Home > Actus > π…πˆπƒπˆππ€ππ€ πˆπ…πŽπ“πŽππ˜ π“π€ππ˜ π€πŒπˆπ’𝐍𝐘 π…π€π‘πˆπ“π‘π€ π€π‹π€πŽπ“π‘π€ πŒπ€ππ†πŽπ‘πŽ

Distrika roa, Amparafaravola sy Andilamena, no notsidihin’ny delegasiona notarihin’ny π‘΄π’Šπ’π’Šπ’”π’Šπ’•π’“π’š π’π’š π‘¨π’•π’Šπ’•π’‚π’π’š, π‘Ήπ’‚π’Žπ’‚π’•π’π’‚ 𝑹𝑨𝑯𝑨𝑱𝑨𝑽𝑢𝑳𝑢𝑳𝑢𝑡𝑰𝑨𝑰𝑡𝑨 π‘΅π’Šπ’“π’Šπ’•π’”π’π’‚, ny asabotsy faha 31 Aogositra 2024.

Nisy ny dinikasa niarahan-dRamatoa Minisitra tamin’ireo tompon’andraikim-panjakana rehetra ao amin’ireo Distrika ireo ka nanomezany toromarika mahakasika ny fanatanterahana ny politika ankapoben’ny fanjakana, indrindra ny resaka ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana.

Nandritra izao fitsidihana izao ihany koa dia nitondra fanomezana maro samihafa izy toy ny :

– fitaovam-pianarana (kits scolaires) ho an’ireo ankizy afaka CEPE sy BEPC ary valopy ho an’ireo afaka BAC.

– fanamiana (maillots) sy baolina ho an’ny ekipa baolina kitra miisa efatra,

– valopy ho an’ireo mpianatra afaka fanadinam-panjakana CEPE, BEPC sy BAC.,

– simenitra sy loko entina hanamboarana ny efitrano iray ao amin’ny CEG Maritampona izay tany niaviany,

– Lambahoany amanjatony ho an’ny fikambanam-behivavy,

– Satroka ho an’ireo Fikambanan’ny Zokiolona.

Nitsodrano ny Minisitry ny Atitany amin’izao andraikitra vaovao sahaniny izao ireo Raiamandreny tao Marotampona Amparafaravola sy Andilamena.

Olomboafidy sy olomboatendry, ary vahoaka maro moa no nanotrona an-dRamatoa Minisitra.

Nofaranana tamin’ny nofon-kena mitam-pihavanana ireo fitsidihana ireo ka nanolotra omby iray avy izy tao Maritampona, Amparafaravola ary Andilamena.