Fanatanterahana ny politika ankapoben’ny fanjakana,
fampivoarana ny fitantanan-draharaham-panjakana,
fitandroana ny filaminam-bahoaka,
fanamafisana ny andraikitra sahanin’ireo Lehiben’ny Boriboritany sy Lehiben’ny Fokontany eny anivon’ny fari-piadidiany avy,
Ireo amin’ny ankapobeny no lahadiniky ny fihaonan’ny π΄ππππππππ ππ π¨ππππππ, πΉππππππ πΉπ¨π―π¨π±π¨π½πΆπ³πΆπ³πΆπ΅π°π¨π°π΅π¨ π΅πππππππ, tamin’ireo tompon’andraiki-mpanjakana isan-tsokajiny tao Toamasina ny zoma faha 06 septambra 2024 sy tao Fenoarivo Atsinanana ny asabotsy faha 07 septambra 2024.
Notsindriana manokana nandritra izany ny maha-zava-dehibe ny fidinana ifotony izay tokony ataon’ireo tompon’andraiki-mpanjakana ireo mba hijerena ny filΓ n’ny vahoaka sy hamahΓ na ny olana hatrehan’izy ireo eny anivon’ny Fokontany, Kaominina sy Distrika. Izany rehetra izany dia mifototra amin’ny fomba fitantanana πππππππππ πππππππππ πππππππ.
Nohamafisin-dRamatoa Minisitra ihany koa ny andraikitra lehibe sahanin’ireo Lehiben’ny Boriboritany, Lehiben’ny Fokontany sy ireo π²πππππ π³πππππππ eny ifotony; ireto farany izay tsiahivina fa misehatra amin’ny lafiny maro eny anivon’ny fiarahamonina.
Nanatrika izao fivoriana izao ireo Solotenam-panjakana isaky ny Distrika izay notarihin’ny Lehiben’ny fileovana ao Toamasina sy ao Fenoarivo Atsinanana.