Noho ny haintrano nitranga tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Ivandrinka, Distrikan’i Farafangana, izay nahamaizana trano miisa 605 dia nidina tany an-toerana ireo mpikambana sasany ao amin’ny Governemanta, iraka avy amin’ny Filoham-pirenena, Andriamatoa Andry RAJOELINA, sy ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Andriamatoa NTSAY Christian, ny alarobia faha 13 novambra 2024.
Tonga nampahery ireo mpiray tanindrazana traboina miisa 3025 sy nitondra fanampiana ho azy ireo avy amin’ny fitondram-panjakana ity delegasiona ity izay nahitΓ na ny π΄ππππππππ ππ π¨ππππππ, πΉππππππ πΉπ¨π―π¨π±π¨π½πΆπ³πΆπ³πΆπ΅π°π¨π°π΅π¨ π΅πππππππ.
Nitohy hatramin’ny omaly ny fizarana ny fanampiana toy ny vary, menaka,voamaina, trano lay sy kojakoja an-dakozia.
Vonjy rano vaky ihany izao notanterahina izao fa efa andalana koa ireo fitaovana hanampiana amin’ny fananganan-trano toy ny fanitso, sy ny lamba firakotra sy fitafy.
Nanotrona ny delegasiona moa ireo solombavambahoaka, ireo solotenampanjakana sy ireo manampahefana isan’ambaratongany ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana.