Home > Actus > 𝑨𝑫𝒀 𝑨𝑴𝑰𝑡’𝑡𝒀 𝑻𝑺𝒀 𝑭𝑨𝑡𝑫𝑹𝑰𝑨𝑴𝑷𝑨𝑯𝑨𝑳𝑬𝑴𝑨𝑡𝑨 𝑨𝑡𝒀 𝑨𝑴𝑰𝑡’𝑡𝒀 𝑭𝑨𝑹𝑰𝑻𝑹𝑨 𝑨𝑡𝑫𝑹𝑢𝒀 𝑺𝒀 𝑨𝑡𝑢𝑺𝒀 : 𝑡𝑰𝑫𝑰𝑡𝑨 𝑻𝑨𝑡𝒀 𝑨𝑡-𝑻𝑢𝑬𝑹𝑨𝑡𝑨 𝑡𝒀 𝑴𝑰𝑡𝑰𝑺𝑰𝑻𝑹𝒀 𝑡𝒀 𝑨𝑻𝑰𝑻𝑨𝑡𝒀.

Araky ny fanamby napetraky ny Governemanta dia laharam-pahamehana ny fametrahana ny fandriampahalemana maharitra eto amin’ny tany sy ny Firenena, ary anisan’izany ny any amin’ny Faritra ANDROY sy ANOSY.

Nisy ny fidinana ifotony notanterahin’ny mpikambana ao amin’ny Governemanta tany amin’ireo Faritra ireo ny alatsinany faha 14 oktobra 2024, izay nahitΓ na ny Minisitry ny foloalindahy, ny Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin, ny Minisitry ny Atitany, Ramatoa RAHAJAVOLOLONIAINA Niritsoa, ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny ContrΓ΄leur GΓ©nΓ©ral de police RAKOTOARIMANANA Herilala ary ny Minisitra Delege misahana ny Zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly RAKOTONDRAZAKA Andriantsarafara. Misy manamboninahitra miaramila maromaro eo anivon’ny EMMONAT ihany koa nanatevina ny delegasiona.

Ho fanatanterahana ny paikady napetraky ny Governemanta momba an’izay ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana izay dia nisy ny hetsika « coup d’arrΓͺtΒ Β» natao tany amin’ny faritra iny ka anisan’ny vokatra azo hatreto ny fahazoana sy famerenana amin’ny tompony omby miisa 999, fahatrarana fitaovam-piadiana miisa 03, fandoroana rongony miisa 08 gony tany Andriry.

Voly rongony amin’ny velaran-tany 05 Ha mahery ao an-tampon’Andriry, Distrikan’i Betroka, ihany koa no nopotehana nandritra izao fidinana ifotony izao.

Nisy ny fihaonan’ireo Minisitra tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eny an-toerana izay notarihin’ny Lehiben’ny fileovana Taolagnaro ka nanamafisana ny paikady sy ny fiaraha-miasan’ny rehetra mba hitohizan’ny fahazoana vokatra tsara amin’ny lafiny fandriam-pahalemana.

Nitafatafa tamin’ireo vahoaka tao Imanombo sy ny manodidina ihany koa ireto mpikambana amin’ny Governemanta ireto ho fanamafisana hatrany ny fiaraha-miasa sy fanentanana ny rehetra amin’ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana.