Home > Actus > Fivorian’ny OMC ho an’ny faritra DIANA

Fivorian’ny OMC ho an’ny faritra DIANA

Lapan’i Mahazoarivo – 18 mey 2024 – Namory ireo mpikambana ao amin’ny OMC ao amin’ny faritra DIANA ny Praiministra, Lehiben’ny Governemanta Ntsay Christian. Nojerena ireo fepetra tokony ho raisina eo amin’ny lafin’ny filaminana sy fandriampahalemana ato anatin’ny distrika dimy mamaritra ny faritra DIANA.

Nisy araka izany ny fanaovana jery todika ireo fepetra noraisina mahakasika ilay trangana fanjonona tsy ara-dalàna tany Seychelles telo volana lasa izay. Eo ihany koa momba ny fiondranana an-tsokosoka any Mayotte, ny ady amin’ny fangalarana lavanila sy cacao izay miaka-bidy amin’izao fotoana izao. Hisokatra alohan’ny faran’ny volana mey izao ny taom-pihotazana lavalina maitso amin’ity taona ity aty Ambilobe sy Ambanja. Farany, efa ato anatin’ny fotoam-pifidianana ny ho solombavambahoaka isika izao ka ilaina dia ilaina ny hisian’ny filaminana sy fitoniana eo amin’ny vahoaka.

Nandraisana fepetra samihafa avokoa ireo teboka efatra ireo hiantohana ny fandriampahalemana ho an’ny mponina aty Avaratry ny Nosy.