nitarika ny fampiofanana ny Lehiben’ny Distrika, izay notronin’ny Lehiben’ny Boriborintany sy ny solontena avy amin’ny sampandraharaha maro samihafa.

Hita sy tsapa nandritry ny fiofanana ny fahavitrihan’ny mpikambana rehetra izay manana fahavonona ihany koa amin’ny fandraisana andraikitra isaky ny vaomiera misy azy ireo.

Marihina fa ahitàna vaomiera efatra ny komity Loharano iray dia ny vaomiera misahana ny fandriam-pahalemana, vaomiera misahana ny fotodrafitrasa, vaomiera misahana ny asa sosialy ary vaomiera misahana ny tontolo iainana, ny rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana.

“Ankasitrahanay ny fananganana an’ity komity ity satria manampy sy manamaivana ny asanay, ary ireo mpikambana ao aminy dia toy ny masoivohonay eny anivon’ny fiaraha-monina ka miara-mijery ny tombontsoan’ny vahoaka sy ny fampandrosoana ny Fokontany” araky ny fanehoan-kevitry ny Lehiben’ny Fokontany iray.

Araka izany dia hifanome tanana sy hifanohana amin’ny Komitim-pokontany ny Komity Loharano mba hampivoatra ny fitantanana ary hijery sy hanolotra vahaolana manoloana an’izay tena manahirana ny vahoaka eny ifotony hoy ny fanazavan’ny Lehiben’ny Distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Hitohy isaky ny Kaominina anio zoma faha 23 febroary 2024 ny fampiofanana ny mpikambana amin’ny Komity Loharano ato anatin’ny Distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

𝔽𝔸ℕ𝕁𝔸𝕂𝔸ℕ𝔸 𝕄𝔸ℕ𝔸𝕂𝔸𝕀𝕂𝕐 𝕍𝔸ℍ𝕆𝔸𝕂𝔸.