Home > Actus > ๐Œ๐ˆ๐Ž๐Œ๐€๐๐€ ๐€๐Œ๐ˆ๐โ€™๐๐˜ ๐…๐ˆ๐€๐“๐‘๐„๐‡๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐“๐€๐๐ƒ๐ˆ๐๐ƒ๐Ž๐๐ƒ๐Ž๐™๐€ ๐ˆ ๐Œ๐€๐ƒ๐€๐†๐€๐’๐ˆ๐Š๐€๐‘๐€

๐‘ต๐‘จ๐‘ต๐‘จ๐‘ถ ๐‘จ๐‘ป๐‘น๐‘ฐ๐‘ฒ๐‘จ๐‘บ๐‘จ ๐‘ด๐‘ฐ๐‘ถ๐‘ด๐‘ท๐‘จ๐‘ต๐‘จ ๐‘จ๐‘ด๐‘ฐ๐‘ตโ€™๐‘ฐ๐’๐‘จ๐‘ต๐’€ ๐‘ป๐‘ฌ๐‘ป๐‘ถ ๐‘จ๐‘ด๐‘ฉ๐‘ฐ๐‘ณ๐‘ถ๐‘ฉ๐‘ฌ ๐‘ต๐’€ ๐‘ช๐‘ท๐‘ฎ๐‘ผ

Ny datinโ€™ny 13 oktobra no natokanโ€™ny fivoriambenโ€™ny Firenena Mikambana hankalazana maneran-tany ny andro iraisampirenena aminโ€™ny fampihenana ny tandindondoza na ny JIRRC ยซ Journรฉe Internationale de la Rรฉduction des Risques de Catastrophes ยป. Ho anโ€™i Madagasikara, dia eto amin’ny Distrikan’Ambilobe, Faritrโ€™i Diana no hanaovana ny hetsika mifandraika aminโ€™izany fankalazana izany, ao anatinโ€™ny lohahevitra hoe : ยซ Ny lanjanโ€™ny fanabeazana aminโ€™ny fiarovana sy fampaefana ny tanora mba ho fametrahana hoavy mahatsangy kokoa ยป.

๐Ÿ“ŒNisy ny atrikasa notarihin’ny CPGU na ny ยซ Cellule de Prรฉvention et dโ€™appui ร  la Gestion des Urgences ยป mirafitra eo anivonโ€™ny Fiadidina ny Primatiora taty an-toerana androany, nibanjinana ny lohahevitra hoe : ยซ Ny fahaiza-miatrika sy miarina irery mifototra aminโ€™ny natiora ยป. Nandray anjara mavitrika ireo rantsamangaika rehetra voakasik’izany ety ifotony, ary nizara ny traikefany avy, amin’ny fampiasana ireo teknika rehetra heverina hitondra fahombiazana amin’ny fikajiana ny natiora. Tanjon’izao hetsika izao, ny hanaovan’ny rehetra fiomanana hiatrika ny tandindondoza ao anatin’ny fotoam-pahavaratra, ankoatra ireo paikady mialoha efa apetraky ny fitondram-panjakana, hanalefahana araka izay azo atao ireo ambana ara-toetrandro mandindona ny Planeta misy antsika.