FIKARAKARANA Sorampiankohonana (KOPIA) MAIMAIMPOANA ho an’ny Zaza mihoatra ny 30 andro ka hatramin’ny 17 Taona ka Mbola tsy manana izany
Ho anareo amin’ireto Kaominina ireto:
1- Ankadinondry
2- Tsinjoarivo Imanga
3- Ambatolampy
4- Marotampona
5- Ambalanirana
6- Tsiroanomandidy ville
7- Tsiroanomandidy Fihaonana
8- Ambohitromby
8- Ambatomainty Sud
10- Firavahana
Fisoratana anarana eny amin’ny Fokontany sy Kaominina
Hanomboka volana Mars ary hifarana volana aogositra 2025 ity andiany voalohany ity, olona miisa 8.000 no mihoatra no ahazo izany MAIMAIMPOANA
Hetsika karakarain’ny Governora Bongolava miaraka amin’ny Préfecture de Tsiroanomandidy OfisialyMinisteran’ny Atitany – Pejy ofisialy
, Tribonaly Ambaratonga voalohany Tsiroanomandidy/ Ministère de la Justice de Madagascar , Fikambanana KOLOAINA sy ny Justice et Paix Tsiroanomandidy, ary vatsian’ny Organisation internationale de la Francophonie (OIF) vola.
Ao anaty andry voalohany amin’ny vinan’ny Filohan’ny Repoblika Malagasy Andry Rajoelina ny fiahiana ny MAHA-OLONA



