Fomba fiasa iray napetraky ny fitondram-panjakana ankehitriny ny fitantanana manakaiky sy mipร ka mivantana amin’ny vahoaka. Zava-dehibe araka izany ny fidinana ifotony toy izao tanterahin’ny ๐ด๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐จ๐๐๐๐๐๐, ๐น๐๐๐๐๐๐ ๐น๐จ๐ฏ๐จ๐ฑ๐จ๐ฝ๐ถ๐ณ๐ถ๐ณ๐ถ๐ต๐ฐ๐จ๐ฐ๐ต๐จ ๐ต๐๐๐๐๐๐๐, izao izay nitsidika ny Faritra DIANA androany sabotsy faha 05 oktobra 2024.
Niarahany nidinika tamin’ireo tompon’andraikitra rehetra eny ifotony ny fanamafisana ny fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny Fanjakana, anisan’izany ny fametrahana paikady hisorohana ny tsy fandriam-pahalemana. Hentitra ny Governemanta amin’ny tsy maintsy hanaovana laharam-pahamehana ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana an-drenivohitra sy ambanivohitra ka anisan’ny paikady miainga eny anivon’ny Fokontany ny fampiasana ny bokim- bahiny, ny fametrahana ny andrimasom-pokonolona, …
Napetraka ihany koa ny paikady momba ny fitantanana ny omby, ny ady amin’ny zava-mahadomelina, ny fiarovana ny fanondranana ireo harena sarobidy sy ny maro hafa.
Tao amin’ny Distrikan’i Ambilobe moa no nanatanterahana an’izao fivoriana izao ary nandray anjara tamin’izany ireo solotenam-panjakana ao anatin’ny Fileovana Antsiranana.

