Home > Actus > 𝟏𝟏 π…π„ππ‘πŽπ€π‘π˜ πŸπŸ—πŸ•πŸ“ : π‹π€π•πŽ 𝐍𝐘 πŠπŽπ‹πŽππ„π‹π˜ π‘πˆπ‚π‡π€π‘πƒ π‘π€π“π’πˆπŒπ€ππƒπ€π‘π€π•π€

Nomarihina omaly 11 febroary 2025 teo Ambohijatovo ambony ny faha-50 taona nahafatesan’ i Kolonely Richard RATSIMANDARAVA. Nitarika ny lanonana ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Andriamatoa NTSAY Christian, izay nisolo tena ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara. Nanatrika ny lanonana ny Minisitry ny Atitany, Ramatoa Rahajavololoniaina Niritsoa.

πŸ‡²πŸ‡¬ Tsy niamboho adidy ity maherifon’ny Firenena ity ka nandray ny fahefana hitondra ny tany sy ny Firenena ny 05 febroary 1975 tamin’ny Jeneraly RAMANANTSOA.

Nisy ny fanateram-boninkazo teo amin’ny tsangam-batom-pahatsiarovana izay nohavaozina sy notokanana omaly ihany koa.