Home > Actus > ๐‘ญ๐‘ฐ๐‘ญ๐‘จ๐‘ด๐‘ฐ๐‘ต๐‘ซ๐‘น๐‘จ๐‘ด-๐‘ท๐‘จ๐‘ฏ๐‘ฌ๐‘ญ๐‘จ๐‘ต๐‘จ ๐‘ป๐‘ฌ๐‘ป๐‘ถ ๐‘จ๐‘ต๐‘ฐ๐‘ฝ๐‘ถ๐‘ต’๐‘ต๐’€ ๐‘ด๐‘ฐ๐‘ต๐‘ฐ๐‘บ๐‘ป๐‘ฌ๐‘น๐‘จ๐‘ต’๐‘ต๐’€ ๐‘จ๐‘ป๐‘ฐ๐‘ป๐‘จ๐‘ต๐’€

Tontosa androany zoma faha -19 avrily 2024 ny fifamindram-pahefana teo amin’ny Minisitry ny Atitany teo aloha, Andriamatoa TOKELY Justin, sy ny Minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany, Andriamatoa Naina ANDRIANTSITOHAINA, izay voatendry ho Minisitra mpisolo toerana ny Minisitry ny Atitany araka ny Didim-panjakana laharana faha-2024-959 tamin’ny 17 avrily 2024, izay manova ny andininy sasany amin’ny Didim-panjakana laharana faha 2024-020 tamin’ny 14 janoary 2024 manendry ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta.

Fisaorana ny mpiara-miasa sy firarian-tsoa amin’ny adidy aman’andraikitra ho sahanin’ny Minisitra vaovao mpisolo toerana : ireo no niompanan’ny lahateny fohy izay nataon’ny Minisitra teo aloha.

Naneho ny fahavononany amin’ny fiaraha-miasa ho fampandehanana ny raharaham-panjakana, indrindra amin’izao fotoam-pifidianana izao kosa ny Minisitra vaovao.

Tamim-pirahalahiana tanteraka no nanatanterahana ny fifamindram-pahefana.