
Notanterahina androany alakamisy faha 06 febroary 2025 tany amin’ny Fokontany Ambolamena, Kaominina Bongatsara, Distrikan’i Antananarivo Atsimondrano, ny fambolen-kazo nataon’ny fianakaviamben’ny Ministeran’ny Atitany.
ยซย Tsirim-panantenana ho an’ny taranaka ny fambolen-kazoย ยป hoy ny Minisitry ny Atitany, Ramatoa Rahajavololoniaina Niritsoa, tamin’ny teny fohy fanokafana izany.
Laharam-pahamehana, indrindra amin’ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro izay miteraka voka-dratsy, hoy izy:
ny fikajiana sy fikojakojana ny ala efa misy,
ny fambolena zana-kazo vaovao,
ny fampifandanjana ny ala efa misy sy ny filan’ny olombelona, ary
ny fahatsiarovan-tenan’ny vahoaka hahay hikolokolo ny hazo.
Zana-kazo miisa 4 000 no novolena androany izay hokajiana sy hokolokoloina miaraka amin’ireo tompon’andraikitra eny ifotony.



