Home > Actus > Fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2024-2025.

Tontosa soamantsara androany alatsinainy faha 16 desambra 2024, teo ambany fitarihan’ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry Rajoelina, ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2024-2025 izay natao tany Andekaleka.

Zana-kazo miisa 80 000 no novolena tamin’ny velaran-tany mirefy 50 hektara, ary nandray anjara tamin’izany ny Minisitry ny Atitany, Ramatoa Rahajavololoniaina Niritsoa sy ny mpiara-miasa aminy.

« Ny ala, antoky ny rano sy ny angovo »