
Ny Fitaleavam-paritra ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana ao DIANA dia nitondra ny anjara birikiny tamin’ny fanampiana ireo olona niaramboina nandritra ny fandalovan’ny rivodoza DIKELIDI tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Betsiaka.
Nifanome tanana niaraka tamin-dRamatoa RAHAJAVOLOLONIAINA Nirintsoa Harinandrasana Minisitra ny Atitany sy Ramatoa RAZAFINJATO Aurélie Ministra ny Mponina sy ny Firaisan-kina.
Nanolotra fitaovam-panadiovana sy fidiovana miisa 250 no ny DREAH sady nanatanteraka fampianarana ny fomba fanadiovana rano amin’ny alalan’ny singa fanadiovana rano « Water Maker »


