Home > Actus > π…π€πŒπ„π“π‘π€π‡π€ππ€ π‹π€πŒπˆπ’𝐀𝐒𝐀 π‡πŽ 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 π…πˆπ€πƒπˆπƒπˆπ€ππ€ 𝐍𝐘 π‹π€π…πˆπ“π€ππ˜

Nisy ny fivoriana niarahan’ny Minisitry ny Atitany, Ramatoa Rahajavololoniaina Niritsoa, tamin’ireo Lehiben’ny Fileovana manerana ny Nosy tamin’ity herinandro ity.

Izany dia niompana tamin’ny

fanaovana tomban’ezaka ankapobeny ny drafitrasa 2024 sy fametrahana ihany koa ny fanamby amin’ny hanatsarana hatrany ny fiadidiana ny lafitany mba hampirindra ny asa atao eny ifotony.

Tamin’izao fihaonana izao koa no niarahaba sy nirary soa an-dRamatoa Minisitra ireto Lehiben’ny Fileovana ireto noho ny fahatrarana ny taom-baovao izao.