Home > Actus > [𝗠𝗔𝗗𝗔𝗚𝗔𝗦𝗜𝗞𝗔𝗥𝗔 𝗡𝗔𝗡𝗗𝗥𝗔𝗬 𝗔𝗡𝗝𝗔𝗥𝗔 𝗧𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗩𝗢𝗩𝗢𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗙𝗔𝗛𝗔-9 𝗛𝗢 𝗔𝗡’𝗜 𝗔𝗙𝗥𝗜𝗞𝗔 𝗠𝗢𝗠𝗕𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗠𝗣𝗜𝗛𝗘𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗟𝗢𝗭𝗔 𝗪𝗜𝗡𝗗𝗛𝗢𝗘𝗞 ,𝗡𝗔𝗠𝗜𝗕𝗜𝗘]

Ny vovonana faha-9 ho an’i afrika momba ny fampihenana ny loza na ‘’9e Plateforme Régional Africain pour la Réduction des Risques et des Catastrophes’’ izay natao tany Windhoek, Namibie, ny 21 ka hatramin’ny 25 oktobra 2024 lasa teo, dia nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fahafaha-mihatrika amin’ny loza voajanahary sy ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro manerana an’i Afrika. Ny lohahevitra nentina nandritran’ny hetsika dia ny hoe « Agissez maintenant pour l’Afrique résiliente que nous voulons », izay lasa foto-kevitra lehibe nentina nandritran’ny fihaonambe izay fifampizarana traikefa teo amin’ireo mpandray anjara izay miisa 800 teo eo ,izay nahitana ireo firenena afrikanina, ireo fikambanana iraisam-pirenena, ary ny solontenan’ny fiarahamonim-pirenena .

Ny delegasiona malagasy notarihin’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Atitany , Atoa RAZAFIARISON Jean Jugus, niaraka tamin’ireo solontena isany avy, avy amin’ny BNGRC, CPGU izay notarihin-dRamatoa RABEVOHITRA Bako Nirina, Sekretera Mpanatanteraka mpisolo-toerana , avy amin’ny DGM, DMGRC ary ireo fikambanana iraisam-pirenena toy ny OCHA, PNUD ary Hi dia nandray anjara mavitrika tamin’ity fihaonambe ity ,fotoananiray nanehoan’ireo teknisiana tsirairay ny fahaiza-manaon’ny madagasikara nahafahana ihany koa nizara sy nandray ny an’ireo firenena Afrikana namana hafa,ny amin’ny fampihenana ny tandindondoza sy ny loza.

Ny fandraisan’anjara nataon’i Madagasikara dia nahafahany nampahafantatra ny fandrosoana efa vitany momba ny fitantanana ny tandindondoza sy ny loza (GRC) ary nanamafy ny fahitana an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Nandritra ireo atrikasa sy fotoam-pivoriana manokana sy fandraisana anjara ho mpandray anjara amin’ny adihevitra izay nahitana lohahevitra maro na ‘’paneliste’’ , no nanehoan’ i Madagasikara ireo fanavaozana efa tanterahiny, toy ny rafitra fampitandremana mialoha sy ny hetsika mialoha ny loza,ny fomba fitantanan’i madagasikara ny fampihenana ny tandindondoza sy ny loza nahafahana nizara ireo traikefa tsara azo zaraina sy hampiharin’ireo firenena namana aty afrika satria hita fa efa mandroso lavitra kokoa i madagasikara raha hoarina amin’ireo firenena sasany Ireo fifanakalozana maro natrehina dia nahafahan’ny delegasiona malagasy ihany koa nahita ny fomba fiasa vaovao momba ny fanangonana angom-baovao sy ny fanomanana manoloana ny loza tamin’ireo firenena afrikana namana hafa izay efa manana traikefa ambony sy efa mandroso kokoa.

