
Natolotra amin’ny fomba ofisialy teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny kandida hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fifidianana ho Filohan’ny Komision’ny Vondrona Afrikanina, Andriamatoa Richard Randriamandrato.
Sambany no hisy teratany malagasy hirotsaka amin’ity andraikitra ity. Izany dia manaporofo ny fandraisan’andraikitr’i Madagasikara hitondra avo ny feon’ireo firenena nosy mitovy fanamby aminy eo anivon’izany Vondrona Afrikanina izany sy ny eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena iray manontolo.
