Home > Actus > 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 π•πŽππƒπ‘πŽππ€ 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀-πŒπ€π’πŽ π„ππ“πˆππ€ π€πŒπ€π‡π€ππ€ 𝐍𝐘 πŽπ‹π€πβ€™ππ˜ π‘π€ππŽ π„π“πŽ π€ππ“π€ππ€ππ€π‘πˆπ•πŽ

Tafatsangana ny 9 oktobra 2024, taorian’ny fanambaran’Andriamatoa Andry RAJOELINA, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara ny vondrona fibaikoana sy fanarahamaso na Β« Centre de commandement OpΓ©rationnel Β» ho famahana ny olan’ny rano eto Antananarivo sy ny manodidina amin’izao fotoanan’ny main-tany izao.

Ny Minisiteran’ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana, ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-Kajy mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra, ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ary ireo Minisitera miandraikitra ny fiarovana sy ny filaminana, no mandrindra ity rafitra ity, izay ifarimbonan’ny governemanta iray manontolo, amin’ny alalan’ny fanampiana ara-teknika sy arak’olona ary ara-pitaovana.

Marihina fa eny Mandroseza ihany no toerana hakan’ny JIRAMA ny rano efa vita fitiliana hotaterina amin’ireo siniben-drano sy fiarabe.

Hafainganinana kosa, etsy ankilany, ireo Tetikasa lehibe : TANA WATER III, PAEEP izay manampy amin’ny fampitomboana ny famokarana rano fisotro madio sy fanoloana ireo fantson-drano efa tranainy, mba ho vahaolana maharitra amin’ny famatsian-drano, aoriana kely ao.