
Manohy ny diany miakandrefana amin’ny hafainganam-pandeha 20 Km/ora ilay rivodoza mahery vaika CHIDO. Tamin’ny 03 ora tolak’andro teo dia tany amin’ny 488 Km Atsinanana somary Avaratra Atsinanan’i Antsiranana I no nisy ny foibeny. 210 Km/ora ny rivotra miaraka aminy izay arahina tafiotra 295 Km/ora manakaiky ny foibeny.
Tombanana handalo any amin’ny manodidina ny 70 Km Avaratry ny tanjona Bobaomby izy rahampitso tolak’andro na ny takariva, amin’izao sokajy misy azy izao. Marihina kosa anefa fa kely ny velaran’ity rivodoza ity, ka tsy ahiana loatra ny hikasiany mivantana an’i Antsiranana I.
Miova ho toy izao ny filazana loza ka :
Loza manambana miloko mavo : ny faritra DIANA sy ny Distrikan’i Vohemar;
Fanairana miloko maintso : ny Distrikan’i Bealanana, Antsohihy, Analalava, Sambava ary Andapa;
Foana ny filazana loza ho an’ny Distrikan’i Antalaha, Befandriana Avaratra ary Boriziny.
Hanomboka hikasika ny faritra Avaratra ny rahona mialoha azy anio alina. Ankoatra ny Distrikan’i Antsiranana I-II izay mety ho voakasiky ny rindrin-drahona hiaraka amin’i CHIDO, tsy dia ahiana loatra ny habetsahan’ny rotsak’orana amin’ny faritra hafa. Tombanana ho 4 ka hatramin’ny 8 metatra ny haavon’ny onja amin’ny morontsiraka Avaratra Atsinanana sy Avaratra Andrefana mandritra ny fandalovany. Mety hiteraka fiakaran’ny ranomasina amin’ireo toerana mora tondraka izany.
Iangaviana ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’ny Mahajanga sy Cap d’Ambre, ary Cap d’Ambre sy Cap Est mba tsy hiandriaka intsony manomboka anio tolak’andro. Entanina ny rehetra mba hanaraka mandrakariva ny toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony

