Home > Actus > π…π€ππ€πŒπ€π…πˆπ’π€ππ€ 𝐍𝐘 π…π€π‡π€πˆπ™π€-πŒπ€ππ€πŽ πŒπŽπŒππ€ 𝐍𝐘 π…πˆπ“π€ππ“π€ππ€ππ€ 𝐍𝐘 π‹πŽπ™π€ π’π˜ 𝐍𝐘 π“π€ππƒπˆππƒπŽππƒπŽπ™π€.

Tontosa soamantsara tao amin’ny Distrikan’i Mananjary ny 04 sy 05 desambra 2024 ny atrikasa fampiofanana ho fanamafisana ny fahaiza-manao momba ny fitantanana ny loza sy ny tandindondoza.

Betsaka ireo tompon’andraikitra no miara-misalahy amin’ny fiatrehana ny loza sy tandindondoza mety hitranga ka ilaina ny fampiofanana sy fifampizarΓ na traikefa amin’izy ireo mba ahafahana miatrika izany.

Ny Ministeran’ny Atitany, amin’ny alalan’ny Birao nasionaly misahana ny fitantanana ny loza sy ny tandindondoza (BNGRC), niaraka tamin’ny Fandaharan’asan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (PAM) sy ny « Young ProgressΒ Β», no nanatontosa ny fampiofanana ary ireo tompon’andraikitra ao anatin’ny Komity misahana ny fitantanana ny loza sy ny tandindondoza avy ao amin’ny Distrikan’i Mananjary sy Distrikan’i Nosy-varika no nisitraka izany.