Home > Actus > 𝐓𝐀𝐅𝐀𝐓𝐀𝐅𝐀𝐍’ 𝐍𝐘 πŠπŽπŒπˆπ“π˜ π‹πŽπ‡π€π‘π€ππŽ π’π˜ 𝐍𝐘 π…πŽπŠπŽππŽπ‹πŽππ€

Napetraka ho fomba fiasa ao anatin’ny π‘«π’Šπ’”π’•π’“π’Šπ’Œπ’‚π’’π’Š 𝑴𝑨𝑹𝑢𝑽𝑢𝑨𝒀, Faritra BOENY, ny fivoriam-pokonolona isam-bolana izay tarihin’ny Lehiben’ny Fokontany miaraka amin’ny Komity Loharano. Mandritra izany no hanaovan’ny Komity Loharano ny tatitry ny asany nandritry ny volana sy hitondran’ny fokonolona ny olana misy eny amin’ny fiaraha-monina ka hifanakalozan-kevitra.

Tao amin’ny Fokontany Itandrava, Kaominina Marovoay, no nanombohana an’io fomba fiasa io ny alahady faha 08 septambra 2024 ka ny Lehiben’ny Distrika no nitarika izany.

Noresahana tamin’izany ny lafiny fandriam-pahalemana, sosialy sy fotodrafitrasa.

Notolorana « certificatΒ Β» ihany koa ireo mpikambana amin’ny Komity Loharano nahavita fiofanana.