Home > Actus > 𝑭𝑬𝑻𝑰𝑵’𝑵𝒀 𝑵𝑶𝑬𝑳𝒀 2024

Ho fitsinjovana ny mpiara-miasa rehetra eto anivon’ny Ministeran’ny Atitany amin’izao ankatoky ny fetin’ny Noely sy taom-baovao izao dia nisy ny fizarana fanampiana ho enti-miatrika izany izay natolotry ny Minisitry ny Atitany, Ramatoa Rahajavololoniaina Niritsoa , androany talata faha 24 desambra 2024.

Nandritra izany dia nisy ny hafatrafatra nataony ny amin’ny tokony hanaovan’ny tsirairay tombana ankapobeny na ny amin’ny fitondran-tena izany na ny amin’ny asa ka hanohy ny ezaka tsara rehetra sy hanarina kosa ireo izay tsy nety.

Nanome toky ny mpiara-miasa fa mbola vonona hatrany ny hanome ny tsara indrindra ka hampiroboroboana an’ity Ministera ity.