
Iza no tsy mikaikaika rehefa handalo eto Besarety rehefa amin’ny fotoam-pahavaratra ka latsaka ny orana, mampiteny ny moana ny fiakaran’ny rano haingana ao anatin’ny fotoana fohy, tsy ora no andrasana fa minitra fohy dia efa hatreny ampototry ny fe ny rano, manainga zipo hoy ny maro. Antony mahatonga izay ny fahatsentseman’ny tatatra sy lakandrano raha ny fantatra, mety eo ihany koa ny hakelin’ny bizo fa indrindra ireo fako maro arian’ny olona sy miparitaka ihany koa.
Ho vahaolana amin’izay no antony nandraisan’ny BNGRC sy ny Kaomina Antananarivo ary ny APIPA sy ny SMA miampy ny Prefektioran’Antananarivo, fepetra haingana handiovana ny tatatra. Ka ireo olona mipetraka ety amin’ny fokontany ihany no ampanaovina izany amin’ny alalan’ny asa atakalo sakafo(Vivra contre Travail) . Ka isaky ny alina no anaovana ny asa mba tsy hanelingelenana ny fifamoivoizana. Raha Efa vita tamin’ny andro mazava ny Fanadiovana ireo lakandrano
Na dia tsy ho vita ny tsy hampisy rano miakatra anaty fotoana fohy, dia ezaka atao kosa ny fahafafahan’ny rano mihena anatin’ny minitra fohy mba hampihena ny olana sedrain’ny mpampiasa ny lalana. Noho izany dia ho hentitra ny fanaraha-maso hatao amin’ ireo olona minia manaparitaka fako.
Ireo tatatra tena hita fa mora tsentsina no diovina nanomboka alina, 5andro no heverina fa hahavita ny asa saingy afaka mitohy sy mitombo kely izany raha mbola misy ny tsy maintsy atao

