Home > Actus > FANAZARAN-TENA HO FIOMANANA AMIN’NY TAOM-PAHAVARATRA 2024-2025 TETO ANIVON’NY KAOMININ’ANTANANARIVO SY NY MANODIDINA

Fanazaran-tena na SIMEX teo anivon’ireo kaominina 04 mpisitraka ny fanohanana ara-bola avy amin’ny tetikasa PRODUIR izay nandraisan’ireo Fokontany 20 ao anatin’ireo kaominina efatra ireo, voalaza fa marefo amin’ny « Ranobe » ao anatin’ireo kaominina 4 ireo ny Kaominina Renivohitr’Antananarivo , kaominina Bemasoandro ; Andranonahoatra ; Anosizato Andrefana no nanatanterahana izany Fanazaran-tena izany hoentina manomana sahady ny taom-pahavaratra 2024-2025 ny faran’ny herinandro teo.

Nomena fanamafisana fahaiza-manao ireo kaominina 4 ireo amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandidon-doza, nampatsiahivina azy ireo andraikitra tokony raisina mialoha, mandritra ary aorian’ny loza, mba ho vonona tsara amin’ny fiatrehana ireo loza voajanahary ho avy.

Nisy ny fanofanana ireo komity mpitantana ny loza amin’ny fampiasana ireo fitaovana entina miatrika ny loza toy ny fomba fampiasana tronçonneuse, fananganana Tente, fampiasana Pompe à eau, ny fomba fibatana ireo marary amin’ny Brancard, sns …izay notanterahin’ny CPC sy ny Sapeurs Pompiers ary ny Croix Rouge Malagasy mba entina hamahana ireo olana samihafa mety hitranga mialoha, mandritra ary aorian’ny loza.