Ankoatra ireo hetsika ireo, dia nisy ihany koa ny fihaonana manokana niarahan’ny delegasiona malagasy tamin’ireo delegasiona hafa, toy ny delagasiona avy any Burundi ,nifantoka tamin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta ny resaka , ny hanomezan’ny madagasikara fanamafisana fahaiza-manao ireo ekipa any Burundi ary hanao hifampizara traikefa ,fanasana ho an’i madagasikara amin’ny alalan’ireo sampandraharam-panjakana roa misy dia ny BNGRC sy ny CPGU, koa satria fantatr’izy ireo tsara ny traikefa efa hananan’i Madagasikara eo amin’ny fampihenana ny fitantanana ny tandindondoza sy ny loza . Anisany fihaonana nanandanja sy goavana nandritran’ny dian’ireo delagasiona malagasy ihany koa ny nanadraisan’Atoa KAMAL Kishore izay ‘’sous-secrétaire général ‘’an’ny UNDRR ny amin’ny GRC, ireo delegasiona Malagasy , izay nifampiresahina fohy ny manodidina ny fitantanana ny tandindondoza sy ny loza eto madagasika , aiza ho aiza isika eo amin’izany ary ireo mety ho sakana na olana atrehin’ny governemanta malagasy ny amin’ny asa fanatanterahana ny fampihenana ny tandindondoza ary ny fanasana an’ andriamatoa Kamal Kishore ny mba hanao fitsidihana ofisialy eto Madagasikara izay heverina ho dingana stratejika iray lehibe hanamora ny fampidirana an’i Madagasikara ao amin’ny tambajotra iraisam-pirenena amin’ny ny fitantanana ny loza.

Nisy ny fihaonana,teo amin’ireo Minisitra sy lehiben’ny delegasiona avy, tonga nanatrika ity fihaonambe ity ,ary namoaka ilay fanambarana niaraka na ‘’Déclaration de Windhoek’’, izay dingana stratejika ho an’ny kaontinanta, ary neken’ny rehetra izany taorian’ny adihevitra nandritra ny telo andro izay mikendry ny hanatsarana ny fampiharana ny Rafitra Sendai momba ny fampihenana ny loza (RRC) ho an’i Afrika ho an’ny taona 2015 ka hatramin’ny 2030.

Ity fanambarana ity dia mametraka ny fototra ho an’ny telo taona ho avy amin’ny alàlan’ny fanamafisana ny fanoloran-tenan’ny firenena afrikanina hanamafy ny faharetana amin’ ny loza ary hampiditra ny RRC ho anisan’ny politikam-pampandrosoana.

Ny teboka iray hafa miavaka amin’ity fanambarana ity dia ny fanekena ny anjara asan’ny parlemantera afrikanina amin’ny fitantanana mahomby ny loza.

Farany, ny vokatry ny Fanambarana natao tany Windhoek dia hatolotra amin’ny fivoriana iraisam-pirenena ho avy momba ny loza sy ny fampandrosoana, toy ny Fihaonamben’ny Firenena Mikambana ho an’ny firenena tsy manana sisin-dranomasina izay hatao ao Gaborone amin’ny Desambra 2024 sy ny Vovonana iraisam-pirenena momba ny fampihenana ny loza any Genève amin’ny Jona 2025. Ireo hetsika ireo dia hanamafy ny toeran’i Afrika ao amin’ny fandaharam-potoana maneran-tany momba ny RRC.

Marihina fa ny Lehiben’ny delegasiona malagasy ,solontenan’ny governemanta malagasy , andriamatoa RAZAFIARISON Jean Jugus dia isan’ireo nandray anjara feno tamin’ny adihevitra namoahana ity ‘’Déclaration de Windhoek ‘’ .Ary ny fandraisan’i Madagasikara anjara tamin’ny Vovonana faha-9 ho an’i Afrika momba ny Fampihenana ny Loza dia nanome fahafahana tokana ho an’ny firenena hampitombo ny fahaiza-manaony amin’ny GRC, hampiroborobo ny zava-bita azony ary hifandray amin’ireo mpiara-miombon’antoka stratejika avy amin’ny firenena afrikana hafa sy iraisam-pirenena.

Ny fandraisana anjara mavitriky ny delegasiona malagasy dia nahafahana nanasongadina ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-miasa matanjaka eo amin’ny samy firenena afrikana, sady mampiseho ny fahavononan’ny firenena hiaro ny vahoakany sy hampiasa vola amin’ny tetikasa maharitra ho fanamafisana ny faharetan’ny mponina ao aminy.