Home > Actus > FILAZANA MANOKANA MOMBA NY RIVODOZA | 13 Desambra 2024 tamin’ny 04 ora maraina.

BNGRC

tpSeodrnso0r91ce08é1l 78469thcfm1d5h0ai3cci28fm281 3abc011ge  · 

📢📢FILAZANA MANOKANA MOMBA NY RIVODOZA | 13 Desambra 2024 tamin’ny 04 ora maraina.

✔️ Nahitana fihenana hatrany ny herin’i CHIDO tato anatin’ny ora enina farany. Nihena ho 185 Km/ora ny rivotra miaraka aminy izay arahina tafiotra 280 Km/ora manakaiky ny foibeny. Na izany aza dia mbola anatin’ny sokajy rivodoza mahery vaika hatrany anefa izy. Tamin’ny 03 ora maraina teo dia tany amin’ny 251 Km avaratra atsinanan’Antsiranana I no nisy ny foibeny. Mizotra miakandrefana hatrany izy amin’ny hafainganam-pandeha 22 Km/ora.

✔️ Tsy miova ny vinavina mahakasika ny ho lalany izay tombanana handalo any amin’ny manodidina ny 70 Km avaratry ny tanjona Bobaomby anio tolakandro, amin’izao sokajy misy azy izao.

⚠️Efa mikasika ny faritra avaratry ny Nosy ny rahona mialoha azy.

Manoloana izany dia miova toy izao ny filazana loza:

📕📕 Loza mitatao miloko mena: ny faritra Diana sy ny distrikan’i Vohemar;

📒📒 Loza manambana miloko mavo: ny ditrikan’i Bealanana, Antsohihy, Analalava, Sambava ary Andapa.

✔️ Tombanana ho 4 ka hatramin’ny 8 metatra ny haavon’ny onja amin’ny morontsiraka avaratra atsinanana sy avaratra andrefana mandritra ny fandalovany. Mety hiteraka fiakaran’ny ranomasina amin’ireo toerana mora tondraka izany.

⛔️ Iangaviana ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’ny Mahajanga sy Cap d’Ambre, ary Cap d’Ambre sy Cap Est mba tsy hiandriaka intsony manomboka anio tolak’andro. Entanina ny rehetra mba hanaraka mandrakariva ny toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony