Home > Actus > HANAMPY AN’I MADAGASIKARA AMIN’NY SEHATRY NY ARO VOINA NY REPOBLIKA FRANTSAY

Fiaraha-miasa maharitra no misy eo amin’ny Madagasikara sy Frantsa eo amin’ny lafiny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza, ary nohamafisina androany alakamisy faha 04 aprily 2024, tamin’ny alalan’ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny roa tonta izany. Teny amin’ny biraon’ny BNGRC no nanatanterahana ny lanonana fanaovan-tsonia an’ity fifanaraham-piaraha-miasa vaovao izay miompana amin’ny lafiny aro voina (protection civile) ity.

Izao fiaraha-miasa izao dia manamarika ny fahavononan’ny andaniny sy ny ankilany amin’ny fanamafisana ny sandan-tohitr’i Madagasikara manoloana ny loza maro samihafa.

Nanamafy ny Masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara, SEM Arnaud GUILLOIS fa hitohy maharitra ny tantsoroka ataon’ny Repoblika Frantsay amin’ity lafiny aro voina ity.

******************************

LA RÉPUBLIQUE FRANÇAISE S’ENGAGE POUR LA PROTECTION CIVILE À MADAGASCAR

La poursuite de la coopération Franco-Malgache dans le domaine de la gestion des risques et catastrophes, une coopération de longue date, s’est matérialisée, ce jeudi 04 avril 2024, par la signature de la convention « 𝑴𝑫𝑮𝑪𝑰-𝑨𝑪𝑷𝑪 𝒂𝒑𝒑𝒖𝒊 à 𝒍𝒂 𝒑𝒓𝒐𝒕𝒆𝒄𝒕𝒊𝒐𝒏 𝒄𝒊𝒗𝒊𝒍𝒆 𝒅𝒆 𝑴𝒂𝒅𝒂𝒈𝒂𝒔𝒄𝒂𝒓 ».

Tenue dans les locaux du Bureau National de Gestion des Risques et Catastrophes, la cérémonie de signature de ladite convention marque un engagement des deux parties à renforcer la résilience de Madagascar face aux divers risques et catastrophes.

Cette coopération revêt un caractère « humain, concret » en ce qu’elle touche directement la population.

L’ Ambassadeur de France à Madagascar, SEM Arnaud GUILLOIS, a affirmé l’engagement politique de la France à « poursuivre encore longtemps cette coopération en terme de protection civile » avec Madagascar.