Home > Actus > π—•π—‘π—šπ—₯𝗖 π—‘π—œπ—”π—₯π—”π—žπ—” 𝗑𝗔𝗑𝗔𝗒 π—π—˜π—₯𝗬 π—§π—’π——π—œπ—žπ—” π—§π—”π— π—œπ—‘’π—œπ—₯π—˜π—’ π— π—£π—œπ—”π—₯𝗔-π— π—œπ—’π— π—•π—’π—‘’π—”π—‘π—§π—’π—žπ—” π—”π— π—œπ—‘π—¬ 𝗠𝗒𝗠𝗕𝗔 𝗑𝗬 𝗔𝗦𝗔 π—©π—œπ—§π—” 𝗦𝗬 π—‘π—œπ—”π—₯𝗔𝗛𝗔𝗑𝗔 𝗧𝗔𝗒 π—”π—‘π—”π—§π—œπ—‘’𝗑𝗬 3 𝗧𝗔𝗒𝗑𝗔

Tsy vao sambany fa efa nisy ny fivoriana niaraka teo amin’ny Birao nasionaly misahana ny tandindoza sy ny loza na ny BNGRC sy ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara -teknika amin’ny Madagasikara eo amin’ny sehatry ny fitantanana ny tandindondoza sy ny loza eto amintsika. Tamin’ny 30 septambra 2021 ny fivoriana voalohany ary ity natao teto amin’ny Novotel ity ny fivoriana faharoa,niarahana nijery ny zava-bita sy ny olana nosedraina nefa nahavitana zavatra goavana teto amin’ny firenena tao anatin’izay 3 taona izay.

Notsiahivin’ny Tale Jeneralin’ny BNGRC ,ny Jeneraly ELACK Olivier Andriakaja teto ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miasa hatramin’izay ka nanaovany jery todika sy namelabelarana ny vina navadika ho asa izay efa niarahana ka nanome tanana hatrany ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny BNGRC ireto mpiara-miombon’antoka ireto nanamora izany ny fifandraisana mivantana tamin’ny efa fametrahan’ny ankamaroan’ireo mpiara miombon’antoka ny « Country StratΓ©gie PlaneΒ Β» satria taorian’ny krizin’ny COVID dia niatrika loza voajanahary maro i Madagasikara ny 2022 ,2023 ka hatramin’ity taona 2024 ity.

Ankoatrizay dia voaresaka teto ihany koa ny fanapariahana ny BNGRC any amin’ny faritra ,toy ny any Mahajanga ,Toamasina ny any Atsimo ho fanatsarana hatrany ny fomba fiasa eto anivon’ny BNGRC.

Nilaza ny fahavononany hanome tanana hatrany ny BNGRC moa ireto mpiara-miombon’antoka ireto ary naniry ny hisian’ny fihaonana otrizao isan-taona.

Marihina fa saika tonga teto amin’ny Novotel avokoa ireo mpiara-miombon’antoka ireo izay notarihin’ Andriamatoa Issa SANOGO Mpandrindra maharitry ny Firenena mikambana eto Madagasikara.