Home > Actus > 𝑭𝑨𝑡𝑨𝑴𝑨𝑭𝑰𝑺𝑨𝑡𝑨 𝑺𝒀 𝑭𝑨𝑡𝑨𝑹𝑨𝑯𝑨-𝑴𝑨𝑺𝑢 𝑡𝒀 𝑨𝑺𝑨𝑡’𝑡𝒀 𝑲𝑢𝑴𝑰𝑻𝒀 𝑳𝑢𝑯𝑨𝑹𝑨𝑡𝑢

Komity natsangana isaky ny Fokontany rehetra manerana ny Nosy ny Komity Loharano izay tarihin’ny Lehiben’ny Fokontany ary ahitana ny vaomiera misahana ny asa sosialy, ny voamiera misahana ny fandriam-pahalemana, ny vaomiera misahana ny fotodrafitrasa sy ny vaomiera misahana ny tontolo iainana, ny rano, ny fidiovana sy ny fanadiovana.

πŸ‘‰ 𝑻𝒂𝒇𝒂𝒕𝒂𝒇𝒂

Nisy ny fidinana ifotony nataon’ny Lehiben’ny Distrikan’i Marovoay tao amin’ny Fokontany Soaniadanana, Kaominina ambonivohitra Marovoay, sy tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Anosinalainolona ny talata sy alarobia lasa teo. Niompana tamin’ny tafatafa momba ny lafiny fandriampahalemana, sosialy, ny ady amin’ny doro tanety, sns, ny fifanakalozana natao ka nandrosoana vahaolana mifandraika amin’ireo olana hita eny anivon’ny Fokontany.

πŸ‘‰ π‘«π’Šπ’”π’•π’“π’Šπ’Œπ’‚π’’π’Š π‘΄π’Šπ’‚π’π’…π’“π’Šπ’—π’‚π’›π’

Tao amin’ny Fokontany Analambiby, CR Isalo kosa ny Lehiben’ny Distrikan’i Miandrivazo no nifampidinika tamin’ny Lehiben’ny Fokontany sy ireo mpikambana amin’ny Komity Loharano ny zoma faha 08 novambra 2024. Nisy ny fifampizarΓ na traikefa sy fahaiza-manao ary koa ny fanaovana tatitry ny asa vitan’ny Komity Loharano. Napetraka nandritra izany koa ny drafitra isam-pokontany momba ny fandriampahalemana.