
Tsy nanimba fotodrafitrasa fa nametraka orana ho an’i Toliara ny fandalovan’i Dikeledi této Toliara, ary mbola nitohy io rotsakorana io tato anatin’ny 4 andro izay. Amin’ny maha ambany noho ny ranomasiina ny toerana misy an’i Toliara ara jeografika nefa dia mora amin’ny rano no miakatra eto atampon-tanana indrindra ireo fokontany manodidina . Olana goavana sedrain’ity tanana ny masoandro ity nefa ny tsy fahampian’ny fitaovana entina mamoaka rano.
Mba ahalalana ny tena olana sy hitondrana vahaolana eto Toliara sy ny faritra atsimo Andréfana iray manontolo dia tanterahina eto antoerana ny fanaovaoazana ny drafitra entina miatrika ny loza na ny plan de contingence, izay tarihin’ny avy eto amin’ny BNGRC raha ny Croix rouge Malagasy sy ny Unicef no mamatsy vola
Ankoatran’ny distrikan’i Toliara renivohitra dia Tonga miartrika izany fanaovaoazan ny drafitra entina miartrika ny loza izany avokoa ireo distrika 8 mandrafitra ny faritra atsimo Andréfana satria maro amin’ireo distrika ireo no manamorona ranomasiina ka mety mora marefo amin’ny rivodoza avokoa, ohatra amin’izay ny distrikan’i Morombe izay nahitana tradoza noho ny fiakaran’ny ranomasiina noho i Dikeledi izay nahitana Tradoza 632.


