Home > Actus > 𝟬𝟱 𝗱𝗲𝘀𝗮𝗺𝗯𝗿𝗮 𝟮𝟬𝟮𝟰

Vory lanona eto Madagasikara ireo tompona orinasa goavana sy mpandraharaha eto amin’ny Ranomasimbe Indiana mandray anjara amin’ny andiany voalohan’ny CEO Summit. Tanjona ny hanomezana sehatra azy ireo hifanakolazana hevitra sy hifampizarana traikefa sy fomba amam-panao tsara manoloana ireo fanamby ara-toekarena eto amin’ny Faritry ny Ranomasimbe Indiana. Nanterin’ny Filohan’ny Repoblika fa ny sehatra tsy miankina dia anisan’ny fanoitra lehibe amin’ny fampandrosoana ara-toekarena ary fanamby napetraky ny Fitondram-panjakana ny hampiroboroboana ny indostria sy hamokarana eto an-toerana izay rehetra ilain’ny vahoaka malagasy