Tahaka ny fanao isan-taona dia notanterahana ny 27 novambra 2024 tany Victoria Falls, Zimbabwe, ny fivorian’ireo Ministra misahana ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza avy amin’ireo firenena 16 mandrafitra ny vondrona SADC. Mandray anjara mavitrika amin’ity fivoriana ity i Madagasikara amin’ny alalan’ny delegasiona tarihin’Andriamatoa RAZAFIARISON Jean Jugus, Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Atitany izay sady misolo tena ny Ministry ny Atitany malagadsy.
Manana tanjona goavana tokoa izy ity satria fihaonana nataon’ireo Ministra hakana fanapahan-kevitra momba ireto lohahevitra manaraka ireto:
ny fivoaran’ny firenena tsirairay manoloana ny fanapahan-kevitra izay noraisina nandritry ny fihaonana an-tampon’ireo Filoham-pirenena sy ny Filan-kevitry ny Ministry ny SADC tamin’ny volana aogositra 2024
ireo loza nitranga tamin’ity taona 2024 ity sy ireo fiantraikany
ny fanatanterahana ireo tetik’asa sy sahan’asa momba ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza eo anivon’ny SADC sy isaky ny firenena tsirairay izay mikambana eo anivon’ity vondrona ity
ny fahampiana ara-tsakafo sy ny fanjarian-tsakafo ary ny velon-tena ho an’ny taona 2024-2025
ny fampidirana ny ady amin’ny kolikoly sy ny fahaiza-mitantana ao anatin’ny fiomanana hiatrika loza sy ny famaliana ny hamehana amin’ny valan’aretina
ny fifindramonina an-tery, ny fanalefahana ny faharefoana ary ny faharetana manoloana ny fiovan’ny toetrandro eto anivon’ny SADC
Nialoha ity fivorian’ireo Ministra ity dia nisy ny fivorian’ireo mpiasam-panjakana ambony eto anivon’ny SADC, misahana ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza izay natao nandritry ny roa andro. Natao izany fivoriana izany mba hamolavolana ny fanapahan-kevitra hotapahin’ireo Ministra. Nandray anjara mavitrika tamin’izany ny Birao Nasionaly misahana ny fitanantanana ny tantidin-doza sy ny loza izay notarihin-dRamatoa RAZAFIMANANTSOA Mirana Miarimanana, Tale Jeneraly Lefitry ny BNGRC. Ny andro farany dia natokana ho fihaonana an-databatra boribory niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka ho fiatrehana ireo voka-dratsin’ny El Niño sy ho fiomanana amin’ny fahatongavan’ny La Niña.
Marihina moa fa ny PNUD no nanohana ara-bola ka nahafahan’ireo delegasiona malagasy niatrika ireo fivoriana roa sosona ireo ».