Home > Actus > πŸπŸ‘ πŽπŠπ“πŽππ‘π€ : π€ππƒπ‘πŽ πˆπ‘π€πˆπ’π€πŒππˆπ‘π„ππ€ππ€ ππ€π“πŽπŠπ€ππ€ π‡πŽ π€πŒπˆπ’𝐍𝐘 π…π€πŒππˆπ‡π„ππ€ππ€ 𝐍𝐘 π‹πŽπ™π€ π’π˜ 𝐍𝐘 π“π€ππƒπˆππƒπŽππƒπŽπ™π€

Teto amin’ny tany malalaky ny Sekoly fanabeazana fototra Matiakoho Ambilobe, Faritra DIANA no nanatanterahana ny hetsika fankalazana ny andro iraisampirenena amin’ny fampihenana ny loza sy ny tandindondoza na ny JIRRC 2024, izay nizotra teo ambany fitarihan’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta NTSAY Christian. Tamin’izany no nanambarany fa iainantsika tanteraka eto amin’ity Nosintsika ity ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetrandro, vokatry ny fanimbana ny tontolo iainana na eto an-toerana na any ivelany.

πŸ‘‰πŸ»Nanentana ny tsirairay ny tenany noho izany, hitsangana hiaro an’i Madagasikara amin’ireo tandindondoza. Nambarany nandritra ny lahateniny koa, fa ny fifanampiana sy ny fiaraha-mientan’ny tsirairay hitandro ny hasin’ny tontolo iainana, no antoka mametraka lamina mampifameno ny natiora sy ny rindram-piainana maha olombelona antsika. Tsy miankina amin’ny fitondram-panjakana irery ny fahatanterahan’izany hoy ihany izy, fa manana adidy hampanjary io fanamby lehibe io ny tsirairay. Nahazo laka koa ny mpianatra tao anatin’ity hetsika ity, ary nentanina izy ireo hitaky ny zony hiaina ao anatin’ny fitonian’ny natiora mba hamela lova tsara ho an’ny taranaka hoavy rehetra. Izany dia mifanandrify indrindra amin’ny lohahevi-dehibe noraisina tamin’ity taona 2024 ity hoe : Β« Ny lanjan’ny fanabeazana amin’ny fiarovana sy fampaefana ny tanora mba ho fametrahana hoavy mahatsangy kokoa Β».

πŸ“ŒAnkoatr’izany dia mitohy hatrany hoy ny Praiminisitra, ny fanarenana ny Faritra avaratry ny Nosy, ka hisy ny fananganana fotodrafitrasa. Ao anatin’izany ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-6, ny lisea ho an’ny mpianatra amin’ny ilany avaratry ny TanΓ nan’Ambilobe, ny tetezana vaovao ao Ifasy sy Mahavavy izay efa eo an-dalam-panadihadiana ny fanatontosana azy amin’izao fotoana izao.

🟠Nanatrika ity fotoana ity ny Minisitry ny Atitany, Ramatoa RAHAJAVOLOLONIAINA Niritsoa Harinandrasana, ny Mpandrindra maharitry ny Firenena Mikambana mpisolo toerana, Ramatoa Josiane Yaguibou sy ny delegasiaona izay notarihiny, ireo olom-boafidy sy olom-boatendry taty an-toerana sy avy any amin’ny Faritra samihafa, ireo tompon’andraiki-pitantanana sivily sy miaramila, sy ireo vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana; ary ireo mpiara-miombon’antoka mpanohana ny politikam-pirenena misahana ny fitantana ny loza sy ny tandidondoza eto Madagasikara.