Home > Actus > π…πšπ¦πšπ‘πšπ§πš 𝐧𝐲 𝐨π₯𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐚𝐭𝐬𝐒𝐚𝐧𝐚 𝐫𝐚𝐧𝐨 𝐞𝐭𝐨 𝐚𝐧-𝐝𝐫𝐞𝐧𝐒𝐯𝐨𝐑𝐒𝐭𝐫𝐚

Araka ny toromarika nomen’ny Filohan’ny ny Repoblika dia natsangana ny Centre OpΓ©rationnel RANO (COR) izay napetraka ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina ho fandrindrana ireo hetsika voniy maika hamahana ny olan’ny famatsian-drano eto an-drenivohitra. Nifarimbona nifanome tanana eo anivon’izany ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta ho fanamafisana sy fampiharana ny paikady napetraka.

Nisy avy hatrany ireo fepetra noraisina :

– π…πšπ§πšπ¦πšπŸπ’π¬πšπ§πš 𝐧𝐲 𝐟𝐒𝐭𝐬𝐒𝐧𝐣𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐫𝐚𝐧𝐨 : nitombo 2 ka hatramin’ny 25 ny isan’ny kamiao mpitatitra rano, izay miantoka ny fitsinjarana tsara kokoa sy ny famaliana haingana kokoa ny filan’ny mponina rano.

– π…πšπ§πžπ­π¬πžπ‘πžπ§πš 𝐧𝐲 𝐑𝐞𝐫𝐲 𝐟𝐒𝐚𝐫𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐟𝐒π₯𝐚𝐦𝐒𝐧𝐚𝐧𝐚 (𝐅𝐃𝐒): hiantohana ny fiarovana ireo hetsika natao sy hisorohana izay tranga mety hanakorontana ny fitsinjarana rano.

– 𝐎π₯𝐨𝐧𝐚 𝐦𝐒𝐒𝐬𝐚 πŸπŸ“πŸŽ 𝐒𝐬𝐚𝐧’𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨 𝐧𝐨 𝐧𝐞𝐭𝐬𝐞𝐑𝐒𝐧𝐚 𝐚𝐯𝐲 𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 𝐦𝐒𝐧𝐒𝐬𝐭𝐞𝐫𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐒𝐚𝐫𝐚-𝐦𝐒𝐨𝐦𝐛𝐨𝐧’𝐚𝐧𝐭𝐨𝐀𝐚 hanohana ny asa sy hanamafisana ny fitsinjarana.

– π…πšπ§π¨π¦πžπ³πšπ§πš 𝐟𝐒𝐭𝐚𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐨𝐀𝐚𝐧𝐚 : fiara, motopompes, solosaina, tranolay ary fitaovana samihafa ilaina mba hiantohana ny fahombiazan’ireo hetsika.

Nahitam-bokany avy hatrany ireo fepetra noraisina ireo toy ny fitomboan’ny famatsian-drano ho 1000m3 isanandro raha toa ka 200m3 teo aloha, ny fihenan’ny fotoana fiandrasana eny amin’ny toerana fitsinjarana rano, latsaky ny 50 ireo « bidonsΒ Β» milahatra en amin’ireo paompin-drano, tsy nisy ihany koa ny fihetsiketsehana mifandraika amin’ny rano nanomboka ny alarobia lasa teo.

Ankoatra ny fitsinjarana rano ireo dia hisy ny fanamboarana « foragesΒ Β» vaovao na fanajariana izay simba misa 35 izay ho vitaina ao anatin’ny iray volana.