Home > Actus > π‡πˆπ“π€π‘πˆπŠπ€ 𝐍𝐘 ππŽπ‹πˆπ“πˆπŠπ€πŒ-ππ€ππ€π•π€πŽπ™π€ππ€ 𝐍𝐘 π…πˆπ€ππŠπŽπ‡πŽππ€ππ€ π’π˜ 𝐍𝐘 π…π€πŒπ€ππ“π€π‘π€ππ€ 𝐍𝐘 πŒπ€π‡π€-πŽπ‹πŽππ€ π„ππ˜ π€ππˆπ•πŽπ’𝐍𝐘 π‹π€π…πˆπ“π€ππ˜ πˆπ‘π„πŽ π’πŽπ‹πŽπ“π„ππ€πŒ-ππ€ππ‰π€πŠπ€ππ€

Miantoka ny fisiana ara-panjakana ho an’ny olona iray ny fiankohonana ka izay indrindra no nahatonga ny Governemanta Malagasy hanao vaindohan-draharaha ny fanavaozana izany ka hirosoana amin’ny fanomezana laharam-panondroana manokana ny olom-pirenena tsirairay.

MitΓ na andraikitra lehibe amin’ny fanatanterahana an’ity politikam-panavaozana ny fiankohonana ity ny Prefe sy Lehiben’ny Distrika amin’ny alalan’ny fanaovana tantsoroka sy fandrindrana ny asa rehetra eo anivon’ny fari-piadidiany. Araka izany dia nisy ny atrikasa izay notanterahina teto Mahajanga ny 13, 14 sy 15 martsa 2024 izay nivondronan’ireo Solotenam-panjakana rehetra manerana ny Nosy ka namelabelarana sy nifanakaloan-kevitra momba ny andraikitra ho sahanin’izy ireo ao anatin’izany. Nanatrika sy namarana izany atrikasa izany amin’ny fomba ofisialy ny Minisitry ny Atitany, Andriamatoa TOKELY Justin.

Maro ireo asa fanavaozana ny fiankohonana sy ny famantarana ny maha-olona izay tanterahin’ny Ministeran’ny Atitany amin’ny alalan’ny CNECI, ary anisan’izany ny firaketana ny fahaterahana « enregistrement systΓ©matique des naissancesΒ Β» izay arahin’ny fanomezana laharam-panondroana manokana (NUI). Marihina fa miisa 7 750 ireo laharam-panondroana manokana efa nozaraina hatramin’izao teo anivon’ireo Kaominina enina nanaovana andrana ( Kaominina Antananarivo renivohitra – Boriborintany fahaefatra, Kaominina Toamasina I sy II, Kaominina Fanandrana, Foulpointe sy Anjahamana), ary hitohy amin’ny Kaominina 57 hafa izany manomboka amin’ity volana ity. Hirosoana tsy ho ela ihany koa ny fanaovana ny kara-panondro biometrika.

Zava-dehibe amin’ny fanatanterahana ny fanavaozana ny fiankohonana sy ny famantarana ny maha-olona ny fampahafantarana sy fanentanana ny rehetra momba ny lanjan’ny fiankohonana, indrindra fa ny fanomezana ny laharam-panondroana manokana izay hanamora kokoa ny fisitrahan’ny tsirairay ny zony sy ny tolo-draharaham-panjakana.

——————————————–

π‘π„π…πŽπ‘πŒπ„ 𝐃𝐄 𝐋’𝐄𝐓𝐀𝐓 π‚πˆπ•πˆπ‹ 𝐄𝐓 𝐃𝐄 𝐋’πˆπƒπ„ππ“πˆπ“π„ : 𝐋𝐄𝐒 𝐑𝐄𝐏𝐑𝐄𝐒𝐄𝐍𝐓𝐀𝐍𝐓𝐒 𝐃𝐄 𝐋’𝐄𝐓𝐀𝐓 𝐋𝐄𝐀𝐃𝐄𝐍𝐓 𝐋𝐄𝐒 π€π‚π“πˆπŽππ’ 𝐀𝐔 ππˆπ•π„π€π” π“π„π‘π‘πˆπ“πŽπ‘πˆπ€π‹

Garant de l’existence juridique d’une personne, l’Γ©tat civil est actuellement au centre des rΓ©formes menΓ©es par le Gouvernement Malagasy, une rΓ©forme qui tend vers l’attribution d’identifiant unique Γ  chaque citoyen.

Dans leur rΓ΄le de coordination, d’appui et d’encadrement au cours de ce processus de rΓ©forme de l’Γ©tat civil et de l’identitΓ© (RECI), les PrΓ©fets de Police, PrΓ©fets et Chefs de District sont actuellement prΓ©parΓ©s aux grands chantiers de ladite RECI. En effet, suite Γ  l’atelier de trois jours qui s’est tenu Γ  Majunga du 13 au 15 mars 2024, auquel tous les ReprΓ©sentants de l’Etat ont rΓ©pondu prΓ©sents, ces derniers ont pu s’approprier davantage de la politique publique de territorialisation de la RECI.

A l’heure actuelle, des actions de rΓ©forme sont menΓ©es par le MinistΓ¨re de l’IntΓ©rieur via le Centre national d’Γ©tat civil et de l’identitΓ© (CNECI). Il en est ainsi de l’enregistrement systΓ©matique de naissance auprΓ¨s des sites pilotes, suivi de l’attribution de NumΓ©ro Unique d’Identification (NUI), dont le chiffre s’Γ©lΓ¨ve en ce jour Γ  7 750 NUI dΓ©livrΓ©s. Six Communes ont Γ©tΓ© choisis comme sites pilotes (CU Antananarivo – 4Γ¨me arrondissement, CU Toamasina, CR Fanandrana, CR Foulpointe, CR Toamasina Suburbaine et CR Anjahamana), et le courant de ce mois, cette rΓ©forme sera dΓ©ployΓ©e vers 57 autres Communes. Aussi, la mise en place de la carte nationale d’identitΓ© biomΓ©trique dΓ©butera sous peu.

Dans le cadre de la RECI, les actions d’information et de sensibilisation citoyenne sur l’importance de l’Γ©tat civil, davantage sur l’attribution de NUI, qui garantit entre autres Γ  tous citoyens l’accΓ¨s facile aux services de l’Etat, doivent se poursuivre Γ  tous les niveaux.