
Tanteraka androany atoandro teto aminβny Lapam-panjakana Mahazoarivo ny dinikasa teo aminβny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta Ntsay Christian sy ireo Lehiben’ny Fileovana manerana ny Faritra rehetra eto Madagasikara, notarihin’ny Minisitry ny Atitany, Ramatoa Rahajavololoniaina Niritsoa Harinandrasana.
Teboka telo lehibe no nifanakalozana, ka voalohany tamin’izany ireo fanamby arakβasa miandry mandritra ity taona 2025 ity, mba hihatsara sy hitoetra hatrany ny filaminana sy ny fandriampahalemana manerana ny Nosy. Voasongadina izany nandritra ny tombana sy ny jery todika natao mikasika ny asa sy ny vokatra azo taminβiny taona 2024 lasa teo iny. Ny faharoa, dia ny fandrindrana bebe kokoa ny asam-panjakana mba hisianβny tontolom-pampandrosoana miabo, hanamora ny fanatanterahana ny Politika Ankapobenβny Fanjakana, izay tarihinβAndriamatoa Filohanβny Repoblika Andry Rajoelina. Ary ny fahatelo, dia ny fametrahana ny fahamarinan-toerana isam-paritra, ka mba ho tena Taonanβny Asa sy Filaminana tokoa ity 2025 ity.
Nisy ireo tatitra nataonβireto Lehiben’ny Fileovana ireto, ka nanomezanβny Praiministra toromarika maro samihafa hampajariana hatrany ny asam-panjakana any aminβny Faritra rehetra maneranβny Nosy. Nifampirary soa ihany koa moa ny roa tonta nandritra ity fihaonana ity.



