Home > Actus > π…π€ππ‰π€πŠπ€ππ€ 𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀 𝐓𝐀𝐍𝐓𝐀𝐍𝐀, π…π€ππ‰π€πŠπ€ππ€ πŒπ€ππ€πŠπ€πˆπŠπ˜ π•π€π‡πŽπ€πŠπ€

ASA MAIKA 100 ANDRO : FANANGANANA SY FAMPANDEHANANA NY KOMITY LOHARANO ISAKY NY FOKONTANY MANERANA AN’I MADAGASIKARA.

Ampahatsiahivina etoana fa io no anjara asa maika voafaritra teo anivon’ny Filan-kevitry ny Minisitra fa ho tanterahin’ny Ministeran’ny Atitany anatin’ny 100 andro, ka 𝒆𝒇𝒂 π’Žπ’Šπ’•π’”π’‚π’π’ˆπ’‚π’π’‚ π’‚π’—π’π’Œπ’π’‚ π’‚π’π’Œπ’†π’‰π’Šπ’•π’“π’Šπ’π’š π’Šπ’“π’†π’ π‘²π’π’Žπ’Šπ’•π’š 𝑳𝒐𝒉𝒂𝒓𝒂𝒏𝒐 π’Šπ’”π’‚π’Ž-π’‘π’π’Œπ’π’π’•π’‚π’π’š.

Nisy ihany koa ny Distrika natao filamatra amin’ny fanetsehana an’ireo Komity ireo dia ny Distrikan’ Antananarivo voalohany sy ny Distrikan’ Antananarivo Atsimondrano izay efa samy nahatanteraka ny fampiofanana ny mpikambana rehetra anatin’ny Komity.

πŸ‘‰ πƒπ’π¬π­π«π’π€πšπ§β€™ π€π§π­πšπ§πšπ§πšπ«π’π―π¨ π€π­π¬π’π¦π¨π§ππ«πšπ§π¨, π…πšπ«π’π­π«πš π€π§πšπ₯𝐚𝐦𝐚𝐧𝐠𝐚:

Ho an’ny Distrikan’ Antananarivo Atsimondrano dia efa nahatontosa ny fivoriana voalohany izay namaritana ny vinavinan’asa ho tanterahiny avokoa ireo Komity Loharano miisa 206 ary efa mirotsaka an-kianja manatanteraka izany avokoa ny ankamaroan’izy ireo nanomboka tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Anisan’izany ny fanentanana momba ny fahadiovana sy ny tontolo iainana, ny sosialy, sy ny maro hafa.

πŸ‘‰ πƒπ’π¬π­π«π’π€πšπ§β€™π’ 𝐌𝐚𝐧𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐚𝐧𝐚, π…πšπ«π’π­π«πš 𝐀𝐦𝐨𝐫𝐨𝐧’𝐒 𝐌𝐚𝐧𝐒𝐚:

Ny Kaominina Ambohimilanja kosa no nisantatra ny fanofanana ny mpikambana anatin’ny Komity Loharano ao anatin’ny Distrikan’i Manandriana. Tontosa ny talata faha 27 febroary 2024 teo izany.

πŸ‘‰ πƒπ’π¬π­π«π’π€πšπ§β€™ π€π§π­πšπ§πšπ§πšπ«π’π―π¨ 𝐟𝐚𝐑𝐚-𝐞𝐧𝐒𝐧𝐚, π…πšπ«π’π­π«πš π€π§πšπ₯𝐚𝐦𝐚𝐧𝐠𝐚

Mpikambana anatin’ny Komity Loharano avy amin’ireo Fokontany miisa 31 mandrafitra ny Distrikan’ Antananarivo faha-enina no nahazo fiofanana omaly alarobia faha 28 febroary 2024. Nozaraina telo izy ireo araka ny faritra misy azy ireo avy ka tao amin’ny Fokontany AvaratanΓ na, Fokontany Antanety Atsimo sy Fokontany Ambodivonkely no nanantanterahana izany.

πŸ‘‰ πƒπ’π¬π­π«π’π€πšπ§β€™π’ π“π¨πšπ¦πšπ¬π’π§πš 𝐯𝐨𝐚π₯𝐨𝐑𝐚𝐧𝐲, π…πšπ«π’π­π«πš π€π­π¬π’π§πšπ§πšπ§πš:

Notontosaina omaly alarobia faha 28 febroary 2024 ihany koa ny famoriana sy fanofanana ireo mpikambana anatin’ny Komity Loharano avy amin’ireo Fokontany miisa 72 mandrafitra ny Boriborintany Ankirihiry sy Tanambao V. Marihina fa nozaraina roa ny fanofanana ka ity no andiany voalohany, ary hotanterahina amin’ny fotoana hafa ny fanofanana ireo Komity Loharano avy amin’ireo Fokontany ambiny mandrafitra ny Boriborintany Morarano, Anjoma sy Ambodimanga.

πŸ‘‰ πƒπ’π¬π­π«π’π€πšπ§’𝐒 𝐌𝐚𝐫𝐨𝐯𝐨𝐚𝐲, π…πšπ«π’π­π«πš 𝐁𝐨𝐞𝐧𝐲:

Nitarika ny fivoriana ho fanetsehana sy fanofanana ny Komity Loharano ao ambonivohitr’i Marovoay ny Lehiben’ ny Distrika ao an-toerana omaly alarobia faha 28 febroary 2024.

Nanatrika izany ireo sampandraharaham-panjakana, ireo Lehiben’ny Boriborintany sy Lehiben’ny Fokontany.

Aorian’izao fampiofanana izao dia hamolavola sy hametraka ny drafitr’asa ho tanterahina ny Komity tsirairay.

πŸ“’πŸ“’πŸ“’ Raha fintinina hatreto dia maha-velombolo ny fahavitrihan’ny mpikambana ary Β« rafitra iray ahafahan’ny isam-pokontany manamafy ny fandraisana andraikitra amin’ny fampandrosoana tsy mitanila eny ifotony ity Komity Loharano ity Β» hoy ny hevitry ny mpikambana iray.

FANJAKANA MANAKAIKY VAHOAKA