Ny zoma faha 13 septambra 2024 dia nitsidika ny Distrikan’i Mahajanga, ny Minisitry ny Atitany, Ramatoa RAHAJAVOLOLONIAINA Niritsoa.
Nihaona tamin’ireo olom-boafidy sy ireo tompon’andraiki-mpanjakana ao an-toerana izy izay nahitana ny Governora, ireo Solotenam-panjakana ao amin’ny Faritra BOENY, ny Filohan’ny Delegasiona manokan’ny Kaominina ambonivohitra, ireo Lehiben’ny Boriboritany, Lehiben’ny Fokontany, Komity Loharano.
Nosoritan-dramatoa Minisitra hatrany ny tsy maintsy hanaovana ny ezaka rehetra mba hanatanterahana ny politika ankapoben’ny Fanjakana.
Ireo rantsamangaikan’ny Ministeran’ny Atitany ihany koa dia nomena toromarika mba hidina ifotony hatrany anivon’ny Fokontany ka hihaino ny hetahetan’ny vahoaka sy hamaha ny olana araka izay manandrify azy.
Noresahana ihany koa ny famahàna ireo olana momba ny fanimbana ny ala arovana ao anatin’ny Faritra BOENY izay mifandray amin’ny habetsak’ireo mpifindra monina any an-toerana, sy ny halatr’omby any amin’ny Distrikan’i Marovoay sy Ambatoboeny.
Nivoitra tamin’ny fihaonan’i Ramatoa Minisitra tamin’ireo Solombavambahoaka any an-toerana ny fametrahana sy fanamafisana hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny olom-boafidy sy olom-boatendry mba ho tombontsoan’ny vahoaka.