
Noraisiko androany ireo solontenan’ireo lehiben’ny fileovana eto Madagasikara izay tonga niarahaba noho ny taona vaovao.
Fitondram-panjakana manakaiky vahoaka no napetratsika nanomboka ny fe-potoam-pitondrana voalohany.
Ianareo no solontena mahefan’ny fanjakana any amin’ny faritra rehetra misy anareo avy. Ary mandray anjara feno amin’ny fanatanterahina ny vina entina hampandrosoana ianareo.


