Niarahaba tratry ny taona ny Minisitry ny Atitany, Ramatoa RAHAJAVOLOLONIAINA Niritsoa, ny mpiara-miasa aminy rehetra eto anivon’ny Ministera androany alarobia faha 08 janoary 2025.
Nisy ny jery todiky ny asa vita nandritra ny taon-dasa ka nanamafy ny fahavononany ny mpiara-miasa fa hanohy ny ezaka efa natao ary hanamafy sy hanafaingana izany kokoa.
Asa ao anatin’ny firahalahiana, firaisankina sy fahaiza-manao no ahitana fahombiazana ka izay no tokony himasoan’ny tsirairay amin’izao fiandohan’ny taona izao, hoy Ramatoa Minisitra izay nirary soa ihany koa ny mpiara-miasa rehetra.


