Home > Actus > FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA NATAON’NY DELEGASIONA MPANARA-MASO FIFIDIANANA AVY AMIN’NY VONDRONA AFRIKANINA

Nandray ny delegasiona hisahana ny fanaraha-maso fifidianana avy amin’ny Vondrona afrikanina izay tarihin-dRamatoa KARINE KAKASI SIABA, ny Minisitry ny Atitany mpisolo toerana, Andriamatoa Naina ANDRIANTSITOHAINA, androany alatsinainy faha 27 mey 2024.

Firenena mandala ny demokrasia i Madagasikara, ary fifidianana madio sy mangarahara no hotanterahina ny Alarobia faha-29 mey ho avy izao araky ny nambaran’Andriamatoa Minisitra. Novelabelarin’Andriamatoa Minisitra ihany koa ny andraikitra sahanin’ny Ministeran’ny Atitany momba ny fifidianana dia ny fiantohana ny filaminana mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana.

Anisan’ny teboka nifampiresahan’ny roa tonta ihany koa ny fandraisan’anjara sy ny faharisihan’ny vehivavy amin’ny filatsaham-kofidianana.

Hamoaka tatitra ofisialy momba ny vokatry ny asany amin’ny Governemanta Malagasy ny delegasiona aorian’ny fifidianana.