Tonga nankahery sy nitondra fanampiana ireo tokantrano traboina raisina an-tanana ao Anosizato Andrefana ny Filohan’ny Repoblika. Tokantrano manodidina ny 400 no tsy maintsy nafindra ao amin’ity toby ity ankehitriny ary nomena vary 10kg avy, menaka, ronono mandry mamy, bodofotsy sy kojakoja ilaina andavanandro. Notoloran’ny Filoha Andry Rajoelina fanampiana ara-bola ihany koa izy ireo hanamaivanana izao fotoan-tsarotra handalovan’izy ireo izao.
Efa misy ireo ezaka nataon’ny Fitondram-panjakana ka nampihena ny isan’ireo traboina sy tokantrano tsy maintsy nafindra toerana noho tondra-drano. Nanome toromarika ireo tompon’andraikitra kosa ny Filoha mba ho entitra amin’ny fanaraha-maso ny fahadiovan’ireo lakandrano sy hanara-maso ireo izay manototra tany ary manao fanorenana tsy ara-dalàna izay anisan’ny manahatonga ny fiakaran’ny rano eto an-drenivohitra sy ny manodidina.



