Home > Actus > π…πˆπƒπˆππ€ππ€ πˆπ…πŽπ“πŽππ˜ π“π€ππ˜ π€πŒπˆπ’𝐍𝐘 πƒπˆπ’π“π‘πˆπŠπ€π’𝐈 ππŽπ’π˜ π•π€π‘πˆπŠπ€

Nohon’ny fisian’ny haintrano izay nahamaizana trano miisa 231 tao amin’ny Fokontany Masondranokely, Distrikan’i Nosy-varika ny talata faha 19 novambra 2024 lasa teo dia namita iraka tany an-toerana ireo Minisitra solontenan’ny Governemanta ny zoma faha 22 novambra 2024.

Araka izany dia nijery ifotony ny fahavoazana, nankahery ary nitondra fanampiana ho an’ireo traboina, tamin’ny anaran’ny Filoham-pirenena sy ny Governemanta, ny π‘΄π’Šπ’π’Šπ’”π’Šπ’•π’“π’š π’π’š π‘¨π’•π’Šπ’•π’‚π’π’š, π‘Ήπ’‚π’Žπ’‚π’•π’π’‚ 𝑹𝑨𝑯𝑨𝑱𝑨𝑽𝑢𝑳𝑢𝑳𝑢𝑡𝑰𝑨𝑰𝑡𝑨 π‘΅π’Šπ’“π’Šπ’•π’”π’π’‚, ny Minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina, Ramatoa RAZAFINJATO AurΓ©lie, ary ny Minisitry ny Serasera sy Kolontsaina, Ramatoa MARA Volamiranty Donna, notronin’ny Solombavambahoaka voafidy tao an-toerana.

Nohamafisina hatrany ny fanentanana ny vahoaka mba hitandrina amin’ny fampiasana ny afo mba tsy hiverenan’ny tranga toy izao.